Fizarana 22: Andro 4
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105
Fampidirana
Ho fankatoavana ny torolalan’ny Tompo dia nanangana ilay nanjary nantsoina hoe Tobin’i Ziona ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpilatsaka an-tsitrapo hafa sy ireo vatan-dehilahy noraisina hanampy teo amin’ny 200 teo ho eo mba handeha hanampy ireo Olomasina izay noroahina avy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Ny 22 jona 1834, dia nandray ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nilasy teo akaikin’ny Reniranon’i Fishing tany Missouri. Ao amin’io fanambarana io dia manome torolalana mikasika ny fanavotana an’i Ziona ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:1–19
Nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hiandry ny fanavotana an’i Ziona
Eritrereto anie hoe mpikamban’ny ôrkestra iray ianao Eny an-tenantenan’ny fampisehoana, dia manapa-kevitra ny mpitendry lokanga sasantsasany ny hiangaly pejin’ny mozika hafa tsy mitovy amin’ny an’ny mpikamban’ny ôrkestra rehetra. Aloha kelin’ny hanaovany izany, dia manapa-kevitra ny handeha haingana kokoa ny mpitendry sodina. Ireo mpitendry zava-maneno vita amin’ny varahina manontolo, dia manapa-kevitra miaraka ny tsy hiara-hitendry intsony.
Inona no mety ho fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra ireo aminao amin’ny maha-mpikamban’io ôrkestra io anao? Inona no vokatr’izany amin’ny fampisehoana? Nahoana ny firaisam-po amin’ny tanjona sy ny fiasana miaraka no manan-danja ho an’ny ôrkestra mba hamoahana mozika kanto?
Tsarovy fa ny volana febroary 1834, dia nanoro lalana ny Mpaminany Joseph Smith sy ny olona hafa ny Tompo ny hanangonana vatsy fanampiana sy hiantsoana mpilatsaka an-tsitrapo mba hanampiana ny Olomasina noroahina tamin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, amin’ny fitakiana ny fananan-taniny. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 ianao dia jereo ny anjara asan’ny firaisam-po manoloana ny fikatsahan’ny Olomasina hamerina ny tanànan’i Ziona amin’izy ireo indray.
Ny Tompo dia nilaza tamin’ny fanambarana teo aloha (jereo ny F&F 103:30–34), fa maniry mpilatsaka an-tsitrapo miisa 500 Izy handray anjara amin’ny Tobin’i Ziona. Raha tsy tratra ny 500, dia mpilatsaka an-tsitrapo 100 no farafahakeliny takiany. Ny vokatry ny ezaka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny olona hafa mba hiantsoana mpilatsaka an-tsitrapo sy vatsy ho an’ny Tobin’i Ziona dia tsy nahomby araka ny nantenaina. Rehefa nanomboka ny diany tamin’ny voalohandohan’ny volana mey 1834 ny toby, dia olona niisa 122 ihany no nilatsaka an-tsitrapo. Nandrotsaka mpilatsaka an-tsitrapo fanampiny teny an-dalana nankany Missouri ny Tobin’i Ziona. Rehefa nifankahita tamin’ny andiany nentin’i Joseph Smith tamin’ny voalohandohan’ny jona 1843 ny vondrona izay nangonin’i Hyrum Smith sy i Lyman Wight avy tamin’ny faritanin’ny Michigan, dia nihoatra kelin’ny lehilahy 200, vehivavy 12 ary ankizy 9 ny Tobin’i Ziona (jereo ny Alexander L. Baugh, “Joseph Smith and Zion’s Camp,” Ensign, jona. 2005, 45).
Ny taona antonontonon’ny lehilahy tao amin’ny Tobin’i Ziona dia 29. Ny mpikambana tanora indrindra dia 14 taona, ary ny nahazo taona indrindra 79 taona. I Joseph Smith izay nofidiana ho “lehiben’ny tafika mpanapaka an’i Isiraely” (ao amin’ny History of the Church, 2:39), dia 28 taona monja.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:7–8, ary tadiavo ny antony iray tsy nisafidianan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany ny hanampy ny Olomasina tahaka azy tany Missouri.
Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia niandry mba hahita raha toa Andriamanitra hiditra an-tsehatra sy hanampy ny Olomasina tany Missouri alohan’ny fanampiany na ny fandraisany anjara ara-bola ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tahaka azy. Inona araka ny eritreritrao no tsy mahamety izany toe-tsaina izany?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:1–6, ary jereo ny fiantraikan’ny tsy fankatoavana sy ny tsy fisian’ny firaisam-po teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana. Mety hanampy ny fahatakarana fa tafiditra ao amin’ny “lalàn’ny fanjakana selestialy” voalaza ao amin’ny andininy 4–5 ny lalàna sy fitsipika rehetra mila ankatoavintsika, ny ôrdônansy mila raisintsika ary ny fanekempihavanana mila hazonintsika mba handovana ny fanjakana selestialy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra tokony hataontsika mba hahatafatsangana an’i Ziona?
-
Nahoana araka ny hevitrao no takiana ny firaisam-po sy ny fankatoavana amin’ny fananganana an’i Ziona?
-
Inona ireo traikefa izay nanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny firaisam-pon’ny mpikamban’ny Fiangonana?
-
Ireo izay nilatsaka an-tsitrapo ho an’i Ziona dia niatrika fanamby sy fahagagana maro nandritra ny dia. Saintsaino ny mety ho fihetsikao manoloana ny sasany amin’ireto fitsapana manaraka ireto:
Nanao ny dia izay teo amin’ny 1.450 kilaometatra teo ho eo tamin’ny faritra efatra ny Tobin’i Ziona, ka nandeha teo anelanelan’ny 32 sy 64 kilaometatra isan’andro nandritra ny 45 andro izy ireo. Niaina tongotra niempaka, toetr’andro mafana sy mando, tsy fahampian-tsakafo ary sakafo tsy ara-pahasalamana ireo mpikambana tao amin’ny toby. (Jereo ny Alexander L. Baugh, “Joseph Smith and Zion’s Camp,” 44; Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 143–44.) Nisy fotoana ireo mpikambana tao amin’ny toby, noho ny hetaheta be loatra, no nisotro ranon’ny honahona ka notantavanina avy tao amin’izany (indraindray tamin’ny fampiasana ny nifin’izy ireo ho fanatantavanana) ny atodi-moka na nisotro rano avy teo amin’ireo dian-tongo-tsoavaly taorian’ny oram-baratra. Matetika ihany koa ny Tobin’i Ziona no norahonan’ny hafa tamin-kery nandritra ny dian’izy ireo. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 144–45.)
Na dia teo aza ireo fitsapana, dia niaina fahagagana marobe ny Tobin’i Ziona nandritra ny dia. Ohatra, tamin’ny andro mafana iray tamin’ny volana jona 1834, dia nila nandeha nandritra ny andro manontolo ny toby ary tsy nisy ny rano hatramin’ny maraina. Rehefa nahita ny fijalian’ny lehilahy sy ny bibin’izy ireo ny Mpaminany, dia nangataka angady izy, sy nisafidy toerana iray ary nangady izany lalindalina. Avy hatrany dia niboiboika rano izany, ary nijanona ho feno izany na dia taorian’ny nisotroan’ny mpikamban’ny toby rehetra sy ny bibiny aza.
Teo amin’ny tapatapan’ny jona 1834, dia nilasy teo amin’ny sampanan-dalan’ny Reniranon’i Fishing tany Missouri ny Tobin’i Ziona. Lehilahy nitam-basy dimy avy tany Missouri no nanatona ny toby tamin’ny soavaly ary nianiana fa ireo mpikamban’ny Tobin’i Ziona dia “hahita ny helo alohan’ny maraina” (ao amin’ny History of the Church, 2:103). Nilaza izy ireo fa mpihetraketraka mihoatra ny 300 no nitambatra avy tamin’ny fivondronana samy hafa ary niomana amin’ny fiampitàna ny Renirano Missouri mba handripaka azy ireo. Ny sasany tamin’ireo lehilahin’ny Tobin’i Ziona dia naniry ny hiady, fa ny Mpaminany dia nampanantena fa ny Tompo dia hiaro azy ireo. Nilaza ny Mpaminany hoe: “Mijoroa omban’ny fahatokian-tena ary jereo ny famonjen’ Andriamanitra” (teny nindramina tamin’ny Joseph Holbrook, “History of Joseph Holbrook, 1806–1885,” 15, ao amin’ny Church History in the Fulness of Times, 148.)
Minitra vitsy taorian’ny nialan’ny lehilahy avy any Missouri, dia nisy tandrifin-drahona matromatroka kely iray teny amin’ny habakabaka. Nikisaka niatsinanana izany, nikodiadia tahaka ny horonan-taratasy, ary nandrakotra ny habakabaka tamin’ny haizina. Nirotsaka avy eo ny oram-be narahin-drivo-mahery, havandra, kotroka ary tselatra. Nandao ny trano lainy ny Tobin’i Ziona ary nahita toeram-pialofana tao amin’ny trano fiangonana Batista tonta iray tsy lavitra teo. Rehefa niditra tao i Joseph Smith, dia nilaza mafy izy hoe: “Ry zalahy, misy dikany izao zavatra izao. Andriamanitra dia ao anatin’io rivo-mahery io.” Ireo mpihetraketraka izay nikatsaka ny hiampita ny Reniranon’i Missouri dia nosakanan’ny rivo-mahery. Ny rivo-mahery feno fahatezerana dia nandena ny balan’ireo mpihetraketraka, ka tsy azo nampiasaina intsony izany. Nampitahotra sy nanaparitaka ny soavalin’izy ireo koa izany ary nampiakatra ny haavon’ny ranon’ny Reniranon’i Fishing, ka tsy afaka nanafika ny Tobin’i Ziona izy ireo. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 148; jereo koa ny History of the Church, 2:104–5.)
-
Ireo traikefa ireo dia maneho amin’ny fomba manan-danja sy mahagaga ny fanampian’ny Tompo ny Tobin’i Ziona. Nanampy azy ireo tamin’ny fomba hafa madinidinika koa Izy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nanampian’ny Tompo anao na ny olona hafa fantatrao amin’ny fanatanterahana ny tanjony.
Talohan’ny nandaozan’ny Tobin’i Ziona an’i Kirtland, Ohio, dia nandray fampanantenana iray avy tamin’i Daniel Dunklin, governoran’i Missouri ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, fa raha tsy afaka hanome toky ny amin’ny fiarovana ny Olomasina ny mpitandrina ny filaminana ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, dia hampiasa fomba hafa izy mba hampiharana ny lalàna. Nilaza koa izy fa ny tafi-paritra dia mety ilaina amin’ny fanampiana ny Olomasina hiverina any amin’ny toeram-ponenany. Taorian’ny nahatongavan’ny mpikamban’ny Tobin’i Ziona tany Missouri, dia naheno izy ireo fa tsy hanaja ny teny nomeny amin’ny fanampiana ny Olomasina indray ny Governora Dunklin. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 135, 146–47.) Na dia teo aza ireo vaovao mahakivy dia nanohy nanatona ny Fivondronan’i Jackson ny Tobin’i Ziona, niandry fitarihana fanampiny avy tamin’ny Tompo.
Io torolalana nilaina io dia tonga tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo ny 22 jona 1832, taorian’ny nanaovan’ny Tobin’i Ziona ny dia saika naharitra fito herinandro ary teo amin’ny 16–32 kilaometatra niala ny Fivondronan’i Jackson. Io fanambarana io dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9–14, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’izy ireo mikasika ny fanavotana an’i Ziona.
Alaivo sary an-tsaina hoe mpikamban’ny Tobin’i Ziona ianao. Taorian’ny dia lavitra natrehanao dia mandre ianao fa mila miandry “mandritra ny fotoana fohy” alohan’ny hanavotana an’i Ziona. Inona no mety ho tsapanao?
-
Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireo antony nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9–14 ny amin’ny tsy tokony hanavotana an’i Ziona tamin’izany fotoana. Hazavao, ho an’ny antony tsirairay, ny zavatra tokony hahitsy na ny zavatra tokony hitranga alohan’ny hahafahana manavotra an’i Ziona ary lazao ny antony.
Tsarovy fa ny fanavotana an’i Ziona dia tsy ny famerenana indray ny fananan-tanin’i Ziona ihany fotsiny. Na dia toerana azo tsapain-tanana aza i Ziona, dia fiaraha-monina ahitana karazan’olona manokana ihany koa izany. Ny vahoakan’ny Tompo dia tsy maintsy hamasinina sy mendrika ny hitaky sy hanangana ny tanànan’i Ziona.
Ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Tobin’i Ziona dia nanaiky ny torolalan’ny Tompo ao amin’io fanambarana io, fa ny sasany dia nimonomonona ary tsy nijanona ho mahatoky intsony rehefa naheno fa tsy hiady indray any Missouri. Tsy nahatakatra izy ireo fa ny tanjona farany an’ny Tobin’i Ziona dia tsy ny ady na fitakiana ny fananan-tanin’i Ziona ao amin’ny Fivondronan’i Jackson amin’ny hery ara-miaramila. Ny lehilahin’ny toby dia niomana tamin’ny ady na dia mety hamoizany ny ainy aza izany, fa ny Tompo dia tsy naniry ny fanavotana an’i Ziona amin’ny alalan’ny herin’olombelona (jereo ny F&F 103:15–18; 105:14). Vokatr’ity fanambarana izay mitaky ny hiandrasana sy ny tsy hiadiana ity, dia nikomy am-pahibemaso ny lehilahy sasany ary nanao apôstazia manokana izy ireo taty aoriana.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:18–19, ary jereo ny antony nitondran’ny Tompo ny Tobin’i Ziona hatrany Missouri ary avy eo dia nanambara tamin’izy ireo rehefa tonga tany izy ireo fa tsy hanao zavatra ho amin’ny famerenana ny fananan-tanin’i Ziona izy ireo tamin’izany fotoana. (Mety hanampy ny mahatakatra fa ny fizahan-toetra ny finoana dia mety midika ho fitsapana raha toa hisafidy na tsia ny hahatoky sy hankatò ny Tompo isika na inona na inona toe-javatra misy.)
Asio marika ny andian-teny ao amin’ny andininy 18–19 izay mampianatra ny fahamarinana fa Nanomana fitahiana lehibe ho an’ireo izay mahatoky mandritra ny fitsapana azy ireo Andriamanitra.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fotoana ahoana ianao na ny olona fantatrao iray no niaina fizahan-toetry ny finoana?
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-fiomanana amin’ny fitahiana amin’ny hoavy an’ilay fizahan-toetry ny finoana?
-
Ny iray amin’ny fitahiana noraisin’ny mpikamban’ny Tobin’i Ziona dia tonga tamin’ny alalan’ny fahafahana manompo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Tamin’ny febroary 1835 dia natsangana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Kôlejy voalohan’ny Fitopololahy. Sivy tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo ary ny mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nanompo tao amin’ny Tobin’i Ziona avokoa. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 151.)
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra momba ny anjara asan’ny Tobin’i Ziona tamin’ny fanomanana ireo lehilahy ireo amin’ny toeran’ny maha-mpitarika: “Andriamanitra dia tsy naniry ny hiadianareo. Tsy afaka nanangana ny fanjakany tamin’ny lehilahy roa ambin’ny folo Izy mba hanokatra ny varavaran’ny Filazantsara ho an’ny firenena ety an-tany, ary niaraka tamin’ny lehilahy fitopolo teo ambanin’ny fitarihan’izy ireo hanaraka ny diany, raha tsy hoe nalainy avy tamin’ny vondron-dehilahy nanolotra ny ainy sy nanao fahafoizan-tena goavana tahaka ny nataon’i Abrahama izany” (ao amin’ny History of the Church, 2:182).
Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia naneho fankasitrahana taty aoriana ny amin’ny traikefa nananany amin’ny maha-mpikamban’ny Tobin’i Ziona azy ireo. Ohatra, rehefa niverina tany Kirtland, Ohio i Brigham Young dia nisy lehilahy iray nanontany azy hoe: “Dia inona izany izao no azonao tamin’izay dia nankany Missouri tsy nisy ilàna azy izay niaraka tamin’i Joseph Smith?” ‘Izay rehetra natrehanay tany,’ hoy i Brigham Young namaly.” Nampiany hoe: “Tsy ho atakalo velively amin’ny haren’ny Fivondronan’i Geauga ny traikefa azoko tao anatin’izany dia izany” (ao amin’ny B. H. Roberts, “Brigham Young: A Character Sketch,” Improvement Era, jona 1903, 567). Tamin’io fotoana io dia tafiditra tao anatin’ny Fivondronan’i Geauga i Kirtland.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:20–41
Mampianatra ny Olomasina ny zavatra tokony hataony mialoha ny hanavotana an’i Ziona ny Tompo
Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:20–37 fa ny Tompo dia nilaza tamin’ny Olomasina tany Missouri ny fihetsika tokony hasetrin’izy ireo ny fanenjehana niainany nandritra ny fotoana niandrasany ny dia mankany Ziona amin’ny hoavy. Nanoro hevitra azy ireo mba hanetry tena sy hisoroka ny fitondrana fifandirana Izy. Nanazava Izy fa mila hamasinina izy ireo ho fiomanana amin’ny fanavotana an’i Ziona amin’ny hoavy. Araka ny voalazany teo aloha tao amin’io fanambarana io ihany, dia tokony “[hampianarina tsaratsara kokoa] ny vahoakany, ka hananany ny fahaiza-manao sy hahafantarany tsaratsara kokoa ny adidiny mbamin’ireo zavatra izay takiany eo an-tanany” (F&F 105:10).
Nofaranan’ny Tompo io fanambarana io amin’ny fanomezana torolalana ireo Olomasina ny hanaovany zavatra iray tsy ho an’ireo izay manenjika azy ihany fa ho an’ny olon-drehetra koa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–41, dia tadiavo ny zavatra nasainy nataon’izy ireo.(Rehefa mamaky ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe mamitrana dia midika hoe mikatsaka ary ny faneva dia saina na famantarana.)
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Manoràta fitsipika iray avy amin’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–41 mikasika ny fitahiana mety ho azo raha mikatsaka ny hamitram-pihavanana amin’ny hafa isika.
-
Tanisao ireo zavatra efatra na dimy izay azon’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny atao mba hikatsahana ny fampitoerana fandriampahalemana amin’ny hafa, indrindra indrindra amin’ireo izay mety hanenjika azy ireo.
-
Safidio ny iray amin’ireo zavatra nataonao lisitra ireo, ary soraty ny tanjona ny hampiharana izany amin’ny fiainanao.
-
-
Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: