Seminera
Fizarana 8: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–32


Fizarana 8: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–32

Fampidirana

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30, dia nanome torolalana an’i David Whitmer sy Peter Whitmer zanany, ary John Whitmer ny Tompo. Voantso hitory i Thomas B. Marsh, araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32, dia niantso an’i Parley P. Pratt sy Ziba Peterson ny Tompo mba handray anjara amin’ny asa fitoriana any amin’ireo Lamanita. Rehefa mandalina ireo fizarana ireo ianao, dia jereo ilay torohevitra sy fampanantenana nomen’ny Tompo ho an’ireo misiônera ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30

Nantsoin’ny Tompo hitory ny filazantsara i David Whitmer sy i Peter Whitmer zanany, ary i John Whitmer

Alao sary an-tsaina hoe mety hanao ahoana izany mandray antso hanompo ny Tompo amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno izany. Soraty ireo fahatsapana sasantsasany eritreretinao fa mety hananao raha mandray antso toy izany ianao:

Nantsoin’ny Tompo ry Whitmer telo mirahalahy dia i David sy Peter zanany ary John mba hitory ny filazantsara, ary nomeny torohevitra manokana ny tsirairay amin’izy ireo.

Vakio ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30 ao amin’ny tsanganana voalohan’ity tabilao manaraka ity, ary avy eo mitadiava fitsipika iray ao amin’ny tsanganana faharoa izay ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Soraty mifanitsy amin’ilay anarana sy ilay andinin-tsoratra masina ny litera mifandraika amin’ilay fanambarana. Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.

  1. David (andininy 1–4)

  2. Peter (andininy 5–8)

  3. John (andininy 9–11)

  1. Tokony hanompo ny Tompo amin’ny fanahintsika manontolo isika satria hiaraka amintsika Izy.

  2. Tokony hiantehitra amin’ny Tompo isika mba hahazoana hery fa tsy hatahotra ny olona.

  3. Tokony hanohana sy hanampy ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny asany isika.

  1. Misafidiana iray amin’ireo fitsipika misoratra matevina ao amin’ilay tabilao teo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra iray izay mety hatrehinao ka mety hilanao ny fampiharana io fitsipika io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–8

Nantsoin’ny Tompo i Thomas B. Marsh mba hitory ny filazantsara sy hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana

Eritrereto ny fianakavianao sy ny fahatsapana anananao ho azy ireo. Misy olona ao amin’ny fianakavianao ve tsy mpiakamban’ny Fiangonana na tsy mitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo? Raha izay no izy, inona no antenainao ho an’io olona io? Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31 ny fanambarana iray izay niantefa tany amin’i Thomas B. Marsh izay mpikambana vaovao. Mikasika ny fianakaviany ny ampahany amin’izany. Nanambady i Thomas ary nanana zanaka telo mbola kely tamin’ny fotoana nanomezana azy io fanambarana io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:1–2 ary tadiavo ireo fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Thomas mikasika ny fianakaviany.

Ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa amin’ny alalan’ny fijanonantsika ho mahatoky, dia afaka ny hino sy hahafantatra ny fahamarinana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika. Diniho ny fomba mety hanampian’io fitsipika io anao raha toa ka misy tsy mpikamban’ny Fiangonana na misy tsy manaja ny fanekempihavanana nataony ny olona ao amin’ny fianakavianao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fomba vitsivitsy mety ahazoan’ny olona fitahiana amin’ny alalan’ny fijanonan’ny iray ao amin’ny fianakaviany ho mahatoky?

    2. Inona ireo ohatra efa hitanao maneho izany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3–4, ary tadiavo ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh mba hataony.

Mety tsy mora tamin’i Thomas ny nandao ny fianakaviany mba hitoriana ny filazantsara, tahaka ny mety tsy mahamora izany ho an’ireo misiônera amin’izao fotoana izao. Vakio ity fanambarana manaraka ity ary asio marika ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ho an’ireo izay manompo ny Tompo amin’ny fanaovana asa fitoriana: “Hitahy ny fiainan’ireo izay ampianarinareo ianareo, sy ny taranany manaraka azy. Hitahy ny fiainanao ianao. Hitahy ny fiainan’ny fianakavianao ianao, izay hanohana anao sy hivavaka ho anao” (Of Missions, Temples, and Stewardship,”Ensign, nôv. 1995, 52).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:5–8 ary tadiavo ireo fitahiana izay ho azon’ireo olona izay hampianarin’i Thomas B. Marsh mandritra ny asa fitoriany. Tadiavo koa ireo fitahiana izay hirotsaka amin’i Thomas sy ny fianakaviany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–13

Nanome torohevitra manokana an’i Thomas B. Marsh i Jesoa Kristy

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:9–13, ny Tompo dia manome torohevitra mba hanampiana an’i Thomas B. Marsh amin’ny asa fitoriany sy ny fiainany manokana.

  1. Mitadiava torohevitra iray nomen’ny Tompo an’i Thomas B. Marsh izay tsapanao fa manan-danja ho anao ny manaraka azy eo amin’ny fiainanao, ary avy eo valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja aminao io torohevitra io, ary amin’ny fomba ahoana no hahasoa anao ny fanarahana azy?

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:13 ary tadiavo ilay fampanantenana nomena an’i Thomas B. Marsh raha toa izy mahatoky amin’ny fankatoavana ilay torohevitra nomen’ny Tompo azy.

Ampiasao ny teny hoe raha sy dia, ary soraty amin’ny endriny manambara fitsipika ilay fampanantenana.

Raha , dia .

  1. Manaova tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ataovy lohatenin’ny tsanganana iray ny hoe Fahazarana tsara ary ilay iray hafa kosa ataovy hoe Safidy tsara. Tanisao ireo fomba fanao izay mahazatra anao na mila ataonao fahazarana sy ireo safidy izay nataonao na ilaina ataonao ankehitriny sy amin’ny ho avy ka hanampy anao “hahatoky hatramin’ny farany” (F&F 31:13).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32

Miantso an’i Parley P. Pratt sy Ziba Peterson ny Tompo mba handray anjara amin’ny asa fitoriana any amin’ireo Lamanita

Ireo fanambarana nohalalininao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–31 sy ireo izay hohalalininao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32–34 dia mikasika ny antso hitory ny filazantsara, ny asa fitoriana, ary ireo fiomanana hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tamin’ny volana Ôktôbra 2012 dia nanambara fiovana teo amin’ny taona hanaovana ny asa fitoriana ny Filoha Thomas S. Monson izay mifototra amin’ny fankatoavana, fahatokiana, ary fahamatoran’ny taranaka vao misondrotra:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Fifaliana ho ahy ny manao fanambarana izay tonga dia manan-kery manomboka izao hoe ireo zatovolahy mendrika sy afaka manao asa fitoriana izay nahavita ny fianarana avy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa na sekoly mitovy amin’izany, na aiza na aiza toerana ipetrahan’izy ireo dia hanana safidy hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 18 taona fa tsy 19 taona intsony. Tsy milaza aho akory hoe ny zatovolahy rehetra dia hanompo—na tokony — hanompo amin’ny taona aloha kokoa toy izany. Fa hoe azo dinihina ny hanatanterahana izany arakaraka ny toe-javatra iainan’ny tsirairay, sy ny fanapahan-kevitr’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

“Rehefa nandinika tamim-bavaka ny mikasika ny taona ahafahan’ny zatovolahy hanomboka ny asa fitoriana izahay dia nandinika ihany koa ny taona mety ahafahan’ny zatovovavy manompo. Faly aho androany manambara aminareo fa ireo tovovavy izay afaka manao izany sy mendrika ary manana faniriana ny hanompo dia afaka hirotsaka ho misiônera hanao asa fitoriana manomboka 19 taona fa tsy 21 taona intsony.

“Hamafisinay fa ny asa fitoriana dia adidin’ny fisoronana—ary entaninay ireo zatovolahy rehetra izay mendrika, sy matanjaka ara-batana ary salama ara-tsaina mba hanaiky ny antso mba hanompo. Maro koa ireo zatovovavy izay manompo, saingy izy ireo dia tsy iharan’izany adidy eo an-tsorok’ireo zatovolahy izany. Manome toky anefa izahay ho an’ireo rahavavy ato am-piangonana, fa mitondra anjara biriky manan-danja izy ireo eo amin’ny asa fitoriana, ary raisina an-tanan-droa ny asa fanompoana atolotr’izy ireo” (“Tongasoa Eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, nôv. 2012, 4–5).

Rehefa manohy ny fandalinana ireo fanambarana momba ny asa fitoriana ianao, dia eritrereto ny fitoviana sy ny fahasamihafana eo amin’ny fiomanana sy asan’ireo misiônera voalohany sy ny an’ireo misiônera manerana izao tontolo izao ankehitriny.

Sary
sarintany, Etazonia avaratra atsinanana

Tadiavo hoe aiza no misy an’i Fayette, New York, sy Independance, Missouri, eo amin’ilay sarintany nampiarahana amin’ity lesona ity (jereo koa ny sary mifandray amin’ny tantaran’ny Fiangonana 6, “Ny Dian’ny Fiangonana Miankandrefana,” ao amin’ny soratra masinao na ny LDS.org). Manao ahoana araka ny eritreritrao ny halavirana misy eo amin’ireo toerana ireo?

Niantso an’i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer Zanany ny Tompo hanainga avy any New York ho any Missouri mba hitory ny filazantsara amin’ireo Lamanita izay any amin’ny sisiny andrefan’i Missouri (jereo ny F&F 28:8; 30:5). Niteraka faharisihana teo anivon’ireo lohonon’ny Fiangonana io asa fitoriana amin’ny Lamanita io, ary nisy naniry ny hahafantatra raha hisy zokiolona fanampiny mety halefa mba hiaraka amin’i Oliver sy i Peter amin’io asa fitoriana io. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32 no valintenin’ny Tompo.

Natao batisa tamin’ny volana Septambra 1830 i Parley P. Pratt, iray volana monja talohan’ny nanomezana ity fanambarana ity. Nahare mikasika ny Bokin’i Môrmôna izy raha nandeha tany New York nandritra ny vanim-potoana fahavaratry ny taona 1830. Taty aoriana izy dia nanoratra momba ny fihetsiny taorian’ny nahazoany tahadikan’ilay boky:

Sary
Parley P. Pratt

“Nosokafako tamim-paharisihana ilay izy, ary novakiako ny pejin-dohateniny. Avy eo dia novakiako ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona maromaro izay mifandray amin’ny fomba nahitana sy nandikana azy. Taorian’izay dia nanomboka ny votoatiny hatramin’ny voalohany aho. Namaky izany aho nandritra ny tontolo andro, enta-mavesatra tamiko izany hoe hisakafo izany, tsy naniry ny hihinan-kanina mihitsy aho; enta-mavesatra tamiko izany hoe handeha hatory izany rehefa tonga ny alina satria naleoko namaky ilay boky toy izay natory.

“Rehefa namaky aho, dia teo amiko ny fanahin’ny Tompo, ary fantatro sy takatro fa marina ilay boky, amin’ny fomba mazava sy miharihary ka takatry ny olona sy fantany fa misy izy” (Autobiography of Parley Parker Pratt, ed. Parley P. Pratt [1938], 37).

Nandeha tany Palmyra, New York i Parley, ary tany no nianarany bebe kokoa tamin’i Hyrum Smith momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Tsy ela taorian’izay dia nandeha tany Fayette i Hyrum sy Parley, ary tany no nidiran’i Parley ho mpikamban’ny Fiangonana sy nanendren’i Oliver Cowdery azy ho loholona.

Vitsy ny zavatra fantatro momba ny fiovampon’i Ziba Peterson ankoatra ny hoe nataon’i Oliver Cowdery batisa izy tamin’ny Aprily 1830 ary notendrena ho loholona tamin’ny volana Jona.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:1–5 mba hahafantatranao ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Parley sy i Ziba mba hataon’izy ireo, sy ny zavatra nampanantenain’ny Tompo azy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Fomba ahoana no hitovizan’ilay fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32:3 amin’ireo fampanantenana nomen’ny Tompo an’i John Whitmer ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:11 sy ny nomeny an’i Thomas B. Marsh ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:13?

    2. Inona no ampianarin’ireo fampanantenana ireo anao mikasika ny fahatsapan’ny Tompo ho an’ireo misiônera izay manompo Azy?

Sary
Misiônera ao anaty ranomandry

Nandritra ny ririnin’ny taona 1830–31, i Oliver Cowdery sy i Peter Whitmer zanany ary i Parley P. Pratt dia nandeha avy ao Fayette, New York, ho any Independence, Missouri izay mielanelana eo ho eo amin’ny 2.400 kilometatra eo, ary an-tongotra no nanaovany ny ankamaroan’izany dia izany. Niaretan’izy ireo ny ranomandry matevina, ny hatsiaka mamanala, ny rivo-mahery, ary ny havizanana rehefa nivelona tamin’ny mofo katsaka mangatsiaka sy henan-kisoa manta izy ireo.

Na dia teo aza ireo zava-tsarotra nolalovan’ireo misiônera ireo dia nahomby izy ireo tamin’ny fampahafantarana ny filazantsara tamin’ireo foko Tera-tany Amerikana tany New York, Ohio sy Missouri. Nitory ny filazantsara tany Kirtland, Ohio, ihany koa izy ireo tamin’ny vondron’olona mpivavaka izay nitady ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana Kristiana tao amin’ny Testamenta Vaovao. Maro tamin’ireo olona ireo no lasa mpikamban’ny Fiangonana. I Frederick G. Williams, izay iray tamin’ireo izay niova fo avy any Ohio, dia niaraka tamin’ireo misiônera tamin’ny dian’izy ireo sisa mankany any Missouri. Notanterahin’ny Tompo ny fampanantenany fa hiaraka amin’ireo misiônera ireo Izy ary tsy hisy hahavita hanohitra azy ireo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–32 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy