Seminera
Fizarana 27: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–25


Fizarana 27: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–25

Fampidirana

Ity lesona ity dia miresaka mikasika ireo ampahany sisa tavela tamin’ny taratasy iray izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ireo Olomasina tamin’ny fiandohan’ny volana septambra 1842. Ao amin’io ampahany amin’ilay taratasy io ny Mpaminany dia nampianatra mikasika ny famonjena ny velona sy ny maty. Namporisika ny Olomasina ihany koa izy mba ho mahatoky amin’ny asa ataon’izy ireo ho an’ny maty ka naneho ny hafaliany tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–18

Mampianatra momba ny famonjena ny velona sy ny maty i Joseph Smith

Sary
Toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

Alaivo sary an-tsaina hoe manatrika varavarana misokatra ataon’ny tempoly miaraka amin’ny namana iray tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao. Rehefa niditra tao amin’ny efitrano fanaovana batisa ho an’ny maty ianareo dia manontany ilay namanao hoe: “Maninona ianareo no hatao batisa ho an’ny maty?” Manontany koa ilay namanao hoe: “Resahina ao amin’ny Baiboly ve ny batisa ho an’ny maty?”

Rehefa mandalina ny lesona atao androany ianao dia hahafantatra ireo fitsipika izay afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo.

Azonao atao ny mitadidy avy amin’ny lesona teo aloha fa tamin’ny volana septambra 1842 ny Mpaminany Joseph Smith dia niafina ireo lehilahy izay nikatsaka ny hisambotra azy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Raha mbola niafina izy dia nanoratra taratasy ho an’ny Olomasina. Tao amin’io taratasy io izy dia nampianatra azy ireo mikasika ny batisa ho an’ny maty.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–13, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith mikasika ny tandindon’ny batisa.

  1. Manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny fomba azonao ampiasana ireo fampianarana ao amin’ny andininy 12–13 mba hanampiana olona iray hahatakatra ny antony hanaovana batisa amin’ny alalan’ny fanitrihana anaty rano.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:14 ianao dia jereo ny fomba nanantitranteran’i Joseph Smith ny maha-zava-dehibe ny fitanana rakitsoratra eken’ny Tompo mikasika ny asa famonjena ho an’ny maty.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, mba hitadiavana ireo antony hanatanterahantsika batisa ho an’ny maty.

Ao amin’ny andininy 15, ilay andian-teny hoe “tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika” dia midika fa ireo razambentsika izay maty tsy nahalala ny filazantsara dia tsy afaka mankany amin’ny fahalavorariana raha tsy tanterahina ho azy ireo ny ôrdônansin’ny famonjena an’ny filazantsara.

Vakio ity fampahalalana manaraka ity, ka asio marika ireo andian-teny izay milaza ny fomba ahafahanao manampy ny razambenao izay maty tsy nahalala ny filazantsara:

“Miaina any amin’ny toerana iray antsoina hoe tontolon’ny fanahy ireo razambenao efa nodimandry. Manana ny fahafahana hihaino sy hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo any. Kanefa, tsy afaka mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny tenany izy ireo ary tsy afaka mivoatra ambara-panomezan’ny hafa an’ireo ôrdônansy ireo azy ireo.

“Tombontsoanao sy andraikitrao ny manome an’io fanomezana io an’ireo razambenao amin’ny alalan’ny famantarana azy ireo sy ny fakana antoka fa notanterahina any amin’ny tempoly teo amin’ny toeran’izy ireo ny ôrdônansy. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny manaiky na tsia ny asa izay notanterahina” (Member’s Guide to Temple and Family History Work [2009], 2).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mety ho inona no tsapan’ireo razambenao ho anao araka ny eritreritrao rehefa atao batisa ho azy ireo ianao? Raha efa nanana fahafahana nandray anjara tamin’ny fanaovana batisa ho an’ny maty ianao dia manorata ihany koa mikasika ny zavatra tsapanao nandritra izany zavatra niainana izany.

Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, mba hitadiavana antony iray hafa hanatanterahantsika batisa ho an’ny maty. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao ity Fotopampianarana manaraka ity: Ny famonjena an’ireo razambentsika izay efa nodimandry dia amin’ny famonjena antsika.

Rehefa manohy mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 ianao dia saintsaino ny antony tena ilàna ny fanaovana ny tantaram-pianakaviantsika sy ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny famonjena antsika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:16–17, mba hitadiavana ireo fampianarana avy amin’ny Apôstôly iray ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha. Nahoana no mety hanampy ny mahafantatra fa mirakitra ireo fampianarana mikasika ny asa atao ho an’ny maty ny Baiboly?

Efa nandinika tsara ny rojo vy iray ve ianao? Mba hanamafisana ny rojo iray dia atambatra mba hihidy ny mason-drojo tsirairay rehefa avy ampifandraisina amin’ny mason-drojo iray hafa.

Sary
mason-dronjo mifampitohy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18, mba hitadiavana ny zavatra hifandraisan’ireo mason-drojo amin’ny fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny batisa ho an’ny maty. (Tsarovy fa ny fotoampitantanana dia vanim-potoana iray izay nanambaran’ny Tompo ny fotopampianarany sy ny ôrdônansiny ary ny fisoronany [jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana”]. Ao amin’io andininy io, ny teny hoe zanaka dia manondro antsika ary ny teny hoe ray dia manondro ireo razambentsika.)

Azonao atao ny manoratra ity Fotopampianarana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 18: Manampy antsika hifamatotra mandrakizay amin’ireo razambentsika ny batisa ho an’ny maty.

Ankoatra ny batisa dia zava-dehibe ihany koa ny ôrdônansin’ny famonjena hafa—fandraisana ho mpikambana, fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), fanafiana any amin’ny tempoly, ary ny ôrdônansin’ny famehezana mba hanamafisana ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo razambentsika sy ny tenantsika.

Mba hampitomboana ny fahatakaranao ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 dia halalino ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Nanontany teny ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fingonana mikasika ny tiana holazaina tamin’ireo tenin’ny Mpaminany izay milaza fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo ireo ireo havantsika izay maty. Tsy hahazo fahalavorariana ve ny lehilahy iray izay mitandrina ny didin’ny Tompo sy mahatoky ary marina raha ny aminy manokana no jerena? Eny, raha toa ka mahazo izany tombontsoa izany koa ireo havany maty izay mendrika, satria tsy maintsy misy ny rafitry ny fianakavianairay , ny vondrom-pianakaviana iray, ary ny taranaka tsirairay dia tsy maintsy fatorana amin’ilay rojo izay teo aloha mba hitondrana ny fahalavorariana ao anatin’ny rafitry ny fianakaviana. Ka amin’ny farany dia ho fianakaviana iray lehibe isika miaraka amin’i Adama eo amin’ny lohany, i Mikaela, ilay arakanjely, miahy ny taranany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:175).

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18, dia nahoana no zava-dehibe ny hoe isan’ny ao anatin’io tohivakan’olona izay nampifandraisina na nofatorana miaraka io ny tena?

Ireto teny nambara manaraka ireto dia afaka manampy anao mahatakatra izay tiana hambara amin’ilay ozona ao amin’ny andininy 18:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith: “Raha tsy misy ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo ray sy ny zanaka—dia ny asan’ny atao ho an’ny maty izany—dia holavina isika rehetra. Tsy hahomby ny asan’ Andriamanitra iray manontolo ka horingana tanteraka” (Doctrines of Salvation, 2:122).

Sary
Loholona L. Tom Perry

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ivon’ny filazantsaran’ny Mpamonjy antsika ny fianakaviana mandrakizay. Tsy misy antony tokony hiverenany eto an-tany mba hanapaka sy hanjaka eo amin’ny fanjakany raha tsy voatsangana ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra ny vondron’ny fianakaviana mandrakizay. Rehefa mahatakatra ny anjara asa mandrakizain’ny fianakaviana isika dia lasa manan-danja bebe kokoa ny fikolokoloana sy ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana” (“Youth of the Noble Birthright,” Ensign, nôv. 1998, 74).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 izay nataonao dia nahoana ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly no ilaina amin’ny famonjena antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19–25

Maneho fifaliana ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara i Joseph Smith ka manentana an’ireo Olomasina ho mahatoky rehefa miasa ho amin’ny famonjena ny maty izy ireo

Mieritrereta fotoana iray izay nahafaly anao rehefa nahare vaovao tena tsara. Naniry ny hizara izany tamin’ny hafa ve ianao rehefa nahare izany? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19 . Jereo ny vaovao izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa voaraintsika.

Amin’ny fomba ahoana no maha-feon’ny fifaliana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny velona sy ny maty?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:20–21 ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Joseph Smith niaraka tamin’ireo iraka avy any an-danitra rehefa naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny filazantsara.

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe naverina tamin’ny laoniny amin’ny fotoampitantanan’ny fotoam-pahafenoana ny fanalahidy sy ny fahefana tamin’ireo fotoampitantanana taloha. Soraty ao anatin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina io fahamarinana io.

Sary
Filoha John Taylor

Hoy ny Filoha John Taylor: “Raha nanontany an’i Joseph ianao hoe toy ny ahoana ny endrik’i Adama dia nolazainy anao avy hatrany izany; Nolazainy anao ny habeny sy ny endriny ivelany ary izay rehetra mombamomba azy. Mety nanontany azy ianao hoe lehilahy manao ahoana i Petera sy i Jakoba ary i Jaona,dia ho afaka nilaza izany taminao izy. Nahoana? Satria nahita azy ireo izy” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 103).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Rehefa mahafantatra ianao fa naverina tamin’ny laoniny teto an-tany tamin’ny alalan’ireo iraka avy any an-danitra ny filazantsara dia inona no fiantraikan’izany eo amin’ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22–23 dia mirakitra ny fanehoan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fifaliana tsapany satria naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ary satria afaka manampy amin’ny fanavotana ny maty ny Olomasina. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao dia azonao asiana marika ireo andian-teny izay manan-danja aminao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:24 mba hitadiavana fanatitra iray izay nasain’ny Mpaminany nataon’ireo Olomasina ho an’ny Tompo. Inona no azonao atao mba hitondrana anjara biriky amin’io “boky” io?

Saintsaino ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa manao ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana isika ka mandray ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika dia manao fanatitra amim-pahamarinana amin’ny Tompo isika. Rehefa mieritreritra momba io fahamarinana io ianao dia vakio ity teny manaraka ity, izay namariparitan’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny anjara asanao amin’ny asa famonjena ho an’ny maty:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Maro aminareo no mety mieritreritra fa natao ho tanterahan’ ireo olon-dehibe aloha ny fanaovana ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Kanefa izaho tsy mahita filazana fetran-taona ao amin’ ny soratra masina na torolalana izay nambaran’ ireo mpitarika ny Fiangonana ka mametra izany asa manan-danja izany mba ho ataon’ ireo olon-dehibe ihany. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ianareo, zanaka araky ny fanekempihavanana ary mpanangana ny fanjakana. Tsy mila miandry mandrapahatongan’ izay taona eritreretina fa takiana ianao vao hanatontosa ny andraikitrao ao anatin’ ny asa famonjena ho an’ ny fianakavian’ ny zanak’ olombelona rehetra. …

“Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ … ireo fitaovana hafa amin’izao fotoana izay maha havanana an’ireo tanora eo amin’ny lafin’ny teknôlojia ara-pahalalam-baovao sy ara-pifandraisana amin’ny endriny maro. … Ireo fahaiza-manao hita soritra eo anivon’ireo tanora maro amin’izao fotoana izao dia isan’ny fiomanana mba hitondra anjara biriky ao anatin’ilay asa famonjena.

“Manasa ireo tanoran’ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’i Elia sy hiaina izany. Mamporisika anareo aho handalina, sy hikaroka momba ireo razambenareo ary hiomana hanatanteraka batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena ao amin’ny tranon’ny Tompo ho an’ireo razambenareojereo F&F 124:28–36). Ary mamporisika anareo aho hanampy ireo olona hafa hamantatra ny tantaram-pianakaviany” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 26–27).

Sary
tanora mandeha manatona ny tempoly
  1. Mba hampiharana ny zavatra nianaranao androany dia manaova drafitra mba hanampiana ny sasany amin’ireo razambenao handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Azonao atao ny miara-miasa amin’ireo ray aman-dreninao na amin’ny mpanoro hevitra mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy rehefa manao io drafitra io ianao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina araka izao manaraka izao ny drafitrao:

    1. Ny drafitra ataoko mba hitady ny anaran’ireo razambe izay mila ireo ôrdônansin’ny tempoly:

    2. Ny drafitra ataoko mba hanatanteraka asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambeko: (Raha azo atao dia manaova drafitra hankanesana any amin’ny tempoly mba handray ireo batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ireo razambe izay hitanao.)

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:12–25 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy