Seminera
Fizarana 7: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26


Fizarana 7: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26

Fampidirana

Nihanahery vaika ny fanenjehana natao tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny vanimpotoana fahavaratry ny taona 1830. Nandritra izany fotoana feno fizahan-toetra izany dia nampaherezin’ny Tompo sy nomeny torolalana i Joseph Smith sy i Emma Smith ary ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24

Nahazo torohevitra mikasika ny antsony i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Eritrereto ny iray amin’ireo andro na herinandro sarotra sy nahasorena indrindra izay niainanao. Ahoana no niatrehanao ireo olana izay niainanao?

Niaina fotoan-tsarotra maro ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ny fiainany. Ny fahavaratry ny taona 1830 dia iray amin’izany. Tamin’ny volana Jona 1830 i Joseph Smith sy ny mpiara-miasa vitsivitsy dia nandeha tany Colesville, New York mba hamangy olona izay liana amin’ny fanaovana batisa. Nofefena ny ony iray mba hiomanana amin’ny batisa ny ampitson’io (alahady), saingy nisy mpihetraketraka feno fankahalana nandrava ilay fefy nandritra ny alina.

Ny Alatsinainy vao maraim-be, dia naverina naorina indray ilay fefy ary olona 13 no natao batisa, anisan’izany i Emma Smith. Tamin’ny fotoana nahavitan’ny batisa, kanefa, dia nisy mpihetraketraka efa ho miisa 50 nivondrona, sy niteny ratsy ary nandrahona ny hanisy ratsy ireo Olomasina.

Nivory tamin’iny hariva iny ireo Olomasina mba handray ho mpikambana ireo izay natao batisa tamin’iny andro iny, saingy raha mbola tsy vita ny fandraisana ho mpikambana, dia nosamborina i Joseph ary nolazaina fa “olona mpanakorontana, manao izay hampikorontana ny firenena amin’ny alalan’ny fitoriana ny Bokin’i Môrmôna ” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:88).

Teny amin’ny lalana mitondra azy ho any amin’ny fitsarana, dia tafatsoaka niala tamin’ny mpihetraketraka iray i Joseph noho ny fanampian’ny mpitandro ny filaminana iray mahafinaritra. Rehefa avy notsaraina sy nafahana madiodio tamin’ny fiampangana azy i Joseph, dia nosamborina avy hatrany indray izy tany amin’ny faritra iray hafa. Tamin’iny alina iny i Joseph dia niantefan’ny eso sy ny fitenenan-dratsy izay nataon’ny “lehilahy maromaro, izay nampiasa ny fomba rehetra mba hitenenan-dratsy, sy hanesoana ary hanompana” azy (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:91). Ny ampitso marainan’iny dia notsaraina i Joseph, ary dia nafahana madiodio indray izy ary dia afaka niala tamin’ny mpihetraketraka iray hafa teny am-pandehanana mody.

Nanandrana ny hihaona amin’ireo mpikambana izay vao avy natao batisa tao Colesville indray i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery saingy nisy vondrona mpihetraketraka niforona fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Voatery nandositra i Joseph sy i Oliver ary saika tsy tafatsoaka ireo mpihetraketraka izay nanenjika azy ireo nandritra ny alina.

Izao no nolazain’i Joseph momba izany fotoanan’ny fizahan-toetra izany, “Na dia teo aza ny hatezeran’ireo fahavalonay dia nahazo fampiononana lehibe izahay, ary maro ireo zavatra nitranga mba hampatanjaka ny finoanay sy hampifaly ny fonay” (ao amin’ny History of the Church, 1:101; ho an’ny fitantaran’i Joseph Smith ireo zava-niseho tany Colesville ireo, jereo ny History of the Church, 1:86–97, 101).

Vakio ny lohatenin’ny Fotopampianarana sy Fankempihavanana 24, ka tadiavo ireo tanjon’ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26.

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fampiasana manaraka ireto:

    1. Manaova tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ataovy lohatenin’ny tsanganana voalohany ny hoe Mampatanjaka sy mampahery; ataovy lohatenin’ny tsanganana faharoa ny hoe Mampianatra. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1–12, ary tanisao ireo andian-teny izay mety hampatanjaka sy hampahery na hampianatra an’i Joseph sy i Oliver ao amin’ilay tsanganana mifandraika amin’izany.

    2. Misafidiana andian-teny iray izay manan-danja manokana ho anao avy ao amin’ny iray amin’ireo tsanganana ireo. Manorata fehezan-teny roa na telo izay manazava ny fomba hanampian’izany fampaherezana na fampianarana manokana avy amin’ny Tompo izany ny olona iray mandia zava-tsarotra.

Misy teny iray manan-danja izay mitondra fampaherezana sy fampianarana avy amin’ny Tompo hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8. Manorata fitsipika iray ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ny fomba filazanao azy manokana:

Ny fahoriana dia miteraka na ahitana alahelo, hakiviana na fijaliana. Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “”mahareta amin’ny fahoriana” sy ny hoe “iareto ireny”? Ny maharitra sy miaritra ireo fahoriantsika dia tsy mora hatrany, kanefa ny Tompo dia mampanantena fa miaraka amintsika Izy mandritra ireo fahoriantsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahita olona nanana faharetana sy nijanona ho mahatoky nandritra ny fotoana niaretany fahoriana?

    2. Inona no nolazain’ilay olona na inona no hitanao fa maneho hoe niaraka tamin’io olona io ny Tompo?

    3. Nahoana no hanampy anao hanana risipo sy hery hanao zavatra sarotra ny finoanao fa hiaraka aminao ny Tompo mandritra ireo fotoana handalovanao fitsapana.

Manome torolalana fanampiny ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13–19 mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny antsony sy ny zavatra hitranga amin’ireo izay mandà sy manohitra azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25

Nandray torohevitra mikasika ny fianakaviany sy ny andraikiny ao am-piangonana i Emma Smith

Araka ny efa voalaza teo aloha, dia anisan’ireo vondrona izay natao batisa tao Colesvilles, New York i Emma Smith tamin’ny volana Jona 1830, saingy noho ny fanenjehana nataon’ireo mpihetraketraka dia tsy afaka noraisina ho mpikambana izy raha tsy tamin’ny fiandohan’ny volana Aogositra (jereo ny History of the Church, 1:106, 108). Teo anelanelan’ny fotoana nanaovana batisa an’i Emma sy ny nandraisana azy ho mpikambana, dia naharay ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 ny Mpaminany Joseph. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia nanome fampiononana sy torolalana ho an’i Emma, izay hiatrika fizahan-toetra sy hanana fahafoizan-tena lehibe mandritra ny fiainany.

Sary
Emma Hale Smith

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25. Avy eo eritrereto ny fampiononana sy torohevitra nomena an’i Emma ao amin’io fanambarana io rehefa mamaky ireto andininy manaraka momba ny fiainany ireto ianao:

Nobeazina tao amin’ny tokantrano manan-karena iray i Emma Hale Smith kanefa taorian’ny fanambadiany dia matetika izy no niaina tao anaty fahantrana lalina. Izy no nanao mpitan-tsoratra nandritra ny fandikan’i Joseph ireo takela-bolamena tamin’ny fotoana nanombohana ny fandikanteny. Na dia nahita matetika ireo takelaka teo ambony latabatra aza izy, izay voarakotry ny lamba, dia tsy nanainga ny lamba mihitsy izy mba hijery azy ireo.

Nodimandry fotoana fohy taorian’ny nahaterahany ny zanak’i Joseph sy Emma telo voalohany. Mandritra ny fiainany dia hiaritra ny fahafatesan’ny zanany dimy naterany sy ny zanany iray natsangany izy. Ambonin’izany, dia hiaritra fanenjehana tsy mitsahatra izy sy ny vadiny. Mandritra ny fiainan’izy mivady dia ho voatery handao ny tokantranony i Joseph sy i Emma noho ny fandrahonan’ireo mpihetraketraka. Hisy hiditra an-keriny ao amin’ny tranon’i Emma; matetika izy no ho voatery hiala ny tranony ka hiara-hiaina amin’olon-kafa, sy hiantehitra amin’ny hatsaram-pon’izy ireo mba hahazoana fialofana vetivety; ary amin’ny farany dia hoesorina aminy i Joseph malalany ka hovonoina.

  1. Niteny tamin’i Emma Smith ny Tompo mba “hifantina hira masina … mba hatao ao amin’ny fiangonako” (F&F 25:11). Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “ny hiran’ny fo” ?

    2. Ahoana no mampitovy ny “hiran’ny marina” amin’ny vavaka?

    3. Vakio ity teny manaraka ity:

      “Afaka manatsara ny fiainanao ny mozika. Afaka mankahery, manentana fanahy ary manampy anao hanakaiky ny Ray any An-danitra ny mozika. Ny mozika dia misy fiantraikany lalina amin’ny saina, ny fanahy ary ny fitondra-tena.

      “Fidio amim-pitandremana ny hira henoinao. Eritrereto ny fahatsapana anananao rehefa mihaino ianao. Ny hira sasany dia mety mitondra hafatra feno faharatsiana sy manimba. Aza mihaino hira izay mamporisika amin’ny tsy fahadiovam-pitondran-tena na manandratra ny herisetra amin’ny alalan’ny tonon-kira, ny paika, na ny hamafiny. Aza mihaino hira izay mampiasa fiteny kivalavala na manafintohina na manondrotra avo ny fanaovan-dratsy. Izany karazana mozika izany dia mety hahatonga anao tsy hiraika kokoa amin’ny zavatra ara-panahy” (Jeunes, soyez forts [bokikely, 2011], 22).

      Inona no azonao atao mba hahatonga anao hiaina ao anaty mozika feno fahamendrehana?

  2. Ny torohevitra sy ny fampanantenana nomena an’i Emma Smith ao amin’ity fanambarana ity dia azontsika hampiharina amin’ny fiainantsika, araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:16. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Araka ny zavatra novakianao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, manorata fitsipika efatra farafahakeliny izay nianaranao avy amin’ireo torohevitra nomena an’i Emma Smith. (Ohatra, raha mitandrina ireo didin’ Andriamanitra lalandava isika, dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana [andininy 15] izay tandidon’ny fandraisana ny fanjakana selestialy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.)

    2. Safidio ny iray amin’ireo fitsipika izay nataonao lisitra izay tsapanao fa azonao hampiharina ary soraty ny fomba hahafahanao mampihatra io fitsipika io amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao.

Niteny ny Tompo fa i Emma Smith dia “vehivavy nofinidy” (F&F 25:3). Taty aoriana dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “ ny hoe nofinidy dia natokana hanao asa manokana” (ao amin’ny History of the Church, 4:552). Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, ka jereo ny zavatra nifidianana (niantsoana) an’i Emma Smith mba hataony amin’izao fotoana izao ary ny zavatra izay “hanendrena” (handraisana fahefana) azy mba hataony (F&F 25:7).

Teo amin’ny 12 taona teo ho eo taty aoriana, dia nanokana an’i Emma mba hanompo ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany an’ny Fiangonana ny Filoha John Taylor, izay nanao izany araka ny torolalana azony avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nilaza ny Filoha Taylor, mikasika an’io trangan-javatra io, hoe: “Ny Mpaminany dia niantso an-dRahavavy Emma Smith mba ho vehivavy nofinidy, nandritra ilay fivoriana. Midika izany fa nantsoina hanao asa manokana izy; ary izany dia fanatanterahana fanambarana manokana iray [F&F 25] mikasika azy. Nofidiana mba hiahy ny Fikambanana Ifanampiana izy, ary notendrena mba hanazava ny Soratra Masina. Araka ny fangataha[n-dRahalahy] Joseph no nanokanako azy. … Rahavavy Emma dia nofidiana mba hanazava ny Soratra Masina, sy hiahy ny Fikambanana Ifanampiana” (“Discourse by President John Taylor,” Deseret News, 9 mar. 1881, 83).

Sary
Lucy Mack Smith

I Lucy Mack Smith, renin’i Joseph Smith, dia nilaza an’ity fandokafana ity mikasika an’i Emma vinanto vaviny: “Tsy mbola nahita vehivavy toy izany aho teo amin’ny fiainako, izay niaritra ireo zava-manasatra sy zava-tsarotra isan-karazany, nandritra ny volana maro, sy nandritra ny taona maro, niaraka tamin’ny herimpo sy fahazotoana ary faharetana tsy voahozongozona izay tsy mbola nananany hatrizay, satria fantatro ny zavatra tsy maintsy niaretany—natopatopan’ny onjam-piainana izy ary tsy fantany izay hiafarany—niaritra ireo zava-tsarotra nateraky ny fanenjehana izy ary niady tamin’ny fahatezeran’ny olona sy ny devoly, izay mety ho nahafefika ny ankabeazan’ny vehivavy hafa rehetra” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 190–91).

  1. Manorata teny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mankasitraka sy midera vehivavy iray izay fantatrao fa nanana ireo toetra tsaran’i Emma Smith hita ao amin’ nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 sy hita ao amin’ilay tenin’i Lucy Mack Smith. Omeo ny tahadikan’izay zavatra nosoratanao izany io vehivavy ii.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—F&F 25:13

Soratra Masina Fehezina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny ahita ny misy izany amin’ny hoavy.) Ny teny manao hoe “mifikira amin’ny fanekempihavanana” dia midika fanarahana akaiky sy fihazonana ireo fanekempihavanana izay natao tamin’ Andriamanitra. Azonao atao ny manoratra io famaritana io eo amin’ny sisin’ny pejy akaikin’io andininy io.

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe midika inona aminao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13.

Manampy anao hitadidy ny fananaran’ny Tompo mba hifikitra amin’ny fanekempihavanana izay natao ny fanoratana ny teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13 amin’ny taratasy kely iray na baoritra kely iray. Ento miaraka aminao mandritra ny andro maromaro io taratasy io, eritrereto ireo teny ao aminy ary miezaha mitadidy izany tsianjery. Azonao atao ny manonona sy manazava ny dikan’io andinin-tsoratra masina io amin’ny namana iray na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao rehefa hainao tsianjery.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26

Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary i John Whitmer ny Tompo

Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary John Whitmer momba ny asa ara-panahy sy ara-batana izay tokony hataon’izy ireo ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1. Avy eo dia nampianatra fitsipika iray manan-danja mikasika ny fitantanana ny Fiangonana ny Tompo.

Alao sary an-tsaina hoe manatrika fivoriam-piangonana izay hanohanana mpiandraikitra maro amin’ny antsony ny namano iray izay avy amin’ny finoana hafa (ohatra hoe fihaonamben’ny paroasy na sampana na fihaonamben’ny tsatòka). Eritrereto ny fomba mety hanazavanao ny fomba fanao amin’ny fanohanana ireo mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana amin’ilay namanao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:2, ary mitadiava fehezan-teny iray mikasika ny fomba fanao amin’ny fanohanana. Azonao atao ny manisy marika ilay fitsipika hoe ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonana dia hotontosaina amin’ny faneken’ny rehetra.

Inona no mety ho dikan’ny hoe “faneken’ny rehetra?

“Ny faneken’ny rehetra” dia fomba fanaon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fanohanana ireo olona antsoina hanompo ao amin’ny Fiangonana, ary amin’ny fanohanana ireo fanapahan-kevitra hafa ao amin’ny Fiangonana izay mitaky ny fanohanan’ny mpikambana. Mazàna izany no haseho amin’ny fananganana ny tanana havanana.

Tsy mitovy ny fanohana amin’ny fanehoana ny faneken’ny rehetra sy ny fifidianana. Ao amin’ny fanjakan’ny Tompo, ny Tompo dia manome aingam-panahy ho an’ny mpitarika voatokana, izay manapa-kevitra amin’ny alalan’ny fahefana nomena azy ireo avy eo. Avy eo ireo mpitarika dia mikatsaka fanamafisana avy amin’ny Tompo momba ny fanapahan-kevitra izay noraisiny. Ny fananganana ny tanana havanana dia tsy fomba fandatsaham-bato ataon’ny mpikambana; fomba fanehon’izy ireo ny fanekeny (na ny tsy fanekeny) ny fanapahan-kevitra izay efa vita izany.

Sary
fanohanana atao mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo

Ho fanampin’ny faneken’izy ireo amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana havanana, ny mpikambana dia mampiseho ihany koa fa hanohana ny olona na ny zavatra izay atolotra. Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra: “Ny fomba fanao rehefa manohana dia tsy ilay fananganana tanana havanana mahazatra fotsiny. Izany dia fanolorantena ny hamporisika sy hanohana ary hanampy ireo izay voafidy” (This Work Is Concerned with People,”Ensign, May 1995, 51).

Eritrereto ireo zavatra azonao atao mba hanatanterahanao tsaratsara kokoa ny fanolorantenanao ny hanampy ny olona izay nantsoina sy notohanana mba hanompo anao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24–26 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy