Seminera
Fizarana 11: Andro 1,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–15


Fizarana 11: Andro 1

Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 45:1–15

Fampidirana

Nitombo hatrany ny Fiangonana tany Kirtland, Ohio ary nihamaro ihany koa ny fanenjehana sy ireo fanaratsiana momba ny Fiangonana. Ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 noraisina tamin’ny volana martsa 1831, dia nitondra fifaliana teo amin’ny Olomasina raha niaina fanaratsiana teo an-toerana izy ireo. Handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ao anatin’ny lesona roa ianao. Ao amin’ny ampahany voalohany amin’ity fanambarana ity dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-Zanakalahin’ Andriamanitra azy i Jesoa Kristy. Niresaka momba ny tanàn’i Enoka ihany koa Izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-Zanakalahin’ Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy

Iza no hitadiavanao torohevitra rehefa miatrika olana na fanapahan-kevitra sarotra iray ianao? Inona no toetra tsara ananan’izany olona izany ka manome fahatokiana anao mba hizarana ny fahatsapanao ary hihainoana ny teniny?

Hihaino kokoa ny olona izay mahatsapa fiahiahiana momba antsika manokana sy izay nahita fahombiazana tamin’ilay lohahevitra izay hanomezany torohevitra ianao. Ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 dia tonga tamin’ny fotoana iray izao nahenoana sy namakian’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo olon-kafa filazana mampifanditra momba ny Fiangonana. Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ary tadiavo ny toe-javatra nitranga izay natrehan’ny Olomasina rehefa nanome azy ireo ity fanambarana ity ny Tompo.

Diniho ilay teny hoe mihainoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1. Azonao atao ny manisy marika izany. Ny mihaino olona iray dia midika hoe manongilan-tsofina. Mety sady ahitana fihainoana no ahitana fankatoavana koa izany. Rehefa tena mihaino ny Tompo isika dia hanaraka ny toroheviny sy ny didiny. Ao amin’ny fiandohan’ity fanambarana ity dia nanao fanambarana momba ny sasany amin’ireo anjara asany ny Tompo sy momba ny ezaka ataony mba hanampiana antsika. Rehefa mamaky ireto fanambarana ireto isika dia afaka mahita antony hihainoana ny teniny. Tadiavo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ianarana ao amin’ny lesona anio ireo teny hoe mihainoa sy henoy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1 ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy mikasika ny tenany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nahoana no manampy antsika hihaino ireo zavatra lazain’i Jesoa Kristy ny fanekena fa Izy no Mpahary ity tany izay nandefasana antsika ity?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:2–3, ary fantaro ireo antony fanampiny mba hihainoana ny Mpamonjy. Diniho ny tena mahamaika ao amin’ny andininy 2. Tokony hihaino ny Mpamonjy isika raha mbola misy ny fotoana hanaovana izay lazainy.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3 dia mampianatra antsika fa i Jesoa Kristy no mpisolovava antsika amin’ny Raintsika any An-danitra. Takatrao ve ny maha samy hafa ny fitenenana hoe “I Jesoa Kristy no ho mpisolovava antsika” sy ny hoe “I Jesoa Kristy no mpisolovava antsika”? Ny Mpamonjy dia tsy mitalaho ny amin’ny momba antsika fotsiny ihany amin’ny Fitsarana Farany fa mijoro ho Mpisolovava antsika koa isan’andro rehefa mivavaka amin’ny Ray any An-danitra sy mibebaka ary mikatsaka ny hanana ny Fanahy miaraka amintsika isika. Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no ilànao an’i Jesoa Kristy ho Mpisolovava anao isan’andro eo amin’ny fiainanao.

Mba hanampiana anao hahatakatra ny teny hoe mpisolovava sy ny fifandraisan’ny mpisolovava amin’ny olona voampanga iray dia asio tsipika mampifandray ny anjara asan’ny olona ao amin’ny ankavia mankeo amin’izay mifanaraka amin’izany eo ankavanana.

Ny ampangaina

Inoana fa nahavita heloka ity olona ity.

Mpitsara

Miaro ny momba ny olon-kafa ity olona ity.

Mpisolovava

Maheno porofo ity olona ity ka mametra ny vokatra araka ny lalàna.

Alaivo sary an-tsaina hoe meloka tamin’ny fandikana lalàna iray ianao ka nentina hijoro eo anoloan’ny mpitsara iray. Inona no mety ho tsapanao? Nahoana ianao no ho feno fankasitrahana ny mpisolovava iray izay hiaro ny momba anao?

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:4–5 ka tadiavo ny fomba hanatanterahan’i Jesoa Kristy ny anjara asany amin’ny maha-mpisolovava sy amin’ny maha mpiaro ny famonjena antsika Azy. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana i Jesoa Kristy no mendrika ho Mpisolovava antsika?

    2. Inona no angatahin’ny Mpamonjy mba hosaintsainin’ny Ray any An-danitra?

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Nijoro ho vavolombelona momba fiahiahian’ny Mpamonjy ny toe-javatra misy eo amintsika amin’izao fotoana izao sy amin’ny Fitsarana Farany ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Feno fankasitrahana aho ary tena manan-danja amiko ny hoe afaka manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny alalan’ny vavaka aho na inona na inona zava-mitranga, fa maheno ny fiangaviako ny Ray any An-danitra ary ilay Mpisolovava ahy, ilay tsy nanota, izay nalatsaka ny rany dia hiaro ny momba ahy. (Jereo ny F&F 45:3–5). Miantehitra fatratra amin’izany fahafahana mifandray amin’ Andriamanitra izany aho, izay nomeny ny zanany rehetra satria tsy mizaha tavan’olona Izy ary izay mangataka dia omena” (“I Know in Whom I Have Trusted,” Ensign, May 1993, 83).

Tsy mitovy amin’ny mpisolovava izay misolo tena ny lalàn’ny olombelona ny fomba hiarovan’i Jesoa Kristy antsika satria efa nanefa ny saran’ny fahotana Izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy izay Mpisolovava anao sy tsy miaro ny momba anao fotsiny fa manefa ny saran’ny fahotanao koa?

    2. Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Mpamonjy ataonao mba hanatonana Azy bebe kokoa sy hanekena Azy ho Mpisolovava anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:6–10

Manasa antsika rehetra mba hanatanteraka ny fanekempihavanany mandrakizay ny Mpamonjy

Halalino nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:6–10 ka tadiavo ireo antony nolazain’ny Mpamonjy antsika fa hihainoana Azy.

Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay noresahina ao amin’ny andininy 9–10 dia ny “fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Maharitra mandrakizay izy noho izy fanekempihavanan’ Andriamanitra sady nisy tamin’ny fotoampitantanan’ny filazantsara rehetra isaky ny nanaiky handray azy ny olona” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,” scriptures.lds.org).

Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9 fa nandefa ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay i Jesoa Kristy “ho fahazavana ho an’izao tontolo izao sy ho faneva ho an’ny olo[ny], … ary ho mpitondra hafatra eo anoloan’ny tava[ny] mba hanomanana ny lalana eo aloha[ny].”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “manatona” ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay (F&F 45:10)?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny filazantsara ho fahazavana na faneva ho an’ny hafa?

    3. Nahoana no manampy antsika hanomana ny lalana amin’ny fiavian’ny Tompo ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay na ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15

Miresaka momba an’i Enoka sy ny vahoakany ny Mpamonjy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11 ka tadiavo ny zavatra hozarain’ny Tompo amin’ireo izay mihaino ny feony.

Sary
Nakarina tany an-danitra ny Tanànan’i Ziona

Nilaza ny Tompo fa ny olona sasany dia miantso Azy hoe “Andriamanitr’i Enoka” (F&F 45:11). Mpaminany lehibe iray izay niaina talohan’ny fotoan’i Noa sy ny Safodrano i Enoka. Rakotry ny faharatsiana ny tany tamin’ny andron’i Enoka, tahaka ny hitranga amin’ny fotoan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, saingy nitarika fiarahamonina nisy vahoaka marina izay niaina tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Ziona i Enoka. “Nosarahina tamin’ny tany” na nampiakarina tany an-danitra ny mponina tao Ziona taty aoriana noho ny fahamarinany (jereo ny F&F 45:12; Mosesy 7:69).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:12 ka tadiavo ny antony niarovana ny tanànan’i Ziona.

NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:12–14 dia mampianatra antsika fa nandray ny vahoakan’ny tanànan’i Ziona tany Aminy ny Tompo ary hanokana azy ireo “mandra-pahatongan’ny andron’ny fahamarinana.” Amin’izany fotoana izany dia hiverina eto an-tany i Enoka sy ny vahoakany mba hihaona amin’ny vahoakan’ny Tompo ao amin’ny tanànan’i Jerosalema Vaovao, izay hantsoina ihany koa hoe Ziona (jereo ny Mosesy 7:62–64). Nibanjina izany andro izany avokoa ny mpaminany rehetra. Noho ny faharatsian’ny olona eto ambonin’ny tany dia tsy mbola tonga izany andro izany saingy ireo lehilahy masina izay nibanjina izany andro izany dia hahita izany indray andro any.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15. Dia avereno jerena indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–14 ary saintsaino ny anjara asan’ny Mpamonjy na ny toetrany izay manampy anao hanam-paniriana hihaino ny feony. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana no manampy anao hanam-paniriana hihaino ny feon’ny Mpamonjy izany anjara asa na toetra izany.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina manokatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ireo ny hoe afaka mampitombo ny faniriantsika hihaino ny feon’ny Mpamonjy ny fianarana momba Azy sy ny zavatra nataony. Nampahafantatra ny tenany ny Tompo ary nanasa ny Olomasina mba hihaino ny feony noho ny maha-manan-danja ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–16 ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hoteneniny sy haminaniany. Ahoana no ahafahanao manomana ny tenanao hihaino ny tenin’ny Tompo rehefa mandalina ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ianao ao amin’ny lesona manaraka?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–15 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy