Seminera
Fizarana 9: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38


Fizarana 9: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38

Fampidirana

Nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana mba hivondrona tany Ohio ny Tompo tamin’ny volana desambra 1830 (jereo ny F&F 37). Nihaona tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana fahatelo ny Olomasina avy tamin’ny sampana samihafa tany New York tamin’ny 2 janoary 1831. Voaray nandritra ilay fihaonambe ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 izay namporisihan’ny Tompo ny Olomasina sy nanampiany azy ireo hanaiky ny didiny mba handehanana any Ohio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–7

Miteny amin’ny Olomasiny i Jesoa Kristy fa eo anivon’izy ireo Izy

Efa tsikaritrao ve fa mety ho mora ho anao ny mankatò ny didy sasany ary sarotra kokoa ny mankatò ny didy hafa? Ataovy lisitra ny sasany amin’ireo didy izay tsapanao fa mora kokoa ho anao ny mankatò izany:

Sary
Kiboky Ry Tanora Mahereza

Izao dia saintsaino ireo didy izay mety ho sarotra kokoa ho anao ny mankatò izany.

Nanontany momba ny fifindrana any Ohio ny Olomasina sasany tany New York nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray tamin’ny volana janoary 1831. Saintsaino ny antony mety ho naha-sarotra ny fankatoavana izany didy izany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany.

Niahotra ny handao ireo toeram-pambolena amam-piompiany izay niroborobo tokoa sy toe-javatra niainany tena nahafapo mba ho any amin’ny toeram-baovao tsy fantatra ny Olomasina sasany tany New York. Ankoatra izany tao ireo izay mety nanary vola tamin’ny famarotana ny fananan’izy ireo, raha toa ka afaka nivarotra ny fananany aza.

Ho valin’ny ahiahin’ny Olomasina dia nivavaka i Joseph Smith mba hahafantatra bebe kokoa momba ilay didy mba hivondrona any Ohio, ka nandray ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 izy. Eo am-pandalinana ity fanambarana ity dia hianatra ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hankatò an-tsitrapo ireo didin’ Andriamanitra rehetra ianao, na ireo izay sarotra kokoa aminao aza ny mankatò izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3 ka tadiavo ireo fitsipika izay azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy. (Azonao atao ny manisy marika izay nianaranao tao anatin’ny soratra masinao na mandray izany an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.)

Fitsipika manan-danja iray ianarantsika avy amin’ny andininy 2 ny hoe mahafantatra ny zava-drehetra i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fomba mety ho nanampian’ny fahatakarana ity fitsipika ity an’ireo Olomasina izay sahirana tamin’ny fankatoavana ilay didy mba handao an’i New York ka hifindra any Ohio.

  1. Manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny fomba mety nanampian’ity fitsipika ity anao ihany koa tamin’ireo fotoana izay nanahirana anao ny nankatò ny didy izay nomen’ny Tompo.

Talohan’ny nahazoana ity fanambarana ity dia teo am-panaovana ny asa fandikan-teny ny Baiboly teo ambany fitarihan’ny Fanahy i Joseph Smith ary nahazo ny zavatra hita ao amin’ny Mosesy 6–7 ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ankehitriny. Ireo toko ireo dia mitantara ny momba ny mpaminany iray izay nantsoina hoe Enoka sy ny vahoakany, izay nantsoina hoe Ziona noho ny fahamarinan’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:4 ka tadiavo ny nataon’ny Tompo tamin’i Enoka sy ny vahoakany. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa rehefa niteny ny Tompo hoe “eo an-tratrako,” dia ny eo anatrehany no tiany ambara.

Inona no nolazain’ny Mpamonjy, any amin’ny faran’ny andininy 4 fa nataony ho an’ireo izay nino ny Anarany?

Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no hanampiana ny olona iray izay sahirana amin’ny fiezahana hatrany ny fahafantarana fa mitalaho amin’ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay mino Azy i Jesoa Kristy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:5–7 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ i Jesoa Kristy momba ny toerana misy Azy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Mitondra fiadanana sy risi-po ho anao amin’ny fomba ahoana ny finoana ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:7?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:8–12

Mamariparitra ireo izay hiaraka Aminy amin’ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo

Rehefa nanampy ireo Olomasina tany New York mba hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiangonana any Ohio ny Mpamonjy dia niresaka momba ny Fiaviany Fanindroany.

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:8–10 ka tadiavo ny zavatra nambaran’ny Mpamonjy momba ny Fiaviany Fanindroany. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ireo izay “hahatanty ny andro” (F&F 38:8) amin’ny Fiaviana Fanindroany dia ireo izay ho afaka hijanona eto an-tany miaraka amin’ny Mpamonjy rehefa tonga Izy. Saintsaino hoe ahoana no fomba hanampian’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 8–10 anao mba hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hoe voadio sy madio mialohan’ny Fiaviana Fanindroany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:11–12 mba hahafantarana momba ny sasany amin’ireo fepetra izay hisy eto ambonin’ny tany mialohan’ny Fiaviana Fanindroany. Ny sarin’ireo anjely miandry mba “hijinja ny tany” dia ilazana ny fanoharan’ny Mpamonjy ny amin’ny varimbazaha sy ny tsimparifary (jereo ny Matio 13:24–30; F&F 86:1–7) ka ao anatin’izany, ny varimbazaha (ireo olo-marina) dia hangonina mialoha ny hanangonana sy handorana ireo tsimparifary (ireo olon-dratsy).

Saintsaino izay azonao atao mba hiomananao bebe kokoa mba “hahatanty ny andro” amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ka tsy ho anisan’ireo tsimparifary.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:13–33

Nanazava ny antony nandidiany ireo mpikamban’ny Fiangonany mba hiangona any Ohio i Jesoa Kristy

Mieritrereta momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fa tandindomin-doza ianao na ara-batana izany na ara-panahy. Inona avy ireo fampitandremana izay nanampy anao hahafantatra fa tandindomin-doza ianao?

Nampitandrina ireo Olomasina ny Tompo momba ireo loza izay ho atrehin’izy ireo raha toa ka nijanona tany New York izy ireo. Jereo ny andian-teny farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:12. Inona no nampianarin’ny Tompo momba ny fahavalon’ny Olomasina?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:13, 28–29 ka tadiavo ireo fikasan’ireo fahavalo mikambana. Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa afaka mampitandrina antsika amin’ny loza ny Tompo. Ny fampitandremana toy izany dia afaka ho tonga amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina na amin’ny alalan’ny fampianaran’ny mpanompon’ny Tompo, ka anisan’izany ireo lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana.

  1. Oviana ianao na ny olona fantatrao no nampitandreman’ny Tompo momba ny loza ara-panahy na ara-batana? Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny fampitandremana iray avy tamin’ny Tompo izay azonao na azon’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao sy ny zavatra nataonao (na nirinao ho natao) na ny zavatra nataon’ilay olona ao amin’ny fianakavianao na ilay namanao ho setrin’izany fampitandremana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:14–15, 30 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Olomasina mba hataon’izy ireo. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tany amin’ny faran’ny andininy 30 izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika ka , dia .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manome fahatokiana ho antsika manoloana ny fifanoherana na ny loza ny fiomanana?

    2. Inona no azonao atao mba ho vonona hanohitra ny ezaka ataon’ilay fahavalo mba handratrana anao?

Tsarovy fa ny sasany tamin’ireo Olomasina tany New York dia nametra-panontaniana mikasika ny antony nandidiana azy ireo mba handeha ho any Ohio. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:16, 31–33, ary tadiavo ny fomba hitahiana ireo Olomasina raha toa ka nankatò ity didy ity izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no mety ho famonjena ara-batana ireo Olomasina ny fifindrana avy tany New York?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no mety ho famonjena ara-panahy ho azy ireo ny fiangonana tany Ohio?

Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa ny Tompo dia tsy mampitandrina antsika momba ireo loza ihany fa manome antsika didy ihany koa ho fiarovana antsika.

  1. Manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny fomba ahafahan’ny fitandremana ny didy sady miaro antsika ara-batana no miaro antsika ara-panahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–42

Nomena didy mikasika ny fivondronana tao Ohio ny Fiangonana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–42 dia ahitana ireo didy sy torohevitra izay hanampy ireo Olomasina amin’ny fiovam-piainana hiainan’izy ireo any Ohio. Ho an’ny ankamaroan’ny Olomasina dia ny toeram-piompiana sy fambolena no hany antom-pivelomany. Satria betsaka ireo mpikamban’ny Fiangonana izay namarotra ny taniny tamin’ny fotoana iray dia nanjary betsaka tampoka teo ny tany. Satria marobe ny safidy dia afaka nividy ny toeram-piompiana sy fambolen’ny Olomasina tamin’ny vidiny mora lavitra noho ny mahazatra ny mpividy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:37, 39 ka tadiavo ny torohevitry ny Tompo tamin’ireo Olomasina mikasika ny toeram-piompiana sy fambolen’izy ireo sy ny hareny. Saintsaino hoe inona no fanampiana azontsika eo amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo rehefa manana finoana ny fampanantenany mandrakizay isika, na dia rehefa mitaky fahafoizana avy amintsika aza izany.

Olomasina maro tany New York no nankatò ny didin’ny Tompo ka nanao fahafoizan-tena goavana mba hiangonana any Ohio.

  1. Tany amin’ny fiandohan’ny lesona dia nangatahina ianao mba hieritreritra momba ireo didy sasany izay mety ho sarotra kokoa aminao ny mankatò izany mihoatra ireo didy hafa. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny hoe inona no fanampiana mety ho azonao mba hanananao ny finoana sy ny fahatokiana ilainao hankatoavana ireny didy ireny rehefa mahatakatra ireo fitsipika izay nianaranao tato amin’ity lesona ity ianao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 ary nahavita ity lesona ity ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy