Seminera
Fizarana 5: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18


Fizarana 5: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18

Fampidirana

Nomena tamin’ny volana Jona 1829 ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 taoriana kelin’ny nanomezan’i Petera sy Jakoba ary i Jaona ny Fisoronana Melikizedeka an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery. Ny famangiana nataon’izy ireo dia manantitrantitra ny anjara toerana lehibe ananan’ireo Apôstôly ao amin’ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–16 dia mifantoka amin’ny antso noraisin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer mba ho mpanompon’i Jesoa Kristy sy hitory ny fibebahana amin’ny hafa. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–47 dia mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fitondrantsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Nilaza momba ny fiantsoana ireo Apôstôly Roambinifolo ihany koa ny Tompo sy ny faniriana hananan’izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Mpamonjy “amin’ny fo feno finiavana” (F&F 18:27). Nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ny andraikitra miavaka “hitady ny Roambinifololahy” (F&F 18:37).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–5

Mampianatra ny fomba hanorenana ny Fiangonany ny Tompo

Efa niainanao ve ny korontana sy ny fandravana ateraky ny horohorontany? Tamin’ny 17 Ôktôbra 1989 tamin’ny 5:04 hariva dia nisy horohorontany mahery vaika (mirefy 6.9 amin’ny mari-drefin’i Richter) izay namely ny faritr’i San Francisco, Californie any Etazonia. Trano an’arivony no simba na rava. Ny sasany amin’ireo trano dia toa tsy naninona raha jerena ety ivelany, kanefa nakaton’ny manam-pahefana ka tsy azo aleha izy ireo satria nitresaka na tsy azo antoka ny fototra. Inona ireo tebiteby anananao raha toa ianao mipetraka ao amin’ny trano iray izay tsy manana fototra azo antoka?

Sary
kisary maneho ny trano Fiangonana

Araka ny voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18, dia nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fomba hanorenana ny Fiangonany eo ambonin’ny fototra azo antoka. Amin’ny fiantombohan’izany fanambarana izany dia miresaka momba ireo zavatra nosoratan’i Oliver Cowdery ny Tompo, izany hoe ireo teny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay noraketin’i Oliver an-tsoratra nandritra ny fotoana niasany ho mpitan-tsoratra ho an’ny Mpaminany Joseph Smith azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:2–5, ary tadiavo hoe inona no voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka nandidian’ny Tompo ny mpanompony mba ho eo amboniny no hanorenana ny Fiangonany.

Mianatra ampahany fototra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika avy amin’ilay torolalana nomen’ny Tompo. Fenoy avy amin’izay notsoahina tao amin’ilay fanambarana nomena ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ity fitsipika manaraka ity: Ny Fiangonana marina dia miorina eo amin’i .

Nanome izao fampianarana manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ny fototra sy ny vatolampy:

Sary
Joseph Smith

“Kristy no lohan’ny Fiangonana, ilay fehizoro indrindra, ilay vatolampy nanorenana ny Fiangonana, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy [jereo ny Matio 16:18; Efesiana 2:20]. Nanorina ny Fanjakana Izy, nifidy Apôstôly sy nandroso azy ireo tamin’ny Fisoronana Melikizedeka, ary nanome azy ireo ny hery [fanalahidin’ny fisoronana] hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny Filazantsara” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 139).

“Nilaza i Jesoa tao anatin’ny fampianarana nataony hoe: ‘Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.’ [Matio 16:18.] Vatolampy inona? Ny Fanambarana” (Teachings: Joseph Smith, 195).

Nanome fampanantenana miavaka tsara ho an’ireo mpanompony ny Tompo raha toa izy ireo manorina ny Fiangonany eo ambonin’ilay fototra azo antoky ny Filazantsarany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:5, ary tadiavo ilay fampanantenana nomen’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:6–16

Voantso hitory fibebahana i Oliver Cowdery sy i David Whitmer

Ahoana no hilazalazanao ny zava-misy ara-panahy sy ny toe-pitondran-tena eo amin’izao tontolo iainantsika izao? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:6, ary jereo ny fomba hamaritan’ny Tompo an’izao tontolo izao. Tadiavo ny vahaolana omen’ny Tompo ho an’ny faharatsiana tsy mitsaha-mitombo eo amin’izao tontolo izao, izay voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:9.

Mieritrereta zavatra iray ao an-tranonao izay tsapanao fa sarobidy. Fantatrao ve hoe manodidina ny ohatrinona ny sandan’io zavatra io? Fomba iray ahafahana mahita ny sandan’ny zavatra iray ny mamantatra hoe ohatrinona no sahin’ny olona iray aloa mba hividianana azy. Mety hilaza ny olona iray hoe vola toy izao no sandan’ny zavatra anankiray, saingy tsy marina io vidiny io raha tsy misy olona iray hafa vonona ny handoa izany vola izany mba hahazoany ilay zavatra.

Manao ahoana ny maha-sarobidy ny fanahy iray? Mampianatra ny hasarobidin’ny olona iray eo imason’ Andriamanitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. Vakio io andinin-tsoratra masina io ary tadiavo izay lazain’ny Tompo fa maha-sarobidy antsika.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa tena sarobidy ianao ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Dieter F. Uchtdorf

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny maha-sarobidy antsika ho an’ny Raintsika any An-danitra: “Raisin’ Andriamanitra tsy amin’ny maha-olona izay mety miaina ao anatin’ny planeta kely mandritra ny fotoana fohy fotsiny ianareo— fa raisiny amin’ny maha-Zanany anareo. Raisiny hoy toy ilay olona izay vitanareo ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranareo rahatrizay. Tiany ho fantatrareo fa manan-danja Aminy ianareo” (Manan-danja Aminy ianao,” Liahona, nôv. 2011, 22).

Manan-danja amin’ny Tompo ny fanahy tsirairay, ary matetika ireo mpitarika ny Fiangonana no tarihin’ny Fanahy Masina hanompo olona iray manokana. Ohatra, ny Filoha Thomas S. Monson dia nanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary nanova ny hafatra izay efa nomaniny mba hiresahany amin’ny tovovavy kely iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Eo amin’ilay lavarangana etsy amin’ny ankaviako dia mahita tovovavy kely mahafatifaty eo amin’ny folo taona eo aho. Ry zazakely mahafinaritra, tsy fantatro ny anaranao na ny toerana niavianao. Fa izao kosa dia fantatro: ny tsikinao tsisy tsiny sy ny fijerin’ny masonao feno fitiavana dia nandresy lahatra ahy hanajanona sy hampiasa amin’ny fotoana manaraka ilay hafatra izay efa nomaniko mba hataoko amin’ity fotoana ity. Anio aho dia mahatsapa fa tokony hiresaka aminao.”

Avy eo ny Filoha Monson dia nizara traikefa izay nanamafy ny fahatakarany ny fitiavan-dehibe izay ananan’i Jesoa Kristy ho an’ireo zanany. Niresaka momba an’i Christal Methvin izy, zazavavy folo taona izay nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany tao ao amin’ny tsatòkan’i Shreveport Louisiane. Hita fa nararin’ny homamiadana, izay nanenika ny havokavony i Christal. “Tsy kivy ry Methvin mianakavy, fa vao mainka aza nanomana ny dia handeha fiaramanidina ho any Salt Lake City. Afaka mahazo tsodrano avy amin’ny Manampahefana Ambony iray i Christal. Tsy nisy Rahalahy fantatry ny fianakaviana Methvin manokana, noho izany dia nosokafana manoloana an’i Christal ny sarin’ireo Manampahefana Ambony rehetra ka natao ny safidy tamin’ny fanaovana an-kitsapaka. Kisendrasendra fotsiny no nahavoafantina ny anarako.

“Tsy nahavita nandeha fiaramanidina ho any Salt Lake City Christal. Niharatsy ny toe-pahasalamany. Efa nananontanona ny fahafatesany. Kanefa tsy nihozongozona ny finoany. Hoy izy tamin’ireo ray aman-dreniny, ‘Tsy efa ho avy ve ny fihaonamben’ny tsatòka? Tsy misy Manampahefana Ambony irahina ve amin’izany? Nahoana moa no tsy mba ny Rahalahy Monson no irahina? Rehefa tsy afaka mankany aminy aho dia afaka mandefa azy aty amiko ny Tompo.’

“Nandritra izany fotoana izany tany Salt Lake City, na dia tsy nisy nahafantatra aza ny zava-nitranga tany Shreveport, dia nisy toe-javatra tsy mahazatra izay niseho. Nirahina ho any El Paso, Texas aho nandritra ilay Fihaonamben’ny Tsatòka tany Shreveport Louisiane. Nantsoin’ny Filoha Ezra Taft Benson aho ho ao amin’ny biraony ary nohazavainy tamiko fa misy Rahalahy iray hafa efa nanao fanomanana mikasika ny fizaran’ny tsatòka ao El Paso. Nanontany ahy izy raha mety amiko ny handefasana olon-kafa any El Paso ary halefa any amin’ny toeran-kafa aho. Mazava ho azy fa tsy nisy olana—mety amiko foana na aiza na aiza. Avy eo dia niteny ny Filoha Benson hoe, ‘Ry Rahalahy Monson, mahatsapa aho fa tokony hamangy ny tsatòkan’i Shreveport Louisiane ianao.’ Nekena ilay iraka nampanaovina. Nigadona ny fotoana. Tonga tao Shreveport aho.

“Fivoriana maro no natao ny Sabotsy tolakandro. … Somary tamin’ny fialan-tsiny no nanontanian’ny Filohan’ny Tsatòka Charles F. Cagle ahy raha toa ka hamela ahy hanao fitsofan-drano zazavavikely folo taona izay mararin’ny homamiadana ny fandaharam-potoako. Christal Methvin no anarany. Novaliako hoe raha azo atao dia hanao izany aho, avy eo nanontaniako hoe ho avy amin’ny fihaonambe ve izy sa any amin’ny hopitalin’i Shreveport? Fantatry ny Filoha Cagle fa tery ny fotoana ka saika nibitsibitsika izy nilaza fa tsy afa-mihetsika any an-tranony izy—izay 128 kilometatra mahery miala avy eo Shreveport!

“Nojereko ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana ho amin’io hariva io sy ny ampitso maraina—ary ny ora hiaingan’ny fiaramanidina hiverenako koa aza. Tena tsisy fotoana malalaka tsotra izao. Nisy soso-kevitra hafa tonga tao an-tsaina. Tsy azontsika atao ve ny mahatsiaro ilay zazakely ao amin’ny vavaky ny daholobe mandritra ny fihaonambe? Azo antoka fa tsy hanome tsiny ny Tompo. Izay no nitondrana azy ka nataonay ireo fivoriana tao anatin’ny fandaharam-potoana.

“Rehefa nampitaina tany amin’ny fianakaviana Methvin ny hafatra, dia tsy nisy fanomezan-tsiny saingy nisy fahadisoam-panantenana kely ihany koa. Tsy nahare ny vavak’izy ireo ve ny Tompo? Tsy nataony ve izay hahatonga ny Rahalahy Monson ho ao Shreveport? Nivavaka indray ilay fianakaviana, nangataka mba hahita fitia tena farany—dia ny hahazoan’i Christal malalany ny zavatra iriany.

“Tamin’ilay fotoana nandohalihan’ny fianakaviana Methvin hivavaka iny mihitsy, dia nanondro tamin’ny 7:45 ny famantaranandro tao amin’ny ivontoeran’ny tsatòka. Nitondra fitaomam-panahy ilay fivorian’ny mpitarika ny fiangonana. Raha nandamina ireo taratasiko aho hiomana ho eo amin’ny polipitra dia indro nahare feo niresaka tamin’ny fanahiko. Hafatra fohy izany ary teny tsy vaovao tamiko: ‘Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza raràna: fa an’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.’ (Marka 10:14.) “Lasa nanjavozavo ny zavatra nosoratako. Nitodika tany amin’ilay zazavavy kely nila tsodrano ny eritreritro. Tapaka ny hevitra. Novaina ny fandaharam-potoan’ny fivoriana. Raha ny tena izy, dia manan-danja kokoa ny olona noho ny fivoriana. …

“Hotsaroako mandrakariva ary tsy hohadinoiko mihitsy ny dianay vao maraina ho any amin’ny tokantranon’ny Methvin izay zoron’ny lanitra. …

“Nanodidina ny fandrian’i Christal ny fianakaviana. Nobanjiniko ilay zazakely izay narary mafy tsy afa-mitsangana—reraka mafy mila tsy afa-miteny. Nampahajamba azy ny aretiny. Nahery vaika ny fahatsapako ny Fanahy hany ka tafandohalika aho, noraisiko ny tanany malefaka, ary niteny tsotra fotsiny aho hoe, ‘Christal, eto aho.’ Nosokafany ny vavany ary hoy izy nibitsibitsika, ‘Rahalahy Monson, fantatro hoe ho avy ianao.’ Nijery ny manodidina ny efitrano aho. Tsy nisy olona nitsangana. Nandohalika ny tsirairay. Natao ny fitsofan-drano. Nisy tsiky malefaka nisoritra teny amin’ny tavan’i Christal. Ilay ‘misaotra’ nobitsibitsihany no solon’ny vavaka famaranana. …

“Efatra andro taty aoriana, ny Alakamisy, raha niombom-bavaka tamin’ny fianakaviana Methvin ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Shreveport ka nahatsiaro an’i Christal tamin’ny vavaka manokana natao tamin’ny Ray any An-danitra feno fitiavana, dia nandao ny vatana ravan’ny aretina ny fanahy madion’i Christal Methvin ary niditra ho ao amin’ny paradisan’ Andriamanitra. …

“Ho anao ry zazakely namako ery amin’ny lavarangana ambony, sy ireo mpino na aiza na aiza misy azy, mijoro ho vavolombelona aho fa tia ny ankizikely i Jesoa avy any Nazareta” (“The Faith of a Child,” Ensign, Nov. 1975, 20–22).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–12, ka tadiavo ny sarany izay nefain’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika mba hanavotana antsika. (Ilay andian-teny hoe “olon-drehetra” dia entina milaza ny rehetra—ny lehilahy, sy ny vehivavy, ary ny ankizy rehetra.) (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ahafahanao mahita azy mora foana.)

Koa satria lehibe ny hasarobidin’ny fanahy, ahoana araka ny eritreritrao ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa misy olona mibebaka sy manaiky ny sorompanavotan’ny Mpamonjy? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13, ary tadiavo ny valintenin’ny Tompo. Saintsaino ny antony hieritreretanao fa mitondra hafaliam-be ho an’ny Tompo isika rehefa mibebaka.

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekampihavanana 18:14 fa nantsoin’ny Tompo i Oliver Cowdery sy i David Whitmer mba “hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity.” Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ny mitory fibebahana dia midika tsotra izao hoe manampy ny olona hiverina any amin’ Andriamanitra ” (“Preparing for Your Spiritual Destiny” [10 jan. 2010], 7, speeches.byu.edu).

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba vitsivitsy ahafahan’ny tanora iray manampy olona hibebaka na hiomana hiverina any amin’ Andriamanitra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16, ka tadiavo hoe inona no iainan’ny olona tsirairay rehefa manampy olona hanatona an’i Jesoa Kristy izy. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy mora foana.) Fenoy avy amin’ny fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha manampy ny hafa hibebaka sy hanatona ny Tompo isika dia ny fifaliantsika.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny traikefa iray izay nahatsapanao na nahatsapan’ny olona iray fantatrao fifaliana noho ny fanampiana olona iray hibebaka na hanakaiky kokoa ny Tompo. Soraty ao koa ny zavatra iray izay hataonao mba hanampianao amin’ilay asa famonjena ny fanahy. Mijere olona manokana izay azonao ampiana.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11

Soraty eo amin’ny taratasikely matevina na eo amin’ny taratasikely iray ireo teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11. Ento manaraka anao io taratasikely io, ary jereo matetika mandritra ny andro mba hanampy anao hahatsiaro ny maha-sarobidy anao sy ny maha-sarobidy ny hafa eo imason’ Andriamanitra.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto andian-teny manaraka ireto ary soraty eo amin’ilay banga ny anaranao: Ny maha-sarobidy an’i dia lehibe tokoa hany ka niaritra fahafatesana i Jesoa Kristy mba hahazoan’i mibebaka sy miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fiantraikan’ny fahafantaranao izany fahamarinana izany eo amin’ny fomba fijerinao ny tenanao?

    2. Ahoana no mety hampiova ny fifandraisanao amin’ny hafa rehefa tsaroanao ny sarany naloan’i Jesoa Kristy ho an’ny fanahin’izy ireo?

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16

Angataho ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao hanampy anao hitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16. Mangataha olona iray hanomboka amin’ny andalana voalohany ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fehezina, toy izay haseho etsy ambany. Ilay olona iray hafa avy eo dia tokony miezaka mamerina ilay andalana voalohany tsy an-kijery ary avy eo manampy ny andalana manaraka. Averimbereno izay, ka ataovy mifandimbindimby ny olona, milaza ny andalana iray sy manampy ny andalana manaraka mandrapahatapitr’ilay andinin-tsoratra masina. Azonao atao ny mamerimberina izany mandra-pahavita imbetsaka ilay andinin-tsoratra masina manontolo.

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo”

“hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity,”

“ary mitondra olona iray monja ho Ahy,”

“akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy”

“ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!”

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray”

“izay nentinareo ho Ahy”

“ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko,”

“akory ny ho halehiben’ny fifalianareo”

“raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay farany betsaka azonao soratana amin’izay notadidianao tsianjery amin’io andinin-tsoratra masina fehezina io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–25

Mampianatra an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer momba ny herin’ny Anarany i Jesoa Kristy

Eritrereto ny anaranao (tsy ny fanampin’anaranao) mandritra ny fotoana fohy. Efa neritreretinao ve ireo fitahiana sy andraikitra izay tsy afa-misaraka amin’ny fitondranao ny anaranao sy ny maha-mpikambana anao ao amin’ny fianakavianao? Mety ho tafiditra ao amin’ireo tombontsoa ny fitiavana sy ny fandraisana, ny toerana hipetrahana, ny fiarovana ary ireo olona izay miraharaha ny momba anao. Mety ho tafiditra ao amin’ireo andraikitrao ny manaja ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ny manao ireo raharaha ao an-trano, ary manome voninahitra ny anaran’ny fianakaviana.

Na dia tsy mahafapo tanteraka aza ny fiainam-pianakavianao ary tsapanao fa tsy manan-danja ny anaran’ny fianakavianao, dia nanaiky ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy ianao rehefa natao batisa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:17–25, ary tadiavo ireo tombontsoa sy andraikitra izay tsy afa-misaraka amin’ny fitondranao ny Anarany. Soraty eo amin’ity tabilao manaraka ity ireo valinteninao.

Tombontsoa

Andraikitra

Araka izay voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:23, nahoana no zava-dehibe amintsika ny mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy?

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba vitsivitsy ahafahanao mampahafantatra ny hafa fa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–47

Manambara ny antso sy ny asa hanirahana ireo Apôstôly Roambinifolo ny Tompo

Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany natrehany amin’ny maha Apôstôly vao nantsoina azy hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mazava tsara fa ny tena mampientanentana indrindra ahy sy ny mampifaly ahy indrindra amin’ny zavatra vitako dia ny fananako fahafahana, tahaka ny nolazain’i Nefia, hiresaka an’i Kristy, … hifaly amin’i Kristy, hitory an’i Kristy, [ary] haminany ny amin’i Kristy’ (2 Ne. 25:26) na aiza na aiza mety hisy ahy sy na iza no hiaraka amiko mandrapahalasan’ny fara-fofon’aiko. Azo antoka fa tsy misy tanjona avo kokoa na tombontsoa lehibe kokoa mihoatra noho ny an’ny ‘vavolombelona [manokan]’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao’ (F&F 107:23).

“… Ankoatra ny teniko sy ny fampianarako ary ny fijoroana ho vavolombelona ambarako, dia tokony ho tafiditra ao amin’izany fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa izany ny fiainako. Tokony ho hita taratra eo amin’ny tena maha-izaho ahy mihitsy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ity asa ity. Tsy ho zakako mihitsy raha toa misy zavatra teneniko na ataoko ka mampihena na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny finoanareo an’i Kristy, sy ny fitiavanareo ity fiangonana ity na ny fanajanareo ny toetra masin’ny maha-apôstôly.

“Mampanatena anareo aho—tahaka izay nampanantenaiko ny Tompo sy ireto apôstôly namako ireto—fa hiezaka ny hiaina aho mba ho mendrika an’io fitokiana io ary hanompo araka izay tsara indrindra vitako” (Miracles of the Restoration,” Ensign, Nov. 1994, 31).

Miresaka momba ny antso sy ny asa hanirahana ireo Apôstôly Roambinifolo ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–32, 37–47.

  1. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–29 dia nantsoina hitory sy hitantana ny filazantsara ho an’izao tontolo izao ireo Apôstôly Roambinifolon’ny Tompo. Vakio ny andininy 30–32; avy eo dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hafa nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’ireo Apôstôly Roambinifolo.

Nahoana ny feo sasany no mora fantarina mihoatra ny feo hafa? Efa nahita ve ianao fa sarotra ny mamantatra ny feon’ny Tompo sy ny mahafantatra hoe rahoviana Izy no miresaka aminao?

Afaka mandre ny feon’ny Tompo isika amin’ny alalan’ireo Mpanompony. Nanazava fomba iray fanampiny ahafahantsika mandre sy mizatra ny Feony ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36, 47, ka tadiavo ilay fomba manan-danja izay hifandraisan’ny Tompo amintsika. Ilay andian-teny hoe “ireto teny ireto” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34 dia entina milaza ireo fanambarana izay nomen’ny Tompo ka hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Araka ny voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no holazainao an’ny olona iray izay te hahafantatra ny fomba afahafantsika mandre ny teny lazain’ny Tompo amintsika?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika ity: Afaka mandre ny feon’i Jesoa Kristy isika rehefa mamaky ny soratra masina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Afaka mandre ny feon’ny Tompo amin’ny fomba izay tsy hain’ny sofintsika renesina isika. Afaka mandray ireo fahatsapana sy hafatra ho an’ny saintsika sy ny fanahintsika isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 8:2–3). Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe, “Rehefa mamaky sy mandalina ireo fanambarana isika, dia afaka manamafy ao am-pontsika ny fahamarinan’ny zavatra izay ianarantsika ny Fanahy Masina; ary toy izany no iresahan’ny feon’ny Tompo amintsika tsirairay” (“Marvelous Are the Revelations of the Lord,” Ensign, May 1998, 32).

Mieritrereta traikefa iray izay nahatsapanao fa nanentana ny fanahinao ny Tompo rehefa namaky na nisaintsaina ny soratra masina ianao. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mampiova inona eo amin’ny fomba fiheveranao ny soratra masina ny fahafantaranao fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika handre ny feon’ny Mpamonjy rehefa mamaky ny Teniny isika?

  • Ahoana no mety hitarihan’izany fahamarinana izany anao rehefa misafidy ny fotoana, ny toerana, na ny tontolo izay hamakianao ny soratra masina ianao?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy