Seminera
Fizarana 1: Andro 4, Fandalinana ny Soratra Masina


Fizarana 1: Andro 4

Fandalinana ny Soratra Masina

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy anao hianatra ny fomba ahatakarana bebe kokoa ny soratra masina, sy hitadiavana ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara izay raketiny ary hampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao. Raha manao izany ianao dia ho lasa loharanom-pitarihana sy fanambarana lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao ny soratra masina.

Fandalinana ny soratra masina ao amin’ny Seminera

Efa nanampy olona iray hitady zavatra very ve ianao? Mialoha ny hanomboanareo hitady izany, moa ve fantatrao hoe toy ny ahoana ny endrik’ilay zavatra izay hotadiavinareo? Raha tsy fantatrao mazava tsara izay zavatra tadiavinao dia manao ahoana ny fahombiazan’ny fikarohanao, na manao ahoana araka ny hevitrao ny mety ho fahombiazan’ny fikarohanao?

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Tahaka izany ihany, dia afaka ny ho misy lanjany kokoa ny fandalinanao ny soratra masina raha toa ka fantatrao hoe inona no tadiavinaoo rehefa mandalina ianao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra antenainao ho azo rehefa mandalina ny soratra masinao ianao.

Sary
Filoha Marion G. Romney

Ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra mikasika ny antony iray nanoratana ny soratra masina izay afaka manampy anao hahafantatra izay tokony hotadiavina rehefa mandalina ny soratra masina ianao. Hoy izy: “Tsy afaka mandalina amin-kitsim-po ny soratra masina ny olona iray raha tsy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria nosoratana mba hiterihizana fitsipika ny soratra masina mba ho tombontsoantsika” (“The Message of the Old Testament” [lahateny ho an’ireo mpanabe ao amin’ny DFF, 17 aog. 1979], 3, si.lds.org).

Araka ny voalazan’ny Filoha Romney, inona no antony nanoratana ny soratra masina?

Noho izany, izay tadiavintsika rehefa mandalina ny soratra masina dia tokony mihoatra noho ny antsipiriany mikasika ireo zava-mitranga sy ny olona ao amin’ny soratra masina fotsiny. Tokony hokatsahantsika ny hahita ireo fahamarinan’ny filazantsara izay notehirizin’ireo mpaminany fahiny amin’ny alalan’ireo zava-mitranga sy fananarana ary fanambarana izay noraketin’izy ireo ao amin’ny soratra masina. Antsoina hoe fotopampianarana sy fitsipika ireo fahamarinana ireo.

Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra ary tsy miovaova ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, toy ny hoe Manana vatana nofo sy taolana ny Ray any An-danitra. Ireo fitsipika dia fahamarinana na lalàna maharitra izay azontsika ampiasaina mba hitarihana antsika eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy eo amin’ny fampiharana ny fotopampianarana eo amin’ny fiainantsika. Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny fomba ahafahantsika mahazo tombontsoa avy amin’ny fitsipiky ny filazantsara: “Fahamarinana tsy misy fangarony ny fitsipika, ary nakambana mba hampiasaina amin’ny toe-javatra miseho maro samihafa. Ny fitsipika marina iray dia mampazava ny fanapaha-kevitra na dia ao anatin’ny toe-javatra tena mampikorontan-tsaina sy feno faneriterena aza” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 86).

Araka ny voalazan’ny Loholona Scott dia inona no entin’ny fitsipika iray ho antsika?

Ohatra iray amin’ny fitsipika izay ampianarina ao amin’ny soratra masina no hitantsika ao amin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith. Avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph no ahafahantsika mianatra fa Maheno sy mamaly vavaka Andriamanitra.

  1. Manorata ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina fotopampianarana na fitsipika iray izay nianaranao tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina.

Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny Soratra Masina

Alaivo sary an-tsaina ny voankazo iray misy hodiny na karaokany, toy ny akondro na voasary.

Sary
akondro

Inona amin’io voankazo io no tena ilaina? Inona no tsy maintsy ataonao mialoha ny hihinananao ilay voankazo?

Sary
akondro voavaofy amin’ny ampahany

Raha toa ka ao anatiny ilay zavatra tena manan-danja na tena ilaina, dia inona izany no tena tanjon’ilay fonony ivelany?

Ilay voankazo ao anatin’ny hodiny izay ampiasaintsika hampahatanjaka sy hamelombelona dia azo oharina amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao anatin’ny soratra masina. Ny hodiny izay mandrakotra ilay voankazo dia azo oharina amin’ireo zava-mitranga sy olona ao amin’ny soratra masina. Tahaka ilay hodiny izay miaro sy manampy amin’ny fitondrana ilay atin’ny voankazo, ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo dia mihazona sy mitondra ireo fotopampianarana sy fitsipika ho any amintsika amin’ny fomba izay manampy antsika hahatakatra sy hahatsiaro ary hampihatra azy ireny eo amin’ny fiainantsika.

Raha toa manana voankazo iray ianao dia voaso ny hodiny mba ahafahanao mahita ny ao anatiny (na eritrereto fotsiny izay fomba ahatongavanao hatrany amin’ny nofon’ny akondro na voasary iray). Ny asa ilaina atao mba hamoasana ny hoditr’ilay voankazo ka hampiseho ny atiny dia mitovy amin’ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika mba hanokafana na hanalana ny rakotry ny andinin-tsoratra masina iray. Mba hamoasana ny soratra masina sy hampisehoana ny voankazo ao anatiny dia mila mahatakatra ny fipetraky ny tantara mikasika ny fanambarana iray isika, ary mila ihany koa miezaka mahatakatra ireo zava-mitranga sy ireo olona ary ny hevitr’ireo teny. Raha manao izany isika dia lasa mora kokoa amintsika ny mahita sy mahatakatra ny fotopampianarana sy fitsipika hita ao anatin’ny zavatra voatantara ao amin’ny soratra masina.

Ireto misy fomba sy paika tsotsotra hanampiana anao ahatakatra tsara kokoa ny soratra masina rehefa mandalina izany ianao. Amin’ny fiafaran’ny lesona no ahitanao ireo fomba sy paika fanampiny handalinana ny soratra masina.

Zava-nisy ara-tantara: Ny fizarana tsirairay ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fampidirana ny fizarana izay matetika mamariparitra ny olana, na fanontaniana na ireo zava-mitranga ara-tantara izay nialoha ilay fanambarana ao amin’io fizarana io. Afaka manampy anao hahatakatra ilay fanambarana ny fahafantaranao ireo antsipirian-javatra ireo.

  1. Mba hahitana ny fomba ahafahan’ny zava-nisy ara-tantara mampitombo ny fahatakaranao ny fanambarana iray, dia vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121 sy ny andininy 1–8. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony mampisy lanja bebe kokoa ny vavaka nataon’i Joseph Smith, sy ny valim-bavaka avy amin’ny Tompo ao anatin’ireo andininy ireo rehefa mahafantatra isika fa nigadra nandritra ny volana maromaro tao amin’ny fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith.

Famaritana ny teny: Mety tsy dia mahazatra ny sasantsasany amin’ireo teny izay ampiasaina ao amin’ny soratra masina. Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy amin’ny soratra masina ary ny raki-bolana tsotra dia afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ireo teny ireo.

Ohatra, Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1, 4. Ny teny hoe lay dia entina ilazana latanty na rafitra natao hiarovana. Manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ny hevitr’ireo andininy ireo ve ny fahafantaranao izany? Amin’ny fomba ahoana?

Soratra masina mifandray: Matetika ny andinin-tsoratra masina iray dia afaka manampy hanazava ny hevitry ny andian-teny iray na ny hevi-teny iray ao anatin’ny andininy iray hafa. Ohatra, Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:55. Toa milaza io andininy io fa ny hany zavatra takiana mba handovana ny fanjakana selestialy dia ny maha-mpikamban’ny Fiangonana. Vakio indray izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:67, ary jereo izay ampianarin’izany mikasika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba anampian’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 anao hahatakatra ny hevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:55 sy 10:67. Azonao asiana soratra hoe F&F 10:67; 20:37 eo amin’ny sisin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:55 ho toy ny soratra masina mifandray.

Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Rehefa ampitomboanao ny fahatakaranao ny tantara, sy ny teny, sy ny olona ary ny zava-mitranga ao amin’ny soratra masina dia vonona tsara kokoa ianao hamantatra ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao anatin’izy ireny.

Mora fantarina ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara sasantsasany satria voalaza mivantana ao amin’ny soratra masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22, ary mariho ireo fotopampianarana sy fitsipika izay voalaza mivantana ao anatin’io andininy io. Anisan’ny fotopampianarana voalaza ao amin’ity andininy ity ireo fahamarinana hoe ny Ray sy ny Zanaka dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olombelona ary ny Fanahy Masina dia vatana Fanahy.

Maro kosa ny fotopampianarana sy fitsipika izay tsy voalaza mivantana ao anatin’ny lahatsoratry ny soratra masina fa hita taratra na voafariparitra ao anatin’ny andininy maromaro. Mba hahafahana mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia mila mamantatra ireo fahamarinana hita taratra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina isika, ary avy eo dia milaza ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba tsotra sy mazava. Matetika izany dia mitaky fotoana sy fandinihana tsara.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ny Loholona Richard G. Scott dia nanome izao torohevitra izao: “Eo am-pikatsahanareo fahalalana ara-panahy dia tadiavo ireo fitsipika. Avaho tsara izany amin’ny antsipirian-javatra nampiasaina mba hanazavana azy. … Mendrika ny hanaovana ezaka lehibe ny fandaminana ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” 86).

Rehefa mianatra ny fomba hamantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika izay tsy voalaza mivantana ianao, dia afaka mametraka fanontaniana toy ny hoe: Nahoana ity fampahalalana ity no noraketina tato amin’ny soratra masina? Inona no tian’ilay mpanoratra ianaran’ny mpamaky sy hotakariny? Inona no azoko ianarana avy amin’ity ka afaka manampy ahy eo amin’ny fiainako? Inona no azoko ianarana avy amin’ity ka afaka manampy ahy hizara ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny hafa?

  1. Manaova fampiharana ny famantarana fotopampianarana sy fitsipika amin’ny fijerena indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8 ary apetraho amin’ny tenanao ny sasany amin’ireo fanontaniana teo aloha teo. Manorata fahamarinana iray na roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay nianaranao avy amin’ny vavaky ny Mpaminany Joseph Smith sy ny namalian’ny Tompo izany vavaka izany.

Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fiainanao

Eritrereto indray ilay voankazo noresahana teo aloha teo tato amin’ity lesona ity. Inona no ho lanjan’ilay voankazo raha toa ka tsy nampiasaina mihitsy raha vantany vao nesorina niala tamin’ny hodiny?

Raha toa hampitahaintsika amin’ilay voankazo mbola nisy hodiny ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nofantarintsika tao amin’ny soratra masina, dia inona no tokony hataontsika amin’ireo fahamarinana ireo raha vantany vao hitantsika izy ireo?

Ny lanjan’ny asa ataontsika mba hanesorana ny hodiny no famelombelomana sy tanjaka izay azontsika raisina avy amin’ny atin’ilay voankazo. Tahaka izany koa, lasa manan-danja ny fandalinantsika soratra masina rehefa raisintsika ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hitantsika ka hampiharintsika eo amin’ny fiainantsika. Maro amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no nomena ho an’olona manokana izay nanana fanontaniana na olana, kanefa azontsika aampiharina amin’ny fiainantsika manokana ihany koa ireo torohevitra sy fampianarana ao. Na dia mivantana ho an’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aza ny ankabeazan’ireo fizarana, dia natao ho tombontsoan’ny rehetra kosa ireo hafatra sy ireo fampitandremama ary ireo famporisihana.

  1. Mieritrereta ohatra iray amin’ny fahamarinan’ny filazantsara izay nianaranao avy tao amin’ny soratra masina sy ny fomba nitahian’izany anao rehefa nampihatra azy ianao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra niainanao.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanome an’izao fampanantenana izao ho an’ireo izay mandalina ny soratra masina sy mampihatra ireo fahamarinana ao anatin’izany: “Raha toa [ianao] ka lasa mahafantatra tsara ireo fanambarana, dia tsy hisy fanontaniana—na ho anao manokana, na ara-tsôsialy na ara-pôlitika na arak’asa—izay tsy tokony hahazoam-baliny. Hita ao anatin’izany ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay. Hitantsika ao ireo fitsipiky ny fahamarinana izay hamaha ireo fisafotofotoana sy ireo olana ary ireo zava-tsarotra rehetra izay hatrehin’ny fianakavian’olombelona na ny olona tsirairay ao anatin’izany” (“Teach the Scriptures” [lahateny ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny DEE, 14 okt. 1977], 3–4, si.lds.org).

Azonao atao ny manisy marika ireo ampahany amin’io fampanantenany io izay manan-danja aminao.

Diniho ny hametrahana tanjona iray izay hanampy anao hampihatra ny iray amin’ireo fahamarinana izay nianaranao nandritra ny fandalinanao soratra masina androany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny lesona “Fandalinana ny Soratra Masina” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Paika sy fomba fandalinana soratra masina fanampiny

Fanoloana ny anarana: Soloy amin’ny anaranao ny anarana ao amin’ny soratra masina mba hanampiana anao hampihatra ireo fitsipika eo amin’ny fiainanao. Andramo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:20 ity paika ity.

Antony sy vokany: Mba hanampiana anao hamantatra ireo Fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny soratra masina dia tadiavo ireo teny mifandray hoe raha–dia sy ny hoe satria–noho izany. Andramo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:24 ity paika ity.

Teny manan-danja: Ireo teny na andian-teny toy ny “indro,” na ny “noho izany,” “satria,” na ny “na dia teo aza izany,” na ny “hitantsika amin’izany” dia fanasana mba hiato ary hitady ireo hafatra mazava. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26, ary jereo ny fomba ahafahan’ny teny manan-danja manampy anao hamantatra fotopampianarana sy fitsipika.

Fitanisana zavatra ao amin’ny soratra masina: Mazàna ny soratra masina no mitanisa zavatra toy ny lisitry ny toetran’olona na fampianarana na fampitandremana. Rehefa mahita fitanisana ianao dia asio laharana ny singa tsirairay voatanisa. Andramo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 io paika io.

Fifanoherana: Indraindray ny soratra masina dia maneho fifanoherana eo amin’ny hevitra sy ny zava-mitranga ary eo amin’ny olona. Manantitrantitra fitsipiky ny filazantsara ireo fifanoherana ireo. Mitadiava zavatra mifanohitra ao anatin’ny andinin-tsoratra masina tokana sy ao anaty toko sy toko maromaro ary boky. Andramo ampiasaina amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25 ity fomba ity.

Fakana sary an-tsaina: Tadiavo ireo antsipirian-javatra mamariparitra izay afaka manampy anao haka sary ao an-tsaina ny zavatra izay vakianao. Alaivo sary an-tsaina hoe manatrika eo ianao ao anatin’ny zava-mitranga sasany. Afaka manampy anao izany hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny tena fisian’izay zavatra vakianao ao amin’ny soratra masina. Andramo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44–46 io paika io.

Tandindona: Ny teny na andian-teny toy ny hoe “sahala,” “toy ny,” na “sahala amin’ny” dia hanampy anao hamantatra ireo tandindona. Takaro ny hevitry ny tandindona iray amin’ny alalan’ny famantarana ny karazany ary amin’ny alalan’ny fisaintsainana mikasika ny toetoetrany. Ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia hanampy anao hamantatra ny hevitry ny tandindona sansantsasany. Andramo amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:46, 51–61 io paika io.

Fisaintsainana: Ny fisaintsainana lalina dia mahafaoka ny fieritreretana, ny fandinihina lalina, ny fametrahana fanontaniana, ary ny fandrefesana izay zavatra hainao sy izay nianaranao. Mazàna, dia manampy antsika hahatakatra izay tokony hataontsika mba hampihatra ny fitsipiky ny filazantsara ny fisaintsainana. Ny Filoha David O. McKay dia nampianatra hoe: “Ny fisaintsainana no iray amin’ny tsiambaratelo lehibe indrindra sy varavarana masina indrindra izay hidirantsika ho eo anatrehan’ny Tompo” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 32). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–4 mba ho ohatra iray amin’ny olona mampiasa ity teknika ity.

Hamoaka printy