Seminera
Fizarana 19: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89


Fizarana 19: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89

Fampidirana

Ny 27 Febroary 1833, ho valin’ny fanontanian’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny fihinanan’ireo rahalahy tao amin’ny fisoronana paraky sy ny fifohany sigara nandritra ny fivorian’izy ireo, ny Tompo dia nanome ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, izay fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Nampitandrina ny amin’ ny fampiasana ireo zavatra manimba ny Tompo ao anatin’izany ka nanentana ny fihinanana sakafo mahasalama. Nampanantena koa ny Tompo fa ireo izay manaraka ny Tenin’ ny Fahendrena dia hotahiana eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–3

Nampahafantatra tamin’ny fomba ôfisialy ilay fanambarana fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena i Joseph Smith

Efa nampahafantarinao tamin’ny olona ve hoe nahoana ianao no tsy misotro toaka, dite, na kafe ary tsy mihinana paraky sy mifoka sigara? Raha izany no izy, tadidinao ve ny zavatra noteneninao sy ny navalin’ilay olona? Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny Tenin’ny Fahendrena sy hivonona hanazava izany amin’olon-kafa.

Sary
Joseph Smith mampianatra

Ny ririnin’ny 1833, dia rahalahy tao amin’ny fisoronana teo amin’ny 20 teo no nanomboka nivory tany ambony rihan’ny tranombarotra Newel K. Whitney tao Kirtland, Ohio mba hanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany. “Tamin’ny fivoriana natao ny 27 Febroary 1833 dia nandray fanambarana manan-danja iray ny Mpaminany. Tany am-piandohan’ny Fiangonana, ny fandraisana toaka, paraky, sigara, kafe, ary dite dia fanaon’ny besinimaro teo amin’ny fiarahamonina sy teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana koa. Nampiasa saina ny Mpaminany ny nahita ireo rahalahy nampiasa paraky sy nifoka sigara tao amin’ny sekoly. Tsaroan’i Brigham Young fa: ‘Rehefa miaraka mivory ao amin’io efitrano io izy ireo aorian’ny sakafo maraina, ny [zavatra] voalohany nataon’izy ireo dia ny nandrehitra pipa, ary sady mifoka no miresaka momba ireo zavatra manan-danjan’ny fanjakan’ Andriamanitra. … Matetika rehefa miditra ilay efitrano ny Mpaminany mba hanome fampianarana dia setro-paraky sy sigara no hitany. Izany, niampy ny fitarainan’ny vadiny izay tsy maintsy manadio ny gorodona maloto [noho ny roram-paraky sy ny tain-tsigara], no nanosika ny Mpaminany handinika ny toe-draharaha ka nanontany ny Tompo mikasika ny tokony hataon’ireo loholona eo amin’ny fampiasany paraky sy sigara izy ary dia ilay fanambarana fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena no vokatr’izany’” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 263).

Vakio ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, ka tadiavo ny fepetra noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith nanoloana ny fampiasan’ireo rahalahy ny paraky sy ny sigara. Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1–3, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay milazalaza momba ny tanjon’ny Tompo tamin’ny nanomezany ity fanambarana ity.

Mety hitanao angamba fa anisan’ny tanjon’ity fanambarana ity ny fisahanana ny famonjena ny vatana. Ny famonjena ny vatana dia mifandray amin’ny fahasalaman’ny vatantsika.

Jereo tsara fa tamin’ny voalohany ny Tenin’ny Fahendrena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:2 dia tsy nomeny ho toy ny didy. Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanazava toy izao: “Tamin’izany fotoana izany, … raha toa ny [Tenin’ny Fahendrena] ka nomena ho toy ny didy dia mety ho nitondra ny lehilahy rehetra, izay niankin-doha tamin’ireny zavatra manimba ireny, ho eo ambany fanamelohana; noho izany dia namindra fo ny Tompo ka nanome azy ireo fahafahana hiala amin’izany mialoha ny hitondrany azy ireo eo ambanin’ny lalàna (lalàn’ny fahasalamana)” (hita ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1913, 14).

Noho izany dia tokony hitandrina isika tsy hitsaratsara ny sasany amin’ireo mpitarika ny Fiangonana taloha sy ireo mpikambana izay, na dia taorian’ny nanambarana ny Tenin’ny Fahendrena aza, dia mbola nampiasa ireo zavatra izay voarara ankehitriny. Nandritra ny tantaran’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nanasa ireo Olomasina ny mpitarika mba hiaina tanteraka ny Tenin’ny Fahendrena. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny vanim-potoan’ny fararano tamin’ny 1851, dia nanolo-kevitra ny Filoha Brigham Young ny hanaovan’ny olomasina fanekempihavanana amin’ny fomba ôfisialy mba hitsahatra amin’ny fisotroana dite, kafe, ny fihinana paraky sy ny fifohana sigara, ary ny fisotroana toaka (whiskey). Ny 13 Ôktôbra 1882 dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha John Taylor fa horaisina ho toy ny didy ny Tenin’ ny Fahendrena. Ny taona 1919, ny Fiadidiana Voalohany, teo ambany fiahian’ny Filoha Heber J. Grant, dia nanao ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ho fepetra iray takina amin’ny fahazoana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Ny Tenin’ny Fahendrena dia mbola didy manan-danja ankehitriny, ary ny fankatoavana izany dia fepetra takiana alohan’ny batisa, alohan’ny fandehanana any amin’ny tempoly, alohan’ny fanaovana asa fitoriana, ary alohan’ireo asa ilaina famendrehana rehetra hafa ao amin’ny Fiangonana.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny teny hoe Fitsipika omban’ny fampanantenana (hita ao amin’ny F&F 89:3) toy ny haseho eto ambany. Asio toerana malalaka eo ambanin’ny teny hoe fitsipika sy omban’ny fampanantenana mba hanoratana ireo fitsipika sy ireo fampanantenana ao amin’ity fanambarana ity. Azonao atao ny manisy marika io andian-teny io ao amin’ny soratra masinao.

    Fitsipika

    omban’ny fampanantenana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4–9

Mampitandrina ny olomasina ny Tompo tsy hampiasa toaka, na paraky na sigara, na dite, na kafe

Sary
ankizilahy maromaro manjono

Efa nanjono ve ianao?

Sary
fomba famitahana rehefa manjono

Inona no ataon’ny olona iray manjono hamitahana ny trondro hanaikitra ny lelam-pitana?

Inona no antony mety hanandraman’ny olona sasany handresy lahatra anao mba handray amin’ireo zavatra noraran’ny Tompo? Inona no fitaka, na tetikady ampiasain’izy ireo mba handresen-dahatra anao sy ny hafa handray amin’ireo zavatra ireo? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4, ka tadiavo hoe izay nolazain’ny Tompo fa mikasa ny hamitaka ny olomasina amin’ny andro farany ka tokony hitandremana.

Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fitsipika” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Noho ny fikasan-dratsin’ny olona miray teti-dratsy amin’ny andro farany dia mampitandrina antsika ny Tompo mba tsy handray amin’ireo zavatra manimba.

Izao teny manaraka nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson izao dia manampy antsika hahatakatra fa anisan’ny fikasan’ireo olon-dratsy sady mpiray teti-dratsy ny hahazo tombontsoa amin’ny fivarotana zavatra mampiankin-doha amin’ny hafa:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny Tompo dia nahita mialoha ny toe-javatra amin’izao andro izao izay hahatonga ny olona hioko, noho ny antony ara-bola, ka hitaona ny hafa mba hampiditra ireo zavatra manimba ireo ao amin’ny vatany. Anisan’ny ohatra amin’ny zavatra hitan’ny Tompo mialoha ny dokambarotra izay mampahafantatra ny labiera, divay, toaka, kafe, paraky sy sigara ary zavatra manimba hafa. Fa ny ohatra mamohehatra indrindra mikasika ny fiokoana ratsy amin’izao androntsika izao dia ireo izay mamporisika ny zatovo hampiasa zava-mahadomelina.

“Ry zandriko lahy sy vavy, amin’ny fo feno fitiavana no ampitandremanay anareo fa hiezaka ny hitaona anareo hampiasa zavatra manimba i Satana sy ny solontenany, satria fantany tsara fa raha mandray izany ianareo dia hoferana ny hery ara-panahinareo ka ho eo ambanin’ny fahefany ratsy ianareo. Halaviro ny toerana na olona izay hitaona anareo handika ny didin’ Andriamanitra. Tandremo ny didin’ Andriamanitra dia hanana fahendrena hahalalana sy hanavahana izay ratsy ianareo” (“A Principle with a Promise,” Ensign, mey 1983, 54–55).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:5–9, ka tadiavo ny zavatra izay nampitandreman’ny Tompo ny olomasina mba tsy hampidiriny ao amin’ny vatany. Asio marika ny zavatra hitanao. (Nanambara ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana fa ny teny hoe “zava-pisotro mafana” dia entina ilazana ny dite sy ny kafe.) Inona avy no antony ilazana fa ireo zavatra voalaza ao amin’ny andininy faha 5–9 dia zavatra manimba?

Diniho tsara fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:7–8 dia milaza fa ny toaka sy ny paraky ary ny sigara dia sady azo ampiasaina amin’ny zavatra tsara no azo ampiasaina amin’ny zava-dratsy. Misy zavatra hafa amin’izao fotoana izao izay mety ho ampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy mba hahatonga azy ireny ho manimba sy mampiankin-doha. Ireo mpitarika ato amin’ny fiangonana dia mampitandrina amin’ny fandraisana “izay mety ho zava-pisotro, na zava-mahadomelina, na zavatra simika, na fomba fanao mampidi-doza rehetra izay ampiasaina mba hiteraka fahatsapana fifaliana na vokany hafa amboamboarina izay manimba ny vatanao na ny sainao. Anisan’ireny ny marijuana, zava-mahadomelina mahery vaika, sy ny fihinana mihoa-pampana fanafody tsy azo vidina raha tsy manana taratasy fanamarinana avy any amin’ny dokotera na fanafody azo vidina na dia tsy misy taratasy avy any amin’ny dokotera aza, ary ireo zavatra simika namboarin’olon-tsotra” (Jeunes, soyez forts [bokikely, 2011]).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy no antony mahatonga ny fiankinan-doha ho toy ny lelam-pitana izay ampiasan’ny mpanjono iray mba hisamborana trondro?

    2. Fa maninona no manimba ny fivoarantsika mandrakizay ny fiankinan-doha?

    3. Inona no fitahiana nentin’ilay fampitandremana amin’ny fandraisana zavatra mampiankin-doha sy manimba teo amin’ny fiainanao?

Hotahina ianao raha manapa-kevitra ny tsy handray na oviana na oviana amin’ireo zavatra izay mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17

Mamporisika ny fampiasana raokandro, voankazo sy hena ary voamaina Andriamanitra

Sary
legioma sy voankazo ary voamaina

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17, ka tadiavo ny zavatra namporisihan’ny Tompo hohanintsika. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 11, dia inona no toetra tokony hananantsika rehefa mihinana ireny sakafo mahasalama ireny isika?

Mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe “amin’ny fahamalinana” dia midika hoe amim-pahendrena sy amim-pitandremana. Ny fihinanana sakafo be loatra na tsy voalanjalanja na dia sakafo mahasalama aza dia mety ho lasa tsy mahasalama.

  1. Manorata fitsipika iray momba ny fihinana sakafo mahasalama eo ambanin’ilay lohateny hoe “Fitsipika” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:12–13dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny hena izay anisan’ny ohatra sakafo mitaky fahamalinana ny fihinanana azy. Ny teny hoe amin’ny fitsitsiana dia manoro fa tokony amin’ny antonony no hihinanana ny hena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21

Ho an’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena dia mampanantena fahasalamana, fahendrena ary fiarovana ny Tompo

Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe “omban’ny fampanantenana” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka manaraka ny Tenin’ny Fahendrena, dia homen’ny Tompo …

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–19, ka tadiavo ny sasany amin’ireo fitahiana azonao raisina avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena.

  1. Ampiasao ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny andininy 18–19 mba hamenoana amin’ny ampahany ilay fehezan-teny nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina. (Asio toerana malalaka fa mbola hiampy io fehezan-teny io avy eo.) Avy eo dia valio izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana isika no mahazo fahendrena sy fahalalana rehefa mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena?

Nanazava ny iray amin’ireo fitsipika ifotoran’ny Tenin’ny Fahendrena ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Nanomboka fantatro … fa misy ifandraisany amin’ny fanambarana ny tanjona fototry ny Tenin’ny Fahendrena. …

“Raha toa ka sarotra ho an’ny olona iray izay ‘eo ambany fitaoman’ny’ zava-maha-domelina ny mihaino resaka mazava iray, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izy ireny mamaly ny bitsika ara-panahy izay mikasika ny tena fahatsapany lalina?

“Na dia lalàn’ny fahasalamana manan-danja aza ny Tenin’ny Fahendrena dia mety manan-danja ara-panahy kokoa aminao izany mihoatra noho ny ara-nofo” (“Prayers and Answers,” Ensign, nôv. 1979, 20).

Eritrereto hoe ny fomba nanomezan’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena anao fahafahana hanana ny Fanahy Masina ho namana, izay manambara fahendrena sy fahalalana amin’ny mahatoky.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:20–21, ka tadiavo ireo fitahiana fanampiny izay entin’ny fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika miavaka izany hanamora ny fitadiavanao izany any aoriana.)

  1. Ampio amin’izay zavatra nianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fehezanteny eo ambanin’ilay lohateny hoe “omban’ny fampanantenana” ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina. (Mba hanampiana anao hahatakatra ilay andian-teny hoe “handalo … ny anjely mpandringana” dia jereo ny fanovoizan-kevitra eny ambanin’ny pejy 21a. tsarovy fa io fampanantenana ny amin’ny fiarovan’ Andriamanitra io dia azo ilazana ny fiarovana ara-batana sy ara-panahy.) Avy eo dia valio ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Oviana no efa tanteraka tamin’ny fiainanao na tamin’ny fiainan’ny olona iray fantatrao ireo fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 ?

    Mieritrereta ny hametraka tanjona iray mba hiainana tsaratsara kokoa ny Tenin’ny Fahendrena.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina araka ny aseho eto ireto lohateny sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

    Fahasalamana

    Fahendrena

    Tanjaka

    Fiarovana

    F&F 89:18

    F&F 89:19

    F&F 89:20

    F&F 89:21

    Misafidiana iray amin’ireo andininy ireo dia ianaro tadidina ao anatin’ny minitra vitsivitsy izany. Andramo raha toa ka afaka manao tsianjery izany amina olona iray ao amin’ny fianakavianao ianao na amina namana iray. Mba hahatadidiavanao ilay andinin-tsoratra masina iray manontolo dia azonao atao ny misafidy andininy hafa ka manokana fotoana ianao ianarana mitadidy ireo amin’ny manaraka.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy