Seminera
Fizarana 12: Andro 3,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52


Fizarana 12: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52

Fampidirana

Rehefa nanomboka tonga tany Ohio ny sasany tamin’ireo Olomasina izay nifindra monina avy tany amin’ireo faritany atsinanana tamin’ny volana mey 1831dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Eveka Edward Partridge tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny sitrapony. Ao anatin’izany fanambarana izany izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51, ireo Olomasina avy any Colesville, New York dia nasaina nandeha tany Thompson, Ohio, toerana izay hiainan’izy ireo ny lalàn’ny fanokanana. Ny fanokanana sy ny maha tompon’andraikitra dia fitsipika sy lalàna iorenan’ny fiarahamonina ao Ziona. Ny Orinasa Miray (izay nantsoina hoe Lamina Miray taty aoriana) no fikambanana nampiasaina mba hitantanana izany lalàna izany tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny famaranana ny fihaonambe fahefatry ny Fiangonana, izay natao tamin’ny 3–6 jona 1831, tany Kirtland, Ohio dia nodidian’ny Tompo i Joseph Smith sy ireo loholona hafa mba handeha tsiroaroa any Missouri, hitory manerana ny lalana. Ao amin’ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52, dia niantso ny mpiara-mitory tsirairay ny Tompo ka nanome azy ireo fakantahaka iray mba hisorohana ny fitaka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51

Nanome toromarika ho an’ny Eveka Edward Partridge ny Tompo mba hikarakarana ny zavatra ilain’ireo Olomasina eo amin’ny lafiny ara-nofo

Inona no vondrona miray hina indrindra efa nikambananao? Ahoana no ahafantaranao fa miray hina ny olona ao amin’ny vondrona iray? Inona ireo karazana fomba fanao na zava-mitranga izay manampy ny vondrona iray mba hiray hina?

Rehefa tonga tany Ohio ny Olomasina dia nambaran’ny Tompo tamin’izy ireo ny lalàn’ny fanokanana (jereo nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42). Teo ambanin’izany lalàna izany dia nanolotra tamin-tsitrapo ny fotoanany sy ny talentany ary ny hareny ho fanorenana sy fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51, ka tadiavo izay nasaina nosahanin’ny Eveka Edward Partridge izay mifandray amin’ity lalàna ity.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:1–8 dia ahitana torolalana avy amin’ny Tompo ho an’ny Eveka Edward Partridge mikasika ireo Olomasina izay ho avy. Nilaza tamin’ny Eveka Partridge ny Tompo mba “hanendry amin’ ity vahoaka ity ny anjarany” amin’ny tany sy sakafo “araka ny toe-piainany sy ny hetahetany ary ny ilainy” (F&F 50:3). (Marihina fa anisan’ny famaritana ny teny hoe hetaheta ny tsy fahampian-javatra. Ny didin’ny Tompo mba hanao asa “araka hetahetan’ny olona” dia didy mba hanampiana ny olona hahazo ireo zavatra ilaina tsy nananan’izy ireo.) Tokony hanome tanteraka ireo fananana tamin’ny fianakaviana ny Eveka Partridge mba ahazoana antoka fa nanana sakafo sy akanjo ampy ny rehetra.

Nanazava ny fihetsika tokony asehon’ny Olomasina rehefa miaina ny lalàn’ny fanokanana ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9, ka tadiavo ny torolalana nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no dikan’ny hoe “iray” ho an’ny vondron’olona iray? (Azonao atao ny mamaky ny Mosesy 7:18 mba hanampiana anao amin’ny famaliana izany fanontaniana izany.)

    2. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9, inona no nodidian’ny Tompo mba hataon’ny Olomasina hahatonga azy ireo hiray hina? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “hitovy” sy ny hoe “handray zara mitovy”?

Eo am-pamakianao nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:10–20 dia hahita ianao fa nandidy ny Eveka Partridge ny Tompo mba hanangana trano fitehirizana iray izay ahafahan’ny mpikambana mitahiry ireo fananana mihoatra. Nanambara ny Tompo fa ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana dia tombontsoa iray. Nanazava izy fa na dia hiaina eo amin’ny taniny mandritra ny fotoana fohy ihany aza ny Olomasina dia tokony hanao drafitra mba ho mahatoky, hendry ary tompon’andraikitra amin’ny zavatra izay nomena azy izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–13, 22–34

Mandidy ny Mpaminany sy ny loholona sasany mba handeha any Missouri ny Tompo ary hitory ny filazantsara mandritra ny dian’izy ireo

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:1–13, 22–34 ny Tompo dia nandidy Mpaminany Joseph Smith sy ny loholona sasany mba handeha tsiroaroa ho any Missouri ka hitory manerana ny lalana. Efa nambaran’ny Tompo tany aloha fa ny Olomasina dia hanangana fiarahamonina miray hina iray antsoina hoe Ziona (jereo ny F&F 28:9), kanefa tsy nambarany ny toerana hanaovana izany. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52 dia nampanantenain’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon Izy fa raha mahatoky amin’ny torolalany izy ireo dia hambarany aminy ny toerana hisy ny “tany [lovan’ny Olomasina]” (F&F 52:5).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–21, 35–36

Manambara fomba iray hanampiana antsika tsy ho voafitak’i Satana ny Tompo

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 dia nampitandrina ny loholona sasany tao amin’ny Fiangonana momba ireo fanahy sandoka ny Tompo ka nanome azy ireo torolalana izay hanampy ny Olomasina hifampahery rehefa mampianatra sy mianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izy ireo.

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–21 dia tadiavo ireo torolalana fanampiny avy amin’ny Tompo mba hanampiana amin’ny fampatanjahana ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra ireo izay nantsoiny hitory ny filazantsara rehefa nandeha tany Missouri. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14, ary tadiavo ilay andian-teny nampiasain’ny Tompo mba hamaritra ny zavatra izay homeny ireto misiônera ireto.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no tanjon’ny lamina iray?

    2. Inona no antony nomen’ny Tompo momba ny fanolorana ilay fakantahaka izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–21?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:15–19 ka tadiavo ireo asa sy toetra izay nolazain’ny Tompo fa hanampy ny vahoakany hisoroka ny ho voafitak’i Satana. Rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny torolalan’ny Tompo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia saintsaino ireto fanazavana manaraka ireto:

  • Ny olona iray izay “manenina ny fanahiny” (F&F 52:15) dia manana fihetsika maneho fibebahana.

  • Ny didy mba “hankatò ny ôrdônansiko” (F&F 52:15) dia entina milaza ny filana ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny batisa ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana mifanaraka amin’izany.

  • Ny olona iray izay “feno fanetrentena ny fiteniny sady mampiorina” (F&F 52:16) dia olona iray izay feno fanetrentena sy mankahery na mampatanjaka ny hafa ny fiteniny.

  • Ny olona iray izay “mangovitra noho ny herin’ny Tompo” (F&F 52:17) dia olona iray izay mahatsapa fanajana lalina ny amin’ny herin’ Andriamanitra.

  • Ny hoe “hamoa ny voa” (F&F 52:17) dia mamokatra zavatra tsara iray (toy ny “fiderana sy fahendrena”) amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fanambarana izay nomen’ Andriamanitra.

Ity fitsipika manaraka ity dia mamintina ireo hevi-baovao nianarana avy tamin’ity fanambarana ity: Mba tsy ho voafitak’i Satana ny olona iray dia tsy maintsy mankatò ireo ôrdônansin’ny Tompo sy ary miaina mifanaraka amin’ireo fanambarana nomeny azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:36 ka mitadiava torolalana fanampiny izay nomen’ny Tompo. Inona no nasain’ny Tompo hambaran’ireo loholon’ny Fiangonana ireo?

  1. Ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, manorata momba ny mpitarika na mpampianatra iray izay fantatrao fa miaina araka ilay lamina nosoritan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19, 36. Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao tombontsoa avy tamin’ny fampianarana sy ohatra nasehon’izany olona izany?

Mieritrereta momba ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary fantaro hoe ahoana no hampisehoan’izy ireo ny lamin’ny Tompo mba tsy ho voafitak’i Satana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:37–44

Nanome torohevitra ho an’ireo mpitarika izay nijanona tany Ohio ny Tompo

Raha niantso ny ankamaroan’ireo mpihazona voalohany ny fisoronana mba hitory eny amin’ny lalana mankany Missouri na na aiza na aiza ny Tompo dia nandidy ireo loholona hafa mba hijanona any Ohio Izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:39–40, ka tadiavo ireo torolalana nomen’ny Tompo an’ireo loholona izay hijanona ao Ohio. (Eo am-pamakianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe ambiny dia ilazana ireo izay nijanona.) Asio marika ny zavatra hitanao.

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “tsarovy amin’ny zavatra rehetra ny mahantra sy ny sahirana” (F&F 52:40)? Nahoana no ampy hanatanterahana ity didy avy amin’ny Tompo ity ny fieritreretana fotsiny momba ny olona iray izay sahirana?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:40, inona no nolazain’ny Tompo momba ny olona izay mandà ny hanampy ireo izay sahirana?

Araka izany andinin-tsoratra masina izany, dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia miahy sy mikarakara ny .

  1. Mieritreta momba ireo olona izay fantatrao ka raisina ho mpianatr’i Jesoa Kristy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hiambenana sy hikarakaran’ireo olona ireo ny sahirana.

Mieritrereta momba ny fotoana iray izay nanananao fahafahana hikarakara ny mahantra, ny sahirana, ny marary ary ny ory. Manaova drafitra manokana mba hanampiana ny olona sahirana iray sy hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–52 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy