Seminera
Fizarana 12: Andro 1,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49


Fizarana 12: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49

Fampidirana

Naniry ny hitorian’ny misiônera ny filazantsara amin’ny mpikamban’ilay andian’olona nandrafitra ny fikambanana ara-pivavahana nisy azy teo aloha, dia ny Shakers, i Leman Copley izay mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana. Na izany aza anefa dia mbola nanohy nitana ny sasantsasany tamin’ireo finoana diso nananan’izany antokom-pivavahana izany izy. Nivavaka tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 7 mey 1831 raha niahiahy momba ny finoan’i Leman izay tsy tena niova fo, ka nahazo ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ankehitriny izy. Nandidy an’i Sidney Rigdon sy i Parley P. Pratt mba hiaraka amin’i Leman hitory ny filazantsara amin’ny fiarahamonina Shaker ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity. Nohavazain’ny Tompo ireo Fotopampianarana izay tsy takatr’ireo Shakers, anisan’izany ny endrikendriky ny Fiavian’i Kristy Fanindroany, ny antony ilana ny batisa, ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ary ny fampiasa ny biby ho sakafo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:1–4

Niantso an’i Sidney Rigdon sy i Parley P. Pratt ary i Leman Copley ny Tompo mba hitory tamin’ny Shakers

Efa nahita fandri-drajako ve ianao? Fomba iray izay ahafahana misambotra rajako ny fametrahana zavatra iray toy ny voa na sakafo kely ao anatin’ny fitoeran-javatra iray misy lavaka kely ahafahan’ny rajako iray mampiditra ny tanany ao anatin’izany. Nofatorana tamin’ny tady iray ilay fitoeran-javatra mba tsy ahafahan’ilay rajako mitsoaka miaraka amin’ilay fandrika. Rehefa mampiditra ny tanany ao ilay rajako ka maka ilay zavatra dia tsy mamela azy hamoaka ny tanany izany satria lehibe noho ilay lavaka ny totohondriny. Noho ny fikirizany hihazona ilay zavatra dia misy rajako sasany mamela ny tenany ho voasambotra.

Sary
fandrika rajako

Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ka tadiavo ireo fomba itovizan’ilay toe-javatra mitranga voafaritra ao amin’ilay fandrika rajako. Inona no sasany tamin’ireo finoanoam-poana tsy foin’i Leman Copley nialana?

  1. Soraty hoe Finoan’ny Shakers ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Tanisao avy eo ireo finoana efatry ny Shakers izay voalaza ao amin’ny fampidirana ny fizarana. Azonao atao ny manisy marika izany ao amin’ny soratra masinao.

Nantsoin’ny maro hoe Shakers ny mpikambana tao amin’ny Fikambanana Mitambatry ny Mpino ny Fisehoan’i Jesoa Kristy Fanindroany noho ny fomba fitsaohan’izy ireo izay manetsiketsika ny vatany rehefa mihira, mandihy ary mitehaka hanaovana mozika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:1–4 ka tadiavo izay nambaran’ny Tompo momba ny finoan’ireo Shakers. Asio marika ny zavatra nolazain’ny Tompo ao amin’ny andininy 2, fa nirian’ireo Shakers.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “maniry hahafantatra ny ampahany fa tsy ny marina rehetra” (F&F 49:2)?

    2. Ahoana no ohatra mety hanehoan’ny mpikambana iray ato amin’ny Fiangonana ny fanekeny ny fahamarinana na fitsipika sasantsasany amin’ny filazantsara kanefa tsy hankatoavany ireo hafa?

Inona no teny izay hapetrakao eo amin’ny banga mba hamenoanao izao fitsipika manaraka izao izay ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:2? Tafiditra ao amin’ny hoe mahitsy eo anoloan’ny Tompo ny faniriana handray ny fahamarinana izay nambarany.

Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 2. Saintsaino ireo fitahiana mety tsy ho azon’ny olona iray noho ny fisafidianany hanaiky ny ampahan’ny fahamarinana fotsiny.

Azonao atao ny mieritreritra ireo fandrika izay mety hahavoafandrika ny mpikamban’ny Fiangonana. Mety hanaiky ny fampianarana na ny fitsipika sasany fa tsy izy rehetra ny mpikambana sasany, raha toa kosa ka mihazona ireo fitondrantena izay manakana azy ireo tsy ho “mahitsy eo anoloan’ [ny Tompo]” ny mpikambana hafa (F&F 49:2). Ohatra, mety hiangona ny olona iray ny Alahady saingy mampiasa ny sisa amin’ilay andro amin’ireo hetsika izay mandika ny Sabata. Mety hamaky ny soratra masina sy mangataka ny Fanahy ny olona iray kanefa mihaino hira izay mampandositra ny Fanahy Masina avy eo.

Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“I Satana no tompon’ny fitaka sy rain’ny lainga rehetra. Amin’ny alalan’ny fampiasanao ny finoana ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony ihany ary amin’ny fitandremana ny didiny rehetra no hiarovana anao amin’ny ezaka tsy mety vita sy mitohy hatrany ataon’i Satana mba hitarihana anao amim-pitandremana ho amin’ny fahefany.

“Tsy afaka mandray ny filazantsara ho toy ny hanim-pitoloha na sakafo samihafa atao eo ambonin’ny latabatra lehibe iray ianao ka hisafidy kely etsy ary kely eroa. Tsy maintsy mipetraka mandritra ilay lanonana iray manontolo ianao ka miaina ny didin’ilay Tompo be fitiavana amin’ny fahafenoan’izany.

“Nampianarina ireo didy ianao. Fantatrao ny tokony hatao: mivavaka, mandalina ny soratra masina, mifady hanina, mandoa ny fahafolonkarena sy fanatitra, manatrika ireo fivoriana, manatanteraka ny antso, manohana ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, manao sy mitandrina ireo fanekepihavanana masina, mizara ny filazantsara, marin-toetra, mahitsy, madio fitondrantena, malala-tanana ary tsara toetra” (“It’s Your Choice,” New Era, feb. 1998, 4).

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny loza amin’ny fanekena ny sasantsasany amin’ireo didy na fitsipika no sady mbola mihazona finoana na fombafomba diso. Ahoana no maha “fandrika” ara-panahy izany?

Saintsaino ny zavatra ilaina ialanao mba hahazoana ireo fitahiana rehetra izay tian’ny Ray any An-danitra omena anao. Azonao atao ny manoratra tanjona iray mba hialana amin’ny zavatra iray izay manakana anao tsy ho mahitsy eo anoloan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:5–28

Nanitsy ireo fotopampianaran-diso sasany an’ireo Shakers ny Tompo ary nandidy ny mpanompony hanasa azy ireo hibebaka sy hatao batisa

Nandidy an’i Leman Copley sy i Sidney Rigdon ary i Parley P. Pratt mba hitory ny filazantsara amin’ireo Shakers ny Tompo (jereo ny F&F 49:1–4). Nanantena i Leman Copley fa mba hitory amin’ireo mpikambana tao amin’ny fiangonana nisy azy taloha ny sasany amin’ireo loholona.

Azonao sary an-tsaina ve izany miteny amin’ny andian’olona iray izany fa diso ny sasany amin’ny fampianarana inoan’izy ireo ary avy eo mampianatra ny fitsipika marin’ny filazantsara azy ireo? Rehefa nitsidika ny Shakers i Parley P. Pratt sy i Sidney Rigdon ary i Leman Copley dia nitondra tahadikan’ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 izy ireo ka namaky izany tamin’ny Shakers.

Halalino ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana havia ato amin’ity tabilao manaraka ity, ary ampifandraiso amin’ny fitsipika izay ampianarin’izany ao amin’ny tsanganana havanana izany. Dia saintsaino avy eo ireto fanontaniana miaraka amin’izany ireto.

  1. F&F 49:5–8

  1. Tsy misy mahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiaviana Fanindroany.

  1. F&F 49:11–14

  1. Raha toa ka fantatsika ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany dia tsy ho voafitak’ireo fanambarana diso isika. Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahafantatra ireo famantarana ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany?

  1. F&F 49:15–17

  1. Nandidy ny mpanompony ny Tompo mba hiantso ny olona hino Azy, hibebaka, atao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nahoana ianareo no feno fankasitrahana fa natao batisa ary feno fankasitrahana fa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina? Nahoana ianareo no maniry mafy ny hanampy ireo olona hafa handray ireo ôrdônansy ireo?

  1. F&F 49:18–21

  1. Nanome ny biby eo ambonin’ny tany mba hampiasaintsika ny Tompo. Nahoana araka ny eritreritrareo no tsy faly amin’ireo izay mamono fahatany ny biby ny Tompo?

  1. F&F 49:22–25

  1. Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, ary nodidiana mba ho iray sy hanana zanaka ny mpivady. (Ny andian-teny hoe “mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy; Ary izany dia ny hahazoana mameno ny fatrany amin’ny isan’ny olombelona” dia maneho ny tanjon’ny namoronana ny tany.) Inona avy ireo tanjona kendrena izay tanterahin’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Nampianatra ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny didy voalohany izay nomen’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva dia momba izay mety haha-ray aman-dreny azy amin’ny maha-mpivady azy. Ambaranay fa ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery. Ambaranay ihany koa fa Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign, Nov. 2010, 129).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no miezaka manimba ny fanambadiana i Satana? Nahoana no miezaka mandresy lahatra ny olona izy fa tokony tsy hanambady izy ireo?

    2. Nahoana ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no manan-danja amin’ny drafitry ny Tompo? Ahoana no hanembatsembanan’ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy ny drafitry ny Tompo?

    3. Inona no azonao atao mba hiomanana amin’ny fanambadiana selestialy?

Mieritrereta momba ilay fandrika rajako. Saintsaino ity fitsipika ity dia ny hanekentsika ireo fampianarana rehetra an’ny Tompo mba ho mahitsy eo anoloany isika. Vakio avy eo ny torohevitra sy fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:26–28. Eo am-pamakianao ireo andinin-tsoratra masina ireo dia alaivo sary an-tsaina hoe miresaka aminareo mivantana momba ny ezaka ataonareo mba ho mahitsy eo anoloany ny Tompo. Saintsaino ny fomba iharan’izany torohevitra sy fampanantenana izany aminao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy