Seminera
Fizarana 21: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16


Fizarana 21: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16

Fampidirana

Tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833 dia nandray fanambarana iray mikasika ny fijaliana niainan’ny Olomasina tany Missouri ny Mpaminany Joseph Smith. Io fanambarana io, izay voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101, dia horesahina ao anatin’ny lesona telo. Ity lesona voalohany ity dia ahitana ny fanazavan’ny Tompo ny antony hamelany ny Olomasina hijaly. Ahitana ny toroheviny sy ny teny fampaherezany ho an’ireo Olomasina nijaly ihany koa izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–8

Manazava ny antony hamelany ny vahoakany hiaina fitsapana ny Tompo

Sary
sarintany, Missouri avaratra

Lazao, avy amin’ny zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98, hoe inona amin’ireto fahasahiranana manaraka ireto no niainan’ny Olomasina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny volana jolay 1833. Azonao atao ny miverina amin’ny leson’ny andro 1 mba hanampiana anao hitadidy izany.

Noravana ny trano printin’ny Olomasina.

Narodana ny trano fivarotan’i Sidney Gilbert, ary norobaina ny entana tao aminy.

Betsaka tamin’ny trano sy vokatry ny fambolen’ny Olomasina no nodorana.

Olomasina roa, i Edward Partridge sy i Charles Allen, no nosorana tara sy volomborona teny amin’ny toerana fivezivezin’ny daholobe iray.

Noho ny herisetran’ny mpihetraketraka tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, tamin’ny jolay 1833, dia nanaiky ny fialana amin’ny fivondronana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny volana aogositra 1833 anefa, dia nanoro hevitra ny Mpaminany Joseph Smith ny tsy hivarotan’izy ireo ny taniny any. Nanao fangatahana tamin’ny governemanta ny mpitarika ny Fiangonana, nampiasa ireo fomba ara-dalàna mba hihazonana ny tanin’izy ireo tany Missouri ary nitory ireo izay tompon’andraikitra tamin’ny herisetra. Rehefa nahare momba izay zavatra natao izany ireo mpifindra monina tsy Olomasin’ny Andro Farany, ary nino fa tsy nihevitra ny hifindra araka izany nantenaina ireo Olomasina, dia notafihan’izy ireo indray ny Olomasina. Tamin’ny alin’ny 31 ôktôbra 1833 dia nisy andian’olona mpihetraketraka teo amin’ny mpitaingin-tsoavaly 50 teo nandeha nankany amin’ny Toeram-ponenandry Whitmer, tany andrefan’i Independence. Nesorin’izy ireo ny tafon’ny trano miisa 13 ary nokaravasiany ny lehilahy maro ka saika nahafaty azy ireo mihitsy izany. Nitohy nandritra ny roa alina manaraka ireo fanafihana ireo tao Independence sy tamin’ireo toerana hafa izay nipetrahan’ny Olomasina. Novonoina ny lehilahy, ary nampitahorina ny vehivavy sy ny ankizy. Olomasina nihoatra ny 1.000 no nesorina hiala ny tranon’izy ireo tany amin’ny Fivondronan’i Jackson.

Inona araka ny hevitrao no mety ho fanontaniana nananan’ny Olomasina tany Missouri tamin’izany fotoana? Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny Tompo no mamela zavatra ratsy hitranga aminao na amin’ny olona hafa fantatrao?

Vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 mba hianarana momba ny fotoana nandraisana ity fanambarana ity ary momba sy fitsapana fanampiny hafa natrehan’ny Olomasina tany Missouri tamin’izany fotoana.

Rehefa nijaly tao anatin’izany fitsapana izany ny Olomasina tany Missouri, dia nanambara fahamarinana momba ny antony namelany ny vahoakany hanaintaina ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–2, ary fantaro ny antony namelan’ny Tompo ny Olomasina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson hijaly noho ny fanenjehana sy ny fahoriana.

Ianarantsika avy amin’ny andininy 2 fa rehefa mandika ny didy isika dia mamela antsika hijaly Andriamanitra.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mahatakatra ity fahamarinana ity?

Na dia betsaka tamin’ireo Olomasina tany Missouri aza no mahatoky sy mpankatò, dia mbola nijaly noho ny fanenjehana ihany izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:3–5, ary fantaro ny antony iray namelan’ny Tompo, eny fa na dia ny an’ny Olomasina miaina amim-pahamarinana aza, mba hijaly. Marihina fa ny teny hoe hamaizana dia midika hoe mifehy na manitsy, ny teny hoe hizahan-toetra dia maneho fitsapana, ary ny teny hoe hamasinina dia midika hoe mahatonga olona na zavatra iray ho madio na masina.

Jereo ny andininy 5 mba hamenoana ity fanambarana fahamarinana manaraka ity: Raha toa ka tsy niaritra famaizana isika dia tsy afaka ny .

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny famaizana sy ny fitsapana dia manampy antsika ho lasa masina: “Ankoatra ny fandrisihana antsika hibebaka dia afaka manadio sy manomana antsika amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa ara-panahy ny traikefa azo avy amin’ny fizakana ny famaizana” (“Izay Rehetra Tiako no Anariko sy Faizako,” Ensign na Liahona, mey 2011, 98).

Sary
Abrahama, Isaka, ary anjely

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:4 ny Tompo dia miresaka an’i Abrahama ho toy ny ohatra amin’ny olona izay nofaizina sy nampandalovina fitsapana. Rehefa nandidy an’i Abrahama mba hanolotra ny zanany lahy Isaka ho fanatitra ny Tompo, dia nanaporofo ny fahatokiany i Abrahama, ary nampiseho izy fa niomana ny handray fitahiana ara-panahy bebe kokoa (jereo ny Genesisy 22:1–18).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no manampy anao mandritra ny fotoan-tsarotra ny fahatakarana ny fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:5?

  2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:6–8, dia mitadiava zavatra voafaritra mazava tsara nataon’ny Olomasina sasany tany Missouri izay nahatonga ny fahoriana ho tonga tamin’izy ireo. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny andininy 7, dia inona no vokatry ny hoe “nitaredretra hihaino ny feon’ny Tompo”?

    2. Araka ny andininy 8, dia manomboka manao inona ny olona sasantsasany mandritra ny fotoam-pahoriana? Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “tadiavina” ny Tompo?

Saintsaino ny traikefa iray izay nahatsapanao famaizana ary nikatsahanao ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9–16

Manoro hevitra sy mankahery ny Olomasina ny Tompo

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:9 ianao, dia tadiavo ny hafatra mitondra fanantenana iray nomen’ny Tompo ny Olomasina izay nijaly tany Missouri. Azonao atao ny manisy marika ny teny na andian-teny izay mampianatra ity Fotopampianarana manaraka ity: Na dia efa nanota aza isika dia hangoraka antsika ny Tompo.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ny fahatakarana ity Fotopampianarana ity no manome anao fanantenana?

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:10–11, fa na dia namela ny fanenjehana ny Olomasina aza ny Tompo, dia nilaza Izy fa hanasazy ny vahoaka nanenjika azy ireo.

Sary
fampisehoana ny mpihetraketraka

Rehefa mamaky ity manaraka ity ianao dia manasia marika ny famariparitana ny fijaliana izay mety ho sarotra manokana ho anao ny ho vavolombelon’izany na ny hiaina izany:

Mbola nanohy hatrany ny fampijaliana ny Olomasina ny mpihetraketraka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson hatramin’ny nandroahana tanteraka ny Olomasina rehetra hiala ny fivondronana. Nanao tatitra i Lyman Wight hoe: “Nahita zaza aman-behivavy sivifolo amby zato nentina nandeha an-tongotra valo amby efapolo kilaometatra nandalo ny lohasaha aho ka lehilahy osaosa telo fotsiny no niaraka tamin’izy ireo, tamin’ny volana nôvambra, rehefa vonton’ny vongan-dranomandry iny ny tany; ary mora tamiko ny nanaraka ny dian’izy ireo tamin’ny rà izay nitsotsorika avy tamin’ny tongotra maratran’izy ireo teo amin’ny salohim-barin’ny lohasaha nodorana!” (ao amin’ny History of the Church, 3:439).

Nitsoaka tany avaratra ny ankamaroan’ny Olomasina, ka nila niampita ny Reniranon’i Missouri izy ireo. Ny moron’ny renirano akaikin’ny sambo fiampitana dia feno mpifindra monina avy amin’ny lafiny roa. Ny sasany dia tsara vintana ka afaka nandositra niaraka tamin’ny fananany, fa maro anefa no namoy ny zavatra rehetra nananany. Nanoratra i Parley P. Pratt hoe: “Olona an-jatony no hita teny rehetra teny, ny sasany tao anaty lay ary ny sasany teny ankalamanjana nanodidina ny afony, rehefa nirotsaka mafy iny ny orana. Nitady ny vadiny ny lehilahy, nitady ny vadiny ny vehivavy, nitady ny zanany ny ray aman-dreny ary nitady ny ray aman-dreniny ny zanaka. … Tsy hay nofariparitana ny zava-nitranga, ary, mino aho fa izany dia nanohina ny fon’ny olona rehetra teto an-tany, ankoatra ny an’ny mpampijaly anay izay jamba tokoa, ary ny an’ny fiaraha-monina izay sady jamba no tsy nahalala na inona na inona” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 102).

Ahoana araka ny eritreritrareo no mety ho fihetsika nasehonao raha toa ka niaina fahoriana toy izany ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:12–16, ary fantaro ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny Olomasina mahatoky. (Mety hanampy anao ny fahafantarana fa ao amin’ny andininy 12, ilay andian-teny hoe “ny Isiraeliko rehetra” dia milaza an’ireo izay mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.)

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16: Rehefa miaina amim-pahamarinana isika, dia afaka mahita fampiononana amin’ny fahalalana fa ny vahoaka rehetra dia eo an-tanan’ny Tompo.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto, amin’ny alalan’ny traikefanao manokana, na afaka koa mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto amin’ny mpikamban’ny fianakaviana na namana iray ianao ary mandray an-tsoratra ny zavatra nianaranao avy amin’ny resadresaka:

    1. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16, inona araka ny hevitrao ny dikan’ny didy manao hoe “mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”?

    2. Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahatsapa ny fitahian’ny filaminana nandritra ny fotoan-tsarotra?

    3. Ahoana no ahafahan’ny fitoniana, na ny fahanginana, manampy anao handray fampiononana avy amin’ny Tompo?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–16 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy