Seminera
Fizarana 5: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41


Fizarana 5: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41

Fampidirana

Nianatra ianao tao amin’ny fampidirana ny lesona farany fa mba hanaovana antoka ny fandoavana ny saran’ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmona amin’i E. B. Grandin dia nanao sonia fifanarahana fanaovana antoka ny toeram-piompiany sy famboleny i Martin Harris. Ao amin’ny tapany faharoa amin’io fanambarana ho an’i Martin Harris io, dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41 izany, dia mamporisika an’i Martin Harris ny Tompo mba hanome maimaim-poana ny ampahany amin’ny fananany ho an’ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny farany dia nivarotra ny 61,10 hektara tamin’ny toeram-piompiany sy famboleny i Martin mba hanefana ny saran’ny fanontana printy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–24

Mijoro ho vavolombelona ny Mpamponjy fa mahazo fiadanana rehefa mianatra Aminy.

Oviana ianao no tsy maintsy nanao zavatra sarotra iray izay fantatrao fa marina kanefa tsy azonao antoka na nanahiran-tsaina anao ny mety ho vokany? (Ohatra, mety efa nahatsapa ianao fa mila manalavitra ny namanao sasantsasany noho izy ireo mitarika anao amin’ny ratsy.) Inona no nanampy anao hanana finoana mba hanaovanao ny zavatra fantatrao fa marina na dia sarotra aza izany?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo zavatra vitsivitsy izay sarotra ka nasaina nataonao na mety hampanaovina anao indraindray satria ianao mpikamban’ny Fiangonana? Nahoana izy ireo no sarotra na nahoana no ho sarotra aminao ny manao azy ireo?

    2. Hiova ve ny fahatsapanao sy ny fihetsikao arakaraka ny olona izay mangataka anao hanao ilay zavatra sarotra? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Vakio ny lohatenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19, ary asio marika izay nanome ilay didy ao amin’io fanambarana ho an’i Martin Harris io. Raha teo amin’ny toeran’i Martin Harris ianao, nahoana no mety hanampy anao ny fahafantarana fa avy amin’ Andriamanitra io didy io?

Sahiran-tsaina i Martin Harris ny amin’ny hanaovany antoka ny toeram-piompiany sy famboleny mba handoavana ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna. Ho valin’ny tebitebin’i Martin dia nanambara zavatra vitsivitsy izay nilainy natao sy zavatra vitsivitsy nilainy fantarina ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23 ary asio marika ilay fampanantenan’ny Mpamonjy ho an’i Martin Harris. (Andinin-tsoratra masina fehezina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23.) Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: Raha toa isika mianatra amin’i Kristy, sy mihaino ny Teniny, ary mandeha amin’ny fahalemem-panahiny, dia hanana fiadanana isika.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahatsapa ilay fiadanana nampanantenaina tao amin’io fitsipika io rehefa nanao zavatra toy ny mandalina ny soratra masina, mihaino ireo lahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana sy amin’ny fivoriana hafa an’ny Fiangonana, ary misaintsaina ireo fitahian’ny filazantsara?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:24, ka tadiavo ny zavatra nianaran’i Martin Harris momba an’i Jesoa Kristy. Saintsaino hoe nahoana no afaka hanampy anao hahatsapa fiadanana ny fahafantarana izany rehefa angatahina hanao zavatra sarotra ho an’ny Tompo ianao.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23

  1. Ho fanampiana anao hahay tsianjery io andinin-tsoratra masina fehezina io, dia soraty ireo litera A–E ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Avy eo dia averimbereno vakina araka izay betsaka indrindra vitanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23 ao anatin’ny 2 minitra. Rehefa tapitra ny fotoana, dia akombony ny soratra masinao ary, tanisao eo akaikin’ny litera A–D, ireo zavatra telo tokony hataontsika. Avy eo dia soraty eo akaikin’ny litera E izay nampanantenain’ny Tompo fa ho azontsika raha manao ireo zavatra telo ireo isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–35

Nandidy an’i Martin Harris hivarotra ny fananany ny Tompo mba ho an’ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna.

Taorian’ny nampanantenany tamin’ny Martin Harris fiadanana izay azo rehefa mianatra amin’ny Mpamonjy sy mihaino ny Teniny dia nanome didy sy torohevitra fanampiny ho azy ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26, mba hitadiavana ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Martin Harris. (Nanao antoka ny 61,10 hektara tamin’ny toeram-piompiany sy famboleny i Martin Harris, izay no nahafahana nanao ny fanontana printy Bokin’i Môrmôna.)

Sary
Ny toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:25–35, ary tadiavo ilay didy sy torohevitra izay nomen’ny Tompo an’i Martin Harris. Rehefa mamaky ianao, dia tadiavo ary asio marika ireo andian-teny hoe “mandidy … aho” sy ireo filaza mandidy.

Niraharaha an’i Martin Harris ny Tompo ka nanome azy didy manokana izay nifandraika tamin’ny toe-javatra nisy azy. Tsy ampy ny fampahafantarana ananantsika mba hatakarantsika ny antony nanomezana didy sasantsasany an’i Martin Harris. Na izany aza dia nataon’ny Tompo mazava tsara ny zavatra hitranga raha toa tsy manaraka ireo didy ireo i Martin. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan 19:33 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga raha toa i Martin ka “manao an-tsirambina ireo torohevitra ireo.” Eto, ny teny hoe manao an-tsirambina dia midika hoe tsy miraharaha zavatra satria toy ny tsisy dikany na tsy manan-danja no fiheverana azy. Azonao atao ny manoratra io famaritana io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny teny hoe atao an-tsirambina.

  1. Eritrereto ny sasany amin’ireo didy sy torohevitra izay noraisinao tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminany, sy ny tsodranon’ny fisoronana (anisan’izany ny tsodranon’ny patriarika nomena anao raha efa nahazo izany ianao), ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-zava-dehibe ny manaraka ireo fitarihana ireo.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao torohevitra manaraka izao: “[Tandremo] ny didin’ Andriamanitra rehetra amin’ny fahafantarana fa izy ireny dia nomena hitahy ireo zanany ary hitondra hafaliana ho azy ireo. … Ho voahodidin’ny olona izay mifidifidy izay didy hotandremany [ianareo] ary tsy hiraharaha ireo didy hafa izay safidiany ho dikaina. Antsoiko hoe fankatoavana samy maka izay tiany izany. Ny fanaovana io fisafidifidianana io dia tsy mety. Hitarika any amin’ny fahoriana izany. Mba hiomananao hihaona amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didiny rehetra ianao. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireo, ary ny fitandremana ny didiny dia hampatanjaka izany finoana izany” (“Hatreo Am-pinoana ny Ho Avy,” Ensign na Liahona, mey 2011, 34).

Eritrereto raha toa ianao ka zatra manao an-tsirambina, na tsy miraharaha, ny iray amin’ireo didy izay nomen’ny Tompo anao ary misy ve didy manokana izay mety azonao ankatoavina amin’ny fanolorantena bebe kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:36–41

Manoro hevitra an’i Martin Harris ny Tompo momba ny asa fanompoany

Isika rehetra, tsisy hafa amin’i Martin Harris, dia mila manapaka hevitra hoe hampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray ve isika, na dia sarotra aza ny zavatra angatahiny. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara ity tantaran’ny zatovolahy iray ity izay nila nanapaka hevitra raha toa hampifanaraka ny sitrapony amin’ny sitrapon’ny Rainy izy sa tsia. Vakio ny tapany voalohany amin’ity tantara ity ary ampitahao ny zavatra niainan’ity zatovolahy ity sy ny zavatra niainan’i Martin Harris.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“[Teraka] tao anatin’ny fahantrana kanefa voataiza tanatin’ny finoana i Jose Garcia avy any Mexique Fahiny. Niomana handray antso hitory ny filazantsara i Jose. Teo aho tamin’ny andro izay nandraisana ny taratasy manolotra azy ho mendrika. Hita tao anatin’izany ny fanambarana hoe: ‘Ho fahafoizan-tena lehibe ho an’ny fianakaviany ny fanompoana ataon-dRahalahy Garcia satria fitaovana mamatsy ny ankabeazan’ny fanampiana ilain’ilay fianakaviana izy. Ny fananany dia zavatra iray ihany—fitambarana hajia isan-karany izay nangonina ho tahiry sarobidy—izay vonona izy ny hivarotra azy, raha ilaina, mba hanampiana ny vola amin’ny asa fitoriana hataony.’

“Nihaino tsara ny Filoha Kimball rehefa novakiana taminy io filazana io, dia namaly izy avy eo hoe: ‘Asaivo amidiny ilay fitambarana hajia isan-karazany. Ho fitahiana ho azy izany fahafoizan-javatra izany’” (Profiles of Faith,”Ensign, nôv. 1978, 56).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hahatonga ny fanampahan-kevitra sarotra, toy izay tsy maintsy nataon’i Jose, ho lasa mora kokoa raha toa isika efa niaina ilay fiadanana izay azo avy amin’ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:36–41, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Raha manao ny sitrapon’ny Tompo isika, dia hanome antsika fitahiana sarobidy kokoa noho ireo rakitsoan’ny tany Izy.

Inona araka ny eritreritrao ireo fitahiana izay sarobidy kokoa noho ny rakitsoan’ny tany izay horaisin’i Jose amin’ny alalan’ny fanaovana asa fitoriana? Vakio ny faran’ilay tantara, ary tadiavo ny fitahiana fanampiny izay horaisin’i Jose amin’ny fampiharana io fitsipika io:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Dia nipi-maso sy nitsiky ilay mpaminany be fitiavana, ny [Filoha Spencer W. Kimball], sady niteny hoe: ‘Isam-bolana zahay aty amin’ny foiben’ny Fiangonana dia maharay taratasy an’arivony avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao. Alaivo sary an-tsaina hoe tehirizintsika ireo hajia ireo ary omentsika an’i Jose rehefa vita ny asa fitoriany. Hanana ny tahirina hajia tsara indrindra mihoatra ny tanora rehetra ao Mexique izy, kanefa tsy ho nila nividy akory’” (“Profiles of Faith,” 56).

Saintsaino ny fomba ahafahan’ireo Fotopampianarana nianaranao tao amin’ity lesona ity manampy anao hanamafy ny finiavanao hampifanaraka ny sitraponao amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

Nankatoavin’i Martin Harris ilay fandidiana azy hanome ny fananany mba handoavana ny fanontana printy ny Bokin’i Môrmôna. Noho ny safidy nataon’i Martin, dia nahazo fitahiana sy mbola tsy hijanona hahazo fitahiana ny fiainan’olona an-tapitrisany maro. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hampifanaraka bebe kokoa ny sitraponao amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23–41 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy