Seminera
Fizarana 30: Andro 2, Ny Fandaozana an’i Nauvoo; Ny dia namakivaky an’i Iowa ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18


Fizarana 30: Andro 2

Ny Fandaozana an’i Nauvoo; Ny dia namakivaky an’i Iowa; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18

Fampidirana

Taorian’ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany Joseph Smith dia nitarika ny Fiangonana sy nitantana ny asan’ny tompo ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, teo ambany fitarihan’i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Namporisika ny Olomasina izy ireo mba hamita ny Tempolin’i Nauvoo ka hiomana hifindra any andrefana.

Niasa tamim-pahazotoana mba hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ny Olomasina

Eritrereto ny fotoana iray izay nanaovanao zavatra sarotra iray satria fantatrao fa ho mendrika ilay ezaka ny vokatra ho azo avy eo.

Anisan’ireo asa sarotra nasaina nataon’ireo Olomasina taorian’ny fahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith ny famitana ny Tempolin’i Nauvoo. Nitaky fahafoizana lehibe tamin’ny Olomasina ny fananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Eo am-pamakianao izao andinin-tsoratra manaraka izao dia asio tsipika ireo fahafoizana nataon’ny Olomasina mba hananganana ny tempoly voalohany tao Nauvoo:

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1844 dia nangataka ny Olomasina ny Filoha Brigham Young mba hanome ny fahafolon-karena sy ny fanatitr’izy ireo mba hananganana ny tempoly. Ho setrin’izany dia nanome 1 centime (ampahafolon’ny 1 dôlara amerikana) isan-kerinandro ho an’ireo fitaovana fananganan-trano ireo mpikambana tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Lehilahy maro no nanolotra ny fahafolon’ny fotoana nananany amin’ny fiasana ho an’ny tempoly andro iray amin’ny folo. Nanome mihoatra ny iray ampahafolon’ny fananany ny hafa. Nanome an’i Brigham Young volamena mitentina 2.500 dôlara i Joseph Toronto ary nilaza fa hanome izay ananany rehetra mba hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Sary
Tempolin’i Nauvoo

Ny Tempolin’i Nauvoo tany am-piandohana

Nahoana araka ny eritreritrao no vonona ny hahafoy betsaka toy izany ny Olomasina mba hananganana ny tempoly?

Na dia nahafoy aza ny Olomasina mba hananganana ny Tempolin’i Nauvoo dia nanasarotra ny fahavitan’ny tempoly ny fanenjehana. Fahavalon’ny Fiangonana maro no nieritreritra fa raha vantany vao maty novonoina ny Mpaminany Joseph Smith dia hirodana ny Fiangonana. Rehefa nijanona ho nahatoky anefa ireo mpikamban’ny Fiangonana ka nitohy nivoatra ny Fiangonana dia nanamafy ny ezaka nataon’izy ireo mba handroahana ny Olomasina tao Illinois ireo fahavalon’ny Fiangonana.

Eo am-pamakianao ireto andinin-tsoratra manaraka ireto dia tadiavo izay nataon’ireo fahavalon’ny Fiangonana mba hiezahana hanimbana ny Fiangonana:

Tamin’ny volana septambra 1844 dia nanangana fampielezan-kevitra lehibe ho an’ny miaramila ny Kôlônely Levi Williams, izay nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Joseph sy Hyrum Smith, mba hanery ny Olomasin’ny Andro Farany hiala an’i Illinois. Izany dia natao nalaza tamin’ny hoe “haza lehibe tao amin’ny Fivondronan’i Hancock” (David E. Miller and Della S. Miller, Nauvoo: The City of Joseph [1974], 186). Teo am-pahenoana izany ny Governoran’i Illinois, Thomas Ford, dia naniraka ny Jeneraly John Hardin izay tao amin’ny milisim-paritra mba hitandrina ny filaminana.

Iray taona taty aoriana, tamin’ny volana septambra 1845, dia nitarika andian’olona nahitana lehilahy 300 izay nandrava ny fonenan’ny Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ireo faritra ivelan’ny tanàna ny Kôlônely Williams, ka nandoro ireo tokantrano tsy voaro, ireo tranom-piompiana sy fambolana, ireo milina ary ireo fitobiam-bokatra. Tamin’ny tapaky ny volana septambra dia nangataka mpilatsaka an-tsitrapo i Brigham Young mba hanavotra ireo Olomasina. Nanomana sarety 134 ireo Olomasina tany Nauvoo mba hitondrana soa aman-tsara ireo fianakaviana tao amin’ny faritra manodidina ho any Nauvoo.

Nahoana no nanasarotra ny fanohizana ny fananganana tempoly ireo fanafihana ireo?

Mponina maro tao Illinois no natahotra fa ny fisian’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao dia mety hitarika amin’ny adim-poko. Nangataka ny Olomasina mba hiala ny faritany izy ireo. Tamin’ny 24 septambra 1845 dia nampanantena ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa handao ny lohataona manaraka ny Fiangonana.

Saintsaino ny antony maha-fanapahan-kevitra sarotra ny fandaozana an’i Illinois. Saintsaino ihany koa ny mety ho fiantraikan’ny fanapahan-kevitra handao an’i Nauvoo teo amin’ny ezaka nataon’ireo Olomasina mba hahavitana ny tempoly.

Na dia fantatry ny Olomasina aza fa tsy maintsy handao an’i Illinois izy ireo dia notohizan’izy ireo ny fananganana ny Tempolin’i Nauvoo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no nanohy nanangana ny tempoly ny Olomasina na dia fantatr’izy ireo aza fa handeha izy ireo?

Tamin’izany fotoana izany dia tsy mbola azon’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra noraisina ireo ôrdônansin’ny tempoly ilaina ho amin’ny fisandratana. Tao anatin’ny fanambarana iray tamin’ny 1841 dia nampanantena tamin’ny Olomasina ny Tompo fa raha toa ka manangana ny Tempolin’i Nauvoo izy ireo dia ho afaka handray ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo (jereo ny F&F 124:22–44).

Nanana finoana ireo Olomasina ireo fa ireo ôrdônansin’ny tempoly dia hanampy azy ireo hitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra any amin’ny mandrakizay ary ho afaka ny ho voafehy miaraka mandrakizay ny fianakavian’izy ireo. Mampianatra antsika izao fahamarinana manaraka izao ireo tantaran’ny fahafoizana nataon’ireo Olomasina sy ireo fahasarotana noresen’izy ireo mba hananganana ny tempoly: Mendrika ny ezaka sy ny fahafoizana marina rehetra izay ataontsika ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mendrika ny fiasana mafy sy fanaovana fahafoizana ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly?

    2. Inona no ilainao atao mba hahafahanao mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Saintsaino raha toa ka misy zavatra tokony hatsahatrao na hatombokao atao mba hahazoana ireo fitahiana azo any amin’ny tempoly.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny Filoha Thomas S. Monson dia namariparitra ireo fahafoizana nataon’ireo Olomasina maoderina mba hahazoan’izy ireo ny ôrdônansin’ny tempoly: “Taona maro lasa izay dia namaky mahakasika ny vondrona mpikambana mihoatra ny zato aho izay niainga avy tao Manaus, [Brésil,] toerana hita eo afovoan’ny ala kitrok’i Amazonie, ka hanao dia hankany amin’ny tempoly akaiky indrindra teo tamin’izany, izay any Sao Paulo, Brésil—izay teo amin’ny 4.000 kilaometatra miala avy eo Manaus. Nandeha sambo nandritra ny efatra andro namakivaky ny Reniranon’i Amazone sy ireo renirano misampantsampana aminy ireto Olomasina mahatoky ireto. Taorian’ny nahavitana izany fandehanana an-tsambo izany dia niakatra tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy ireo mba hanao dia mandritra ny telo andro fanampiny —amin’ny lalana mikintaontaona, ary tsy dia misy sakafo firy na toerana mba azo hatoriana. Taorian’ny fito andro sy alina izy ireo dia tonga tao amin’ny tempolin’i Sao Paulo, izay nanaovan’izy ireo ôrdônansy manana toetra mandrakizay. Mazava ho avy fa nanahirana toy izany koa ny dian’izy ireo niverina. Kanefa dia avy nandray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly izy ireo, ka na dia foana aza ny poketran’izy ireo, ny tenany kosa dia heniky ny fanahin’ny tempoly sy ny fankasitrahana noho ireo fitahiana izay noraisiny” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’izao Tontolo izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 91).

Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’ireo Olomasina ireo manome aingam-panahy anao rehefa miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ianao?

Vakio ireto andinin-tsoratra manaraka ireto ary asio tsipika ireo ohatra amin’ireo ezaka marina nataon’ireo Olomasina tany Nauvoo mba handraisany ireo ôrdônansin’ny tempoly:

Notokanan’ireo mpitarika ny Fiangonana ireo efitrano tao anatin’ny Tempolin’i Nauvoo raha vantany vao vita izany efitrano izany, mba hahafahan’ny asa fanatanterahana ôrdônansy manomboka araka izay haingana indrindra. Notokanana hanaovana ny asa fanatanterahana ny ôrdônansy ny efitra farany ambony indrindra an’ny tempoly tamin’ny 30 nôvambra. Nanomboka nandray ireo fanafiany masina ny Olomasina ny 10 desambra, ary ny fotoana nanaovana izany dia nitohy hatramin’ny 3 maraina ny 11 desambra.

Sary
Filoha Brigham Young

Niasa tsy nitandro hasasarana ny Filoha Brigham Young mba hanolorana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo Olomasina mialoha ny nandroahana azy ireo hiala an’i Nauvoo, Illinois.

Tamin’ny faran’ny taona 1845 dia mpikambana mihoatra ny 1.000 no nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ny Filoha Brigham Young dia nilaza, tamin’ny volana janoary 1846 hoe: “Lehibe aok’izany ny hetahetan’ireo olomasina handraisan’izy ireo ireo ôrdônansy fanao any amin’ny tempoly, ary lehibe aok’izany koa ny hetahetanay hanatanteraka izany ho azy ireo, ka nahatonga ahy hanolo-tena tanteraka ho amin’ny asan’ny Tompo ao amin’ny Tempoly andro aman’alina, ary tsy natory nihoatra ny adiny efatra teo isan’andro, ary tsy nody tany an-trano afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro” (ao amin’ny History of the Church, 7:567). Mpikamban’ny Fiangonana maro no nandray anjara tamin’ny fanasana ireo akanjo anaovana any amin’ny tempoly isaky ny alina mba hahafahan’ny asa mitohy ny ampitso maraina tsy misy hatak’andro.

Tamin’ny 3 febroary 1846 dia nandao ny tempoly ny Filoha Young mba hanao ireo fiomanana farany handaozana an’i Nauvoo ho amin’ny dia miankandrefana ny ampitso. Kanefa nisy vahoaka be nivondrona mba handray ny fanafiana masin’izy ireo ary niverina tamim-pangorahana izy mba hanompo azy ireo. Nanemotra ny fiaingany ho amin’ny tapa-bolana manaraka izany. Araka ireo rakitsoratry ny tempoly dia Olomasina 5.615 no nandray ny fanafiana masina mialoha ny nandehanana niankandrefana. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faharoa [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 303–4.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no manaitra anao momba ireo ezaka nataon’ny Olomasina mba hahazona ireo ôrdônansin’ny tempoly?

    2. Inona ireo ezaka sy fahafoizana ilaintsika atao mba handraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Mandao an’i Nauvoo ireo Olomasina

Rehefa nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo Olomasina dia nanomboka nandao an’i Nauvoo izy ireo tamin’ny volana febroary 1846. Tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra anefa no nandao niaraka tamin’ny vondrona Olomasina voalohany. Nisy olona vitsy izay tsy vonona ara-potoana, ary nisy sasany nisafidy ny hijanona.

Maro tamin’ireo Olomasina izay nijanona tao Nauvoo no nanohy niaina fanenjehana. Tamin’ny septambra 1846, fito volana taorian’ny nandehanan’ilay andiana Olomasina voalohany dia niomana ny hanafika an’i Nauvoo ny olona tokony ho 800 eo, niaraka tamin’ny tafondro enina. Ireo olomasina izay nijanona sy ireo mponina vaovao sasany, izay lehilahy afaka miady niisa 150 fotsiny no niomana hiaro ny tanàna.

Taorian’ny andro vitsivitsy niadiana dia noterena hilavo lefona ny Olomasina ary nolazaina mba handao avy hatrany ny tanàna. Avy eo dia niditra ny tanàna ireo mpihetraketraka, ka nandroba ireo trano, ary nanimbazimba ny tempoly. Ireo Olomasina izay tsy afaka nitsoaka haingana dia voakasi-tanana na natsipy tao amin’ny Reniranon’i Mississippi. Rehefa nandositra niala an’i Nauvoo ny Olomasina dia nanangana tobin’ny mpitsoa-ponenana teny amin’ny sisin’ny andrefan’ny renirano izy ireo. Tsy nanana sakafo na fitaovana mba hanohanana ny tenany ny ankamaroan’ny olona.

Nandefa vondrona mpanavotra niverina niampita ny tany sarotr’i Iowa ireo mpitarika ny Fiangonana mba hanampy ireo Olomasina izay nijaly.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao raha toa ka nantsoina mba hiverina hanampy ireo Olomasina izay nijaly ianao?

Vakio izao hafatra manaraka izao izay nomen’ny Filoha Brigham Young ho an’ireo lehilahy izay nampiandraiketana ny fisafidianana ireo vondrona mpanavotra:

Sary
Filoha Brigham Young

“Avelao hiredareda ao am-ponareo ny afon’ny fanekempihavanana izay nataonareo tao amin’ny Tranon’ny Tompo, toy ny afo tsy mety maty, … mandra-pilatsahan’ny lehilahy tsirairay … izay afaka mandeha an-tsitrapo, ary ampitao amin’ny fanahiny ny afo, mandra-pitsanganany … sy mandra-pandehanany avy hatrany, ary hitondrany ny anjarany amin’ny fanavotana ny mahantra any Nauvoo. …

“… Andro fanaovana asa anio” (Journal History of The Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints, sept. 28, 1846, 5–6, Church History Library, Salt Lake City).

Ny teny nolazain’i Brigham Young dia mampianatra antsika fa ny Tompo dia mitaky antsika mba hiaina araka ireo fanekempihavanana ataontsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fahafoizana nataonao mba hitandremana ireo fanekempihavanana?

    2. Inona ireo fitahiana izay niainanao satria niaina araka ireo fanekempihavanana nataonao ianao?

Mamakivaky an’i Iowa ny Olomasina ary manangana ny foibe ao Winter Quarters

Rehefa nanomboka nandao an’i Nauvoo ny vondrona Olomasina voalohany tamin’ny febroary 1846 dia nandeha niankandrefana izy ireo namakivaky ny faritanin’i Iowa. “Ny Fandaozana an’i Nauvoo dia fanehoam-pinoan’ireo Olomasina. Nandeha fotsiny tamin’ny tsy fahafantarana mazava tsara ny toerana haleha sy ny fotoana hahatongavana any amin’ny toerana iray hanorenam-ponenana izy ireo. Fantatr’izy ireo fotsiny fa saika ho efa noroahin’ireo fahavalony tao Illinois izy ireo ary nahazo fanambarana ireo mpitarika azy ireo mba hitady toeram-pialofana tany amin’ny Rocky Mountains tany ho any” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, 309).

Eo am-pamakianao izao tantaran’i Orson sy Catherine Spencer manaraka izao dia tadiavo ireo ohatra amin’ny finoana sy fatokian’izy ireo:

“I [Catherine], izay osa sy marefo hatrany, dia nanjary rendrika vetivety tao anatin’ny fisedrana mafy izay tsy nitsaha-nitombo taorian’ny nandaozana an’i Nauvoo. Ilay vadiny izay nalahelo tokoa dia niangavy an-tsoratra ireo ray aman-drenin’i Catherinemba handray azy ao an-tranon’izy ireo mandra-pahitan’ireo Olomasina toerana afaka hamoronam-ponenana. Ary dia tonga ny valiny, nanao hoe ‘Asaivo mandà ny finoany izay mahatonga azy hijaly aloha izy izay vao afaka miverina mody aty aminay, fa tsy ho raisinay mihitsy izy raha tsy manao izany.’

“Rehefa novakiana taminy ilay taratasy, dia nangataka ny vadiny izy mba haka ny Baiboly ary hanokatra ao amin’ny bokin’i Rota ary hamaky ny toko voalohany, ny andininy faha enina ambin’ny folo sy fito ambin’ny folo: “Aza manery ahy ny handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako. Ny firenenao no ho fireneko ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”‘ (Memoirs of John R. Young: Utah Pioneer 1847 [1920], 17–18). Fotoana tsy ela taoriana kelin’izay dia nodimandry i Catherine Spencer.

Niaina fahasarotana bebe kokoa ireo Olomasina rehefa nandeha. Noho ny oram-be sy ny tsy fahampian’ny fitaovana dia nandany efa-bolana ny Olomasina nandeha tamin’ilay dia 480 kilaometatra namakivaky an’i Iowa. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, raha nandinika io famindra miadana io, dia nanapa-kevitra ny tsy hanohy miankandrefana any amin’ny Montagnes Rocheuses intsony hatramin’ny lohataonan’ny 1847. Nanoro hevitra ny Olomasina izy ireo mba hijanona mandritra ny ririnina. Hita teo amin’ny ilany andrefan’ny Reniranon’i Mississipi, ao amin’ny faritan’i Nebraska amin’izao fotoana izao ny iray tamin’ireo toeram-pijanonana lehibe indrindra, dia i Winter Quarters.

Sary
Winter Quarters.

Ny toeram-pijanonana vonjy maika tao Winter Quarters

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18

Nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba handamina azy ireo ka hanomana hanohy ny dian’izy ireo miankandrefana.

Nandray ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 i Brigham Young tao Winter Quarters tamin’ny volana janoary 1847.

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18 ianao dia jereo ny torohevitry ny Tompo mikasika ny fomba handaminan’ny Olomasina ny tenan’izy ireo sy hanomanany hanohy ny diany miankandrefana.

Hianatra bebe kokoa momba ny dia miankandrefana ianao miaraka amin’ny mpampianatrao ao amin’ny lesona ho an’ity fizarana ity.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny “Fandaozana an’i Nauvoo,” “ Ny dia namakivaky an’i Iowa,” sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–18 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy