Fizarana 31: Andro 1
Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows
Fampidirana
Teo anelanelan’ny 1850 sy 1860, dia nitondra ho amin’ny Ady tao Utah tamin’ny 1857–58 ny disadisa sy ny faharatsiam-pifandraisana nisy teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manam-pahefan’ny governemantan’i Etazonia. Ny volana septambra 1857, dia nanomboka ihany koa ny disadisa teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny mpifindra monina nandeha tamin’ny andian-tsarety nandalo tany Utah. Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany tany amin’ny faritra atsimon’i Utah, izay natosiky ny hatezerana sy ny tahotra dia nanao drafitra sy nanatanteraka ny fandripahana ny mpifindra monina niisa 120 teo ho eo izay nandeha nankany Californie. Izany habibiana izany dia fantatra ankehitriny amin’ny hoe ny Fandripahana tany Mountain Meadows. Ho fanampim-panazavana dia mandehana ao amin’ny LDS.org, safidio ny Sujets de l’évangile, ary karohy ny Massacre de Mountain Meadows.
Nihenjana ny tady teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Governemanta Amerikana
Niaraka tamin’ny andian’Olomasina nankalaza ny fahafolo taona nahatongavany tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Filoha Brigham Young tamin’ny 24 jolay 1857 rehefa nahazo fanamafisana izy ireo ny amin’ireo vaovao azo teo aloha fa nisy tafika izay nirahin’ny governemanta Amerikana nankany Salt Lake City. Tao anatin’ireo taona maromaro teo aloha dia lasa disadisa lehibe teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manam-pahefana tao amin’ny governemantan’i Etazonia ny tsy fitovian-kevitra sy ny faharatsiam-pifandraisana. Ireo Olomasina dia naniry ny ho tarihin’ny mpitarika izay nofidin’izy ireo manokana ary nitsipaka ireo olona voatendrin’ny fanjakana izay tsy mitovy foto-kevitra amin’izy ireo. Izany dia nahatonga ireo manam-pahefana ara-panjakana sasany handray izany ho toy ny fikomiana amin’ny governemantan’i Etazonia. Ny Filoha James Buchanan, Filoham-pirenen’i Etazonia, izay tsy nahazo fanomezan-dalana avy tamin’ny Kôngresy dia nandefa andiana miaramila teo amin’ny 1.500 teo ho eo tany Salt Lake City mba hanery ireo mponin’i Utah hanaiky ireo manam-pahefana vaovao.
Raha toa ka Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1857 ianao ka naheno fa nisy tafika lehibe nanatona ny tanànanao, inona no mety ho ahiahinao? Tadidio fa mbola tsaroan’ireo Olomasin’ny Andro Farany tsara ny nandroahana azy ireo tamin’ny herisetra avy tany Ohio sy Missouri ary Illinois. Maro ireo very fananana sy tany lafo vidy, ary maty novonoina na maty noho ny antony nifandraika tamin’ireny fanenjehana ireny ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana. Ny fahenoana hoe misy tafika manatona dia niteraka ahiahy fa mety hiseho tany Utah indray ny zavatra toy izany.
Tao anatin’ireo toriteny natao tamin’ireo Olomasina dia nofariparitan’ny Filoha Young sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ho fahavalo ireo tafika izay ho avy. Ny Filoha Young, izay efa an-taonany maro no nanasa ireo Olomasina mba hitahiry voa, dia mbola namerina nilaza ny torolalany indray mba hananan’izy ireo sakafo hohanina raha ilaina ny mandositra ireo andiana miaramila. Tamin’ny naha-governoran’ny Faritan’i Utah azy koa dia nanoro lalana ny milisin’ny faritany ihany koa izy mba hiomana hiaro ny faritany. (Ny milisy dia andian’olom-pirenena izay afaka hatsangana ho amin’ny asa fanompoana miaramila rehefa misy ny hamehana.)
Teraka ny fifandirana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireo mpifindra monina nandeha tamin’ny andian-tsarety
Nisy andian-tsarety nitondra mpifindra monina niainga avy tany Arkansas ka ho any Californie niditra tao Utah tamin’ny fotoana izay efa niomanan’ny Olomasin’ny Andro Farany hiaro ny faritaniny tamin’ireo miaramilan’ny Etazonia. Rehefa mamaky ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto ianao dia tsipiho ny anton’ny tsy fifankahazoana teo amin’ny olona sasany tao amin’ilay andian-tsarety sy ny sasany tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany.
Nanjary sorena ny olona sasany tao amin’ilay andian-tsarety satria sarotra tamin’izy ireo ny nividy ireo fitaovana sy voa izay nilaina tokoa tamin’ny Olomasina izay notoroana lalana mba hanangona ny vokatr’izy ireo. Ireo mpifindra monina ireo dia nila ady tamin’ny Olomasina ihany koa satria tsy tian’ireto farany hihinana ny sakafo sy rano izay vatsy nilain’ny Olomasina ho an’ny biby fiompin’izy ireo manokana ny soavaly mpitarika andian-tsarety sy ny biby fiompy.
Nipoaka ny fifanolanana tao Cedar City, izay toeram-ponenana farany tao Utah teo amin’ny lalana mankany Californie. Ny fifandonana dia nitranga teo amin’ny sasany tamin’ireo olona mpitondra andian-tsarety sy ny sasany tamin’ny olomasin’ny Andro Farany. Ny sasany tamin’ireo olona mpitondra andian-tsarety dia nandrahona ny hiaraka tamin’ireo andiana miaramilan’ny governemanta mba hiady amin’ireo Olomasina. Na dia niteny mafy an’ireo mpiara-dia taminy izay nanao ireo fandrahonana ireo aza ny kapitenin’ilay andian-tsarety dia noraisin’ireo mpitarika sy ny mponina tao Cedar City ho fahavalo izy ireo. Tokony ho adiny iray taorian’ny nahatongavany fotsiny dia nandao ilay tanàna ilay andian-tsarety, saingy nitady ny hanenjika sy hanafay ireo lehilahy izay nandrahona azy ny sasany tamin’ireo mponina sy ny mpitarika tao Cedar City.
Mieritrereta fotoana izay niainanao disadisa tamin’ny olona iray hafa na andian’olona iray. Vakio ny 3 Nefia 12:25, ka mitadiava fitsipika iray nampianarin’i Jesoa Kristy izay afaka mitarika antsika rehefa misy olona hafa tsy mifankahazo amintsika.
Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “mihavàna faingana amin’ny fahavalonao”? Ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ilay andian-teny dia midika hoe “mamaha mialoha ireo tsy fifankahazoana eo amintsika, mba tsy hitomboan’ny fientanam-po amin’izay fotoana izay hanjary ho haratsiam-panahy ara-batana sy ara-pihetseham-po ka ho lasa babon’ny hatezerantsika” “Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 11).
Araka ireo fampianaran’ny Tompo ao amin’ny 3 Nephi 12:25 sy ny fanazavana nataon’ny Loholona Sorenson dia mianatra isika fa raha toa ka mamaha ireo disadisantsika amin’ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo isika dia afaka hisoroka ireo voka-dratsy mandratran’ny fifandirana.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no mety nanampian’ny fanajana ireo fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 12:25 an’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay lasa sosotra tamin’ireo olona mpitondra andian-tsarety?
-
Rehefa nikatsaka ny hamaha ireo tsy fifankahazoana tamin’ny fomban’ny Tompo ianao dia ahoana no nanampian’izany anao na ny olona iray fantatrao mba hisoroka ireo voka-dratsy mandratran’ny fifandirana?
-
Satria tsy namaha ny disadisan’izy ireo tamin’ireo mpifindra monina tamin’ny fomban’ny Tompo ny sasany tamin’ireo mponina tao Cedar City dia niha-henjana ny toe-javatra. Rehefa manohy mandalina ianao dia eritrereto ireo loza amin’ny fanaovan-javatra am-pahatezerana na amin’ny famaliana faty.
Nangataka lalana tamin’ny mpibaiko ny milisy, izay nonina teo akaikin’ny tanànan’ny mpifindra monin’i Parowan i Isaac Haight, ben’ny tanànan’i Cedar City, lehibe tamin’ny milisy, ary filohan’ny tsatòka, mba hiantso ny milisy hifandona amin’ireo mpanakorontana avy tamin’ilay andian-tsarety. I William Dame, izay lehibe mpanapaka ny milisy, dia nanoro hevitra an’i Isaac Haight mba tsy hiraharaha ny fampitahoran’ireo mpifindra monina. Tsy nanaraka io torohevitra io anefa i Isaac Haight sy ny mpitarika hafa tao Cedar City ka nanapa-kevitra ny handresy lahatra ireo Indiana teo an-toerana mba hanafika an’ilay andian-tsarety sy handroba ny biby fiompiny mba hanafaizana ireo mpifindra monina. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’ny Fiangonana tao an-toerana sy lehiben’ny milisy i Isaac Haight mba hitarika ny fanafihana ary izy roa dia samy nitetika ny hanendrikendrina fa ny Indiana no nanao izany.
Inona no tokony ho nataon’ireo mpitarika tao Cedar City rehefa nanoro hevitra azy ireo mba tsy hampiasa ny milisy i William Dame? Nitarika azy ireo hanao inona no nitsipahana izany torohevitra izany?
Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’ireo mpitarika tao Cedar City ireo ny hoe raha toa ka mandà ny hanao ny tsara isika dia manjary mora manao safidy ratsy bebe kokoa. Tadiavo ny porofon’izany fitsipika izany rehefa manohy mianatra momba ireo zavatra nataon’ireo mpitarika ireo ianao. Eo am-pamakianao ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto dia asio tsipika ireo fomba nanohizan’ireo mpitarika tao Cedar City ireo safidy ratsy nataony rehefa avy nandà ilay torohevitra noraisiny izy ireo:
Natolotr’i Isaac Haight tamin’ny filankevitry ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina ary ny milisy teo an-toerana ilay drafitra hanafihana ny andian-tsarety. Ny mpikambana tao amin’ny filankevitra sasany dia tena nitsipaka mafy izany drafitra izany ary nanontany an’i Haight raha efa nila hevitra tany amin’ny Filoha Brigham Young mikasika izany izy. Rehefa niteny hoe tsia i Haight dia nanaiky nandefa iraka, i James Haslam, izy ho any Salt Lake City miaraka amin’ny taratasy nanazava ny toe-draharaha sy nanontany ny zavatra tokony hatao. Kanefa, noho i Salt Lake City tokotokony ho 400 km miala avy eo Cedar City, dia hitaky dia mazana be an-tsoavaly mandritra ny herinandro ho an’ilay iraka ny mandeha any Salt Lake City dia hiverina any Cedar City miaraka amin’ny toromariky ny Filoha Young.
Fotoana fohy talohan’ny nandefasan’i Isaac Haight ny taratasiny niaraka tamin’ilay mpitondra hafatra, dia nanafika ny tobin’ny mpifindra monina tany amin’ny toerana nantsoina hoe Mountain Meadows i John D Lee sy ny vondrona Indiana iray. I Lee no nitarika ny fanafihana fa nanafin-tena izy mba hahitana fa ny Indiana ihany no nanafika. Maty na naratra ny sasany tamin’ireo mpifindra monina, ary ny sisa dia niady tamin’ireo mpanafika, nanery an’i Lee sy ny Indiana mba hihemotra. Nosintomin’ireo mpifindra monina haingana hanome faribolana kely ny saretiny na koa hoe corral mba ho fiarovana. Nisy fanafihana roa hafa taorian’io nandritra ny dimy andro nijanonan’ny andian-tsarety.
Nisy fotoana ireo milisin’i Cedar City nahatsikaritra mpifindra monina roa ivelan’ilay faribolan-tsarety Nitifitra azy ireo ny lehilahin’ny milisy ka nahafaty ny iray. Tafatsoaka ny lehilahy iray hafa ka nitondra ny vaovao tany amin’ny tobin-tsarety fa nisy lehilahy fotsy hoditra nandray anjara tamin’ny fanafihana azy ireo. Tamin’izay fotoana izay dia tratra tamin’ny fitaka nataony ireo izay niray tetika nanao ilay fanafihana. Raha navela hanohy ny diany nankany Californie ireo mpifindra monina dia hiparitaka ny vaovao fa ny Olomasin’ny Andro Farany no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana ireo andian-tsarety. Ny mpiray tetika isany dia natahotra fa hitondra voka-dratsy ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny vahoakan’izy ireo izany vaovao izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Teto dia inona ireo safidy nipetraka teo amin’ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fanafihana ireo mpifindra monina ireo?
-
Inona no tokony ho nataony? Nahoana?
-
Nanao zavatra mifanohitra tamin’ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana ireo lehilahy ireo rehefa nanana safidy tsy voalanjalanja. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–37, ary asio marika ny fampitandreman’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana izay manao zavatra tsy amim-pahamarinana.
Eritrereto izay ataonao rehefa avy nanao zavatra tsy mety ianao. Mibaboka izay tsy mety nataonao ve ianao ka mandray ireo vokatr’izany, sa miezaka manafina ilay fahotana amin’ny alalan’ny fitaka?
Nanao drafitra sy nanatanteraka ny Fandripahana tao Mountain Meadows ny Olomasin’ny Andro Farany sasany
Niezaka nanafina ny fahotany ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tafiditra tao amin’ireo fanafihana ireo mpifindra monina. Noho ny fikasana hanakana ny fiparitahan’ny vaovao fa nandray anjara tamin’ny fanafihana ny andian-tsarety ny Olomasin’ny Andro Farany dia nanao drafitra ny hamono ireo mpifindra monina sisa tavela afa-tsy ireo ankizy kely i Isaac Haight sy i John D Lee sy ny mpikamban’ny Fiangonana tany an-toerana ary ny mpitarika ny milisy. Ho fampiharana izany drafitra izany dia nanatona ireo mpifindra monina i John D. Lee ary nilaza fa hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa ny milisy amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Cedar City. Rehefa nandeha nankany Cedar City ireo mpifindra monina dia nitodika ny lehilahin’ny milisy ary nitifitra azy ireo. Nisy indiana sasany nipoitra avy tamin’ny fiafonany nanatevin-daharana tamin’ilay fanafihana. Tamin’ireo mpifindra monina tokony ho 140 izay tao amin’ilay andian-tsarety, zaza madinika 17 no voatsimbina
Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga tao Cedar City i James Haslam niaraka tamin’ny valinteny avy tamin’ny Filoha Young, izay nilaza tamin’ireo mpitarika tao an-toerana mba hamela ny andian-tsarety handeha am-pilaminana. “ Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight, dia nigogogogo nitomany toy ny zazakely ka tsy afaka niteny afa-tsy ny hoe, ‘Tara loatra, tara loatra’” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, sep. 2007, 20).
Nitarika ho amin’ilay fandripahana mahatsiravina tao amin’ny Mountain Meadows ireo safidy nataon’ireo mpitarika Olomasin’ny Andro Farany sasany sy ireo mponina tao amin’ny Faritany atsimon’i Utah. Nifanohitra tamin’izany ny fomba namahan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny mpitariky ny faritra tao Salt Lake City ny disadisa nisy tamin’ny governemantan’i Etazonia izay nilamina tamin’ny alalan’ny firesadresahana momba ny filaminana sy ny fifanarahana natao tamin’ny taona 1858. Nandritra izany disadisa izany—izay nantsoina hoe Ady tao Utah taty aoriana—dia herisetra fa tsy ady velively no nisy teo amin’ireo tafik’i Etazonia sy ireo milisy avy tao Utah.
Raha niresaka momba ny Fandripahana tao Mountain Meadows ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “ Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ankamamintsika, dia mankahala ny famonoana olona an-kitsirano na lahy na vavy na ankizy. Azo lazaina araka izany fa ny filazantsara dia mamporisika ny hisian’ny filaminana sy ny famelana. Ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana [tany Mountain Meadows] fotoana ela izay dia mampiseho fialana mahatsiravina sy tsy azo ekena amin’ny fampianarana sy ny fitondran-tena Kristianina” (“150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” 11 sept. 2007, mormonnewsroom.org/article/150th-anniversary-of-mountain-meadows-massacre).
Tsy ireo olona maty teo ho eo amin’ny 120 ihany no vokatry ny Fandripahana tao Mountain Meadows fa niteraka fijaliana lehibe ho an’ireo zaza tsy maty sy ny havan’ireo maty koa izany. Ireo Indiana Paiute koa dia nijaly noho ny nanendrikendrehana tsy ara-drariny azy ireo tamin’ny famonoan’olona. Ankoatra izany, ny sasany tamin’ireo izay nanatanteraka ilay fandripahana dia niasa mandra-pahafatiny tao anatin’ny fahatsapana fahamelohana mahatsiravina sy nanofy ratsy tsy tapaka momba ny zavatra izay nataony sy hitany” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” 20).
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Fintino ireo fahadisoana izay nitarika tamin’ny Fandripahana tao Mountain Meadows.
-
Manorata fitsipika na lesona iray izay azontsika ianarana avy amin’ity zava-doza ity mikasika ny fisafidianana ny hanafina ireo fahotantsika.
-
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no azonao atao amin’ny hoavy mba hahazoana antoka fa manaraka ny torohevitr’ireo mpitarika anao ianao ary misoroka ny fanafenana ireo fahotana izay mety hataonao? Inona ireo fitahiana izay ho azonao avy amin’ny fandraisana andraikitra ny amin’ireo fahadisoanao ka tsy miezaka ny hanafina ireo fahotanao?
-
Raha toa ka nanomboka teo amin’ny lalan’ny fahadisoana sy ny fahotana ianao dia afaka manakana ireo aretim-po sy fanenenana amin’ny hoavy amin’ny alalan’ny fitodihana any amin’ny Tompo amin’izao fotoana izao ka mibebaka amin’ireo fahotanao.
Satria tompon’andraikitra tamin’ny fandrafetana sy fanatanterahana ny Fandripahana tao Mountain Meadows ny sasany tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany teo an-toerana dia namela izany tranga izany ho nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny fijerin’izy ireo ny Fiangonana ny olona sasany. Nisy zavatra nitovy tamin’izany nitranga tao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny zanakalahy misionera an’i Almà ka tsy nino ny tenin’i Almà noho ny fitondrantenan’ny zanany lahy ny olona hafa (jereo ny Almà 39:11).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no manan-danja ny miaiky fa tsy mamaritra ny fahamarinan’ny filazantsara ireo asa ratsy ataon’ny mpikambana sasany ato amin’ny Fiangonana?
Vakio ny Helamàna 5:12, ka tadiavo izay azontsika atao mba hikolokoloana sy hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, mba tsy ho voahozongozona ny finoantsika mandritra ireo fotoan-tsarotra, tahaka ny fotoana ahafantarantsika momba ireo fotoana izay tsy nahavitan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany niaina araka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Fintino ny zavatra hitanao:
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Helamàna 5:12 ny hoe afaka mikolokolo fijoroana ho vavolombelona matanjaka isika amin’ny alalan’ny fampiorenana ny finoantsika amin’ny fototr’i Jesoa Kristy.
Izao ohatra manaraka izao dia maneho izany fitsipika izany: “ I James Sanders dia taranaky ny … iray tamin’ireo ankizy izay tsy maty tamin’ny fandripahana [sady mpikamban’ny Fiangonana ihany koa izy]. ‘Mbola mahatsapa fanaintainana foana aho; mbola mahatsapana hatezerana sy alahelo foana fa nitranga ilay fandripahana,’ hoy Rahalahy Sanders. ‘Kanefa fantatro fa ny olona izay nanao izany dia ho tompon’andraikitra eo anoloan’ny Tompo, ary nitondra fiadanam-po ho ahy izany.’ Nilaza [izy] fa ny fahafantarany fa maty tao amin’ilay fandripahana ny razambeny dia ‘tsy nampiova ny finoany satria mifototra amin’ny Jesoa Kristy izany, fa tsy amin’iza na iza ao amin’ny Fiangonana’” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” 21).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no afaka mampahatanjaka antsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa fantatsika ny momba ireo fotoana izay tsy niainan’ny mpikamban’ny Fiangonana araka ireo fampianaran’ny Mpamonjy?
-
Inona ireo zavatra sasany izay azonao atao mba hanampiana anao hanorina ny finoanao eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy?
-
Inona no zavatra iray izay ho ataonao amin’ity herinandro ity mba hanorenana bebe kokoa ny finoanao eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manoratra zavatra mihoatra ny iray izay andeha hataonao.)
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny lesona momba “Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows” ary nahavita izany ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: