Seminera
Fizarana 3: Andro 4, Joseph Smith—Tantara 1:66–67;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7


Fizarana 3: Andro 4

Joseph Smith—Tantara 1:66–67;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7

Fampidirana

Tamin’ny lohataona 1829 dia nahatsapa fahamehana lehibe amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith. Hitany fa tena voafetra be ny fotoana handikany noho ny filàna miasa mba hamelomana ny fianakaviany. I Emma sy i Samuel rahalahin’i Joseph no nanampy ho mpitantsoratra, kanefa tsy afaka nanao izany tamin’ny fotoana feno izy ireo. Efa herin-taona sy tapany mahery no nanankinana ireo takelaka tamin’i Joseph, ary noho ny fahaverezan’ireo takila 116 natao sora-tanana dia takila voadika vitsivitsy no nananany. Nivavaka i Joseph mba handefasan’ny Tompo olona iray izay afaka manampy azy tamin’ny asa fandikan-teny. Ho valin’ny vavak’i Joseph dia nandefa an’i Oliver Cowdery mba ho mpitantsoratra ny Tompo.

Ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7 dia nomena fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Oliver Cowdery. Ahitana ny toromarika ho an’i Oliver mikasika ny anjara asany amin’ny asan’ Andriamanitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7 dia ahitana ny dikanteny sasantsasany amin’ireo soratr’i Jaona ilay Lalaina, izay mampianatra fa notanterahin’ny Tompo ny fanirian’i Jaona hiaina sy hitondra fanahy ho eo amin’i Jesoa Kristy mandra-pahatonga ny Fiaviana Fanindroany.

Joseph Smith—Tantara 1:66–67;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:1–9

Lasa mpitantsoratr’i Joseph Smith i Oliver Cowdery

Indraindray ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia ampitahaina amin’ny hazavana. Raha toa ka toy ny hazavana ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra na ny valim-bavaka, dia ampitahao ireto famaritana manaraka ireto ary eritrereto hoe iza amin’ireo no tena maneho tsara kokoa ny fahatsapanao tamin’ny nandraisanao fanambarana na valiny tamin’ireo vavaka nataonao:

  • Ny hazavana eo no eo izay tonga rehefa mandrehitra jiro ianao

  • Ny hazavana mitombo tsikelikely rehefa miposaka ny masoandro

Sary
takamoa mirehitra, masondro miposaka takon-drahona

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampiasa io fanoharana io mba hampianarana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray dia tahaka ny fandraisana hafatra avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba haingana sy feno, ary indray mandeha miaraka. Maro amintsika no efa niaina izany lamin’ny fanambarana izany rehefa nahazo valiny tamin’ny vavaka natao tamin-kitsim-po isika na nomena fitarihana na fiarovana nilaina, araka ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo. Ny famaritana ny fisehoana eo no ho eo sy mahery vaika tahaka izany dia hita ao amin’ny soratra masina sy voalaza ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana ary voaporofo eo amin’ny fiainantsika manokana. Eny, tena mitranga tokoa ireny fahagagana goavana ireny. Kanefa io lamin’ny fanambarana io dia toa lasa tsy dia mateti-pitranga.

“Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraky ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io no toa mateti-pitranga”(“Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88).

  1. Mieritrereta fotoana izay namalian’ny Tompo teo no eo ny vavaka nataonao sy ny fotoana izay namaliany izany tsikelikely. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny iray tamin’ireo zavatra niainanao.

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6, dia jereo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hamantatra izany rehefa manome fanambarana anao Andriamanitra.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:66–67, ary jereo ny fomba nahafantaran’i Oliver Cowdery mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny asa izay nataony. Niala avy tany Palmyra, New York, i Oliver mba hihaona amin’i Joseph tany Harmony, Pennsylvanie, halavirana mihoatra ny 225 km (jereo ny Sarintanin’ny tantaran’ny Fiangonana, Sarintany 1, “Etazonia Avaratra Atsinanana”).

Fotoana fohy taorian’ny nanombohan’i Oliver niasa ho mpitantsoratr’i Joseph, dia nandray fanambarana i Joseph izay niresahan’ny Tompo tamin’i Oliver. Valin’ny fanirian’i Oliver io fanambarana io ary toa namaly fanontaniana maromaro izay napetrany tamin’ny alalan’ny vavaka kanefa tsy naborany an’i Joseph. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5–6, 8, ary tadiavo ireo zavatra izay manondro fa fantatry ny Tompo ny fanirian’i Oliver.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona momba azy no ambaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5–6, 8 sy ny ezaka nataon’i Cowdery hanaovana dia 220 km amintsika?

Fanamarihana: Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:1–9 dia miverina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, izay fanambarana niantefa tamin’i Hyrum Smith, ary ho resahana misimisy kokoa ao amin’ity lesona ity any ao aoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–24

Nanome toky an’i Oliver Cowdery ny Tompo ny amin’ny fahamarinan’ilay asa

Diniho raha toa ianao ka efa nandray valiny avy amin’ Andriamanitra ary taty aoriana dia nanana olana na ahiahy momba ilay valiny.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–13 no ahitantsika fa nilaza tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo fa nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana i Oliver. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–17, 20, ary asio marika izay nampianarin’ny Tompo an’i Oliver mikasika ny fomba handraisana sy hahafantarana ny fanambarana.

  1. Manorata fahamarinana roa na telo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–17, 20 ka afaka manampy anao hahatakatra ny fomba fandraisana na fahafantarana ny fanambarana.

Ampitahao amin’ny sasany amin’ireto fahamarinana manaraka ireto izay hita tao amin’ireto andininy ireto ny zavatra izay voasoratra tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina:

Rehefa mikatsaka valiny avy amin’ny Ray any An-danitra isika dia hanome toromarika antsika Izy (jereo ny F&F 6:14). Ny hoe “toromarika” dia mety hoe hevitra na fahatakarana izay tonga ao an-tsaintsika tahaka ireo traikefa ihany koa izay afaka mitarika sy manomana ary manampy antsika ho tonga amin’ny fanapahan-kevitra mety tsara.

Hanazava ny saintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo. Ny andian-teny hoe “manazava ny sainao” (F&F 6:15) dia midika fa hanoro hevitra sy fahatakarana antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao io teny io.

Fantatr’ Andriamanitra ny eritreritsika sy ny fanirian’ny fontsika (jereo ny F&F 6:16).

Rehefa nandray fanambarana isika dia tokony hirakitra izany ao am-pontsika. Ny hoe “mitahiry” ny tenin’ny Tompo (F&F 6:20) dia midika hoe manome lanja ny tenin’ny Tompo—mianatra sy mandalina ary manao asa mifanaraka amin’izay ambaran’ny Tompo ary mitoky amin’ny fanambarana izay raisintsika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:21–24, ary mitadiava fomba hafa ifandraisan’ny Tompo amintsika.

Fenoy amin’izay hitanao ny banga: Milaza amin’ny saintsika ho vavolombelon’ny fahamarinana ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23.

Saintsaino ity fanontaniana ity: Amin’ny fomba ahoana no hanaovantsika tsinontsinona sy tsy hiraharahiantsika ny valin’ny vavaka omen’ny Tompo antsika indraindray?

Nanazava misimisy kokoa mikasika ilay fanoharana mahakasika ny fiposahan’ny masoandro ny Loholona Bednar mba hampazava ny fomba hahatongavan’ny fifandraisana avy amin’ny Tompo matetika:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Indraindray ny masoandro dia miposaka amin’ny maraina feno rahona na zavona. Noho ny fisian’ny rahona dia sarotra kokoa ny mahita ny fahazavana, ary ny famantarana ny fotoana marina iposahan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra dia tsy hay fantarina. …

“Torak’izany koa isika matetika dia mandray fanambarana imbetsaka fa tsy mahafantatra mazava ny fomba na ny fotoana andraisantsika fanambarana” (“Ny Fanahin’ny Fanambarana,” 89).

Efa taorian’ny nandraisana an’ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6 vao nolazain’i Oliver Cowdery tamin’ny Mpaminany ny mikasika “ilay alina” izay noresahin’ny Tompo ao amin’ny andininy 22. Nanoratra i Joseph Smith hoe “Taorian’ny nandraisanay ity fanambarana ity dia niteny tamiko i Oliver Cowdery fa taorian’ny nandehanany tany amin-draiko mba hiara-hipetraka vetivety amin’izy ireo, sy taorian’ny nilazan’ny fianakaviana taminy mikasika ny nahazoako ireo takelaka, dia raha handeha hatory izy indray alina dia nivavaka tamin’ny Tompo mba hahafantarana raha toa ka nitranga tokoa ireo zavatra ireo, ary nilaza taminy ny Tompo fa marina izany, saingy nohazoniny ho tsiambaratelo izany zava-nitranga izany, ka tsy nambarany na tamin’iza na tamin’iza; koa taorian’ny nanomezana ity fanambarana ity dia fantany fa marina ilay asa, satria tsy nisy olombelona nahafantatra ny zavatra voalaza tao anatin’ilay fanambarana ankoatra an’ Andriamanitra sy ny tenany ihany” (amin’ny History of the Church,1:35).

  1. Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao fa nohazavaina ny sainao na nahatsapanao fiadanam-po mikasika ny zavatra iray izay nivavahanao. Manorata ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny zavatra iray niainanao; avy eo dia diniho ny handraisana an-tsoratra ny sasany amin’ireo fahatsiarovana ireo ao amin’ny diarinao manokana.

Diniho hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fitadidiana ireo traikefa ireo sy ny fitokisana an’ireo fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainao tany aloha manampy anao amin’ny ho avy rehefa mila fanambarana na fitarihana ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:25–37

Nanoro hevitra an’i Joseph sy i Oliver mba handika teny fa tsy hiahiahy na hatahotra ny Tompo

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:25–31 isika no mianatra fa nilaza tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo hoe raha manam-paniriana izy dia afaka mahazo ny fanomezam-pahasoavana handika teny. Niantso azy ihany koa ny Tompo mba hiara-hijoro amin’ny Mpaminany Joseph Smith ka “hitondra ity asa fanompoana ity ho amin’ny hazavana” ho toy ny vavolombelona faharoa ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Oliver, dia inona no mety ho fahatsapana nanananao rehefa nandre ny andraikitra izay napetraky ny Tompo teo aminao?

Mieritrereta toe-javatra izay mety nahatsiarovanao ho niahiahy na natahotra mikasika ny zavatra iray izay tian’ny Tompo hataonao, toy ny hoe tamin’ny ianao nipetraka tery amin’ny lampihazo nandritra ny fivoriam-piangonana eo am-piandrasana ny fotoana hanaovanao lahateny, na mahatsiaro ho taomin’ny fanahy hizara ny filazantsara amin’ny namana iray, na rehefa mahafantatra fa mila miala tsiny amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana ianao noho ny zavatra izay nataonao na nolazainao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32–37, ary tadiavo ilay torohevitra izay nomen’ny Tompo tamin’i Joseph sy i Oliver Cowdery mikasika ireo ahiahy sy tahotra eo amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny zavatra nasaina nataony.

Fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’io torohevitra io ny hoe rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny ahiahy sy ny tahotra. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36 dia soratra masina fehezina.)

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36

  1. Manorata lahateny fohy (latsaky ny iray pejy) ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mifototra amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36. Afaka mamariparitra fomba tsotra ianao mba hanarahana ireo torohevitra ao amin’io soratra masina fehezina io. Afaka mampiasa fitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ianao na ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana, na koa aza olona ao amin’ny fianakaviana mba hanampy anao hanoratra ny lahateninao. Asio ohatra an’ny tenanao manokana ahitana ny Mpamonjy nanampy anao handresy ny tsy finoana sy ny tahotra. Anontanio ireo ray aman-dreninao sao dia afaka mizara ilay lahateny nomaninao mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7

Nampanantenaina tamin’i Jaona ilay Lalaina fa ho velona izy ary hitondra fanahy ho any amin’i Kristy mandra-pahatongan’ny Fiaviana Fanindroany

Indray mandeha tamin’ny volana aprily 1829, raha nanampy an’i Joseph Smith teo amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Oliver Cowdery dia nisy “tsy fitovian-kevitra teo amin’izy sy i Joseph … mikasika ny tantaran’i Jaona Apôstôly ao amin’ny Testamenta Vaovao [jereo ny Jaona 21:20–23; tamin’ny Mpamonjy niresaka momba ny fangatahan’i Jaona hitoetra ety ambony tany hatramin’ny Fiaviana Fanindroany] hoe maty ve sa mbola velona ihany izy” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:35–36).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–3 mba hahitana ny valin’ny fanontanian’i Joseph sy Oliver. Raha sahirana ianao eo amin’ny famantarana ny valiny dia vakio ny famintinana ny fizarana ho an’ny andininy 1–3.

Ankoatra izay voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo dia tsy misy na inona na inona voambara mikasika ny antsipirian’ny asa fanompoan’i Jaona, hoe aiza ho aiza ary inona no zava-bitany amin’ny maha-olona novana azy, noho izany dia tsy tokony hatao ny maminavina mikasika izany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:66–67 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy