Seminera
Fizarana 10: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–29


Fizarana 10: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–29

Fampidirana

Tamin’ny 9 febroary 1831, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tany Kirtland, Ohio, dia nandray ny fanambarana izay mandrafitra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–72 ankehitriny ny Mpaminany Joseph Smith. Nahazo torolalana fanampiny izy tamin’ny 23 febroary (jereo ny F&F 42:73–93). Rehefa raisina miaraka dia ireo fanambarana ireo no fantatra amin’ny hoe “ny lalàn’ny Fiangonana” (jereo ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny F&F 42). Mizara ho lesona roa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42. Ity lesona ity dia mahafaoka ny andininy 1–29 izay manome torolalana momba ny fampianarana ny filazantsara sy ny fametrahana ireo lalàm-pitondrantena ankapobeny ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–10

Miantso ireo loholona mba hampianatra ny filazantsara sy hanangana ny Fiangonany ny Tompo

Asio faribolana ireto teny eto ambany ireto izay eritreretinao fa mihatra amin’ny lalàna sy didin’ Andriamanitra:

Faneriterena

Fitahiana

Mafy

Famehezana

Fanomezana

Fetra

Valisoa

Fahafahana

Nahoana isika no mijery ny lalàna sy didin’ Andriamanitra amin’ny fomba ratsy indraindray? Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ny tsirairay amin’ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra dia fanomezana iray na fitahiana iray? Ahoana no hanafahan’ny fankatoavana ny lalàna sy didin’ Andriamanitra antsika amin’ireo voka-dratsin’ny ota?

Eo am-pandalinana ny lesona anio dia tadiavo ny fahatsapan’ireo Olomasina tany aloha tany momba ny fandraisana ny lalàn’ Andriamanitra ary saintsaino ny fihetsika asehonao manokana mikasika ireo didy.

Nandidy ny Olomasina tany New York ho any Ohio ny Tompo ary nampanantena fa hanome lalàna ho azy ireo aorian’ny fahatongavan’izy ireo any (jereo ny F&F 38:32). Tamin’ny fahafoizan-tena lehibe no nandaozan’izy ireo ny tranony sy ny fananany ka nankatoavany ny didy mba hiangona any Ohio. Nankatò ilay didy hiangona tany Ohio ny ankamaroan’ireo Olomasina tao New York. Taorian’ny nahatongavan’ny sasany tamin’izy ireo tany Kirtland dia nihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny loholona roa ambin’ny folo ka nivavaka tamin’ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–3, ka tadiavo ny antony nivorian’ireo loholon’ny Fiangonana ireo.

Nivory ireo loholona ireo, araka ny nandidiana azy ireo, mba hahafahan’ny Tompo manome azy ireo ny lalàny. Ny torolalana voalohany nomen’ny Tompo azy ireo dia ny handeha tsiroaroa amin’ny maha-misiônera azy ireo mba hanaparitaka ny filazantsara sy hanangana ny Fiangonana any amin’ny faritra rehetra izay niantsoana azy ireo mandrapahatongan’ny vahoaka rehetra ho voangona ho iray (jereo ny F&F 42:4–10).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11–17

Nandroso ireo fitsipiky ny fampianarana ny filazantsara ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe mipetraka ao anaty trano fiangonana ianao ary miandry ny fanombohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsy misy eo ny mpikambana ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana. Mitsangana ny iray amin’ireo mpiangona ary manazava fa te hanome antso vaovao vitsivitsy izy ary hampianatra Fotopampianarana vaovao izay nambara taminy. Inona no ho fihetsikao amin’izany toe-javatra mitranga izany? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11 ary fantaro izay zavatra ilaina alohan’ny ahafahan’ny olona iray mitory ny filazantsara na manangana ny Fiangonana amin’ny maha-solontena ôfisialin’ny Fiangonana azy. Ity torolalana mikasika ny fanokanana ity dia tsy mihatra amin’ny misiônera ihany fa amin’ireo rehetra izay natokana hampianatra sy hitarika ny Fiangonana ihany koa. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’io andinin-tsoratra masina io izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Ireo izay mampianatra sy manorina ny Fiangonana dia tsy maintsy olona voantson’ Andriamanitra sy notendrena na natokana tamin’ny alalan’ireo mpitarika nahazo lalana hanao izany ao amin’ny Fiangonana.

Eritrereto ny fomba hanatanterahana ny toromariky ny Tompo dia ny hoe “fantatry ny Fiangonana” ny fahefan’ireo mpitarika ny Fiangonana sy ireo mpikambana rehefa nampilazaina sy notohanana ampahibemaso izy ireo (F&F 42:11; jereo ny F&F 28:13). Ahoana no itondran’izany filaminana eo amin’ny Fiangonana sy iarovan’izany antsika amin’ny fitaka?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12–13 ary asio marika ireo andraikitra nomena ny olona izay mampianatra sy mitarika ny Fiangonana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12, inona no tokony ampianarin’ireo mpampianatra ao amin’ny Fiangonana?

    2. Araka ny andininy 13, ahoana no fomba ampianaran’izy ireo?

  2. Jereo ilay andian-teny hoe “hotandremany ireo fanekempihavanana sy ny toromariky ny Fiangonana ka harahiny” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:13. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny maha manan-danja, ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika, ny miaina ny zavatra ampianarin’izy ireo. Ahoana no nitahiana ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao rehefa niaina ny Fotopampianarana sy fitsipika izay nampianariny ny mpampianatra na ny mpitarika iray?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14, ary fantaro ny zavatra tokony hataon’ireo izay mampianatra mba hahazoana ny fitarihan’ny Fanahy. Avy eo dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka isika dia afaka mahazo ny Fanahy mba hanampy antsika hampianatra ny hafa. (Azonao atao ny manisy marika ireo teny ao anatin’izany andinin-tsoratra masina izany izay mampianatra ilay fitsipika na soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao izany.)

Fitsipika iray hafa ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14 ny hoe raha tsy manana ny Fanahy isika dia tsy hampianatra.

Mba hanampiana anao hahatakatra ny antony maha manan-danja ny fananana ny Fanahy rehefa mianatra sy mampianatra ny filazantsara ianao dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:16–17 ary fantaro ny zavatra fantatry ny Fanahy sy ny zavatra ataony. Ny voambolana hoe Mpampionona izay ampiasaina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia anisan’ireo anaran’ny Fanahy Masina. Fenoy, eo amin’ny toerana banga, izao fampianarana ara-potopampianarana manaraka izao izay avy ao amin’ny andininy 17: Ny Fanahy Masina dia mahafantatra sy vavolombelona manambara ny .

Araka izany fahamarinana izany, ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao rehefa mampianatra ianao?

Noho ny fahafantaran’ny Fanahy Masina ny zavatra rehetra dia mahafantatra ny zavatra rehetra niainantsika Izy sy ny zavatra ilaintsika eo amin’ny fiainantsika. Ireo izay mampianatra, mijoro ho vavolombelona na manazava ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia afaka hotarihina mba hanampy ny hafa handray izay fantatry ny Tompo fa ilain’izy ireo.

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nahatsapanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa nampianatra na nizara na nanazava na nijoro ho vavolombelona momba ny filazantsara ianao. Manorata ihany koa momba ny traikefa iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Raha toa ka tsy azonao antoka fa nanana ireny karazana traikefa ireny ianao dia anontanio ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao ny mikasika ireo zavatra niainany ka nahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary soraty ny zavatra nianaranao avy tamin’ny tantaran’izany olona izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:18–29

Manome lalàna sy didy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo

Rehefa avy nanome torolalana momba ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana ny Tompo dia nanambara lalàna sy didy izay mihatra amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana Izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:18–29 ary fantaro ireo didy izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Na dia manambara aza ny andininy 19 fa “izay mamono olona dia ho faty,” ny andininy 79dia manampy antsika hahatakatra fa ireo mpamono olona dia tokony halefa any amin’ireo manampahefana ara-panjakana “ary hoporofoina araka ny lalàn’ny tany izany.”

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:20–28, ny hoe “horoahina” dia midika hoe horoahina hiala ny Fiangoanana na manary ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Raha toa ka mampianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ny fandroahana hiala amin’ny Fiangonana dia natao ho an’ireo izay tsy mibebaka, ny vokatry ny fandroahana hiala amin’ny Fiangonana noho ny fahotana goavana dia mety ho ampahany amin’ny dingan’ny fibebahana ho an’ireo olona manetry tena sy mibebaka ka mikatsaka famelana ny fahotany. Ny fepetra raisina amin’ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana dia natao hiarovana ny Fiangonana sy hanampiana ireo izay nanota mba hibebaka sy handray ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  1. Mba hampalalim-paka ny fahatakaranao ny sasany amin’ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:18–29 dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no alaim-panahy hangalatra ny olona amin’izao fotoana izao? Inona araka ny eritreritrao no mety hanampy ny olona iray izay matetika no alaim-panahy hangalatra?

    2. Endrika irain’ny fandaingana ny fangalana tahaka. Nahoana araka ny eritreritrao no fahotana goavana ny fandaingana sy fangalana tahaka?

    3. Raha ireo zavatra niainanao no eritreretina, nahoana no diso sy mandratra ny fitenenan-dratsy momba ny hafa?

Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–23, ary asio marika ireo teny: Raha mitsiriritra olona hafa isika dia mandà ny finoana ary manary ny Fanahy.

Tsy fitiavana ny fitsiriritana. Ireo izay mitsiriritra ny hafa dia mieritreritra amim-pitiavan-tena momba ny lokan’izy ireo manokana. Raisiny toy ny zavatra ny hafa ary tsy manana fifehezan-tena izy ireo. Manimba sy manova ny fomba fijerinao ny hafa ny fitsiriritana. Mahatonga anao hanary ny fitarihan’ny Fanahy sy mety hanimba ny fahafahanao hanana fifandraisana tsotra amin’ny hafa izany, indrindra amin’ny vadinao any aoriana. Mametra ny fahafahanao hahatsapa ny tena fitiavana izany. Ny fitsiriritana dia mampiseho tsy fahampiam-pinoana ary mifanohitra amin’ny fomba tokony hijerentsika ny hafa.

Fitaovana mateti-piseho amin’izao androntsika izao ny pôrnôgrafia. Nampitandrina ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny pôrnôgrafia dia manimba ny fahafahan’ny olona iray hankafy ny fifandraisana ara-pihetsehampo sy ara-pitiavana ary ara-panahy araka ny tokony ho izy miaraka amin’ny vehivavy iray raha toa ka lehilahy ianao, ary lehilahy iray raha toa ka vehivavy ianao. …

“Mampiankin-doha ihany koa ny pôrnôgrafia. Manimba ny fahafahantsika mandray andraikitra izany ary ‘mamatotra’ ny mpampiasa azy ka misarika azy ireo hibosesika hihemotra hatrany hatrany. …

“Ataovy izay rehetra azonareo atao mba handosirana ny pôrnôgrafia. Raha toa ka mety ho manoloana izany ianao—izay mety hitranga na amin’iza na amin’iza eto ambonin’ny tany izay hiainantsika izany—dia araho ny ohatra nasehon’i Josefa tany Egypta. Rehefa tonga taminy ny fakam-panahy dia nandao izany izy ka ‘nivoaka’ (Genesisy 39:12).

“Aza manaiky ny fakam-panahy na manao ahoana izany na manao ahoana. Sakano ny fahotana ary hialao ny hifanatrika amin’ny fandringanany izay tsy azo ialana. Hialao izany! Aza mitodika any intsony! Andosiro izany na inona na inona ezaka takian’izany. Ampitodiho amin’ny lalana maha-te-ho-tia ny eritreritrareo. …

“… Aza mividy na mijery pôrnôgrafia. Aza ampiasaina amin’ny fietrena ara-pitondrantena ny fanananareo vola hafahana mividy zavatra. Ary ianareo ry zatovovavy, aoka ianareo hahatakatra fa raha toa ianareo ka manao akanjo tsy maontina dia manamafy ity olana ity ianareo amin’ny fahatongavanareo ho pôrnôgrafia ho an’ny lehilahy sasany rehefa mahita anareo izy”(“Pornography,” Ensign or Liahona, May 2005, 89–90).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny andiam-pehezan-teny iray izay mamaritra ny zavatra azonareo atao hampatanjahana ny tenanareo hanohitra ny fakam-panahy hitsiriritra. Ampidiro ao anatin’ny andiam-pehezan-teny soratanao ny antony hieritreretanao fa maha manan-danja ity didy ity. (Azonao atao ny mandalina ny lohahevitra “Fahadiovam-pitondrantena” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004] hahazoana hevitra fanampiny.)

Hamaranana ity lesona ity dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:29 ary tadiavo ilay fitsipika ampianarina ao anatin’izany andinin-tsoratra masina izany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ampisehoanao ny fitiavanao an’ Andriamanitra rehefa mitandrina ny lalàn’ Andriamanitra sy ny didiny ianao. Ahoana no nampanakaiky kokoa anao tamin’ Andriamanitra rehefa nitandrina ny didiny ianao?

Mandritra ny herinandro manaraka dia mampisehoa fitiavana bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiezahana mankatò bebe kokoa ny iray amin’ny lalàny na ny didiny.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–29 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy