Seminera
Fizarana 24: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112


Fizarana 24: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112

Fampidirana

Ny 23 jolay 1837, dia nandray ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ho an’i Thomas B. Marsh, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana ny Mpaminany Joseph Smith. Ao amin’io fanambarana io dia notoroina hevitra mikasika ny andraikitra nosahaniny manokana sy ny an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Thomas Marsh.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:1–13

Nanome torohevitra manokana sy nampanantena fitahiana ho an’i Thomas B. Marsh ny Tompo

Diniho ny fotoana izay nahatsapanao fahatezerana, fahasorenana, fanafintohinana, na fialonana izay vokatry ny fifandraisanao tamin’ny hafa. I Thomas B. Marsh, izay Apôstôly tany am-boalohany, dia niatrika toe-javatra iray izay mety nitondra azy hanana karazana fihetseham-po toy izany.

Fotoana fohy taorian’ny niantsona azy ho Apôstôly tamin’ny taona 1835, dia voatendry ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Thomas B. Marsh. Ny lohataonan’ny 1837, dia naheno ny Filoha Marsh fa nikasa hanao asa fitoriana any Angletera izay tsy nahazoana torolalana avy aminy ny Apôstôly iray, dia i Parley P. Pratt. Nanoratra tamin’ny Loholona Pratt sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy ny Filoha Marsh ka nanasa azy ireo mba hihaona aminy tany Kirtland, Ohio tamin’ny 24 jolay 1837 mba hahafahan’izy ireo ho miray hina ao amin’ny drafitry ny asa fitorian’izy ireo. Roa volana talohan’io fivoriana io anefa, dia nanainga ho any Angletera ny mpikambana roa hafa tao amin’ilay kôlejy, dia i Heber C. Kimball sy i Orson Hyde, rehefa nahazo ny antso hitory avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Filoha Marsh dia toa tohina noho ny fikasan’ny mpikamban’ny Roambinifololahy hitory ny filazantsara any Angletera tsy nanarahan’izy ireo ny firaisan-kinan’ny kôlejy sy ny fandraisany an-tanana.

Manoloana io toe-javatra io, inona no zavatra afaka nataon’ny Filoha Marsh mba hialana amin’ny fahatsapana fahatezerana, fahasorenana, fanafintohina na fialonana? Inona no sasany amin’ireo loza amin’ny famelana ny fahatsapana toy izany mba hitantanana ny eritreritra sy ny asantsika?

I Brigham Young, izay mpikamban’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana, dia nandresy lahatra ny Filoha Marsh ny hifankahitany amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Ho setrin’ny ahiahin’ny Filoha Marsh, dia nanome ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ho an’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:1–3, ary tadiavo ny fampitandremana nomen’ny Tompo ho an’i Thomas B. Marsh. Rehefa mamaky ianao dia mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe nanetry ao amin’ny andininy 3 dia manambara fa ny Filoha Marsh dia nanetry ny tenany. Inona ireo fampitandremana nomen’ny Tompo azy? Inona ireo zavatra tsara nolazain’ny Tompo fa nataon’i Thomas?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:4–10 ny Tompo dia manome torohevitra fanampiny ho an’i Thomas B. Marsh ary manome toky azy Izy fa afaka manatanteraka zavatra mahagaga izy raha miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:4–10. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Thomas B. Marsh. (Ao amin’ny andininy 5, ny teny hoe mifandahara dia tsy midika hoe tezitra na mifanditra. Midika hoe miasa amim-pahazotoana amin’ny fitoriana ny filazantsara izany.)

Fenoy ity fehezan-teny miendrika “raha–dia” manaraka ity, avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10: Raha toa isika , dia ny Tompo. (Azonao atao ny manisy marika io fitsipika io ao anatin’ny soratra masinao.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no manampy antsika handray ny torolalan’ny Tompo ny fanetrentena?

    2. Oviana no nahatsapanao fa notarihan’ny Tompo ianao rehefa nanetry ny tenanao?

Sary
Joseph Smith

Tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ity fanambarana tamin’ny jolay 1837 ity, dia nandalo fisaraham-bazana, fifandirana ary apôstazia ny Fiangonana. Nitarika ny mpikamban’ny Fiangonana sasany hanakiana mivantana ny Mpaminany Joseph Smith sy hametra-panontaniana mikasika ny fahefany ny avonavona sy ny lolom-po. Amin’ny ampahany dia azo lazaina fa ireo olana ireo no vokatry ny fahasahiranana ara-bola teo anivon’ny Olomasina tany Kirtland, Ohio. Noho ny olana ara-toe-karena niely patrana, izay nantsoina hoe ny Ahiahin’ny taona 1837 taty aoriana, dia maro tamin’ireo banky tany Etazonia no bankirompitra. Ny Kirtland Safety Society, izay fikambanana ara-bola natsangan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana; dia bankirompitra ihany koa ny fararanon’ny 1837. Mpampiasa vola niisa roanjato no saika nahafoy ny zava-drehetra nampisany vola, ary i Joseph Smith no nahafoy betsaka indrindra. Na dia tsy novatsian’ny Fiangonana vola aza ny Kirtland Safety Society dia nihevitra ny Olomasina sasantsasany fa bankin’ny Fiangonana izany, na bankin’ny Mpaminany izany, ary nanome tsiny an’i Joseph Smith izy ireo noho ny olany ara-bola. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Fa betsaka ihany koa anefa no nizotra hatrany amim-pinoana ary nijanona ho marina tamin’ny Mpaminany, na dia nahafoy vola betsaka noho ny naha-bankirompitra ny Kirtland Safety Society aza izy ireo. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 171–73.)

Ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany, anisan’izany ny mpikamban’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sasantsasany, dia nikatsaka mihitsy ny hanaisotra an’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11–13, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Thomas B. Marsh mba hanampiana ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay sahirana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:14–34

Mampianatra an’i Thomas B. Marsh mikasika ireo adidin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Tompo

Ny Filoha Marsh dia nanana toerana manan-danja ary nanana andraikitra maro, izay nomen’ny Tompo.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no afaka manampy anao hanetry tena rehefa mandray fankasitrahana na andraikitra manan-danja ianao?

Ny Tompo dia nanampy an’i Thomas B. Marsh hahita ny maha-zava-dehibe ny andraikitra nananany tamin’ny naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy sady nampahatsiahy azy hatrany ny amin’ny tokony hanetreny tena. Fenoy ity tabilao ity rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:14–22, 28–33 ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:14–22, 28–33

Andian-teny manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny andraikitry ny Filoha Marsh:

Andian-teny mampatsiahy an’i Thomas Marsh fa tokony hanetry tena izy:

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Araka ny andininy 16–17, dia inona no fanalahidin’ny fisoronana hazonin’ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? Asio marika ao amin’ny soratra masinao ny Fotopampianarana nianaranao, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

    2. Soraty ny fitsipika iray izay nianaranao tao amin’ny andininy 30–32 mikasika ny fanalahidin’ny fisoronana izay nohazonin’ny Filoha Marsh.

Asio marika ity Fotopampianarana manaraka ity izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:30–32: Ny fanalahidin’ny fisoronana dia naverina tamin’ny laoniny ho an’ny fotoana farany amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana.

Ny hoe fotoampitantanana dia vanim-potoana iray izay hanambaran’ny Tompo ny fotopampianarany sy ireo ôrdônansiny ary ny fisoronany. Izy io dia vanimpotoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray nahazo lalana eto an-tany izay mihazona ny fisoronana masina sy nahazo iraka avy amin’ Andriamanitra ny hitantana ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao anatin’izany. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana.”)

Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:15, 30, dia inona no voalazan’ny Tompo momba ny fifandraisan’ny andraikitr’i Thomas Marsh amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy sy ny andraikitry ny Mpaminany Joseph Smith?

Sarotsarotra tamin’i Thomas B. Marsh ny nanaraka ny torohevitra noraisiny tao amin’io fanambarana io.

Fotoana fohy taorian’ny nanomezana ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 dia nilaza tamin’i Vilate Kimball (vadin’i Heber C. Kimball) i Thomas B. Marsh fa tsy hahomby amin’ny asa fitoriana ataony i Heber. Ny Filoha Marsh dia toa nahatsapa fa noho ny fitoriana ny filazantsara any ivelany ao anatin’ny andraikitra sahaniny, dia tsy afaka hosokafana mihitsy ny varavaran’ny asa fitoriana any Angletera raha tsy hoe izy no mandefa olona any na izy tenany mihitsy no mankany.

Diniho ny fomba hanehoan’io zava-nitranga io fa sarotra tamin’ny Filoha Marsh ny manetry tena.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hahafahantsika manetry tena bebe kokoa sy miala amin’ny fieboeboana:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy midika ho fandraisana ny tenantsika ho tsy misy ilana azy, na tsy misy fotony na tsy manana ny hasiny ny fananana fanetrentena. Tsy midika koa izany fa fandavana na tsy fanehoana ny talenta izay nomen’ Andriamanitra antsika. Tsy amin’ny alalan’ny fanambaniana ny tenantsika no hananana fanetrentena fa amin’ny alalan’ny fampihenana ny fieritreretana ny mikasika ny tenantsika. Tonga izany rehefa mandeha manao ny asa amin’ny fisainana entina hanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika izany.

“Mitarika ny fisainantsika sy ny fitiavantsika ireo hafa sy amin’ny tanjon’ny Ray any an-danitra ny fanetrentena. Manao ny mifanohitra amin’izany ny fieboeboana. Ao amin’ny fantsakana lalin’ny fitiavan-tena no hanovozan’ny fieboeboana ny heriny sy ny tanjany. “Amin’ny fotoana hanajanonantsika ny fieritreretana mikasika ny tenantsika sy hanariantsika ny tenantsika ao anatin’ny asa fanompoana dia hihena sy ho faty tsikelikely ny fieboeboana ao amintsika” (“Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 58).

  1. Hazavao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao iray ny zavatra nianaranao mikasika ny fanetrentena. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’io olona io.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:34, ary tadiavo ny zavatra nilain’i Thomas Marsh atao mba handraisana ireo fitahiana ireo.

Farano ity fitsipika manaraka ity: Tsy maintsy isika mba hahazoana ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Tompo.

Ity tantara manaraka ity dia mamintina ny fihemoran’i Thomas B. Marsh taty aoriana sy ny niverenany tao amin’ny Fiangonana indray:

Nandritra ny fotoana voafetra, dia nanaraka ny torohevitra noraisiny ny Filoha Marsh. Niasa izy mba hampatanjahana ny Fiangonana sy hanohanana an’i Joseph Smith. Vetivety anefa dia natodiny tamin’ny fomba nitarihana ny Fiangonana ny toetrany nila ady. Nitambatra tamin’ny ahiahy momba ireo ady teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsy nankatò sy nahery setra sy ireo mpifanolodorindrina tamin’izy ireo tao Missouri ireo fahatsapana ireo. Raha teo ambany fitaoman’izany fanahin’ny fihemorana izany izy dia tafiditra tao anatin’ny fifamaliana i Elizabeth vadiny tamin’ny volana septambra 1838. Nifanaiky ny hifanakalo tsy tapaka ny ronono izy sy ny rahavavy iray izay samy mpikamban’ny Fiangonana mba hahazoana fromazy kanefa niampanga azy ny Rahavavy Marsh fa nandika ny fifanarahany izy rehefa nihazona ny ampahana ronono izay matavy kokoa. Nentina teo anoloan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana mihoatra ny indray mandeha izany olana izany. Nentina teo anoloan’ny Fiadidiana Voalohany mihitsy aza izany. Tapaka hatrany ny hevitra fa diso Rahavavy Marsh. Tezitra ny Filoha Marsh ary tsy afa-po tamin’ireo fanapahan-kevitra ireo (jereo ny George A. Smith, “Discourse,” Deseret News, 16 apr 1856, 44). Raha toa ka tsy nitarika azy hiala ny Fiangonana izany toe-javatra niseho izany dia nifangaro tamin’ny olana hafa. Lasa nitombo fatratra ny tsikera nataony tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa, ary taty aoriana izy dia nivadika tamin’ny Olomasina. Nitantara izy taty aoriana hoe: “Lasa nialona ny Mpaminany aho … ary nanao tsinontsinona izay rehetra mety ka nandany ny fotoanako rehetra tamin’ny fitadiavana izay ratsy” (“Remarks,” Deseret News, 16 sept 1857, 220).

Valo ambin’ny folo taona taorian’ny nialany tamin’ny Fiangonana, dia nanoratra tamim-panetrentena ho an’i Heber C. Kimball i Thomas Marsh, nangataka famelana sy fahazoana lalana ho lasa mpikamban’ny Fiangonana indray. Nohazavainy ny zavatra nianarany tamin’ny alalan’ny fahadisoany: “Afaka manao izay tiany atao ny Tompo na tsy misy ahy aza ary tsy manary na inona na inona Izy tamin’ny fandaozako ny Fiangonana; Fa etsy andanin’izany kosa, akory ireo zavatra nafoiko?!” (Taratasy nosoratan’i Thomas B. Marsh ho an’i Heber C. Kimball, 5 mey 1857, Brigham Young Collection, Church History Library, araka ny voalaza ao amin’ny Kay Darowski, “The Faith and Fall of Thomas Marsh,” Revelations in Context [19 mar. 2013]; history.lds.org).

  1. Fintino ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinanao androany. Safidio ny fomba iray hahafahanao ho mpanetry tena sy mahatoky bebe kokoa, ary soraty ny tanjona iray hanatanterahana izany.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy