Seminera
Fizarana 16: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74


Fizarana 16: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74

Fampidirana

Tamin’ny 4 Desambra 1831, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72, izay tao no niantsoan’ny Tompo ny eveka vaovao tany Ohio sy nanambarany ny sasany amin’ireo andraikiny. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73, izay nomena tamin’ny volana Janoary 1832 dia nanome torolalana an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mba hamerina ny asa nataon’izy ireo amin’ny fandikana ny Baiboly. Vokatry ny asa nataon’izy ireo tamin’ny fandikanteny, dia nomen’ny Tompo azy ireo ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74, izay fanazavana ny 1 Korintiana 7:14.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:1–8

Niantso an’i Newel K. Whitney ho eveka tany Ohio ny Tompo

Efa nahazo antso ve ianao na nangatahana hanao zavatra sarotra ao amin’ny Fiangonana ka nahatsapa fa nanahirana anao izany na tsy vitanao? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:1–2, ka tadiavo ny antso izay nilaina nomena tany Ohio (“ity faritry ny tanimboaloboky ny Tompo ity”).

Tamin’ny fahavaratry ny taona 1831, ny Eveka Edward Partridge, izay eveka voalohany voantso tao amin’ny Fiangonana dia nifindra monina ho any Independence, Missouri, toerana izay 1448 kilaometatra any andrefan’i Kirtland Ohio, mba hanompo amin’ny maha evekan’i Ziona azy. Vokatr’izany dia nanambara ny Tompo fa mila eveka vaovao ao Ohio. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:3–6 ka tadiavo ireo andian-teny izay manazava hoe nahoana ireo Olomasina any Ohio, izay mpitantan-draharaha niaina ny lalàn’ny fanokanana, no nila eveka. (Nampahafantarina ny lalàn’ny fanokanana ianao tao amin’ny “Fizarana 10: Andro 3” fitaovana enti-mpampianatra ny lesona ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42 ao amin’ity boky fandalinana ity.)

Saintsaino ny fomba hanampian’ny eveka na filohan’ny sampana anao ho lasa tompon’andraikitra amin’ireo andraikitrao amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana anao ankehitriny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:7–8 ary jereo hoe iza no nantsoin’ny Tompo ho eveka vaovao any Ohio.

Sary
I Joseph Smith sy i Newel K. Whitney

Rehefa nantsoina ho eveka any Ohio i Newel K. Whitney dia nahatsapa izy fa tsy mendrika ny hanompo amin’izany antso izany. Ity fampahafantarana manaraka ity avy amin’ny Loholona Orson F. Whitney tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay zafikeliny dia manampy antsika hahatakatra ny fahatsapana nananan’i Newel K. Whitney sy ny zavatra nianarany mikasika ny fiavian’ny antsony:

Sary
Orson F. Whitney

“Saika nihoatra noho izay zakany ny nieritreritra ny hisahana io andraikitra lehibe io (ny anjara fanompoan’ny eveka). Na dia misy lehilahy vitsivitsy mendrika kokoa io toerana io aza, raha eo amin’ny fananana talenta voa-janahary no jerena, dia nisalasala ihany izy ny amin’ny fahaizany ary [nahatsiaro] fa tsy afaka ny hanatanteraka ilay fitokiana avo sy masina. Tanatin’ny fahasahiranan-tsainy dia nikatsaka ny fanampian’ny Mpaminany izy:

“Tsy mahita ny tenako ho eveka aho, ry rahalahy Joseph; kanefa raha hoy ianao hoe izay no sitrapon’ny Tompo, dia hiezaka aho.’

“‘Tsy tokony hihaino fotsiny ny teniko ianao;’ hoy ny navalin’ny Mpaminany tamim-pitiavana, ‘Mandehana dia anontanio ny Ray mba hahalalanao mivantana.’

“I Newel … dia vonona ny hanaraka ny torohevitra izay narosony [ny Mpaminany]. Novaliana ny vavaka nataony tamim-panetrentena sy avy amin’ny fony. Tanatin’ny alina mangina sy tao amin’ny efitranony manirery no nandrenesany feo avy any an-danitra: Ato amiko ny herinao.’ Vitsy dia vitsy ary tsotra ireo teny, kanefa nisy dikany lehibe. Nisava toy ny ando amin’ny mangiran-dratsy ny fisalasalany. Avy hatrany izy dia nitady ny Mpaminany, ka nilaza taminy fa afa-po izy ary vonona ny hanaiky ny anjara fanompoana izay niantsoana azy” (ao amin’ny B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church,1:271).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao toe-javatra manaraka izao: Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao na olona iray ao amin’ny fianakavianao nahazo antso hanompo ao amin’ny Fiangonana ary mahatsapa izy fa manahirana azy na tsy vitany ilay antso. Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72, sy ny zavatra niainan’i Newel K. Whitney tamin’ny antsony, dia manorata fehezan-teny vitsivitsy ahitana torohevitra na fijoroana ho vavolombelona izay hozarainao mba hanampiana io olona io hahatoky tena amin’ny fanekena sy fanatanterahana ilay antso.

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ihany koa dia nampianatra momba ny fiavian’ny antso hanompo ao amin’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ho an’ny rehetra, na lahy na vavy, na ankizilahy na ankizivavy, izay nantsoina na mbola hantsoina, no iantefan’ny torohevitro. Misy zavatra vitsivitsy izay tsy maintsy ho fantatrao hoe marina. …

“Voalohany, nantsoin’ Andriamanitra ianao. Mahafantatra anao ny Tompo. Fantany hoe iza no tiany hanompo ao amin’ireo andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonany. Ianao no nofidiany. … Ny olona izay nentanim-panahy hanolotra anao ho amin’io antso io dia tsy nanao izany satria tian’izy ireo ianao na satria nila olona hanao asa iray manokana izy ireo. Nivavaka izy ireo ary nahatsapa valiny fa ianao no tokony antsoina.

“Ilay olona niantso anao dia tsy nanome ilay antso satria fotsiny nianatra ny manao dinidinika aminao izy hoe mendrika sy vonona ny hanompo ianao. Nivavaka izy mba hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho anao. Ny vavaka sy fanambarana amin’ireo izay nomen’ny Tompo lalana no nahatonga anao eo” (“Rise to Your Call,” Ensign, Nov. 2002, 75–76).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no afaka hanampy anao hanaiky sy hiezaka amim-pahazotoana hanatanteraka ny antsonao ny fahatakarana fa hoe ireo antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia avy amin’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–26

Manazava ny andraikitry ny eveka ny Tompo

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avokoa ireo adidy sy andraikitry ny eveka na filohan’ny sampana izay azonao eritreretina.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–26 dia manambara ny sasany amin’ireo andraikitry ny Eveka Newel K. Whitney ny Tompo. Ireo adidy izay nomen’ny Tompo dia mifandray voalohany indrindra amin’ny anjara asan’ny Eveka Whitney teo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana. Na izany aza, ny sasany amin’ireo andraikitry ny eveka sy filohan’ny sampana ao amin’ny Fiangonana ankehitriny dia misy ifandraisany amin’ireo adidin’ny evekan’ny Fiangonana tamin’ny voalohany ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:10–12 ka tadiavo ireo adidy izay nomen’ny Tompo ho an’ny Eveka Whitney. Asio boribory manodidina ireo adidy izay notanisainao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ka mitovy amin’izay voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Mitovy amin’ny andraikitra takina amin’ireo eveka ankehitriny ny sasany amin’ireo adidy nandidian’ny Tompo ny Eveka Whitney mba ho tanterahany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:16–18, ka tadiavo ny zavatra tokony omen’ny Eveka Whitney ny mpikamban’ny Fiangonana izay nifindra ho any Missouri.

Ireo Olomasina nifindra ho any Missouri dia nila nitondra taratasy fanamarinana any amin’ny Eveka Partridge, izay eveka ao Ziona, mba hanamarinana fa mendrika ny hahazo lova ao Ziona izy ireo. Amin’izao androntsika izao, ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia karazana “taratasy fanamarinana” izay omen’ny eveka sy filohan’ny sampana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanamarinana ny fahamendrehan’izy ireo sy hamelana azy ireo hiditra ny tempoly masina.

Avy amin’io fanambarana mikasika ny adidin’ny Eveka Whitney io, dia mianatra isika fa ireo eveka sy filohan’ny sampana dia mitantana ny raharaha ara-nofo sy ara-panahin’ny Fiangonana ao amin’ny paroasiny sy sampany. (Ny teny hoe ara-nofo dia milaza ireo zavatra mifandraika amin’ny fiainana an-tany, toy ny fitafiana, ny sakafo, ny fananana ary ny vola.)

Diniho ireo fomba nitahiana ny fiainanao noho ny niantsoan’ny Tompo ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hanompo anao sy ny fianakavianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73

Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mba hanohy ny fandikana ny Baiboly

Sary
Joseph Smith mandika ny Baiboly

Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73 ka tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sydney Rigdon hatramin’ny fiandohan’ny volana Desambra 1831.

Nitory ny filazantsara i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hiadiana amin’ny fampielezana tsaho momba ny Fiangonana izay nateraky ny famoahana ireo taratasin’i Ezra Booth. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:1–2, ny Tompo dia nanambara fa ireo loholona izay nitory ny filazantsara ihany koa dia tokony hanohy izany mandra-pahatongan’ny fihaonambe manaraka. Tapa-bolana taty aoriana no nanaovana io fihaonambe io.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 73:3–4 ka tadiavo hoe inona ny asa nandidian’ny Tompo an’i Joseph sy i Sidney mba hifantohan’izy ireo tamin’io fotoana io. Io “asa fandikan-teny” io, izay tokony ifantohan’i Joseph sy i Sidney indray, dia fanitsiana nentanim-panahy ny Baiboly. Maro amin’ireo fanitsiana nentanim-panahy nataon’ny Mpaminany Joseph Smith no hita ao amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejin’ny Baiboly (Baiboly amin’ny teny Anglisy) sy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Ny bokin’i Mosesy sy ny Dikantenin’i Joseph Smith—Matio ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy koa dia avy amin’ny fandikanteny nentanim-panahy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74

Nanazava ny dikan’ny 1 Korintiana 7:14 ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ho an’ny Fiangonana ianao. Teo am-piresahana tamin’ny mpivady iray izay naman’ny Fiangonana ianao, dia nahafantatra fa manana zanaka izay nodimandry izy ireo raha mbola amam-bolana vitsy no nahaterahany. Nambaran’ireo mpitondra fivavahany tamin’ireo mpivady fa tsy afaka ny ho any an-danitra ilay zaza satria tsy vita batisa talohan’ny nahafatesany. Nalahelo mafy ireo ray aman-dreny noho ny famoizana ny zanany sy noho ny finoany fa tsy nahazo ny famonjena ny zanany.

Inona no holazainao amin’ireo ray aman-dreny ireo? (Hanana fahafahana hanoratra ny valinteninao ianao atsy aoriana kely ao amin’ity lesona ity.)

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74 dia ahitana ny fanazavan’ny Tompo ny 1 Korintiana 7:14. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:1izay tenin’ny Apôstôly Paoly ao amin’ny1 Korintiana 7:14. Ny teny hoe tsy minoao amin’ny andininy 1 dia milaza ireo Jiosy izay tsy nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy nilaza i Paoly hoe afaka hovonjena ny olona iray amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny vadiny fa hoe ny fiovampon’ny vady dia afaka mitondra hery mitaona amin’ny fahamasinana ao amin’ny fianakaviana. Ny andian-teny hoe “raha tsy izany dia tsy madio ny zanakareo” ao amin’ny 1 Korintiana 7:14 dia nampiasaina mba entina hanamarinana ny fanaovana batisa ny ankizy kely.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:2–6 ka tadiavo ireo olana izay nisy nandritra ny vanimpotoana niainan’i Paoly Apôstôly rehefa misy iray amin’ny mpivady niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy kanefa ilay vadiny kosa mbola mampihatra ny lalàn’i Mosesy ihany.

Nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy ny Sorompanavotan’i Kristy ary tsy notakina intsony ny famorana. Na izany aza, ireo Jiosy izay nanaraka ny lalàn’i Mosesy dia nino fa ny zazalahy dia tsy madio raha tsy voafora, amin’ny mahazatra izany dia natao rehefa feno valo andro ilay zaza. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:2–6, ny Tompo dia manazava fa io finoana diso momba ny toetra ara-panahin’ny ankizy io sy ny fanaovana famorana dia nampisy olana teo amin’ny fianakaviana izay ahitana ray na reny mino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy kanefa ny vadiny mino ny lalàn’i Mosesy. Ny fifanoherana eo amin’ny finoana ara-pivavahana sy ny fomba amam-panao tahaka izany dia mety hitranga amin’izao fotoana izao eo amin’ny fianakaviana izay mpikamban’ny Fiangonana ny iray amin’ireo mpivady fa ny iray kosa tsy mpikambana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7 ary asio marika ny Fotopampianarana nampianarin’ny Tompo momba ny ankizy kely. Avy eo dia Vakio ny Môrônia 8:8–12. Saintsaino hoe ahoana no ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ilay toe-javatra nisy ilay misiônera izay voalaza teo aloha. Azonao atao ny manoratra ny Môrônia 8:8–12 ho andinin-tsoratra masina mifandray eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:7.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hampianarinao ilay mpivady izay nino fa tsy afaka ny ho any an-danitra ilay zanany nodimandry. Ahoana no hanampianao azy ireo hahatakatra ilay Fotopampianarana izay ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io fa masina ireo ankizy kely, satria nohamasinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nizara ny zavatra niainany fony izy misiônera tanora tamin’ny fotoana feno tany Chili. Jereo ny vokatry ny fahafantarana ilay Fotopampianarana marina hoe ny ankizy kely dia nohamasinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy teo amin’ilay vehivavy nampianarin’ny Loholona Bowen sy ny misiônera mpiara-mitory aminy.

Sary
Loholona Shayne M. Bowen

“Nivoatra haingana dia haingana rahavavy Ramirez tao anatin’ireo lesona. Tsy andriny izay hahafantarana ireo Fotopampianarana rehetra nampianarinay. Indray hariva raha niresaka momba ny fanaovana batisa ny zaza izahay dia nampianatra fa tsy manan-tsiny ny ankizy kely ary tsy mila atao batisa. Nasainay izy mba hamaky ao amin’ny bokin’i Môrônia [Môrônia 8:10–12]. …

“Nanomboka nitomany Rahavavy Ramirez taorian’ny namakiany izany soratra masina izany. Nikorontan-tsaina izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko. Nanontany aho hoe: “Ry Rahavavy Ramirez, nisy zavatra nolazainay izay nanafintohina anao ve?”

“Hoy izy hoe: ‘Tsia ry Elder, tsy nisy zavatra tsy nety nataonao akory. Nanan-janaka lahy kely aho enin-taona lasa izay. Maty talohan’ny nahafahanay nanao batisa azy izy. Nolazain’ilay pretranay fa hitoetra any amin’ny limby mandrakizay izy satria tsy vita batisa. Nahatsapa fanaintainana sy fahamelohana nandritra ny enin-taona aho. Rehefa avy namaky ity Soratra Masina ity aho dia nahafantatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa marina izany. Nahatsapa vesatra iray nesorina tamiko aho ary ranomasom-pifaliana izao miseho izao.’ …

“Rehefa niaina alahelo sy fanaintainana nila tsy ho zaka nandritra ny enin-taona izy dia nitondra fiadanana tena mamy ho an’ity vehivavy nikorontan-tsaina ity ilay Fotopampianarana marina izay nambaran’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny mpaminany velona iray. Tsy ilaina intsony ny milaza fa dia natao batisa Rahavavy Ramirez sy ireo zanany izay valo taona no ho miakatra” (“Satria velona Aho,dia ho velona koa ianareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 15–16).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72–74 aho ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy