Seminera
Fizarana 1: Andro 2, Ny apôstazia lehibe


Fizarana 1: Andro 2

Ny apôstazia lehibe

Fampidirana

Nanangana ny Fiangonany i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany tety ambonin’ny an-tany. Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava hoe: “Ny apôstôly dia nanohy nampiasa ny fanalahidy izay navelan’i Kristy tamin’izy ireo taorian’ny fiakarany tany an-danitra. Saingy noho ny tsy fankatoavana sy ny fahaverezan’ny finoan’ireo mpikambana dia tsy nampita ireo fanalahidy ireo tamin’ireo mpandimby azy ny Apôstôly talohan’ny nahafatesany. Izany zava-niseho nampalahelo izany no antsointsika hoe -Apôstazia-” (“The True and Living Church,” Ensign or Liahona, May 2008, 21). Noho ity apôstazia izay nihanaka ity dia very tsy teo anivon’ny olona intsony ny fahefan’ny fisoronana. Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filana ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany ny fahatakarana ny apôstazia lehibe.

Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy fony Izy tety ambonin’ny tany

Ampifandraiso amin’izay milina na fitaovana niaviany ny singan-javatra amin’ity sary manaraka ity:

Sary
solosaina, bisikileta, fiarakodia

Ahoana no hampandeha ireo fitaovana ireo raha tsy misy an’ireo singa izay nampifandraisinao taminy ireo? Ampitahao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izany. Moa ve misy singa tena manan-danja izay raha esorina tsy ho ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia hahatonga izany ho tsy afa-miasa na tsy hisy mihitsy?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohateny hoe Ireo singa tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Rehefa hitanao ireo karazana singa ireo mandritra ity lesona ity dia tanisao eo ambanin’ity lohateny ity izany.

Vakio ny Efesiana 2:19–22 ary lokoy ny fototra izay nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany. Nahoana araka ny hevitrao no heverina ho toy ny “fototry” ny Fiangonana ireo apôstôly sy mpaminany? Iza no vato fehizoro?

Soraty ao anatin’ny lisitr’ireo singa tena ilaina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fahamarinana ity: Ny apôstôly sy ny mpaminany no mandrafitra ny fototra iorenan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Inona no mitranga eto amin’ity sary manaraka ity?

Sary
I Kristy Manendry ireo Apôstôly

Vakio ny Jaona 15:16, ary mitadiava singa hafa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay tena ilaina amin’ny famonjena ireo zanak’ Andriamanitra.

Talohan’ny fiakaran’ny Mpamonjy dia nomeny an’ireo Apôstôly ny fahefana hitarihana ny Fiangonana sy ahafahana miasa amin’ny anaran’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ireo zanany. Io fahefan’ny fisoronana io dia ahitana ireo fanalahidin’ny fisoronana na zo hitarihana ny Fiangonana sy hanatanterahana ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny famonjena. Ampio an’ity fahamarinana manaraka ity ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: Ny fahefan’ny fisoronana dia ilaina mba hahafahana mandray ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny famonjena.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra singa iray hafa tena ilaina ao amin’ny Fiangonana marina: “Tonga ary hitohy ho tonga amin’ny alalan’ ny fanambarana masina ireo fahamarinana sy fotopampianarana voaraintsika. Any amin’ ireo finoana sasany … ny lafiny mikasika ny fotopampianarana … dia mety ho lasa ady hampandresena hevitra eo amin’ izy ireo. … Isika dia manome lanja ny fandalinana izay mampitombo ny fahatakarana, saingy ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara- potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ ny fanambarana masina izay azon’ ireo nomen’ ny Tompo fahefana ho apôstôly” (“Ny Fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 87).

Araka ny Loholona Christofferson, inona no anjara asa iray manan-danja sahanin’ny apôstôly sy ny mpaminany?

Ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra iray sy mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nahoana araka ny eritreritrao no tena ilaina ny hampianarana sy hahatakarana tsara ny fotopampianarana marina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo?

Ataovy ao amin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fahamarinana ity: Manorina fotopampianarana marina ny apôstôly sy ny mpaminany amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

Na dia misy maro aza ireo Fotopampianarana ao amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia entanina ianao hiezaka hahatakatra lalindalina kokoa ireto Fotopampianarana Fototra ireto mandritra ny fianaranao seminera. Ny fanaovanao izany dia hampahatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary hanomana anao amin’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa.

  • Ny Andriamanitra

  • Ny drafitry ny famonjena

  • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Fotoampitantanana, Apôstazia ary Famerenana amin’ny laoniny

  • Mpaminany sy fanambarana

  • Fisoronana sy fanalahidin’ny Fisoronana

  • Ôrdônansy sy fanekempihavanana

  • Fanambadiana sy fianakaviana

  • Ireo didy

  1. Mifidiana iray amin’ireo Fotopampianarana Fototra etsy ambony. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanazavana ny antony mahatonga io Fotopampianarana io ho manan-danja aminao.

Tadiavo ireo Fotopampianarana ireo mandritra ny fianaranao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity, ary katsaho ny hanitatra ny fahalalanao sy ny fahatakaranao azy ireo.

Mba hanampiana anao hahita singa iray hafa manan-danja ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia jereo ireto sary manaraka ireto ary diniho hoe inona no ifandraisan’izy ireo.

Sary
ôrdônansy

Ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahin’ny olona iray manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany sy fahazoan-dalana hanatanteraka ilay ôrdônansy. Nahoana araka ny eritreritrao no ampahany manan-danja amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny ôrdônansy? (Mba hanampiana anao hamaly io fanontaniana io dia vakio ny Jaona 3:5. Avy eo dia eritrereto izay hitranga raha toa ka tsy ho afaka handray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina ianao.)

Ny fanekempihavanana dia “fifanekena amin’ Andriamanitra sy ny olona saingy tsy mitovy ny anjara raisiny ao amin’ny fifanekena. Andriamanitra no manome ny fepetran’ny fanekempihavanana ka manaiky ny hanao izay angatahiny ny olona. Ampanantenain’ Andriamanitra ho an’ny olona amin’izany ireo fitahiana sasantsasany noho ny fankatoavany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana,” scriptures.lds.org). Ny ôrdônansy no fomba anaovantsika fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, ary mirotsaka ny fitahiana noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo.

Ireo ôrdônansin’ny famonjena rehetra dia arahana fanekempihavanana avokoa, izay fifanarahana masina atao amin’ Andriamanitra. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fahamarinana ity: Afaka mandray ireo ôrdônansy izay ilaina amin’ny famonjena antsika isika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fony i Jesoa Kristy tety an-tany dia napetrany ireo singa tsirairay izay nianaranao fa hoe ampahany manan-danja ao amin’ny Fiangonany. Taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty ary niakarany tany an-danitra dia nanohy niahy sy nitarika ireo Apôstôliny Izy, tamin’ny alalan’ny fanambarana. Nisandrahaka haingana ny Fiangonana fahiny ary olona an’arivony no vita batisa teo ambany fitarihan’ireo Apôstôly. Fianfonan’ny Olomasina maro no nitsangana nanerana ny ampahany maro tamin’ny fanjakana Rômana (izay nahitana an’i Espagne, Turquie, Grèce, Italie ary i Syrie ankehitriny ary faritra hafa any Eorôpa, sy Azia ary Afrika). Nantsoina ireo loholona, eveka, diakona, mpisorona, mpampianatra, ary evanjelisitra (patriarika) ary nomen’ireo Apôstôly fahefam-pisoronana sahaza azy avy.

Nitranga nandritra ireo taonjato taorian’ny asa fanompoan’ny Tompo teto an-tany ny Apôstazia Lehibe

Na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo Apôstôly, dia niatrika fandrahonana ilay Fiangonana tany am-boalohany. Fandrahonana izay sady avy tany ivelany no avy tao anatin’ny Fiangonana ihany. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto ary fantaro ny sasany amin’ireo olana ireo:

Asan’ny apostoly 12:1–3

Asan’ny Apostoly 20:29–30

2 Timoty 4:1–4

2 Petera 2:1–2

  1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-doza tokoa ho an’ny Fiangonana ireo fandrahonana ireo? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao.

Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny fahavoazana goavana izay niainan’ny Fiangonana tao amin’ny Testamenta Vaovao nandritra izany fotoana izany:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“I Jakoba dia maty novonoin’i Heroda tao Jerosalema. I Petera sy i Paoly dia maty tany Rôma. Ny lovan-tsofina dia milaza fa i Filipo dia nankany antsinanana. Ny mihoatra izany dia tsy fantatsika.

“Niparitaka izy ireo. Nampianatra sy nijoro ho vavolombelona ary nanorina ny Fiangonana izy ireo. Ary maty noho ny finoany izy ireo, ary tonga niaraka tamin’ny fahafatesany ireo taon-jato maizin’ny apôstazia” (“The Twelve,” Ensign or Liahona, May 2008, 84).

Inona no mitranga amin’ny fanorenana iray izay atsangana raha toa ka esorina ny fototra?

Ny fianjeran’io Fiangonana tany am-boalohany io no antsoina hoe apôstazia lehibe. Mitranga ny Apôstazia rehefa mihemotra amin’ny fahamarinan’ny filazantsara ny olona ka tsy manaiky ireo mpanompon’ny Tompo nomeny lalana.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Nanazava misimisy kokoa ny Filoha Packer mikasika ny fahavoazana goavana indrindra nateraky ny apôstazia lehibe: “Ny zavatra tena sarobidy very tao anatin’ny Apôstazia dia ny fahefana nohazonin’ireo Roambinifololahy—ireo fanalahidin’ny fisoronana. Mba hahatonga ny fiangonana ho Fiangonany, dia tokony hisy Kôlejin’ny Roambinifololahy izay mihazona ireo fanalahidy ary manome izany ho an’ny hafa” (“The Twelve,” 84).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana ireto:

    1. Inona no mety ho fiantraikan’ny fahaverezan’ny fahefan’ny fisoronana eo amin’ireo singa manan-danja hafa ao amin’ny Fiangonana?

    2. Nahoana no tsy nisy fomba nanarenana ny Fiangonana raha tsy eo ny mpaminany sy ny Apôstôly, sy ny fahefan’ny fisoronana ary ny fahalalana marina momba ny fotopampianaran’i Kristy?

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Hoy ny Filoha Packer mikasika io fotoana teo amin’ny tantara io hoe: “Rehefa nandeha ny taonjato maro, dia nitsilipilopy ka nanjavozavo ilay fahazavana. Novaina na nariana ireo ôrdônansy. Tapaka ny fitohizan’ny fahefan’ny fisoronana, ary very ny fahefana hanome ny Fanahy Masina ho toy ny fanomezana. Niely patrana nanerana izao tontolo izao ny vanim-potoana maizin’ny apôstazia” (“The Cloven Tongues of Fire,” Ensign, May 2000, 8).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ny Apôstazia Lehibe sy ny vokatra naterak’izany?

Rehefa mianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Joseph Smith—Tantara ianao mandritra ity fianarana seminera ity, dia hianatra fa nilaina ny famerenana ny fahamarinana sy ny fahefan’ny fisoronana amin’ny laoniny mba handresena ireo vokatry ny apôstazia lehibe. Ny hoe famerenana amin’ny laoniny dia ny “famerenan’ Andriamanitra ireo fahamarinana sy ireo ôrdônansin’ny filazantsarany amin’ny olona eto an-tany. Very teto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy noho ny apôstazia izay nitranga taorian’ny fanompoan’ny Apôstôlin’i Kristy teto an-tany. Izany apôstazia izany no nilana ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara,” scriptures.lds.org).

Eo am-pandalinanao dia ho hitanao ny fomba namerenana indray teto an-tany ireo singa tsirairay manan-danja ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanorina ny Fiangonany indray mandeha indray ny Tompo ho an’ilay tanjona mba hanolorana ny famonjena ho an’izao tontolo izao.

  1. Hazavao (mivantana) amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namanao anankiray ireo singa manan-danja ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny fomba nahaverezan’izany teo amin’ny Fiangonana tany am-boalohany. Hazavao ny antony maha-zava-dehibe ny mahatakatra ny apôstazia lehibe. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fandehan’ny resaka nifanaovanareo sy ny fomba nandraisan’ilay fianakavianao na ilay namanao an’izany.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona “Ny apôstazia lehibe” ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy