Seminera
Fizarana 26: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33


Fizarana 26: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 dia mirakitra ireo ampahany amin’ny taratasy iray nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny fitaomam-panahy ho an’ny Olomasina, tamin’ny 20 martsa 1839, avy ao amin’ny Fonjan’i Liberty. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33 dia mirakitra ny famaritan’ny Mpamonjy ny fitsarana izay ho avy eo amin’ireo olon-dratsy sy ny fampanantenany fanambarana ho an’ireo izay be herimpo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–25

Mamariparitra ireo fitsarana ho tonga eo amin’ireo izay manenjika ny Olomasina ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe indray maraina rehefa nivoaka ny trano ianao dia nahatsikaritra ity fehezan-teny ity nipetaka tao ivelan’ny varavaran’ny tranonao: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo sy tsy maintsy aringana ny Môrmôna.”

Hatahotra ny hivoaka ny tranonao ve ianao? Aiza no hikarohanao fanampiana? Inona no ho tsapanao raha fantatrao fa ny sasany tamin’ireo namanao taloha no nitaona olona hanoratra ilay fehezan-teny?

Talohan’ny nampidirana ny Mpaminany Joseph Smith tany am-ponja dia niodina taminy ny sasany tamin’ireo namany mahatoky fahiny. Mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny roa tamin’ireo namana teo aloha ireo, dia i Thomas B. Marsh sy i Orson Hyde. Samy nanao sonia ny fanambarana ombam-pianianana diso ireo lehilahy roa ireo, izay nanendrikendrika an’i Joseph Smith sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana fa nikasa ny hanery ireo fahavalony hiala ny tany tamin’ny alalan’ny fandorana sy ny famotehana ny fananan’izy ireo. Io fanambarana ombam-pianianana io dia nitaona ny governoran’i Missouri hamoaka fanambarana, izay nantsoina hoe didy fandringanana, izay nanambara fa tsy maintsy ringanina ny Môrmôna rehetra, na terena hiala ao amin’ilay fanjakana. Teny notsongaina nalaina avy ao amin’ilay didy fandringanana ilay fehezan-teny nalainao sary an-tsaina hoe napetaka teo amin’ny varavaranao (jereo ny History of the Church, 3:175).

Tadidio fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23 dia ampahany avy amin’ny taratasy iray nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith avy amin’ny fitaomam-panahy ho an’ireo Olomasina tamin’ny volana martsa 1839 raha mbola voafonja tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–17, mba hitadiavana ny zavatra nianaran’ny Mpaminany avy amin’ny Tompo mikasika ny zavatra hitranga amin’ireo izay niampanga ireo mpanompon’ny Tompo fa nandika lalàna.

Ilay andian-teny hoe “ho poaka aty ny fanantenany, ary ny fanampoizany dia ho levona toy ny mahalevona ny orampanala” (F&F 121:11) dia milaza fa ireo izay miady amin’ireo mpanompon’ny Tompo dia tsy hahomby amin’ny fikasan’izy ireo amin’ny farany.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:18–22, mba hitadiavana ireo voka-dratsy fanampiny ho tonga amin’ireo izay manendrikendrika ireo mpanompon’ny Tompo sy miady amin’izy ireo. (Ao amin’ny andininy 19, ilay andian-teny hoe “hosarahina hiala amin’ny ôrdônansin’ny trano[n’ny Tompo]” dia midika hoe tsy hahazo na hosarahina amin’ireo fitahiana miaraka amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo antony, ao amin’ny andininy 13 sy 17, izay nomen’ny Tompo fa nahatonga ny olona sasany niampanga ireo mpanompony ho nanota?

    2. Araka ny andininy 19–22, dia inona ireo loza avy amin’ny fanendrikendrehana ireo mpanompon’ Andriamanitra?

Ireo zavatra diso nolazain’ireo mpikambana nihemotra tao amin’ny Fiangonana sy ireo hafa miampy ny didy fandringanana navoakan’ny governora dia nitaona ireo andian’olona hampitombo ny fanenjehan’izy ireo ny Olomasina tao Missouri.

Sary
sary maneho ireo andian’olona

Nanimba ny fananan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Missouri ireo andian’olona.

Rehefa mamaky ity tantara manaraka ity ianao dia asio marika ireo ohatra mikasika ny fomba nitondrana ireo Olomasina tamin’ny fomba tsy ara-drariny:

Tamin’ny 30 ôktôbra 1838, telo andro monja taorian’ny namoahana an’ilay didy fandringanana dia nanatona ny toeram-ponenana Môrmôna iray ny lehilahy miisa ho 240 eo ho eo teo amin’ny toerana iray nantsoina hoe Fitotoam-barin’i Hawn (na Fitotoam-barin’i Haun). Nandositra tany anaty ala ireo zaza amam-behivavy, raha nitady fiarovana tao amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy kosa ireo lehilahy. Nanofaofa ny satrony i David Evans, iray amin’ireo mpitarika ny Olomasina, ka nangataka fitoniana. Feom-basy an-jatony no nasetrin’izy ireo azy, ka ny ankamaroany dia nikendry an’ilay toeram-piasan’ilay mpanefy avokoa. Tsy nisy famindrampo fa dia notifirin’ireo mpihetraketraka avokoa ny olon-drehetra izay hitany, ka anisan’izany ireo vehivavy sy beantitra ary ankizy. Nobedain’i Amanda Smith ny zanany vavy kely roa ka niara-nitsoaka tamin’i Mary Stedwell nanavatsava an’ilay rano fanodinana ny fitotoam-bary tamin’ny lala-masaka iray izy. Nampahatsiahy i Amanda hoe: “Na dia vehivavy niaraka tamin’ny zaza bodo nanavotra ny ainay aza izahay dia nitifitra tsy an-kijanona ireo lehilahy ratsy fanahy mba hamonoana anay” (ao amin’ny Andrew Jenson, “Amanda Smith,” The Historical Record, jolay 1886, 84).

Niditra tao amin’ilay toeram-piasan’ny mpanefy ireo mpihetraketraka ka nahita sy namono an’i Sardius Smith, izay 10 taona, zanakalahin’i Amanda Smith izay niafina tao ambanin’ny tafoforan’ilay mpanefy. Nanazava ilay lehilahy taty aoriana hoe: “Ho lasa hao ny zanaka hao, ka raha velona teo iny dia ho lasa Môrmôna” (ao amin’ny Jenson, Historical Record, des. 1888, 673; jereo koa ny B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 1:482). Vavolombelona nanatri-maso ny famonoana ny rainy sy ny rahalahiny i Alma Smith, rahalahin’i Sardius, fito taona, ka voatifitra teo amin’ny andilany ihany koa. Tsy hitan’ireo mpihetraketraka izy ary sitrana tamim-pahagagana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny finoana taty aoriana. Na dia vitsy aza ireo lehilahy niaraka tamin’ireo zaza amam-behivavy izay tafatsoaka niampita an’ilay renirano nankany amin’ireo havoana dia farafahakeliny olona 17 no maty ary tokony ho 13 teo ho eo no naratra. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faharoa [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 201, 203–4; jereo koa ny History of the Church, 3:183–86.)

Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpihetraketraka maherisetra no notsaraina noho ny helony tany amin’ny fitsaran’i Missouri na nataon’ny manampahefan’ny fanjakana foibe.

Inona no mety zavatra tsapanao raha toa ka niaina an’ireo habibiana ireo ianao? Inona no mety zavatra tsapanao rehefa fantatrao fa tsy ho tanana tompon’andraikitra tamin’ny zavatra nataony ireo mpanafika anao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:23–25, mba hitadiavana ireo andian-teny milaza fa hotanan’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny asany ireo fahavalon’ny Olomasina. (Tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan’ireo fitsarana ireo eo amin’ireo fahavalon’ny Olomasina. Mety tsy ho tonga ireo vokatry ny asan’izy ireo raha tsy any amin’ilay fiainana manaraka.)

Fenoy amin’ny alalan’ny fahamarinana miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ny andininy 24–25 ireto fehezan-teny manaraka ireto.

  • Ny Tompo dia sy ny asantsika rehetra.

  • Ireo izay miady amin’ny Tompo sy ny vahoakany dia handray amin’ny fotoana voatendrin’ny Tompo.

  1. Eritrereto ireo fotoana izay nahitanao olona nanao ny tsy nety ary toy ny hoe afa-niala tamin’ny vokatr’izany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mety ho amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’ireo fitsipika hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:24–25 amin’ireo toe-javatra iainana amin’izao fotoana izao rehefa toy ny hoe afa-maina amin’ireo vokatry ny tsy mety ataony ny olona?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26–33

Mampanantena ny hampahafantatra ireo fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra

Sary
Ao anatin’ny Fonjan’i Liberty

Efitra ambany amin’ny Fonjan’i Liberty

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26, mba hitadiavana ny fahamarinana izay noraketin’ny Mpaminany Joseph Smith raha mbola nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy.

Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 26 mba hamenoana ity fehezan-teny manaraka ity: Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny .

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Rehefa mieritreritra ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io amin’ny tenanao ianao amin’ny fotoana hiainanao zava-tsarotra, dia saintsaino ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Afaka manana traikefa masina sy feno fanambarana ary tena feno fampianarana lalina ianao miaraka amin’ny Tompo ao anatin’ireo zavatra mahafadiranovana anao indrindra eo amin’ny fiainanao—ao anatin’ny tontolo ratsy indrindra, rehefa miharitra ny tena tsy rariny indrindra, rehefa miatrika ireo olana sy fanoherana tsy hay ihoarana indrindra ianao” (“Lessons from Liberty Jail” [takariva amorom-patana an’ny Brigham Young University, 7 sept. 2008], 4; speeches.byu.edu).

Ity tantara manaraka izay notantarain’i Lucy Mack Smith ity dia manome ohatra iray mikasika ny fomba ahafahan’ Andriamanitra manambara fahalalana amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa mamaky ity tantara ity ianao dia jereo tsara ny fomba nampiononan’ilay fahalalana azony avy amin’ny Fanahy Masina azy mikasika ny famonjana ireo zanany lahy tao amin’ny Fonjan’i Liberty taorian’ny nisamborana an’i Joseph sy i Hyrum ho lasa gadra sy nandrahonana azy ireo ho faty.

Sary
Lucy Mack Smith

“Nandritra ny fotoana naharitraritra dia feno alahelo sy fitomaniana ary fahoriana tao amin’ny tokantranonay; saingy tao anatin’ny alaheloko aho dia nahazo fampionona izay nihoatra ny fankaherezana rehetra eto an-tany. Heniky ny Fanahin’ Andriamanitra aho ka nahazo an’ity manaraka ity tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana: ‘Aoka hionona ny fonao mikasika an’ireo zanakao, tsy haratran’ireo fahavalony izy ireo. …’ Nanafaka ny saiko izany, ary vonona ny hankahery ireo zanako aho. Nolazaiko azy ireo ny zavatra nambara tamiko ka nampionona fatratra azy ireo izany” (History of Joseph Smith by His Mother, natontan’i. Preston Nibley [1958], 291).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hanampiana anao amin’ny alalan’ny fahazoana fahalalana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miaina zava-tsarotra ianao?

    2. Oviana ianao no nahazo fahalalana avy amin’ny Fanahy masina ka nanampy anao tao anatin’ny fotoan-tsarotra?

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:26–33 dia nampanantena ny hanome fahalalana izay “tsy mbola nambara hatry ny nisian’ izao tontolo izao” (F&F 121:26) sy handrotsaka fitahiana lehibe eo amin’ireo rehetra izay “niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy” (F&F 121:29).

Ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33, dia nampiasa fifanahafana mba hanampiana ny Olomasina hahatakatra fa mahery kokoa noho ireo izay nanenjika ny Olomasina sy nanandrana nampijanona ny asan’ Andriamanitra ny Tompo.

Vakio ny andininy 33, mba hitadiavana ny fampitahana nampiasain’i Joseph Smith mba hanehoana ny herin’ Andriamanitra. Ny Reniranon’i Missouri dia renirano lehibe sy mahery ka nonina teo akaikin’izany ny maro tamin’ireo Olomasina teo aloha ary efa zatra an’izany.

Sary
Reniranon’i Missouri

Ny Reniranon’i Missouri

Ho toy ahoana ny fahombiazan’ny olona iray amin’ny fanajanonana ny fandehanan’ny renirano iray lehibe sy mahery amin’ny alalan’ny fampiasana tanana iray monja? Inona araka ny eritreritrao no nampianarin’ny Tompo ny Mpaminany mikasika ilay fanambarana izay ho alefany ho azy?

Fotopampianarana iray ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33 ny hoe tsy misy na inona na inona afaka manakana ny fandrosoan’ny asan’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no tsapanao rehefa mahafantatra fa hitohy ny asan’ny Tompo na dia eo aza ny fanoherana?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:11–33 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy