Seminera
Fizarana 19: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40


Fizarana 19: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40

Fampidirana

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanambara fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia “anisan’ireo fanambarana manan-danja indrindra izay nomena ny Fiangonana hatramin’izay, ary mety handany herinandro maro mihitsy aza raha io no resahina” (Church History and Modern Revelation, 2 vols [1953], 1:366). Ity no lesona voalohany amin’ireo lesona telo izay hamelabelatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Telo andro no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ity fanambarana ity—27 Desambra 27–28, 1832, ary ny 3 Janoary 1833. Ilay ampahany amin’ny fanambarana izay resahina ato amin’ity lesona ity dia ahitana ny fampianaran’ny Tompo momba ny fahazavan’i Kristy sy ny fanazavany ireo lalàna izay mifehy ireo fanjakany ary ny mponina ao amin’ireny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–13

Nilaza ny Tompo fa Izy no fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra

Efa mba nivavaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo momba ireo safidy nataonao hatramin’izay tamin’ny fiainanao ve ianao? Ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 taorian’ny vavaka mafy nataon’ny mpisorona avo tsirairay mba hahafantarana ny sitrapon’ny Tompo nandritra ny fihaonambe iray. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–2, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny zavatra tsapany sy ny an’ireo anjely rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapony ny mpanompony.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:3–5, ny Tompo dia nampianatra ireo rahalahy fa afaka manana antoka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny amin’ny fiainana mandrakizay, izay antsoina koa hoe ny Mpampionona sy ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana izy ireo.

Nampianatra momba ny dikan’ny fahazavana ihany koa ny Tompo. Efa niaina tao anatin’ny haizina tanteraka ara-bakiteny ve ianao? Ahoana no mety hanampian’ny traikefa iray tao anatin’ny haizina tanteraka anao hankasitraka ny fitahiana entin’ny fahazavana? Maneho inona ny fahazavana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny loharano fiavian’ny fahazavana rehetra.

Inona no teny ampiasaina ao amin’ny andininy faha 7, entina ilazana ny fahamarinana izay “mamirapiratra”?

Araka ny voalazan’ny andininy faha 12, avy aiza no iavian’ny fahazavana rehetra?

Ireo andininy ireo dia mampianatra fa avy amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy no anomezan’ Andriamanitra fahazavana sy fiainana amin’ny zava-drehetra. Azonao atao ny manoratra ity fotopampiarana ity eo amin’ny sisin’ny soratra masinao. Ny Fahazavan’i Kristy ihany koa no lalàna izay mifehy izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy, ary “mampahavitrika” ny fahatakarantsika izany. Ny hoe mampahavitrika dia midika hoe mamelombelona. Azonao atao ny manoratra io famaritana io ao amin’ny soratra masinao.

“Ny Fahazavan’i Kristy … dia hery iray izay mitarika ny olona rehetra hanao ny tsara eo amin’ny fiainany (jereo ny Jaona 1:9; F&F 93:2). Indraindray ny Fahazavan’i Kristy dia antsoina hoe ny Fanahin’ny Tompo, ny Fanahin’ Andriamanitra, ny Fanahin’i Kristy, na ny Fahazavan’ny Fiainana ao amin’ny soratra masina.

“Tokony tsy ho afangaro amin’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina. Tsy olona koa izany, tahaka ny Fanahy Masina. Ilay hery avy aminy dia mitarika ny olona hahita ny filazantsara marina, sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 12:46Almà 26:14–15).

“Ny feon’ny fieritreretana dia fisehoan’ny Fahazavan’i Kristy, izay manome fahafahana antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Ny Fanahin” i Kristy dia nomena ny olon-drehetra mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’ i Kristy dia alefan’ ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany. … Ary ankehitriny, ry rahalahiko, satria fantatrareo ny hazavana izay ahazoanareo mitsara, hazavana izay hazavan’ i Kristy, dia ataovy izay tsy hitsaranareo diso; fa amin’ ny fitsarana izay itsaranareo ihany no itsarana anareo koa” (Môrônia 18)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004]).

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanohy niresaka toy izao momba ny fiavahana sy ny fifandraisana misy eo amin’ny Fahazavan’i Kristy sy ny Fanahy Masina:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny olon-drehetra na aiza na aiza misy azy dia efa manana ny Fanahin’i Kristy ao aminy, ary raha toa ka afaka mamangy na iza na iza ny Fanahin’ny Fanahy Masina, ny fanomezana ny Fanahy Masina kosa dia tsy azo raha tsy ‘amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny Filazantsara’ (Fanekem-pinoana 1:3) amin’ny fanekena ny ‘batisa asitrika ho famelana ny fahotana; sy ny fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina’ (Fanekem-pinoana 1:4). Tsy tonga ho azy tahaka ny fanatrehan’ny Fanahin’i Kristy akory izany. Ity fanomezana ity dia tsy maintsy omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny olona iray izay manana fahefana (jereo Fanekem-pinoana 1:5).

“Izao no asa anendrena antsika, ny hampivelatra ny Fahazavan’i Kristy, izay ao anatin’ny olona rehetra mifanena amintsika, ary ny hitondra ireo fanahy amin’ny toerana izay ahafahan’ny Fanahy Masina mamangy azy ireo. Ary avy eo, amin’ny fotoana izay maha-mety izany, dia afaka ny handray, amin’ny alalan’ny ôrdônansy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay omena ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izy ireo.

“Vantany vao naharay ny fanomezana ny Fanahy Masina ny olona iray ka afaka mikolokolo izany miaraka amin’ny Fahazavan’i Kristy, izay efa ananany, dia misokatra ny fahatakaran’izy ireo ny fahafenoan’ny filazantsara. Afaka miasa amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina.

“Manerana izao tontolo izao tahaka ny fahazavan’ny masoandro izy tenany ny Fahazavan’i Kristy. Na aiza na aiza misy ain’olombelona dia ahitana ny Fanahin’i Kristy. Manana izany avokoa ny fanahy velona rehetra. Izy no mpanohana ny zava-drehetra izay tsara. Izy no mitaona ny zava-drehetra izay hahasambatra sy hahasoa ny olombelona. Izy ihany da mahavita mikolokolo hatsarana” (“The Light of Christ,” Ensign, apr. 2005, 13).

  1. Mba hanampy anao hieritreritra momba ny fomba itahian’ny Fahazavan’i Kristy anao isan’andro dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na mihoatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7–10, fa ny fahazavana hita maso rehetra, toy ny fahazavan’ny masoandro dia sombiny amin’ny Fahazavan’i Kristy. Inona avy ireo fitahiana entin’ny fahazavana hita maso eo amin’ny fiainanao?

    2. Ny hoe Mampahavitrika dia midika hoe manome aina na mamelona. Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:11, fa ny Fahazavan’i Kristy dia fomba iray izay ahafahana mampavitrika na mamelona ny fahatakarantsika. Oviana no fotoana nahatsapanao fa nampahavitrika ny fahalalanao na ny fahatakaranao?

    3. Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12–13, fa ny fahazavan’i Kristy dia manome aina ny zavatra rehetra, anisan’izany ny biby, ny zavamaniry, ary isika ihany koa. Inona no fitahiana azonao tamin’ny zavamananaina rehetra manodidina anao?

    4. Mianatra ihany koa isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:13, fa ny Fahazavan’i Kristy no lalàna mifehy ny zava-drehetra. Anisan’izany ny lalàna fizika, toy ny lalàn’ny vesa-jaka, sy ny lalàna ara-panahy, ary ireo didy. Amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy, izay antsoina indraindray hoe ny feon’ny fieritreretantsika, no ahafahan’ny tsirairay amintsika manavaka ny tsara amin’ny ratsy. Inona no fiantraikan’ny lalàna fizika sy ny lalàna ara-panahy eo amin’ny fiainanao isan’andro?

  2. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no fanampiana azonao tamin’ny alalan’ireo fahamarinana nianaranao ka nahafahanao nankasitraka ny hery mitarika avy amin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao isan’andro—amin’ny fomba izay azo tsapain-tanana sy tsy azo tsapain-tanana amin’ny ankamaroan’ny fotoana? Ataovy ao ny sasany amin’ireo hevitra momba ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny fiainanao andavanandro amin’ny andro sisa mbola ho avy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–40

Manazava ny Tompo fa misy lalàna mifandray amin’ny fanjakam-boninahitra

Rehefa manao fonon-tanana ianao dia mampihetsika na manome aina ny fonon-tanana ianao. Raha toa hono izany ianao ka nampianatra olona iray momba ny drafitry ny famonjena ary nampiasa fonon-tanana nentina hanehoana ny vatana izay raisintsika amin’ny fahaterahana, dia naneho inona izany ny tananao?

Sary
tanana ao anaty fonon-tanana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15, ka tadiavo ny zavatra niantsoan’ny Tompo ny fikambanan’ny fanahy sy ny vatana.

Azonao atao ny manisy marika ny Fotopampianarana hoe tny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona velona.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no mahatonga ny hoe ny zavatra izay miantraika amin’ny vatantsika dia miantraika amin’ny fanahintsika ihany koa? Inona no ohatra maneho izany?

Manampy anao hanazava ny fifandraisana misy eo amin’ny vatantsika sy ny fanahintsika ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy isalasalana fa misy fiantraikany eo amin’ny fanahy ny fahasalaman’ny vatantsika, fa raha tsy izany dia tsy nanambara ny Tenin’ ny Fahendrena mihitsy ny Tompo. Andriamanitra dia tsy mbola nanome didy ara-nofo izany mihitsy—ka izay misy fiantraikany amin’ny vatantsika dia hisy fiatraikany amin’ny fanahintsika ihany koa. …

“… Mampalemy ny fahotana. Tsy hoe misy fiantraikany eo amin’ny fanahintsika fotsiny izany fa eo amin’ny vatantsika ihany koa. Feno ohatra mikasika ny hery ara-nofo izay azon’ny marina ny soratra masina. Kanefa, ny fahotana izay tsy nibebahana dia afaka mampihena ny hery ka mitarika mankany amin’ny aretina ara-nofo sy ara-tsaina” (“In His Steps,” Ensign, sept. 1988, 5).

Jereo tsara fa any amin’ny andininy sasany ny teny hoe fanahydia ampiasaina manokana entina ilazana ilay vatana fanahy (ohatra, jereo ny Almà 40:15–23

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no anampian’ny fahatakaranao ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny vatanao sy fanahinao anao handray fanapahan-kevitra tsara?

Sary
fonon-tanana

Mieritrereta Fotopampianarana na fitsipika sasany hafa izay azo aseho amin’ny alalan’ny tanana iray sy fonon-tanana iray: Alaivo sary an-tsaina ny fanesorana ny tananao avy tao amina fonon-tanana iray. Inona no mety hevitra fonosin’izany fihetsika izany? Inona no manjo ny fanahy—ny fanahy sy ny vatana—amin’ny fahafatesana?

Inona no mety hevitra fonosin’ny fanesorana sy fanaovana indray ilay fonon-tanana? Inona no manjo ny fanahy amin’ny fitsanganana amin’ny maty?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14, 16–17, ka tadiavo ny fomba namaritan’ny Tompo ny Fitsanganana amin’ny maty.

Fenoy ity Fotopampianarana manaraka izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ity: Noho i Jesoa Kristy, ny fanahintsika dia afaka ny .

Hitantsika ao amin’ny andininy faha 17, fa i Jesoa Kristy dia nanavotra ny fanahintsika, ary mianatra isika fa ireo izay manetry tena sy malemy fanahy no handova ny tany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:18–20, ka tadiavo ny zavatra hanjo ny tany mialoha ny hahatongavany ho selestialy ka handovan’ireo fanahy voavonjy azy.

Araka ny voalazan’ny andininy faha 19, fanatrehan’iza no ho hita eo amin’ny tany voadio? Saintsaino ny mety ho avalinao ny olona iray izay nametraka taminao izao fanontaniana manaraka izao: Inona no tsy maintsy ataoko mba ho mendrika ny hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy aho ka hiaina ny fanatrehan’ny Ray any An-danitra?

Tahaka ny handraisan’ny tany voninahitra aorian’ny nanadiovana azy ihany koa no hanovana ny vatantsika ka handraisany voninahitra amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Na dia izany aza dia tsy mitovy avokoa ny voninahitra horaisin’ny olon-drehetra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–24, ka tadiavo ny zavatra hanapahana izay voninahitra horaisin’ny olona iray amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.

Eo am-padalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:25–33, dia tadiavo ireo teny na andian-teny izay manohana ny Fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andininy 21–24, manao hoe amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, isika dia handray ny voninahitra mifanaraka amin’ny lalàna izay ankatoavintsika.

Ny andininy 28 dia entina ilazana “ireo izay an’ny fanahy selestialy.” Ireo olona ireo no ireo izay miaina mifanaraka amin’ny lalàn’ny fanjakana selestialy. Fantatsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 fa anisan’ny lalàn’ny fanjakana selestialy ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara (jereo ny F&F 76:50–53, 69–70). Ny olona iray izay miaina lalàna selestialy iray eto an-tany dia handray vatana selestialy amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Raha toa ny olona iray ka mankato lalàna terestrialy na telestialy iray eto an-tany, dia handray vatana irain’ny voninahitra ambany izay mifanaraka amin’ny lalàna izay nankatoaviny izy.

Mba hanampiana anao hahatakatra ny antony mahatonga ireo lalàn’ Andriamanitra ho fitahiana ho antsika dia eritrereto ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanarahana ireo lalàn’ny fifamoivoizana. Etsy ankilany, inona ireo voka-dratsin’ny tsy fanarahana ireo lalàn’ny fifamoivoizana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:34–35, ka tadiavo ireo vokatry ny fiainana sy ny fandavana ny miaina ireo lalàn’ Andriamanitra.

  1. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40, ka fantaro ireo toetra tsara ananan’ny olona izay ho any amin’ny fanjakana selestialy. Avy eo dia valio izao fanontaniana manaraka izao ary fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Inona no azonao atao mba hampivoarana na hanatanjahana ireo toetra tsara ireo eo amin’ny fiainanao?

    2. Misafidiana iray amin’ireo toetra tsara hitanao ary manorata tanjona manokana mba hampivoarana na hanatanjahana izany toetra tsara izany eo amin’ny fiainanao.

Rehefa manatontosa ny tanjonao ianao ary miaina ireo lalàn’i Jesoa Kristy dia hameno ny fiainanao ny fahazavany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy