Seminera
Fizarana 5: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22


Fizarana 5: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22

Fampidirana

Tamin’ny volana Jona 1829 dia nanakarama an’i Egbert B. Grandin izay mpanao printy i Joseph Smith mba hanonta printy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 5 000 tamin’ny sarany mitentina 3 000 $. Tsy nanaiky hanomboka ny fanontana printy anefa i Grandin na hividy ireo fitaovana akory aza raha tsy nasiana antoka ny fandoavana ny karama amin’ilay asa. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19, izay azo heverina fa nomena tamin’ny vanimpotoana fahavaratry ny taona 1829, dia nandidy an’i Martin Harris ny Tompo mba “hanome ny ampahany amin’ny fanananao … sy handoa ny trosa izay efa naraikitrao tamin’ny mpanota printy” (F&F 19:34–35). Tamin’ny fanaovany antoka ny ampahany tamin’ny toeram-piompiany sy famboleny dia nanome antoka avy amin’ny tenany manokana i Martin Harris amin’ny fandoavana ny saran’ny fanontana printy raha toa tsy voaloa amin’ny fandafosana ny Bokin’i Môrmôna izany.

Nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ity fanambarana ity, izay mifono fampianarana mikasika ny Sorompanavotana, dia “iray amin’ireo fanambarana lehibe izay nomena tamin’ity fotoam-pitantanana ity; ary vitsy no manan-danja bebe kokoa noho izy ity” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:85).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–3

Manambara ny Mpamonjy fa manatanteraka ny sitrapon’ny Ray Izy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–3, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny hoe iza Izy ary inona no nataony. Asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra fa nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy sy ny hoe hitsara antsika araka ny asantsika i Jesoa Kristy.

  1. Lazalazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mety ho fomba nanampian’ny fahafantarana ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo an’i Martin Harris hahatsapa fiadanampo sy nanomezan’izany hery azy hanao ny sitrapon’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4–12

Nanazava ny famaizana mandrakizay sy tsisy fiafarana i Jesoa Kristy

Nanazava fahamarinana vitsivitsy izay afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Sorompanavotany ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4, ka tadiavo ireo teny izay mameno ity filazana Fotopampianarana ity: Tsy maintsy na ny olona rehetra. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao io andian-teny io.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:5. Ahoana no nilazan’ny Mpamonjy ny fijalian’ireo izay tsy mibebaka ka noho izany dia hiharan’ny Fitsarany? Nahoana no hanome antsika antony iray hafa mba hibebahantsika amin’ny fahotantsika ny fahafantarana zany fahamarinana izany?

Topazo maso ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6–7, ary tadiavo ireo andian-teny izay ampiasaina matetika mba hilazana ny zavatra manjo ireo izay tsy mibebaka. Asio marika ireo andian-teny hoe “fijaliana tsisy fiafarany” sy “fanamelohana mandrakizay.” Inona no eritreretinao rehefa mamaky ireo teny ireo ianao?

Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:8–12 mba hahazoana fampahafantarana izay hanampy anao hahatakatra hoe nahoana ireo andian-teny ireo no tsy milaza ny faharetan’ny fotoana izay hijalian’ny olona noho ireo fahotana vitany.

Nahatsikaritra ve ianao fa “Tsisy fiafarany” dia anarana iantsoana an’ Andriamanitra? Izany dia midika fa ny “famaizana tsisy fiafarany” na “famaizana mandrakizay” dia “famaizan’ Andriamanitra.” Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “famaizan’ Andriamanitra”?

Sary
Loholona James E. Talmage

Ny Loholona James E. Talmage ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa: “Ao amin’ny helo dia sady misy fivoahana no misy fidirana. Ny helo dia tsy toerana izay handefasan’ny mpitsara ratsy fanahy iray ireo voafonja mba hijalian’izy ireo sy hahavoasazy azy ireo mba hahazoany voninahitra; fa toerana izay nomanina mba hianarana, sy hampanarahana fitsipika ireo izay tsy nahavita nianatra tety ambonin’ny tany ny zavatra izay tokony nianarany. Marina tokoa fa mahita izany hoe famaizana maharitra mandrakizay, sy ny fijaliana tsisy fiafarany, ary ny fanamelohana mandrakizay isika ao amin’ny soratra masina. Teny mampivarahontsana izany; kanefa noho ny famindram-pony dia nataon’ny Tompo mazava ny dikan’ireo teny ireo. ‘Ny famaizana mandrakizay’ hoy izy, dia famaizan’ Andriamanitra, satria izy dia mandrakizay; ary izany toe-javatra na toe-tena na tranga mety hiseho izany dia hisy hatrany ho an’ireo mpanota izay mendrika sy tena mila ny fanamelohana toy izany; fa izany kanefa tsy midika fa ny olona tsirairay izay mijaly na ny mpanota tsirairay dia tsy maintsy natao hiaritra sy hijaly mandrakizay sy tsisy fiafarany. Tsisy olona hohazonina ao amin’ny helo mihoatra noho izay fotoana ilaina mba hahatonga azy ho vonona amin’ny zavatra tsaratsara kokoa. Rehefa mahatratra izany dingana izany izy dia hisokatra ny varavaran’ny fonja ary hisy fifaliana eo anivon’ireo maro izay handray azy ao amin’ny toetra tsaratsara kokoa. Tsy nampihena ny zavatra nolazainy tamin’ny fotoam-pitantanana tany aloha mikasika ny fiasan’ny lalàny sy ny filazantsarany ny Tompo, kanefa nataony mazava tsara tamintsika ny fahatsarany sy ny famindrampony amin’ny zavatra rehetra, satria ny voninahiny sy ny asany dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1930, 97.)

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nanome ity hevi-baovao ity ny Filoha Joseph Fielding Smith: “Mitovy foana ny famaizana ateraky ny fanaovana zavatra iray manafintohina, araka ireo lalàn’ Andriamanitra izay mandrakizay sy tsisy fiafarany, noho izany dia antsoina hoe famaizana tsisy fiafarany izany, sy famaizana mandrakizay, satria izany no famaizana izay napetrak’ Andriamanitra araka ny lalàna izay tsy azo ovaina. Afaka mahazo fijaliana tsisy fiafarany ny olona iray, ary rehefa nahefa ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nataony izy, dia afahana, kanefa ny famaizana dia mijanona sy miandry izay olo-meloka manaraka, dia miverimberina toy izay foana mandrakizay” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:228).

Ny Filoha J. Reuben Clark ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome hevi-baovao fanampiny tamin’ny fampianarana nataony momba ny tena toetran’ Andriamanitra. Rehefa mamaky ny fanazavany ianao, dia eritrereto hoe nahoana ny fahatakarantsika ny toetran’ Andriamanitra no manampy antsika hahatakatra mikasika ny famaizan’ Andriamanitra.

Sary
Ny Filoha J. Reuben Clark

“Tsy afaka ny hanohana ilay Fotopampianarana araka ny toetr’andro ankehitriny aho izay milaza fa tsy manafay Andriamanitra, satria tsy afaka ny hanary ireo soratra masina rehetra izay misy aho mba hahatongavana amin’izany tsoa-kevitra izany, kanefa mahatsapa aho fa rehefa tonga ny Tompo hanome antsika ny valisoantsika … sy ny famaizana antsika … dia ilay famaizana faran’izay kely indrindra ka voamarin’ny fandikan-dalàna nataontsika no homeny. Mino aho fa hampidiriny ao amin’ny fampiharany ny lalàna ny fitiavana sy ny fitahiana sy ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy ary ny fandeferana rehetra tsy manam-petra izay ananany. …

“Ary etsy an-kilan’izay dia mino aho fa rehefa hanome antsika ireo valisoa noho ny hatsaran’ny fitondrantenantsika Izy dia izay betsaka indrindra azo atolotra no omeny antsika, ary hotsaroany ireo fandikan-dalàna izay nataontsika” (As Ye Sow … ,” Brigham Young University Speeches of the Year [Mau 3 1955], 6–7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–22

Miresaka momba ny fijaliany noho ny ota ny Mpamonjy.

Sary
Kristy tao Getsemane

Tian’ny Mpamonjy ho voatahy sy hivoatra ny fiainantsika amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–17 ary fenoy ity fanambarana ity: Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka dia .

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahatsiahy antsika fa mila misafidy isika: “Hiafara amin’ny fisafidianana ny fomba niainan’i Kristy na ny fomba nijaliany! Na izany hoe ‘mijaly tahaka Ahy’ (F&F 19:16–17), na mandresy ‘tahaka ny nandrese[ny]’ (Apokalypsy 3:21)” (“Mandresy … tahaka ny nandreseko koa,” Ensign, May 1987, 72).

Saintsaino ireo safidinao manokana. Moa ve izy ireo mitondra anao ho any amin’ny fiainana tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa, sa mitondra anao ho any amin’ny ho avy feno fijaliana noho ireo fahotanao?

Ny ankamaroan’ireo tantara mikasika ny fijalian’i Jesoa Kristy dia notantarain’ny olona hafa ankoatra ny Tenany (jereo ny Matio 26:36–39; Lioka 22:39–44). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia ahitana ny fitantarana manokana nataon’ny Mpamonjy ny amin’ny fijaliany.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15, 18–19, ary valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nilazalazan’ny Mpamonjy ny fijaliana izay niainany tao Getsemane?

    2. Ahoana ny fahatsapanao mikasika ny Mpamonjy izay niaritra ny famaizana noho ireo fahotanao?

    3. Ahoana no mety ho nanampy an’i Martin Harris harisika hibebaka noho ireo fahotany, araka ny nasain’ny Tompo hataony ao amin’io fanambarana io, ny fahafantarany ny amin’ny fijalian’ny Mpamonjy.

  2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:20, ary valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no hitondra amin’ny fijaliana ny fandaozan’ny Fanahy Masina?

    2. Nahoana no mety hanampy antsika ny fitadidiantsika ireo fotoana izay nijaliantsika vokatry ny fahotana vitantsika?

Eritrereto ireo fotoana efa lasa izay nijalianao noho ireo fahotanao ka nahatsapanao fa nila nibebaka ianao. Eo am-pisaintsainanao izany fotoana izany, dia tadidio ny fotoana nahatsapanao ny Fanahy Masina niaraka taminao sy ny fotoana izay nahatsapanao fa nandao anao ny Fanahy Masina. Inona no nataonao mba hiverenan’ny Fanahy Masina ho namanao indray?

  1. Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–16, 20 mba hamalianao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaka ireto: Nahoana ilay didy nomen’ny Tompo mba hibebaka no porofon’ny fitiavany antsika?

Mandritra ny herinandro ambony, dia zarao amin’ny fianakaviana na namana iray ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny iray amin’ireo Fotopampianarana na fitsipika izay nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22. Azonao atao ny manolo-tena hizara ilay traikefanao amin’ny mpampianatrao rehefa mihaona amin’ny manaraka ianareo.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19

Manaova ezaka hitadidiana tsianjery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 amin’ny fanoratana ireo teny tsirairay ao amin’ilay andinin-tsoratra masina eo amin’ny taratasikely iray. Ampiasao io taratasikelinao io ka vakio mafy im-betsaka ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo dia tampeno (na fafao) ny teny na andian-teny vitsivitsy eo amin’ilay taratasikelinao. Tohizo ny fanononana ilay andinin-tsoratra masina fehezina, ka tonony tsy an-kijery ilay ampahany notakonana. Averimbereno izany mandra-pahazonao aina tsara amin’ny fanononana ilay andinin-tsoratra masina manontolo.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay farany betsaka azonao soratana amin’izay notadidianao tsianjery amin’io andinin-tsoratra masina fehezina io.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–22 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy