Seminera
Fizarana 24: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110


Fizarana 24: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110

Fampidirana

Tamin’ny 3 aprily 1836 dia nisy fivoriana fanasan’ny Tompo natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Niala teo anivon’ny daholobe mba hivavaka ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery nandritra ilay fivoriana. Rehefa nitsangana avy nivavaka izy ireo dia niseho taminy i Jesoa Kristy ka nanaiky ilay tempoly izay vao notokanana. Niseho avy eo i Mosesy sy i Elià ary i Elia, ary naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana. Fitantarana ireo fahitana ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 1–10

Niseho ny Tompo ary nanaiky ny Tempolin’i Kirtland

Sary
vato misoratra hoe Fahamasinana ho an’ny Tompo

Efa nahatsikaritra ilay andian-teny voasoratra ety ivelan’ny tempoly rehetra ve ianao? Mivaky toy izao izany “Fahamasinana ho an’ny Tompo—ny Tranon’ny Tompo.”

Satria ny tempoly dia tranon’ny Tompo, azonao eritreretina ve ny fotoana iray izay nitsidihan’ny Tompo ny iray tamin’izy ireny?

Ny fitsidihana iray dia taorian’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, ka tadiavo hoe iza no teo ary inona no nataon’izy ireo talohan’io traikefa masina io.

Sary
I Kristy miaraka amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Vakio ny fitantaran’i Joseph Smith ilay fahitana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–3. Andramo alaina sary an-tsaina ny zavatra niseho, ary alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapanao raha teo ianao. Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4–5, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Azonao asiana marika ireo andian-teny izay manan-danja manokana ho anao.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra hitanao fa manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:4–5, ary hazavao hoe nahoana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:5 dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Joseph sy i Oliver mba hampitraka ny lohany sy hifaliany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:6–10, ka tadiavo ireo antony tokony hifalian’i Joseph sy i Oliver ary ireo Olomasina ihany koa. Asio marika ny zavatra hitanao.

Ny antony iray tokony ifalian’ireo Olomasina dia hita ao amin’ny andininy 7–8. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mankatò ny didin’ny Tompo isika ka mitandrina ny tranony ho madio dia haneho ny Tenany amintsika Izy ao amin’ireo tempoliny.

  1. Raha efa nanana fahafahana hitsidika tempoly na hiditra ao amin’ny tempoly ianao, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ilay fotoana nahatsapanao fa akaikin’ny Tompo ianao tany. Raha tsy mbola nanana fahafahana ianao, dia soraty ny fahatsapana mety hanananao any. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahan’ny Tompo maneho ny tenany amin’ny olony ao amin’ny tempoly? (Ny teny hoe maneho dia midika hoe manambara na mampahafantatra, araka ny efa noresahina tao amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109.)

    2. Ahoana no ahafahantsika mitandrina ny tranon’ny Tompo hadio sy tsy ho voaloto?

    3. Nahoana araka ny eritreritrao no mitaky antsika mba hankatò sy ho madio alohan’ny hanehoany ny tenany amintsika ao amin’ny tranony ny Tompo?

Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:9–10, ary tadiavo hoe iza no hahazo fitahiana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba hahavoatahy an’izao tontolo izao noho ny tempoly sy ny asa famonjena ho an’ny velona sy ho an’ny maty?

    2. Ahoana no nitahian’ny tempoly ny fiainanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 11–16

Niseho i Mosesy sy i Elià ary i Elia ary naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo fanalahidin’ny fisoronana

Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–13 hoe iza no niseho tsirairay tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery taorian’ny fahitana ny Mpamonjy. Azonao atao ny manisy marika ireo anarana ireo.

Sary
I Mosesy miaraka amin’ny takela-bato

Mosesy

Sary
Elia

Elia

Fantatrao ve hoe iza i Mosesy sy i Elia ary inona ireo zavatra manan-danja sasantsasany izay nataony fony izy ireo tety an-tany? Mba hianarana bebe kokoa momba ireo mpaminany roa an’ny Testamenta Taloha ireo dia tadiavo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny anaran’izy ireo.

I Elià dia mety hoe mpaminany izay niaina tamin’ny andron’i Abrahama. Ambonin’izany, ny anarana hoe Elià dia midika hoe mpialoha lalana na mpamerina amin’ny laoniny. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elià,” scriptures.lds.org;Bible Dictionary, “Elias.”)

Ny tsirairay amin’ireo iraka telo niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo dia nanome fanalahidin’ny fisoronana ho an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Avy eo halalino ny andinin-tsoratra masina voasoratra eo ambanin’ny anaran’ny mpaminany tsirairay ary soraty ny zavatra naverin’ny tsirairay tamin’ny laoniny.

Mosesy

(F&F 110:11)

Elià

(F&F 110:12)

Elia

(F&F 110:13–16)

Ity fampahafantarana ity dia afaka manampy anao hahatakatra ireo fanalahidy na fahefana izay hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16.

“Ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely”

Nomen’ny Tompo ny anarana hoe Isiraely i Jakôba, zanakalahin’i Isaka ary zafikelin’i Abrahama (jereo ny Genesisy 32:28). Ireo taranak’i Jakôba, izay lasa fantatra amin’ny anarana hoe fanjakan’i Isiraely, dia vahoakan’ny faneken’ Andriamanitra. Taty aoriana, ny vahoakan’i Isiraely sy ireo taranany dia naparitaka manerana ny tany, noho ny tsy fahamarinan’izy ireo tamin’ny ankapobeny. Nampanantena ny hanangona ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 15:13–14; 3 Nefia 5:24; 16:5; 29:1, 3). Ireo taranak’i Jakôba sy ireo vahoaka hafa dia hangonina ho ao amin’ny fanjakan’ny Tompo amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara. Ireo fanalahidin’ny fisoronana izay naverin’i Mosesy tamin’ny laoniny dia mampivelatra ny asa fitoriana ny filazantsara ao amin’ny Fiangonana ho lasa maneran-tany.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ny asa fitoriana dia zava-dehibe ho an’ny fanangonana an’i Isiraely. … Mitady ireo izay niparitaka avy tao amin’i Isiraely any amin’ny firenena maro ny misiônerantsika” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 81).

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fidiran’izy ireo ao amin’ny fiangonana marina sy ny fahafantarany an’Ilay Andriamanitra marina. … Na iza na iza, noho izany, no nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mitady ny hitsaoka ny Tompo amin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireo Olomasina any amin’ny firenena misy azy amin’izao fotoana izao, dia efa nanaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary izy dia mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao” (The Teachings of Spencer W. Kimball, navoakan’i Edward L. Kimball [1982], 439).

Azonao atao ny manoratra hoe asa fitoriana ny filazantsara eo amin’ilay tabilao, ao amin’ny tsanganana eo ambanin’ny lohateny hoe “Mosesy.”

“Ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama”

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama, izay nomen’i Elià an’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia namerina tamin’ny laoniny ilay fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Naverin’i Elià indray ny ‘filazantsaran’i Abrahama,’ ilay fanekempihavanana lehiben’i Abrahama, izay hahazoan’ireo mahatoky fampanantenana hitombo mandrakizay, fampanantenana hoe amin’ny alalan’ny fanambadiana selestialy dia ho maro toy ny fasika eny amin’ny sisin-dranomasina ny taranany mandrakizay na toy ireo kintana eny amin’ny lanitra amin’ny isany. I Elià dia manome ilay fampanantenana—izay noraisin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba fahiny—fa ao amin’ny lehilahy maoderina sy ao amin’ny taranak’izy ireo no hitahiana ny taranaka rehetra. Ary manolotra ireo fitahian’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba isika ankehitriny ho an’ireo rehetra izay handray izany” (“The Keys of the Kingdom,” Ensign, mey 1983, 22).

Azonao atao ny manoratra hoe fanambadiana selestialy sy taranaka mandrakizay eo amin’ilay tabilao, eo amin’ny tsanganana misy ny lohateny hoe “Elià.”

“Ireo fanalahidy amin’ity fotoampitantanana ity”

Mba hanampiana anao hahatakatra ny fanalahidin’ny fisoronana izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny, dia vakio ireto fanambarana manaraka ireto:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Ity herin’ny famehezana izay nomena an’i Elià ity no ilay hery izay mamatotra ny mpivady, sy ny zanaka amin’ny ray aman-dreny ho amin’ny fotoana sy mandrakizay. Izany no ilay hery mamatotra izay misy ao amin’ny ôrdônansin’ny Filazantsara rehetra. … Amin’izany hery izany no hamatorana na hamehezana ireo ôrdônansy rehetra mifandraika amin’ny famonjena, ary asa nanirahana an’i Elià ny ho tonga sy hamerina izany amin’ny laoniny” (Elijah the Prophet and His Mission [1957], 5).

Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny antsika, ny andraikitra nekentsika tamin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana dia ny hanao fikarohana momba ireo razambentsika ary hanome azy ireo ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara. ‘Tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika’ (Hebreo 11:40 …). Ary ‘isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika’ (F&F 128:15).

“Noho ireo antony ireo no hanaovantsika fikarohana ny tantaram-pianakaviana, hananganantsika tempoly ary hanatanterahantsika ireo ôrdônansy isoloana tena. Noho ireo antony ireo no nandefasana an’ i Elia hamerina ny fahefana mamehy izay mamatotra eto an-tany sy any an-danitra” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, Nov. 2011, 26).

Araka ireo fanazavana ireo, inona no hery na fahefana naverin’i Elia tamin’ny laoniny? (Azonao atao ny manoratra ny valinteninao eo amin’ny tabilaonao eo amin’ny tsanganana misy tohanteny hoe “Elia.”)

Sary
I Elia miaraka amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Rehefa tonga tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elia, dia nanatanteraka ilay faminanian’i Malakia izy fa ho avy i Elia “dieny mbola tsy tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” mba “hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy” (Malakia 3:23–24).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fiantraikan’ny famerenana amin’ny laoniny ny iray farafahakeliny amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo teo amin’ny fiainanao (asa fitoriana, fanambadiana selestialy sy taranaka mandrakizay, na ny hery famehezana, anisan’izany ny asa any amin’ny tempoly sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana).

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanamarika fa ny Tempolin’i Kirtland dia “naorina voalohany indrindra mba ho an’ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fahefana. Nambara ny fahafenoan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara tamin’ny fandraisana ireo fanalahidy ireo” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:242). Ireo fanalahidy ireo ankehitriny dia mitoetra miaraka amin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Fenoy ity teny nambara manaraka ity: Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16 fa ireo fanalahidin’ny asa fitoriana, ny fianakaviana mandrakizay, ary ny asa any amin’ny tempoly dia manampy antsika hiomanana ho amin’ny .

Ianao dia miaina amin’ny vanim-potoana izay ahafahanao manao asa fitoriana, asan’ny tantaram-pianakaviana, ary asa any amin’ny tempoly ary fotoana ahafahanao miandrandra ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly, anisan’izany ny ôrdônansin’ny famehezana. Azonao atao ny mametraka tanjona handray anjara amin’ireo ezaka ireo mba hiomanana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Azonao atao koa ny mametraka tanjona mazava tsara ny amin’ny fomba hiomananao amin’ny fanambadiana selestialy. Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatontosa ny tanjonao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 ary nahavita io lesona io ny daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy