Fizarana 23: Andro 1
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106; 107:1–20
Fampidirana
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 ny 25 nôvambra 1834. Tao amin’io fanambarana io dia niantso an’i Warren Cowdery mba hiahy ny Fiangonana any Freedom, New York sy ireo tanana kely manodidina ny Tompo. Ny Fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia noraketina ny taona 1835, fa ny Tompo dia nanome ny ampahany sasany tamin’izany an’i Joseph Smith tamin’ny fotoana hafa. Tamin’ny fotoana niraketana ny fanambarana, dia teo am-piomanana handeha hanao asa fitoriana ireo mpikamban’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao natsangana tsy ela. Ity ny lesona voalohany amin’ireo lesona 3 momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106
Miantso an’i Warren Cowdery ho mpisorona avo mpiahy any in Freedom, New York ny Tompo
Eritrereto ny fotoana iray niantsoana eveka na filohan’ny sampana vaovao. Inona araka ny eritreritrao no tsapan’io olona io tamin’izay?
Ny taona 1834, dia nahitana fitomboana lehibe ny Fiangonana tao amin’ny tananan’i Freedom, New York, izay teo amin’ny 322 kilaometatra latsaka kely teo ho eo miala an’i Kirtland, Ohio. Ny Tompo dia niantso mpitarika ao amin’ny fisoronana iray mba hiahy ny mpikambana tany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:1 mba hahafantarana ny olona notendren’ny Tompo ho mpiahy.
I Warren Cowdery dia zokin’i Oliver Cowdery. Rehefa nandray ny antso hanompo amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy i Warren Cowdery dia mety nitovy tamin’ny an’ny eveka na filohan’ny sampana vaovao vao nantsoina ankehitriny ny fahatsapana nananany. Ny Tompo dia nanome teny fankaherezana rehefa nanaiky ny antso vaovao ny Rahalahy Cowdery. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:2–3, ary jereo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Rahalahy Cowdery raha niahy ny mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny faritra Freedom, New York izy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:6, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Warren Cowdery izay niteraka fifaliana tany an-danitra. Rehefa mamaky ianao dia mariho fa ny tehim-piandrianana dia tehina hazonin’ny mpanjaka. Mariky ny fahefana izany.) Ny andian-teny “nitsaoka ny tehim-piandrianako” ao amin’io andininy io dia manambara fanetren’ny Rahalahy Cowdery ny tenany eo anoloan’ny herin’ Andriamanitra, ary ny andian-teny “nanala ny tenany tamin’ny famitahan’ny olona” dia mety milaza ny fialan’ny Rahalahy Cowdery amin’ny zavatra tsy feno fahamarinana sy poakaty.
Diniho ny zavatra azonao atao mba hanetrenao tena manoloana an’ Andriamanitra sy hialanao amin’ny fanaovan-javatra ratsy.
Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:7–8 ny torohevitry ny Tompo ho an’i Warren Cowdery sy ny fampanantenany mba hitahy an’i Warren noho ny fanarahany izany torohevitra izany. Vakio ireo andininy ireo, ary fintino ny fampanantenan’ny Tompo amin’ny famenoana ireto banga manaraka ireto: Raha ny tenantsika eo anoloan’ny Tompo isika dia hanana indrafo amintsika Izy sy antsika, ary hanome ho antsika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanandratan’ny Tompo ireo izay manetry ny tenany eo anoloany?
-
Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahita olona iray nasandratra satria nanetry ny tenany teo anoloan’ny Tompo izy?
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–20
Nampianatra momba ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna ny Tompo
Andramo vinavinaina hoe mpaminany iza ao amin’ny Testamenta Taloha no fariparitana toy izao:
Io mpaminany io dia “lehilahin’ny finoana, izay niasa fahamarinana; ary raha mbola zaza izy dia natahotra an’ Andriamanitra sy nanakombona ny vavan’ny liona ary namono ny fidedadedan’ny afo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Tamin’ny naha-mpanjakan’i Salema azy dia “nanorina fiadanana teo amin’ny tany tamin’ny androny; koa nantsoina hoe andrian’ny fiadanana izy” (Almà 13:18). Nandoa ny fahafalonkarenany taminy ny mpaminany Abrahama (jereo ny Almà 13:15).
Jereo ny Almà 13:14–18 mba hahafantarana hoe iza io mpaminany io. Karohy avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4 ary tadiavo ny antony niantsoana ny Fisoronana Melkizedeka araka ny anaran’ny mpaminany Melkizedeka.
Ahoana no niantsoana ny Fisoronana Melkizedeka talohan’ny vanim-potoan’i Melkizedeka?
Azonao atao ny manisy marika ny antony roa niantsoan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andro fahiny io fisoronana io araka an’i Melkizedeka.
Afaka manisy marika ity fanambarana Fotopampianarana manaraka ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3 koa ianao: Ny Fisoronana Melkizedeka dia araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra.
Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba hanehoana ity Fotopampianarana ity eo amin’ny fiainan’ny mpihazona ny fisoronana: “Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fahefan’ny fisoronana dia hanao izay ho nataon’ [i Jesoa Kristy] ireo mpihazona ny fisoronana, raha toa ka teto an-tany Izy” (“Ny herin’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 7).
Azonao atao ny manoratra ity fanazavana ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3.
-
Manoràta ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fotoana iray izay nahitanao olona nampiasa ny fisoronana araka ny tokony ho izy amin’ny fanaovana ny zavatra mety nataon’i Jesoa Kristy.
Raha tsy misy ny Fisoronana Melkizedeka, dia tsy misy ny Fiangonana. Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:5, 8–9, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay mampianatra ny fomba ifandraisan’ny Fisoronana Melkizedeka amin’ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana toy ny Kilonga, Sekoly Alahady, Zatovolahy, Zatovovavy ary Fikambanana Ifanampiana. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Mety ilaina ny hanisianao marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanamora ny fitadiavanao azy.)
Jereo ao amin’ny andininy 5 fa ireo rafitra ireo dia antsoina hoe tovana. Ny tovana dia ampahany amin’ny vatana, tahaka ny sandry na ny ranjo.
Mba hahatakarana ny zo sy ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8 mba hamenoana ity fanambarana manaraka ity: Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona ny zon’ny , hery sy fahefana amin’ny , ary ny fahefana hitantana ny zavatra .
Tafiditra ao amin’ny “fitantanana ny zavatra ara-panahy” ny fitantanana ireo fitahiana, ôrdônansy ary fanekempihavanana.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay notahiana anao tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Azonao atao ny manoratra mikasika ny fotoana nandraisanao fitahiana, nandraisanao anjara tamin’ny ôrdônansy na nanaovanao fanekempihavanana.
Ny “Fiadidian’ny Fisoronana Avo,” voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:9, dia ny Fiadidiana Voalohany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:10, ary tadiavo hoe iza no manana zo hitarika eo ambanin’ny fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.
Ireo fiadidian’ny tsatòka sy episkôpà dia ohatra mpisorona avo mpiahy ao amin’ny toerana misy azy ireo eo ambanin’ny fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15–17 dia miresaka mikasika ny Eveka Mpiahy ny Fiangonana. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Io no anjara fanompoana nananan’i Adama fahiny; ny zo amin’izany dia miampita amin’ny taranaka mandimby; midina avy amin’ny ray mendrika mankamin’ny zanakalahy mendrika izany. … Fa raha toa tsy misy ny fanambarana ho an’ny Filohan’ny Fiangonana, izay manendry ny firazanana sy olona mihazona io toerana ambony ao amin’ny episkôpà sy fiadidian’i Levy io, dia ny Fiadidiana Voalohany no misafidy ‘mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka’ mba hihazona io anjara fanompoana io. Manoloana izany tranga izany dia antsoina hanompo ao amin’ny Episkôpà Mpiahy koa ny mpanolotsaina roa. (F. & F. 68:14–21; 107:15–17, 68–78.)
“Amin’ny maha-mpihazona ireo fanalahidin’ny fiadidiana amin’ny Fisoronana Aharôna an’ny Fiangonana izany hoe amin’ny eveka rehetra hafa, dia anisan’ny Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana ny Eveka Mpiahy. Mitoetra ho mpitsara ao Isiraely, izay tompon’andraikitra amin’ny maro amin’ny zavatr’izao fiainana izao amin’ny Fiangonana izy (F. & F. 107:68–74), mandray ny fanokanana omena ho fikarakarana ny mahantran’ny Tompo izy (F. & F. 42:31–33; 51:5, 12–13), ary antsoina mba handehandeha sy hitory mba hananganana ny fanjakana izy. (F. & F. 84:112–116)” (Mormon Doctrine, ed. Faha-2 [1966], 592).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18, ary asio marika ity fanambarana Fotopampianarana manaraka ity: Ny Fisoronana Melkizedeka dia mihazona ireo fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana.
“Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana dia tantanan’ ireo izay mihazona ireo fanalahidiny (jereo ny F&F 65:2; 81:2; 124:123). Ireo mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia manan-jo hiahy sy hitarika ny Fiangonana ao anatin’ny faritra sahanina iray” (Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1). Ny faritra sahanina dia faritra ara-jeôgrafika izay hananan’ny olona iray manokana fahefana. Ohatra, ny faritra sahanin’ny eveka dia ny paroasiny.
Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8–9, 18 ny momba ny hery, fahefana ary lamina ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Io zo ho an’ny fiadidiana io dia miaraka amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana. Ny teny hoe “fanalahidin’ny fisoronana” dia ampiasaina amin’ny fomba telo farafahakeliny: fanalahidy nomena ny Apôstôly, fanalahidin’ny fiadidiana ary ny fampiasa ny “fanalahidin’ny fisoronana” amin’ny ankapobeny.
Fanalahidy nomena ny Apôstôly. Ireo izay voatendry ho Apôstôly dia omena (1) ny fanalahidy apôstôlika, na ny fanalahidin’ny fanjakana—ny hery sy fahefana hiahy ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny F&F 27:12–13); (2) ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely, na ny asa fitoriana (jereo ny F&F 110:11); (3) ny fanalahidin’ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sy ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra (jereo ny F&F 110:12; jereo koa ny F&F 27:6–7); ary ny (4) fanalahidin’ny hery famehezana (jereo ny F&F 110:13–15). Ny Apôstôly ihany no manana ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo; tsy omena olon-kafa izany.
“I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana mikasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly velona, efa ela niasana indrindra velona, ny Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (jereo ny F&F 43:1–4; 81:2; 107:64–67, 91–92; 132:7).
“Ireo Fitopololahy dia miasa amin’ny alalan’ny fanomezana andraikitra sy ny fanomezana fahefana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo Filohan’ny Vondrom-paritra dia voatendry hitantana vondrom-paritra noho ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy. Ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia atokana ary omena ireo fanalahidy hiahiana ireo Kôlejin’ny Fitopololahy” (Boky torolalana 2, 2.1.1).
Ireo fanalahidin’ny fiadidiana. “Manome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana ny Filohan’ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo miahy ao amin’ny faritry ny andraikitra sahanin’izy ireo. Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia omena ireo filohan’ny tempoly, filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, filohan’ny distrika, eveka ary filohan’ny sampana. Izany fahefana hiahy izany dia tsy manankery raha tsy amin’ny andraikitra izay nanendrena azy ary ao anatin’ny fari-piadidian’ny antson’ny mpitondra tsirairay” (Boky Torolalana 2.1.1).
Rehefa mandray ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manana fahefana hanompo amin’ny maha-mpitarika mpiahy izy. Ohatra, ny eveka dia manompo amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy ao amin’ny paroasy iray ary koa amin’ny maha-filohan’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy. Ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mandray fanalahidy dia omena ihany koa ny zo ho amin’ny fanomezam-pahasoavana na hery manokana, tahaka ny famantarana. Ohatra, ny eveka dia manompo amin’ny maha-mpitsara ary manana toetra ara-panahy mba hanampiana ny mpikambana izay mila torohevitra mikasika ny olana manokana goavana, anisan’izany ny fandikan-dalàna lehibe.
“Rehefa hisaorana amin’ny antsony ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mihazona intsony ireo fanalahidy mifandraika amin’izany.
“Ireo mpanolotsain’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mandray fanalahidy. Atokana izy ireo ary miasa ao amin’ny antsony amin’ny alalan’ny fanendrena sy fanomezam-pahefana.
“Ireo vondrona fanampiny rehetra ao amin’ny paroasy sy tsatòka dia miasa eo ambany fitarihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka, izay mihazona ireo fanalahidy ahafahana miahy. Ireo filohan’ny vondrona fanampiny sy ireo mpanolotsainy dia tsy mandray fanalahidy. Mahazo fanomezam-pahefana izy ireo hiasa ao amin’ny antsony” (Boky Torolalana 2, 2.1.1).
Fampiasa ny “fanalahidin’ny fisoronana” amin’ny ankapobeny.” Ny fampiasa ny teny hoe “fanalahidin’ny fisoronana” dia afaka heverina ho ireo zo hananan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy azony ampiasaina, na mateti-pitranga koa, an’ny mpikambana amin’ny ankapobeny. Ireo zo ireo dia tsy maintsy faritana araka ny toe-javatra misy azy tsirairay. Ohatra, ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely dia azon’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna rehetra ampiasaina noho ny zo ananany (jereo ny F&F 13:1). Ireo fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana (jereo ny F&F 84:19–20; 128:14) dia azo ampiasaina any amin’ny tempoly. Ireo fanalahidin’ny famonjena dia ireo Fotopampianarana sy ôrdônansin’ny filazantsara izay omena ny mpikatsaka ny fahamarinana. Mitaky fepetra sy tsy maintsy katsahina ny tsirairay avy amin’ireo fanalahidy ireo alohan’ny hisehoan’izany amin’ny fiainan’ilay olona.
Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:19 ny sasantsasany amin’ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka. Vakio io andininy io, ary farito ireo fitahiana ireo.
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny fandraisana fitahiana: “Ny Fisoronana Melkizedeka … no lalana hanambarana avy any an-danitra ny fahalalana rehetra, ny Fotopampianarana rehetra, ny drafitry ny famonjena ary ny zavatra rehetra manan-danja” (ao amin’ny History of the Church, 4:207).
Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia afaka mandray ireo fitahiana mifandray amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo fitahiana ireo dia afaka ananan’ireo rehetra izay mandray ny ôrdônansin’ny tempoly ary mijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana.
Eritrereto ny olona iray izay fantatrao fa mihazona ny Fisoronana Aharôna. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:13–14, 20, ary jereo ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna.
Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo ity fehezan-teny manaraka ity: Ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny fanalahidin’ny ary ny fitantanana ny ôrdônansy ivelany.
Inona no ôrdônansy voalaza ao amin’ny andininy 20? Inona koa ireo ôrdônansy hafa izay tantanana amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna?
Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fifandraisana misy eo amin’ny fanompoan’ny anjely sy ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo:
“Ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna ireo dia … ilaina tokoa ao amin’ny fanompoan’ny anjely.
“‘Ny teny hoe “anjely” dia ampiasaina ao amin’ny soratra masina ho an’ny olona rehetra any an-danitra izay mitondra ny hafatr’ Andriamanitra’ (George Q. Cannon, Gospel Truth, nofantenin’i Jerreld L. Newquist [1987], 54). Mitanisa ohatra maro izay nahitana anjely iray niseho mivantana ny soratra masina. … Fony aho tanora, dia nihevitra aho fa ny dikan’ny fanompoan’ny anjely dia izany fisehoana mivantana manokana izany ihany. Amin’ny maha-zatovo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ahy dia tsy nieritreritra hahita anjely aho, ary nanitikitika ahy hoe inona no ifandraisan’izany fisehoana izany amin’ny Fisoronana Aharôna.
“Mety ho tsy hita maso ihany koa ny fanompoan’ny anjely. Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety ambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina. …
“… Ny ankamaroan’ny hafatra avy amin’ny anjely dia tsapa na re mihoatra noho ny hita.
“Amin’ny ankapobeny, dia ireo izay madio ihany no hahazo ny fitahian’ny fananana ny Fanahy ho namana sy ny fifandraisana Aminy. … Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharona ho an’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, dia diovina amin’ny fahotantsika isika ary nampanantenaina fa raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia hanana hatrany ny Fanahiny miaraka amintsika. Mino aho fa izany fampanantenana izany dia tsy natao fotsiny hanondroana ny Fanahy Masina fa manondro ihany koa ny fanompoan’ny anjely, satria ‘Miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’ i Kristy izy’(2 Nefia 32:3). Noho izany ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharona dia manokatra ny varavarana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo hanana ny Fanahin’ny Tompo ho namana sy hianoka ny fanompoan’ny anjely” (““The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 38–39).
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna. (Azonao eritreretina ny batisanao na ireo traikefanao mandritra ny fandraisana fanasan’ny Tompo.)
Soraty eo ambanin’ny lohateny tokony hisy azy eo amin’ity tabilao manaraka ity ny tsirairay avy amin’ireto anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ireto: loholona, mpisorona avo, patriarika, Fitopololahy, Apôstôly, diakona, mpampianatra, mpisorona, eveka. (Anjara fanompoana roa, ny Apôstôly sy ny eveka, no efa napetraka tamin’ny toerana tokony hisy azy.)
Ny Fisoronana Melkizedeka |
Fisoronana Aharôna |
---|---|
Apôstôly |
Eveka |
Hiverina amin’ity tabilao ity ianao mandritra ny lesona roa manaraka rehefa hianatra misimisy kokoa mikasika ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana.
Soratra Masina Fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8
-
Mba hahafantarana bebe kokoa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, dia vakio mafy ny teny voalohany hoe “Mihazona.” Vakio mafy avy eo ny teny roa voalohany: “Ny Melkizedeka.” Tohizo hatrany hatrany io maodely arahina io mandra-pahavitanao vaky ny andininy manontolo. Akatòny ny soratra masinao, ary andramo ny manonona tsianjery ny andininy rehetra. Raha tsy hainao izany, dia sokafy indray ny soratra masinao ary avereno ny dingana teo aloha. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana nahavitanao io asa nampanaovina io.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106; 107:1–20 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: