Seminera
Fizarana 30: Andro 1, Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana


Fizarana 30: Andro 1

Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana

Fampidirana

Taorian’ny nahafaty maritiora ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 27 jona 1844 dia sahiran-tsaina momba izay olona hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny olona maro. Efa nanomana izany famindrana ny fitantanana izany anefa ny Mpaminany mialoha ny fahafatesany tamin’ny alalan’ny fanomezana ireo fanalahidy sy fahefana rehetra an’ny fisoronana tamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa niresaka tamin’ny Olomasina i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, tamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia mpikamban’ny Fiangonana maro no nahazo tenivavolombelona ara-panahy fa nantsoina sy nomanin’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonana izy.

Fifanesen’ny vanim-potoan’ny fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidiana taorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith

Daty

Zava-nitranga

27 jona 1844

Novonoina ho maritiora tao Carthage, Illinois i Joseph sy Hyrum Smith.

29 jona 1844

Fampisehoana eo imasom-bahoaka ny vatan’i Joseph sy i Hyrum Smith.

27 jona–7 jolay 1844

I Willard Richards sy i John Taylor izay naratra no hany Apôstôly tao Nauvoo, Illinois.

8 jolay 1844

I Parley P. Pratt dia niverina tany Nauvoo ary nanampy an’i Willard Richards sy i John Taylor mba hisian’ny lamina ao amin’ny Fiangonana.

3 aogôsitra 1844

Tonga tao Nauvoo avy tany Pittsburg, Pennsylvania i Sidney Rigdon.

4 aogôsitra 1844

Niteny tamin’ny vondron’Olomasina i Sidney Rigdon fa tokony ho mpitandrina ny Fiangonana izy ary nangataka ny hanaovana fivoriana manokana izay hatao ny 6 aogositra izy mba hankatoavana ny fanendrena azy. Natao ny 8 aogositra ilay fivoriana.

6 aogositra1844

Ny ankamaroan’ireo Apôstôly ambiny, izay nahitana an’i Brigham Young, dia niverina tao Nauvoo avy tamin’ny asa fitoriana nataon’izy ireo.

7 aogôsitra 1844

Ny maraina dia nihaona tao an-tranon’i John Taylor izay naratra ireo Apôstôly sy i Sidney Rigdon.

Nitaky indray i Sidney Rigdon nanditra ny fivorian’ny Apôstôly sy ny filankevitra avo ary ireo mpisorona avo ny tolakandro fa izy no tokony ho mpitandrina ny Fiangonana. Nilaza i Brigham Young fa nihazona ireo fanalahidy izy ka te hanao ny sitrapon’ny Tompo momba izany zavatra izany.

8 aogôsitra 1844

Nandritra ny fivoriana iray izay natao tamin’ny 10 ora maraina dia niresaka nandritra ny adiny iray sy sasany tamin’ny Olomasina an’arivony i Sidney Rigdon, ka nanazava ny antony tokony ho maha-mpitandrina ny Fiangonana azy. Nanao lahateny ihany koa i Brigham Young ka niantso ny Olomasina mba hiangona indray ho amin’ny fivoriana natao tamin’ny 2 ora tolakandro.

Nandritra ny tontolo andro dia mpikamban’ny Fiangonana maro no nahazo tenivavolombelona fa ilay kapôty, na ny fahefana, izay nananan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nidina teo amin’i Brigham Young. Nandritra ny fivoriana tamin’ny 2 ora tolakandro, dia nanohana an’i Brigham Young sy ny Apôstôly Roambinifolo ho mpitarika ny Fiangonana ireo Olomasina.

Nandritra ireo fivoriana roa ireo dia Olomasina maro no nijoro ho vavolombelona fa nisy fotoana i Brigham Young no niendrika sy niteny tahaka ny Mpaminany Joseph Smith.

Nisy olona sasany nihambo ny zo hitarika ny Fiangonana taorian’ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany Joseph Smith

Alao sary an-tsaina hoe fantatrao fa nodimandry alina ny Filohan’ny Fiangonana. Iza no ho lasa Filohan’ny Fiangonana manaraka? Ahoana no hifidianana azy? Ahoana no fomba famindrana ireo fanalahidin’ny fisoronana hitarihana ny Fiangonana amin’ny Filohan’ny Fiangonana manaraka?

Rehefa novonoina ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith dia nahatsapa alahelo lalina ireo Olomasina ary mpikamban’ny Fiangonana maro no sahiran-tsaina momba izay olona hitarika ny Fiangonana. Nandritra izany fotoana izany dia olona maro no nihambo ho nanana ny zo hitarika ny Fiangonana. Anisan’izany i Sidney Rigdon sy i James Strang ary i Brigham Young.

Rehefa mamaky ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto ianao dia tadiavo ny antony nitakian’i Sydney Ridgon, izay mpitarika efa fanta-daza tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro, fa tokony hitarika ny Fiangonana izy:

“I Sidney Rigdon, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia tonga [tao Nauvoo] avy any Pittsburgh, Pennsylvania, ny 3 aogositra 1844. Herintaona talohan’izay dia nanao zavatra nifanohitra tamin’ ny torolalana nomen’ ny mpaminany Joseph Smith izy ary nanjary nihataka [nisaraka] tamin’ ny fiangonana. Nandà ny hifanena tamin’ireo telo mirahalahy mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy tao Nauvoo izy ary ho solon’izany dia niresaka tamin’ireo Olomasina marobe nandritra ny fanompoam-pivavahana ny alahady” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany [1996], 81).

Nangataka fivoriana manokana mba hatao ny talata 6 aogôsitra i Sidney Rigdon mba hahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana misafidy mpitandrina iray ho an’ny Fiangonana. Toa niezaka ny hanao ity fivoriana ity izy mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana mandany ny toerany ho mpitandrina ny Fiangonana mialoha ny hiverenan’ireo Apôstôly Roambinifolo avy any amin’ny asa fitorian’izy ireo tany andrefan’i Etazonia. Nisy mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana izay nahatsapa fa mety nitetika ny “hanararaotra ny toe-javatra niseho tamin’ny Olomasina” ny Rahalahy Rigdon (History of the Church, 7:225). Soa ihany fa noho ireo ezaka nataon’ny Loholona isany Richards sy Parley P. Pratt dia nahemotra ny alakamisy 8 aogôsitra ilay fivoriana ka efa tafaverina tao Nauvoo ny ankamaroan’ireo Apôstôly tamin’izay.

Nitompo teny Rahalahy Rigdon fa satria efa nantsoina sy notendrena ho mpitondra tenin’i Joseph Smith izy teo aloha dia andraikiny ny “miantoka ny hitantanana ny Fiangonana amin’ny fomba araka ny tokony ho izy” (ao amin’ny History of the Church, 7:229). Nitompo teny ihany koa izy fa tokony “ho mpiambina ho an’ny vahoaka” ary nanao izay nandidian’ Andriamanitra azy izy amin’ny fanatanterahana izany andraikitra izany (jereo ny History of the Church, 7:230).

Sary
Sidney Rigdon

Sidney Rigdon

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha toa ka tany Nauvoo ianao tamin’izany fotoana izany, inona no mety ho neritreretinao momba ny fitompoan-teny nataon’i Sidney Rigdon?

    2. Inona no mety ho ahiahy nanananao momba ny Rahalahy Rigdon?

Eo am-pamakianao izao andiam-pehezan-teny manaraka izao dia tadiavo ny antony nahatonga an’i James Strang nihambo fa izy no tokony hitarika ny Fiangonana:

Nitady toerana mety ho an’ny Olomasina tany Wisconsin i James Strang, izay vita batisa tamin’ny febroary 1844, tamin’ny lohataonan’ny taona 1844. Nihambo ho nahazo fanambarana tao anatin’ny taratasy iray avy tamin’i Joseph Smith Rahalahy Strang taorian’ilay famonoana ho maritiora izay nilaza fa izy no efa voatendry ho mpandimby an’i Joseph. Toa nahitana ny sonian’i Joseph Smith ny taratasin’ny Rahalahy Strang izay nasehony tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nilaza ny tenany Rahalahy Strang fa izy ny mpaminany manaraka ary nanambara ny toerany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tany Michigan izy tamin’ny 5 aogôsitra 1844.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha toa ka niaraka tamin’ireo Olomasina tany Michigan ianao, inona araka ny eritreritrao, raha nisy izany, no mety ho nandresy lahatra momba ny filazana nataon’i James Strang?

    2. Inona no mety ho ahiahy nanananao momba ny fanambarana nataony?

Eo am-pamakianao ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto dia tadiavo izay nolazain’i Brigham Young tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny fisoronana ka anisan’izany ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo izay tany Nauvoo, mikasika ny olona tokony hitarika ny Fiangonana:

Ny Loholona isany John Taylor, Willard Richards ary Parley P. Pratt dia efa tao Nauvoo rehefa tonga i Sidney Rigdon. Ny ankabeazan’ny sisa tamin’ireo Apôstôly, anisan’izany i Brigham Young, dia niverina tao Nauvoo ny harivan’ny 6 aogositra1844. Ny andro manaraka, ny 7 aogositra dia nihaona tamin’ny alalan’ny filan-kevitra tao an-tranon’i John Taylor ny Apôstôly. Ny harivan’io, nandritra ny fivoriana natao ny tolakandro dia nivory tao Nauvoo ireo Apôstôly Roambinifolo sy ny filankevitra avo ary ireo mpisorona avo. Nangataka tamin’i Sidney Rigdon mba hilaza ny hafany ho an’ny Olomasina ny Filoha Young, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. I Sidney Rigdon dia nilaza tamim-pahasahiana fa nahita fahitana izy ary tsy misy olon-kafa afaka mandimby an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fiangonana. Ary nanome sosokevitra izy avy eo izy no tokony hotendrena ho mpitandrina ny vahoaka.

Rehefa namarana ny resaka nataony i Sidney Rigdon, dia nilaza i Brigham Young hoe:

Sary
Filoha Brigham Young

“Tsy raharahiako izay olona hitarika ny Fiangonana, … fa zavatra iray no tokony ho fantariko, dia ny hoe inona no lazain’ Andriamanitra mikasika izany. Manana ireo fanalahidy sy ny fomba hahafahana mahafantatra ny eritreritr’ Andriamanitra mikasika izany aho. …

“Nomen’i Joseph teo ambonin’ny lohanay [miresaka ny Apôstôly Roambinifolo] avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetra amin’ny maha-Apôstôly izay nohazoniny izy tenany talohan’ny nahalasana azy. …

“Impiry moa i Joseph no nilaza tamin’ireo Roambinifololahy hoe: ‘Efa nametraka ny fototra aho ary ianareo dia tsy maintsy manangana eo ambonin’izany, fa eo ambonin’ny sorokareo no hipetrahan’ny fanjakana’” ( Ao amin’ny History of the Church, 7: 230)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nampiavaka ny fanirian’ny Filoha Brigham Young tamin’ny an’i Sidney Rigdon sy James Strang?

    2. Nahoana no manan-danja ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Brigham Young mikasika ireo fanalahidin’ny fisoronana?

Nampianatra izao fahamarinana manaraka izao ny Filoha Brigham Young sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Mihazona ireo fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana izay ilaina mba hiahiana ny Fiangonana ireo Apôstôly.

Hazonin’ireo Apôstôly amin’izao fotoana izao izany fahefana sy fanalahidy izany. Rehefa voatendry ny Apôstôly iray dia omena azy ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra eto ambonin’ny tany (jereo ny F&F 112:30–32), kanefa ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy rehetra ireo dia natokana ho an’ny Apôstôly zokiny indrindra ihany dia ny Filohan’ny Fiangonana.

Tamin’ny janoary 1836, valo taona mahery talohan’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome torolalana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy fa “tsy mankatò afa-tsy ny Fiadidiana Voalohany ny Roambinifololahy,” ary niteny izy avy eo hoe: “Rehefa tsy eo aho dia tsy misy Fiadidiana Voalohany eo ambonin’ny Roambinifololahy” (ao amin’ny History of the Church, 2:374).

Araka izany torolalana avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izany, inona no mitranga amin’ny Fiadidiana Voalohany rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana?

Iza no afaka mitarika ny Fiangonana rehefa rava ny Fiadidiana Voalohany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–28, ka tadiavo hoe iza no Apôstôly zokiny indrindra sy Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith.

I Brigham Young no Filohan’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo satria izy no Apôstôly zokiny indrindra. Rehefa naorina voalohany tamin’ny 1835 ny kôlejy dia notendrena araka ny taona ny maha-zokiny indrindra. Rehefa nitombo ireo mpikambana dia nofaritana araka ny datin’ny fanendrena ny maha-zokiny indrindra. Koa amin’izao androntsika izao dia voafaritra araka ny daty sy ny filaharana izay nanendrena ny Apôstôly iray ny maha-zokiny indrindra. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa kôlejy mpiahy eo ambany fitarihan’ny Apôstôly ela niasana indrindra.

Napetraky ny Tompo ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana mba hanana mpitarika entanim-panahy foana ny Fiangonana, ary tsy misy antony hanaovana tombantombana na ady hevitra eo amin’izay ho tonga Filohan’ny Fiangonana manaraka. Nanazava ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Fantatry ny Tompo izay tiany hiahy ity Fiangonana ity, ary tsy hanao fahadisoana Izy. Tsy manao zavatra tsy nahy ny Tompo. Tsy mbola nanao zavatra tsy nahy na oviana na oviana Izy” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1970, 153).

Ho fehiny dia nomena ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’ny fotoan’ny fanendrena azy ho amin’ny maha-apôstôly ireo fanalahidin’ny fanjakana. Voafaritra araka ny daty sy ny filaharan’ny fanendrena azy ny Apôstôly zokiny indrindra izay miahy eo anivon’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpanolotsaina, raha toa ka tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy ireo teo aloha dia miverina amin’ny toerany avy araka ny maha-zokiny ao amin’izany kôlejy izany izy ireo. Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no lasa kôlejy miahy amin’ny fitarihana ny Fiangonana. Mihazona sy mampiasa ho azy ireo fanalahidin’ny Fisoronana ao amin’ny fanjakana sy miahy ny Fiangonana manontolo ny Apôstôly zokiny indrindra amin’ny maha-Filohan’ny Apôstôly Roambinifolo azy. Amin’ny maha-manampahefana miahy ny Fiangonana azy dia manana ny zo hahazo fanambarana mikasika ny fotoana hananganana indray ny Fiadidiana Voalohany ny Filohan’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Atao amim-pahendrena sy am-pilaminana ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Betsaka ireo nahazo tenivavolombelona fa tokony hitarika ny Fiangonana ny Filoha Brigham Young

Tamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivondrona tamin’ny 10 ora maraina ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois mba hihaino an’i Sidney Rigdon hanao ny fanambarany ho mpiambina ny Fiangonana. Satria nitsioka nankany amin’ny lapihazo ny rivotra dia naka ny toerany tao anaty sarety teo aorian’ny daholobe izay tafavoryny Rahalahy Rigdon mba hahafahan’ny vahoaka maheno ny feony. Nitodika ny daholobe mba hahafahan’izy ireo mahita ny Rahalahy Rigdon rehefa nitory teny izy. Niresaka tamin’ireo Olomasina niangona niisa an’arivony izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony tokony haha mpitandrina ny Fiangonana azy. Vahoaka maro no namariparitra fa ny toriteniny dia tsy nahatsapana aingam-panahy.

Ny Filoha Brigham Young sy ny mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia tonga sy nipetraka teo amin’ny toerana mifanatrika amin’i Sidney Rigdon. Ary nitsahatra ny rivotra tamin’izany. Rehefa avy niteny i Sidney Rigdon dia nanao lahateny ny Filoha Young. Nitodika ny mpihaino mba hihaino an’i Brigham ka nanome lamosina ilay sarety nisy an’i Sidney Rigdon. (Jereo ny “Discourse by President Geo. Q. Cannon,” Deseret News, 21 feb. 21, 1883, 67.) Nanao lahateny fohy ny Filoha Young ary nilaza fa tiany kokoa raha niverina tao Nauvoo mba hisaona ny Mpaminany izy fa tsy hanendry mpitarika vaovao. Nanao fanambarana izy fa hisy fivorian’ireo mpitarika ny Fiangonana sy ny mpikambana izay hatao ny harivan’io tamin’ny 2 ora tolakandro. Rehefa niteny izy dia nahita ny endrik’i Brigham Young sy ny feony niova ho nitovy tamin’ny an’ny Mpaminany Joseph Smith ny mpikamban’ny Fiangonana maro. Io tranga mahagaga io dia nanampy ny Olomasina maro hahafantatra fa nirian’ny Tompo ny hitarihan’i Brigham Young ny Fiangonany.

Rehefa mamaky ireto zavatra niainana manaraka ireto ianao dia tadiavo ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Olomasina mba hahafantatra izay notendreny hitarika ny Fiangonana. Ny voambolana hoe “kapôty” dia entina milaza ny fahefana nifandimby avy tamin’ny mpaminany sy ny Filohan’ny Fiangonana (Joseph Smith) nankany amin’ny mpandimby azy (Brigham Young).

Sary
Benjamin F. Johnson

Nitantara i Benjamin F. Johnson hoe: “Nitsangana sy niteny ny Filoha Brigham Young. Hitako nitsangana izy, fa raha vantany vao niteny izy dia tafatsangana aho, satria nahavariana fa ny feon’i Joseph izany, ary ny tenany, raha amin’ny endrika, fihetsika, akanjo sy bika dia i Joseph izy tenany mihitsy, izy tanteraka; ary fantatro tamin’ny fotoana iray fa teo aminy ny fanahy sy ny fahefan’i Joseph” (My Life’s Review [1947], 103–4).

Nolazain’i William C. Staines fa niteny “tamin’ny feo nitovy tamin’ny feon’ny Mpaminany Joseph” i Brigham Young. Noheveriko fa izy no hitako, ary dia toy izany koa no nambaran’ireo olona an’arivony naheno izany” (ao amin’ny History of the Church, 7: 236)

Sary
Filoha Wilford Woodruff

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy nanatri-maso aho, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy fa tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza nahafantatra azy mirahalahy ireo dia afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izany ” (ao amin’ny History of the Church, 7: 236).

Niteny nandritra ilay fivoriana natao ny tolakandro ny Filoha Brigham Young sy ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Olona maro hafa no nanao fanamarihana fa nitovy endrika sy feo tamin’i Joseph Smith i Brigham Young rehefa niteny izy tamin’io andro io. Tsaroan’i George Q. Cannon, izay 17 taona tamin’ny 1844 hoe: “Tsy ho nahagaga loatra tamin’ireo maro izay nanatrika izany fivoriana izany raha toa ka nitsangana tamin’ny maty ka niresaka mba hohenoin’ny daholobe teo i Joseph; ny feon’i Joseph izy tenany mihitsy izany; ary tsy ny feon’i Joseph ihany no re, fa toa ny tenan’i Joseph mihitsy no nitsangana teo anoloan’ny vahoaka araka ny fijerin’izy ireo. … Nomen’ny Tompo tenivavolombelona ny vahoakany fa tsy nasiany ahiahy mihitsy ny amin’izay lehilahy nofinidy hitarika azy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

Ankoatra izany fahagagana izany dia Olomasina maro no nahatsapa ny Fanahy Masina izay nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo fa i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nantsoin’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonana. Teo am-pamaranana ity fivoriana ity dia nifidy tamin-kafaliambe ny Olomasina tao Nauvoo mba hanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary i Brigham Young ho lohan’izy ireo, mba hitarika ny Fiangonana. Tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra anefa no nisafidy ny hanaraka ireo Apôstôly. Nisafidy kosa ny hanaraka olona manokana tahaka an’i Sidney Rigdon sy James Strang ny olona sasany, izay nanangana ny fiangonan’izy ireo manokana.

Raha toa ka nanatrika fivoriana iray tamin’ny 8 aogôsitra 1844 ianao dia inona no fehin-kevitra notsoahinao momba izay olona nantsoin’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonana?

Rehefa nodimandry ny Mpaminany Joseph Smith dia afaka nampiasa avy hatrany ireo fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana ny Apôstôly zokiny indrindra (Brigham Young). Nanana ny zo handray fanambarana mikasika ny fotoana tokony hananganana ny Fiadidiana Voalohany izy. Tamin’ny 1847—mihoatra ny roa taona taorian’ilay famonoana ho maritiora—dia nentanim-panahy hanangana indray ny Fiadidiana Voalohany fa tsy hanohy hitarika ny Fiangonana tamin’ny naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy i Brigham Young. Rehefa mitohy mitombo sy mivelatra ny Fiangonana dia manan-danja ny mahatsiaro fa afaka mahazo tenivavolombelona isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa ireo izay mitarika ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.

Sary
Fiadidiana Voalohany, 2013

Ny Fiadidiana Voalohany, 2013

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahazo fijoroana ho vavolombelona fa nantsoin’ Andriamanitra ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana?

    2. Eritrereto ny fotoana nahazoanao fijoroana ho vavolombelona fa nantsoin’ Andriamanitra ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana. Raha efa niaina izany ianao dia inona no nataonao mba hahazoana izany fijoroana ho vavolombelona izany? Raha toa ka tsy mbola nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao dia soraty ny zavatra azonao atao mba hahazoana izany.

  2. Angataho ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao iray mba hizara aminao ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fahazoana tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa nantsoin’ Andriamanitra ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana. Azonao atao ihany koa ny mizara amin’izy ireo izay nosoratanao tao amin’ilay asa atao teo aloha ao anaty diary. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nianaranao avy tamin’ny zavatra niainan’izany olona izany.

  3. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny lesona momba ny “Fifandimbiasan’ny Fiadidiana” aho ary nahavita izany ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy