Seminera
Fizarana 23: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–38


Fizarana 23: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–38

Fampidirana

Tamin’ny volana Aprily 1835 dia tao Kirtland, Ohio ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao natokana tsy ela akory izay, ary niomana hiainga hanao ny asa fitoriana voalohan’ny kôlejiny izy ireo. Talohan’ny niaingan’izy ireo, dia nozarain’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izy ireo ny sasany amin’ireo fanambarana noraisiny izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107. Io no lesona faharoa amin’ny lesona telo izay miompana amin’ity fizarana ity. Ao amin’ity ampahan’ilay fanambarana ity, dia faritan’ny Tompo ny andraikitr’ireo kôlejy miahy ny Fiangonana: ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fitopololahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26

Namariparitra ireo adidy sy fahefan’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray izay nanohanan’ny olona iray anao, na niarovany anao na namporisihany anao. Inona no niova rehefa nisy olona nanampy anao toy izany?

Ny hoe manohana olona iray ao amin’ny soratra masina dia midika hoe ankasitrahantsika na arovantsika na amporisihantsika izany olona izany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–22, ka tadiavo hoe iza no lazain’ny Tompo fa tokony hotohanan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Araka ny andininy 22, dia ahoana no hanohanantsika ny Fiadidiana Voalohany? Valio amin’ny alalan’ny famenoana ity teny nambara manaraka ity ilay fanontaniana: Ny Fiadidiana Voalohany dia tohanana amin’ny , , ary ataon’ny Fiangonana. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io. (Marihina fa ao amin’ny andininy 22, ny andian-teny hoe “nofidin’ny kôlejy” dia tsy midika fa nofantenan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo olona izay manompo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Entina milaza ny fahavononan’ireo mpikamban’ny Fiangonana hanohana ireo mpitarika ireo izany.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manohana ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fahatokiantsika, ny finoantsika ary ny vavaka ataontsika?

    2. Avy amin’ny traikefanao, ahoana no fomba itahiana antsika rehefa manohana ny Fiadidiana Voalohany isika?

    3. Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–22 momba ny Fiadidiana Voalohany?

Rehefa vakianao ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, dia tsipiho eo ambanin’ny zavatra nolazainy ireo azontsika atao mba hanohanana ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Mba hanohanantsika ireo voantso … , dia tsy maintsy mandinika ny fiainantsika isika, sy mibebaka raha ilaina izany ary mampanantena fa hitandrina ny didin’ny Tompo sy hanaraka ireo mpanompony. …

“… Tsara ny mivonona ny hanohana amin’ny finoantsika sy ny vavaka ataontsika an’ireo izay manompo antsika ao amin’ny fanjakana. Fantatro manokana ny herin’ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fanohanana ireo izay voantso. … Nahatsapa mafy ny vavaka sy finoan’ny olona izay tsy fantatro aho sy izay tsy mahafantatra ahy afa-tsy amin’ny maha-olona voantso ahy mba hanompo amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana” (“Ilay Fiangonana marina sady velona,” Ensign na Liahona, mey 2008, 21).

Eritrereto ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao mba hanohanana ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana. Inona avy ireo fomba ahafahanao manohana na miaro na mamporisika azy ireo bebe kokoa?

Sary
Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny andraikitr’ireo Apôstôly Roambinifolo. Nantsoina mba haninona ireo Apôstôly Roambinifolo?

Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy eran’izao tontolo izao ireo Apôstôly.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly?

Tadiavo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izay voalaza momba ny teny na ny anarana hoe Apôstôly.

Ny Filohan’ny Fiangonana no Apôstôly ela niasana indrindra ety an-tany, ary ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia Apôstôly ihany koa. Noho izany, ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany koa dia vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny dikan’ny hoe vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy: “Ny anjara asan’ny Apôstôly ankehitriny dia mitovy amin’izay nisy taloha (jereo ny Asan’ny Apôstôly 1:22; 4:33). Ny iraka nampanaovina anay dia ny handeha amin’izao tontolo izao ka hitory momba an’i ‘Jesoa Kristy, ilay nohomboina’ (jereo ny Marka 16:15; 1 Korintiana 2:2). Ny Apôstôly iray dia misiônera sy vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy. Ny ‘anaran’i Kristy’ dia milaza ny fitambaran’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty—ny fahefany sy ny fotopampianarany ary ireo toetrany miavaka amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy mba ho ny Mpanavotra sy ny Mpamonjintsika. Amin’ny maha-vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy anay dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-tena misy Azy sy ny maha-Andriamanitra Azy ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izahay, ny amin’ny Sorompanavotany tsy misy fetra sy mandrakizay, ary ny Filazantsarany” (“Special Witnesses of the Name of Christ,” The Religious Educator: Perspectives on the Restored Gospel, vol. 12, no. 2 [2011], 1).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao na ny zavatra nianaranao rehefa nihaino na namaky ny tenivavolombelona na ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Apôstôly ianao. (Mety hanampy ny mamerina mijery ny sasany amin’ireo lahateny nataon’ny Apôstôly tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany tany aloha ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:24, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fahefana sy ny herin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Rehefa voatendry ho Apôstôly ny lehilahy, dia omena ireo fanalahidin’ny fisoronana mitovy amin’ny an’ny Filohan’ny Fiangonana izy. Ny Filohan’ny Fiangonana anefa no lehilahy tokana eto ambonin’ny tany izay manana fahefana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy ny Fisoronana Melkizedeka azy. Ireo Apôstôly hafa dia mampiasa ireo fanalahidy ireo araka izay fahazoan-dalana nomen’ny Filohan’ny Fiangonana. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, izay mitovy fahefana sy hery amin’ny Fiadidiana Voalohany, no lasa vondrom-pitarika miahy ny Fiangonana. Amin’ny maha-Filohan’ny Kôjelin’ny Apôstôly Roambinifolo azy, dia ny Apôstôly velona izay ela indrindra ny naha-apôstôly azy no omena lalana avy eo hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra.

Nampianatra ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David B. Haight

“Rehefa misy Filohan’ny Fiangonana iray nodimandry dia ahoana no fomba hisafidianana ny Filoha vaovao?

“Tamin’ny taona 1835 ny Tompo dia nanome fanambarana momba izany zavatra izany izay mametraka ny lamina mikasika ny famindrana ny fitarihana ny fiangonana. Milaza io fanambarana io fa ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia vondrona mpitarika mitovy fahefana amin’ny Fiadidiana Voalohany. (Jereo ny F&F 107:24.) Midika izany fa rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary mandeha ho azy hoe ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no lasa vondrom-pitarika miahy ny Fiangonana. Izany lamina izany dia napetraka tamin’ny nahafatesan’i Joseph Smith Filohan’ny Fiangonana voalohany. …

“Izany lamina avy any an-danitra izany momba ny fametrahana Fiadidiana Voalohany vaovao—fanambarana avy amin’ny Tompo ary ny fanohanana avy amin’ny olona—dia narahina hatrany mandraka ankehitriny. Ny Fiadidiana Voalohany dia natao ‘[h]otohanana amin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaky ny fiangonana.’ (F&F 107:22.)” (“A Prophet Chosen of the Lord,” Ensign, mey 1986, 8).

Ankoatra ny fanazavana ireo andraikitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Tompo dia nanambara koa ireo andraikitry ny Fitopololahy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:25, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny andraikitr’ireo olona ireo.

Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 25 izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny Fitopololahy dia antsoina hitory ny filazantsara sy ho vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ao amin’izao tontolo izao manontolo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:26, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fahefan’ny kôlejin’ny Fitopololahy.

Sary
Loholona Earl C. Tingey

Ny Loholona Earl C. Tingey tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nampianatra momba ny fahefan’ny Fitopololahy: “Ny Fitopololahy dia tsy mandray fanalahidin’ny fisoronana fanampiny, fa isaky ny asa ampiandraiketin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy ireo, dia lasa namindràna fahefana izy ireo hanatanterahana ilay asa nampiandraiketina azy” (“The Quorums of the Seventy,” Ensign, aog. 2005, 48–49).

Ireto fanambarana manaraka ireto dia mety hanampy anao hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Fitopololahy:

Sary
I Kristy manendry Apôstôly iray

“I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana mikasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay an’ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly efa ela velona indrindra, izay Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana. …

Ireo Fitopololahy dia miasa amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra sy ny fanomezana fahefana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. … Hatokana sy omena ireo fanalahidy mba hiahy ireo Kôlejin’ny Fitopololahy ny Fiadidian’ny Fitopololahy” (Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1).

Na dia nilaza aza ny Tompo fa ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy, ary ny Fitopololahy dia “mitovy fahefana” (F&F 107:24, 26), dia ny Fiadidiana Voalohany no miahy ireo hafa. Ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany dia ahitana araka ny mahazatra ny Filohan’ny Fiangonana sy mpanolotsaina roa. Ireo mpanolotsaina dia fantenina avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo matetika, kanefa tsy voatery ho izay hatrany no mitranga. Ireo “Mpisorona Avo Miahy telo ireo … no miforona ho kôlejin’ny Fiadidian’ny Fiangonana” (F&F 107:22). Eo an-tsorok’izy ireo ny andraikitra hitarika ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny F&F 90:12–16). Nantintranterin’ny Tompo ny anjara toeran’ny Fiadidiana Voalohany rehefa nanambara Izy hoe: “Na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray ireo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay efa nirahiko, izay efa nataoko ho mpanolotsaina ho anareo amin’ny anarako” (F&F 112:20).

Araka ny efa nazavaina teo aloha tao amin’ity lesona ity, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia tsy lasa kôlejy miahy ao amin’ny Fiangonana raha tsy rehefa misy Filohan’ny Fiangonana nodimandry. Rehefa misy Filohan’ny Fiangonana vaovao atokana miaraka amin’ny mpanolotsaina azy, dia lasa kôlejy miahy indray ny Fiadidiana Voalohany.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Raha niresaka momba ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara izy hoe: “Misaotra an’ Andriamanitra noho ny fiadidiana. Toy ny tendron’ny [tendrombohitra telo], dia mijoro izy ireo ary tsy misy na inona na inona eo amboniny ankoatra ny lanitra. Mila ny fanohanantsika izy ireo. Indraindray dia manirery ao amin’ireny antso mendri-kaja an’ny mpitarika ireny—satria ny antson’izy ireo dia tsy natao ho ankasitrahan’ny olona, fa ho ankasitrahan’ny Tompo. Andriamanitra anie hitahy ireo lehilahy telo lehibe sy marina ireo” (“The Spirit Beareth Record,” Ensign, jona 1971, 87).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–32

Nanazava ny fomba handraisan’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana fanapahankevitra ny Mpamonjy

Mieritrereta fotoana iray izay tsy maintsy nandraisanao fanapahan-kevitra tao anatin’ny vondrona iray. Nanao ahoana ny zavatra niainanao?

Amin’ny ankapobeny, ahoana no fandraisan’ny vondron’olona fanapahan-kevitra? Toy ny ahoana araka ny eritreritrao ireny fomba fanapahan-kevitra ireny raha ampitahaina amin’ny fomba fanapahan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Fitopololahy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–32, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomba tokony handraisan’ireo kôlejy miahy ao amin’ny Fiangonana fanapahan-kevitra. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fomba fandraisan’ireo kôlejy ireo fanapahan-kevitra.

Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, ahoana no andraisan’ireo kôlejy miahy ireo fanapahan-kevitra?

Azonao atao ny manoratra ity fanambarana Fotopampianarana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Atao amin’ny firaisan-kina sy ny fahamarinana ireo fanapahan-kevitr’ireo kôlejy mpiahin’ny Fiangonana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no hanampy anao hanohana ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Fitopololahy amin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaka sy hanaraka ny toroheviny ny fahafantaranao fa ny Tompo dia nampanantena fa hitahy ireo mpitarika ireo?

    2. Inona ireo toetra voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:30 izay zava-dehibe ny hananan’ireo Rahalahy ireo azy mba handraisana fanapahan-kevitra feno firaisan-kina?

    3. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 31, dia inona no nampanantenain’ny Tompo ireo kôlejy miahy ao amin’ny Fiangonana rehefa mandray fanapahan-kevitra amim-piraisam-po sy fahamarinana izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 33–38

Nanome torolalana fanampiny ho an’ireo kôlejy miahy ao amin’ny Fiangonana ny Tompo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33–35, ka tadiavo ireto fahamarinana manaraka ireto:

  • Ny Apôstôly Roambinifolo dia miasa amin’ny anaran’ny Tompo sy eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fampiorenana ny Fiangonana.

  • Ny Fitopololahy dia miasa amin’ny anaran’ny Tompo, eo ambany fitarihan’ny Apôstoly Roambinifolo.

  • Ny Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ny fanalahidin’ny fanambarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra vitsivitsy mazava tsara izay hataonao mba hanohanana (hiarovana sy hamporisihana) ireo mpanompo nofinidin’ny Tompo sy mba hanarahana bebe kokoa ny torohevitr’izy ireo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–38 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy