Seminera
Fizarana 20: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96


Fizarana 20: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96

Fampidirana

Ny Tompo dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94 ny 2 aogositra 1833, ary nanome toromarika ny olomasina ny amin’ny hanorenan’izy ireo ny tanànan’i Kirtland, Ohio, mitovy amin’ny tanànan’i Ziona ao Missouri. Nandidy ny olomasina ihany koa ny Tompo ny amin’ny hanorenana trano (trano iray hikarakarana ny raharahan’ny Fiangonana) iray ho an’ny Fiadidiana Voalohany ary trano iray ho an’ny fanaovana printy, ankoatra ny fananangana tempoly, izay efa nandidiany mialoha ny olomasina mba haorin’izy ireo. Roa volana talohan’izany, ny 1 Jona 1833 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95, izay ahitana ny Tompo nanafay ny olomasina noho ny fanemorana ny fananganana ny tempoly. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96 dia ahitana ny toromariky ny Tompo ny amin’ny hanendrena an’i Newel K. Whitney “hiandraikitra” (F&F 96:2) ny toerana hanorenana ny tempolin’i Kirtland.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94

Nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanangana trano roa sady nanamafy ny ilàna hananganana ny tempoly

Sary
fananganana ny Tempolin’i Kirtland

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fahafahana handeha ho any amina firenena iray ianao hitety tanàn-dehibe maro be ao aminy. Rehefa mandeha mitetitety toerana ianao dia mahatsikaritra fa misy kianja fanaovana fanatanjahantena eo afovoan’ny tanàn-dehibe rehetra. Inona no azo tsoahina avy amin’izany mikasika ny vahoaka ao amin’io firenena io?

Raha ianao no manorina tanàna lehibe iray dia ho inona no hataonao eo afovoan’izany tanàna izany? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:1–2, ka tadiavo ny toromarika nomen’ny Tompo ny amin’ny fanorenana ny tanànan’ny tsatokan’i Ziona ao Kirtland, Ohio.

Inona no ambaran’izany mikasika ny lanjan’ny tempoly ho an’ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:3, 10, ka fantaro ireo trano roa nodidian’ny Tompo mba haorin’ny olomasina ao Kirtland.

Ilay didy hoe tokony haorina ireo trano roa ireo dia maneho ny maha-zava-dehibe amin’ny Tompo ireo ôrdônansin’ny tempoly, sy ny asan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fandraisana fanambarana ary ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana mbamin’ny famoahana ny soratra masina sy ireo asa maro hafa asain’ny Tompo atao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:6–8, 12, ka tadiavo ireo andian-teny izay manambara ny maha-masina ireo trano ireo.

Ny Tompo dia nanome toromarika an’i Hyrum Smith sy i Reynolds Cahoon ary i Jared Carter hanangana komity misahana ny fanorenana ho an’ireo fanorenana trano voalaza ato amin’ity fanambarana ity (jereo ny F&F 94:13–17).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:16, ka tadiavo ny zavatra notenenin’ny Tompo ny olomasina momba ny fanorenana ireo trano ho an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny fanaovana printy.

Diniho ny antony maha-zava-dehibe ny nanorenana ny tempoly mialoha ny nanorenana ireo trano roa hafa. Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny lanjan’ny tempoly?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95

Nofaizin’ny Tompo ny olomasina noho ny fanemorana ny fanorenana ny tempoly

Ny Tompo dia namoaka didy ny amin’ny hananganana ny Tempolin’i Kirtland ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119, izay noraketina ny 27–28 Desambra 1832.

Tadiavo ao amin’ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 ny daty nanomezana io fanambarana io. Tokony ho eo amin’ny hafiriana eo ho eo no fotoana lasa teo anelanelan’ireo daty roa ireo?

Nahazo ilay toerana hanorenana ny tempolin’i Kirtland ireo mpitarika ny Fiangonana nandritra izany fotoana izany. Kanefa ny 1 Jona 1833 dia tsy mbola nanomboka nanorina ny tempoly akory ny olomasina na dia nanao fanomanana ny fototra aza.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1–3, ka fantaro ny zavatra notenenin’ny Tompo ny olomasina momba ny fanemoran’izy ireo ny fanorenana ny tempoly.

Jereo ny andininy 1 mba hamenoana izao fanambarana manaraka izao: Andriamanitra dia manafay .

Sary
ny ray sy ny zanaka lahy

Ny hoe manafay dia mifehy na manitsy. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny andininy 1 ny antony hamaizan’ Andriamanitra ireo izay tiany.

Eritrereto ny fomba fanaonao rehefa faizina na ahitsy ianao. Rehefa mamaky ity tantara manaraka ity ianao dia tadiavo ireo fomba fanaon’ny rahalahy sasany rehefa faizin’ny Tompo:

Taorian’ny nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95, dia nanao fivoriana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana handinihana ny fanorenana ny tempoly. “Nankasitraka ny fananganana trano rafetina amin’ny hazo ny sasany, fa ny hafa kosa te hanorina trano vita amin’ny vatan-kazo. Nampahatsiahy azy ireo i Joseph fa tsy trano ho an’ny olombelona no haoriny fa ho an’ Andriamanitra. Ka hoy izy: ‘Moa ve isika ry rahalahy isany hanorina trano vita amin’ny vatan-kazo ho an’ Andriamanitsika? Tsia, manana drafitra tsara kokoa noho izany aho. Manana drafitra momba ny tranon’ny Tompo aho izay nomeny Izy tenany mihitsy, ary ho hitanareo tsy ho ela, ny fahasamihafana eo amin’ny kajikajintsika sy ny heviny momba ireo zavatra hatao’” (Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, natontan’i Preston Nibley [1958], 230). Taorian’ny nanazavan’ny Mpaminany ny drafitra feno hanorenana ny tempoly dia nientanentana be avokoa ireo rahalahy. Nandeha nankany amin’ny toerana hanorenana ireo trano izy ireo, nanala fefy sy nanadio ny saha izay nambolen’ny fianakaviana Smith varimbazaha taloha. Rehefa voaongotra ireo salohimbarim-bazaha dia “nanomboka nangady ny tany handatsahana ny fototry ny tempoly i Hyrum Smith noho izy nanambara fa izy hono no ho olona voalohany hanomboka ny fanorenana ny tempoly” (Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith, 231).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo rahalahy ireo ny amin’ny tokony ho fihetsika aseho manoloana ny fanitsiana na famaizana. Ankoatra izany dia soraty ny momba ny fotoana iray namaizana anao ka ho valin’izany dia nikatsaka ny hivoatra ianao.

Jereo fa toy ny “fahotana lehibe” (F&F 95:3) no nilazan’ny Tompo ny fanemoran’ny olomasina ny fanorenana ny tempoly. Nahoana araka ny eritreritrao no noraisin’ny Tompo ho toy ny fahotana lehibe ny fanemorana ny fanorenana ilay tempoly? Diniho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:6 mba hahitanao ny zavatra noharin’ny Tompo tamin’io fahotana lehibe io.

Diniho tsara ny antony ilazana fa ny tsy firaharahiana ny didin’ny Tompo—indrindra fa ny didy manokana ny amin’ny hanorenana tempoly—dia azo ampitahaina amin’ny fandehanana ao amin’ny haizina amin’ny mitataovovonana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:4, 8–9, ka tadiavo ireo antony nandidian’ny Tompo ireo olomasina hanorina ny Tempolin’ny Kirtland. (Ilay andian-teny manao hoe “mba hahazoako manatanteraka ny asako mahatalanjona” [F&F 95:4] dia entina ilazana ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany sy ny mety hiheveran’ireo olona tsy mino fanambarana sy famangiana avy any an-danitra mbamin’ny zavatra ara-panahy hafa ny Famerenana amin’ny laoniny ho toy ny hafahafa.)

Mianatra isika avy amin’io andininy io fa ao amin’ny tempoly, no anomanan’ny Tompo ireo mpanompony mba hanao ny asany sy hanafiany hery azy ireo.

Ny teny hoe manafy dia midika hoe manome fanomezana ho an’olona iray. Ny dikan’ny hoe mandray fanafiana masina any amin’ny tempoly dia mandray hery ara-panahy sy fahalalana. Tao amin’ny Tempolin’i Kirtland no hoe hamerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana izay tena ilaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena izay tsy azontsika raisina raha tsy any amin’ny tempoly irery ihany: ny fanafiana masin’ny tempoly sy ny famehezana ao amin’ny tempoly (jereo ny F&F 110).

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Izao no nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson momba ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly ireo: “Mandra-piditrao ny tranon’ny Tompo ary handraisanao ireo fitahiana rehetra izay miandry anao any, dia mbola tsy nandray ireo zava-drehetra atolotry ny Fiangonana ianao. Ireo fitahiana manan-danja sy avo indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ireo fitahiana izay raisintsika any amin’ny tempolin’ Andriamanitra” (“Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’ Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 93).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra azonao atao amin’izao fotoana izao hiomananao handray ireo ôrdônansy sy ireo fitahian’ny tempoly.

Asa goavana be ho an’ireo olomasina ny fananganana ny Tempolin’i Kirtland. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1833 dia mbola latsaky ny 200 ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio ary nahantra ny ankamaroan’izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11–12 ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo raha toa ka mitandrina ny didiny ny olomasina.

Nanohy niasa niaraka tamin’ny finoana ilay fampanantenan’ny Tompo ireo olomasina tao Ohio ka dia nanorina ny tempoly. Mianatra isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:11 fa hanana hery hanao ny zavatra ampanaovin’ny Tompo antsika isika raha toa ka mitandrina ny didy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona amin’ireo toe-javatra sasantsasany mety atrehanao no azo ampiharana io fitsipika io?

    2. Oviana ianao no nahatsapa hoe nampian’ny Tompo hanao zavatra iray noho ianao nitandrina ny didy.

Jereo ilay andian-teny manao hoe “tsy hitoetra eo aminareo ny fitiavan’ny Ray” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:12. Rehefa tsy mankato ireo didin’ny filazantsara isika dia mamoy fitahiana, toy ny fahazavana sy fahalalana, izay vokatry ny fitiavan’ny Ray ireo izay maneho ny fitiavan’izy ireo Azy amin’ny alalan’ny fankatoavana Azy.

Sary
Endrika anatin’ny Tempolin’i Kirtland

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–17, fa ny Tompo dia nanome torimarika ireo rahalahy ny amin’ny refy sy ny fampiasana ireo efitrano manokana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland. Vakio ny andininy 14 ka mitadiava fomba iray nolazain’ny Tompo fa hanatanterahany ilay fampanantenany hanome ny olony hery entina hananganana ny tempoly.

Ireo lehilahy telo izay nampanantenain’ny Tompo fa hanehoany ny fomba hanorenana ny tempoly dia ny Fiadidiana Voalohany. Hanampy anao hahita ny fomba nahatanteraka io fampanantenana io ity fampahalalana manaraka ity:

Niaraka nivavaka i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams ka nahita ny tempoly tao anaty fahitana. Taorian’ny fahitana tamin’ny antsipiriany ny endrika ivelan’ny tempoly dia, “toa nandindona azy ireo mihitsy ilay trano” ary nahita ny atin’ilay trano ohatra ny hoe tena tao anatin’ilay izy mihitsy izy ireo (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith 2007, 271). Taty aoriana, rehefa akaiky ho vita ny tempoly, dia niteny i Frederick G. Williams fa tena nitovy tsy misy valaka tamin’ilay modely hitany tao anaty fahitana ilay izy ka tsy hitany izay hoe tsy nitovian’izany tamin’ilay modely.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96

Voatendry hiandraikitra ny fananana rehetra izay ananan’ny Fiangonana i Newel K. Whitney

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96 dia hitantsika fa ny Tompo dia nanome torimarika ny eveka Newel K. Whitney ny tokony hiandraiketany ny toerana hanorenana ny tempoly. Ny Tompo ihany koa dia nandidy ny eveka Whitney ny amin’ny hizarany ho faritra ilay toerana ho an’ireo izay mitady lova. Ny sasany tamin’ireo faritra ireo dia natokana ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana izay tompon’andraikitra tamin’ny famoahana fanambarana. Hanampy azy ireo hanokana ny fotoan’izy ireo manontolo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ny fahazoana io lova io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96:4–5, ka fantaro hoe nahoana no manampy ny olomasina ny famoahana ny tenin’ Andriamanitra.

Ny Tompo ihany koa dia nanome toromarika ao amin’io fanambarana io ny amin’ny tokony hampidirana an’i John Johnson ho mpikambana ao amin’ny United Firm, izay mikarakara ny raharaha ara-bolan’ny Fiangonana, ny famoahana boky ary ireo asa fandraharahana mampidi-bola.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–96 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy