Seminera
Fampahafantarana ny Soratra Masina Fehezina


Fampahafantarana ny soratra masina fehezina

Ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara dia nisafidy andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 ho an’ny tsirairay amin’ireo taranja efatra halalinina ao amin’ny seminera. Manolotra fototra manan-danja ara-tsoratra masina mba hahatakarana sy hizarana ny filazantsara ary hampatanjahana finoana ireo andinin-tsoratra masina miisa 100 ireo.

Entanina ianao mba hianatra hifehy ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo. Ahitana ireto zavatra manaraka ireto ny fifehezana ny andinin-tsoratra masina:

  • Fahitana ny toerana misy ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fahafantarana ny toko sy andininy mifandray amin’izany

  • Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andinin-tsoratra masina

  • Fampiharana ireo fotopampianaran’ny filazantsara sy ireo fitsipika ampianarina ao anatin’ilay andinin-tsoratra masina

  • Fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina

Hianaranao ato anatin’ity boky fandalinana ity ny tsirairay amin’ireo soratra masina fehezina miisa 25 ireo rehefa miseho ao amin’ny taranja Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana izay halalinina izany. Mitaky ezaka avy aminao manokana ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Hanampy anao hametraka fahamarinana ao anatin’ny fitadidianao maharitra ny fanaovana ezaka tsy tapaka sy ny famerimberenana eo amin’ny fianarana ireo soratra masina fehezina ireo mba hahafahanao mampiasa izany any aoriana. Azonao atao ny manapa-kevitra hanokana minitra vitsivitsy isan’andro mba hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina. Mitadiava fotoana tsara hahafahana mampiasa azy ireny rehefa manazava ireo Fotopampianarana fototry ny filazantsara amin’ny hafa ianao.

Hamoaka printy