Seminera
Fizarana 1: Andro 1, Ny drafitry ny famonjena


Fizarana 1: Andro 1

Ny Drafitry ny Famonjena

Fampidirana

Moa ve ianao efa nanontany tena hoe nahoana Andriamanitra no nandidy antsika hanao zavatra sasantsasany ary tsy hanao zavatra hafa sasantsasany? Ny fanaovana topimaso ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny famonjena antsika, izay indraindray antsoina hoe ny drafitry ny fahasambarana, dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ireo didiny. Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ny fahalalana momba ny drafitry ny fahasambarana, na amin’ny endrika famintinana aza, dia afaka mampanontany tena ireo tanora hoe ‘nahoana’” (“The Great Plan of Happiness” lahateny ho an’ireo mpampianatra filazantsara ao amin’ny DFF, 10 aog. 1993, 3,si.lds.org

Ity lesona ity dia famintinana fohy ny drafitry ny famonjena. Mifantoka amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany, izay nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ivo sy fototra manan-danja indrindra, ary fotopampianarana fototry ny drafitry ny famonjena lehibe sady maharitra mandrakizay” (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 8).

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika

Nambaran’ Andriamanitra tamin’i Mosesy ny tanjon’ny drafitry ny famonjeny rehefa niresaka nifanatrika izy ireo teo amin’ny tendrombohitra iray. Vakio ny Mosesy 1:39, ary tadiavo izay nolazain’ Andriamanitra fa hoe tanjony.

Fantatrao ve ny maha-samy hafa ny “tsy fahafatesana” sy ny “fiainana mandrakizay”? Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay ao amin’ny toetra efa nitsangana tamin’ny maty. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahazo io fanomezam-pahasoavana io avokoa ireo izay tonga eto an-tany ka nandray vatana nofo. Ny fiainana mandrakizay, na fisandratana, dia ny fiainan’ny fianakaviana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra. Azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ihany koa io fanomezana io saingy ho an’ireo izay mendrika ihany.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, ny fiainana mandrakizay no anarana omena ilay karazam-piainana izay iainan’ny Raintsika Mandrakizay. … Fiainana mandrakizay ny fiainan’ Andriamanitra; ny fiainana mandrakizay dia fiainan’ Andriamanitra—mitovy hevitra ireo teny roa ireo” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 237).

Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Ny tsy fahafatesana dia resaka habetsahana. Ny fiainana mandrakizay dia resaka hatsarana. …

“Ny fiainana mandrakizay no fiafarana ambony indrindra amin’ny fisiana. Mpandova io harembe tsy voavidy vola io izaho sy ianao amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ Andriamanitra antsika, mpiara-migoka ilay hoavy be voninahitra, mpahazo tombontsoa amin’ny famindrampo.

“Raha toa ka asan’ Andriamanitra ny tsy fahafatesana, dia voninahitr’ Andriamanitra izany ny fiainana mandrakizay” (“What Is the Difference between Immortality and Eternal Life?” New Era, Nov. 2006, 8).

Tafiditra ao amin’ny hoe fiainana mandrakizay ny fiainana eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fahatongavana ho tahaka Azy na eo amin’ny vatana na eo amin’ny toetra, ary ny fahazoana izay rehetra ananany, anisan’izany ny fananana fianakaviana mandrakizay.

Araka izay nianaranao tao amin’ny Mosesy 1:39, dia fenoy ity fanambarana fotopampianarana mikasika ny drafitry Ray any An-danitra ity: Ny tanjon’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ny hahazoantsika .

Niaina teo anatrehan’ny Ray any An-danitra isika, izay fanahy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tany isika no nianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika sy ny fomba hahafahan’ny fanarahana izany drafitra izany hanampy antsika hanatanteraka ny tanjony ho antsika. (Jereo ny F&F 138:55–56; Abrahama 3:22–28.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny fahatakaranao, dia inona no tsy nitovizantsika tamin’ny Ray any An-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany?

    2. Inona no nasehon’ny Ray any An-danitra antsika sy napetrany mba hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy?

  2. Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia mitaky antsika hiala eo anatrehany ka handalo ny fiainana an-tany. Diniho vetivety ny antony nilàntsika niala teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahan’ny fiainana an-tany manampy antsika hivoatra sy ho lasa mitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao.

Mikasika ny fiainantsika eto ambonin’ny tany dia hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Nanome drafitra iray ho antsika Andriamanitra. Nalefany tety an-tany isika rehetra mba hahazo vatana sy hahazo traikefa ary hivoatra” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball 1982, 25; nampiana fanamafisana). Ahoana no fomba ahafahan’ny fandraisana vatana sy ny fahazoana traikefa eto an-tany manampy antsika ho lasa mitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra? Inona no anjara asan’ireo olana toy ny fakam-panahy, ny aretina, ny alahelo, ny fanaintainana, ny fahakiviana, ny kilema, ary ireo fahasarotana hafa rehetra eo amin’ny fiainana eo amin’ireo ezaka ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay sy hitovizana bebe kokoa amin’ny Ray any An-danitra?

Sakana iray lehibe hatrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany ny fahotana. Ny fahotana dia manakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy hiverina hiaina miaraka Aminy (jereo ny F&F 20:18–20; Mosesy 6:57). Tsy hoe mahatonga antsika haloto fotsiny ny fahotana, fa ny manota dia mifanohitra ihany koa amin’ny toetran’ Andriamanitra—tsy afaka manohy manota isika no sady manatratra ny tanjontsika hoe ho lasa mitovy amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Almà 41:10–11).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42, ary mariho ny fomba izay nomen’ny Ray any An-danitra ahafahana misoroka ny fahotana.

Sary
Mivavaka ao Getsemane i Jesoa
Sary
Ny Fanomboana

Ilay fahamarinana hoe nijaly sy nohomboana noho ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy dia ivon’ny fotopampianaran’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika ary afaka manome fanantenana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Makà fotoana kely hieritreretana izay hevitry ny sorona nataon’ny Mpamonjy aminao.

Raha nanefa ny saran’ny fahotantsika i Jesoa Kristy, dia tsy nanaisotra ny andraikitry ny tenantsika manokana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:22–23; 25:13, 15, ary tadiavo izay takiana amintsika mba hahafahantsika mandray ilay hery manadio ananan’ny Sorompanavotana sy hahafahantsika miverina miaina eo anatrehan’ Andriamanitra indray. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Raha araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:22–23; 25:13, 15, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy handraisana ireo fitahiana entin’ny sorompanavotana nataony? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Raha mankato ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara isika, dia ho afaka mandresy ny fahotana amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 10:32–33). Noho ny Sorompanavotana, dia afaka mibebaka sy ho voavela heloka isika ary mandray ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay mitarika antsika eny amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, raha mitandrina ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa.

Ankoatra ny fahotana dia misy sakana iray hafa izay tsy maintsy resena raha te hahazo ny fiainana mandrakizay. Vakio ny Almà 12:24 dia fantaro ilay sakana.

Rehefa maty isika dia misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika. Raha misaraka mandrakizay ny fanahintsika sy ny vatantsika, dia tsy mety ho tanteraka ny hoe lasa mitovy amin’ Andriamanitra. Tsy afaka ny hitovy amin’ny Ray any An-danitra isika raha tsy manana vatana nofo sy taolana (jereo ny F&F 93:33–34; 130:22).

Vakio ny Almà 11:42–45, ary fantaro hoe ahoana no fomba handresena ilay fisarahan’ny fanahintsika sy ny vatantsika izay mitranga rehefa maty.

Sary
I Maria sy ilay Tompo efa Nitsangana tamin’ny Maty
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no vaovao mahafaly ho an’ny tsirairay ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

    2. Ahoana no ahafahan’ny fanantenana ny Fitsanganana amin’ny maty mitondra fifaliana ho anao?

Araka izay novakianao teo aloha teo, ny tsy fahafatesana dia fanomezana azo avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay ho azon’ny olon-drehetra, tsy hijerena na nanao ny tsara izy ireo na nanao ny ratsy nandritra ny fiainana an-tany (jereo ny Almà 11:42–45; F&F 138:14–17). Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olombelona rehetra ary hiaina mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay kosa anefa dia fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo izay mankato ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny Filazantsarany ihany (jereo ny F&F 14:7).

Sary
kisary maneho ny drafitry ny famonjena
  1. Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nianaranao mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika. Mitadiava fotoana hampianarana amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray izay zavatra nianaranao mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena antsika. Azonao atao ilay kisary nampiarahana aminy rehefa manazava izany ianao. Mivonona hizara ny traikefanao amin’ny mpampianatrao.

Ity lesona ity dia nampiseho famintinana fohy ihany mikasika ny drafitry ny famonjena. Mandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity dia hianatra fahamarinana maro kokoa izay mifandray amin’ny drafitry ny famonjena ianao. Rehefa mianatra misimisy kokoa mikasika ilay drafitra ianao dia tadiavo hoe inona no nataon’ Andriamanitra ho anao, ary aoka ianao hahay hihaino ny bitsiky ny Fanahy mikasika izay tokony hataonao mba handraisana ireo fitahiana feno izay atolotry ny Ray any An-danitra.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona “Ny drafitry ny famonjena” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy