Seminera
Fizarana 18: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86


Fizarana 18: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85 dia ampahany tamin’ny taratasy feno fanentanam-panahy nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith nalefa ho an’i William W. Phelps tamin’ny 27 nôvambra 1832. Tao anatin’io taratasy io ny Mpaminany dia nanazava fa ny Tompo dia maniry ny hiraketana an-tsoratra mazava ireo izay miaina ny lalàn’ny fanokanana tao Missouri. Taty aoriana, tamin’ny 6 desambra 1832, i Joseph Smith dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 raha teo am-panaovana fanitsiana mazava tsara ny Baiboly izy. Nanome fanazavana misimisy kokoa mikasika ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ary ny anjara asan’ny fisoronana amin’ny fanampiana ny Tompo hanangona ny marina amin’ny andro farany ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85

Nasaina hitana ny rakitsoratry ny vahoakan’ Andriamanitra ny mpitambokin’ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikambana ao amin’ny ekipa ara-panatanjahantena iray ianao izay manana ny hery rehetra mba ho tonga tena matanjaka be. Rehefa nilalao andro vitsivitsy tao amin’io ekipa io ianao dia nahatsikaritra fa misy mpilalao iray tia tena ao amin’ilay ekipa, misy mpilalao hafa sasany tsy mihazona araka ny tokony ho izy ny toerana iandraiketany, ary ny hafa tsy miraharaha ny mpanazatra. Inona no antony mety hahasarotra ny fandresen’ny ekipanao? Inona no mety mila hovaina mba hampilalao tsaratsara kokoa ny ekipa?

Tranga mitovy amin’io no nanomboka nitranga tamin’ny 1832 rehefa nihanitombo ny mpikamban’ny Fiangonana tonga tany Missouri. Maro tamin’ireo Olomasina tao Missouri no niaina nifanaraka tamin’ireo lalàna napetraky ny Tompo ho fanorenana an’i Ziona. Na dia izany aza dia nisy andiana mpikamban’ny Fiangonana tsy nankato ny didin’ny Tompo ka nandeha nankany Missouri na dia tsy nahazo taratasy fanamarinana avy tamin’ireo mpitarika azy aza (izay notakin’ny lalàna napetraky ny Tompo ao amin’ny F&F 72:17–18, 25). Ny taratasy fanamarinana dia taratasy iray nosoniavin’ny Eveka ao amin’ny Fiangonana na ireo Loholona telo miahy ny Fiangonana, izay manambara fa ny olona iray dia mendrika sy manara-dalàna ary afaka ny hitantanan-draharaha. Na dia nodidina ny hanokana ny fananany aza ny mpikamban’ny Fiangonana tao Missouri, dia nisy sasany tonga tsy nanana fananana hatokana, izay nampitombo ny olana natrehan’ny olona. Farafahakeliny olona iray tamin’ireo izay nanokana ny fananany no nangataka ny hamerenana izany aminy raha tsy izany izy dia handao ny Fiangonana. Ny hafa tao Missouri dia nandà ny hanokana ny fananany ho an’ny Fiangonana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mampitovy ny mpikamban’ny Fiangonana sasany amin’ny mpilalao tsy mamokatra iray ao amina ekipa iray?

    2. Inona no antony mety ho nahasarotra ny fananganana ny tanànan’i Ziona tao anatin’izany toe-draharaha izany?

Vakio ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85 hahafantaranao ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith nanoloana ireo olana tao Missouri ireo.

Sary
John Whitmer

John Whitmer

Nanome torolalana ny mpitambokin’ny Tompo, John Whitmer, izay nipetraka tao Missouri ny taratasin’i Joseph Smith. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:1–2, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Tompo mba hataon’ny mpitambokin’ny Fiangonana tany Missouri. (Mety hanampy anao eo am-pandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mahafantatra fa ny atao hoe mpivadika dia ireo izay latsaka tao anatin’ny apôstazia, na mivadika amin’ny Fiangonana ka mandà ny finoana.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:3–5, ka tadiavo ny antony nahatonga ny sasany tamin’ny olona tsy nahazo nosoratana tao amin’ny firaketan’ny Fiangonana ny anarany. Ao amin’ny andininy faha 3 ny andian-teny hoe “ireo izay tsy nandray ny lovany tamin’ny alalan’ny fanokanana” dia ilazana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nandà ny hiaina ny lalàn’ny fanokanana araka ny nandidian’ny Tompo.

Tahaka ny nitanana rakitsoratra tamin’ny Fiangonana taloha no mbola hitanana rakitsoratra amin’izao androntsika izao hitehirizana ny rakitsoratra misy ny anaran’ireo izay mahatoky, sy ny tantaran’ny asan’izy ireo ihany koa. Ny fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny taratasin’ny Mpaminany dia ny hoe Raha miaina ny lalàn’ Andriamanitra isika dia hosoratana eo amin’ireo rakitsoratry ny Fiangonana ho toy ny mpikambana mahatoky ny anarantsika.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo zavatra tsy maintsy ataonao mba ho voarakitra ho toy ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky ny anaranao. (Rehefa vitanao io asa nampanaovina io dia ampitahao amin’ny valiny hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny zavatra nosoratanao.)

Nampiasain’ireo mpivadika maro mba hanamarinana ny fihemorany amin’ny Fiangonana ny andinin-tsoratra masina hoe ilay “mahery sy matanjaka” (F&F 85:7) izay handamina ny tranon’ Andriamanitra sy ny andinin-tsoratra masina hoe ilay “haninjitra ny tanany mba hanohanana ny fiaran’ Andriamanitra” (F&F 85:8). Nilaza izy ireo fa tsy nankasitrahan’ Andriamanitra sy nolavin’ Andriamanitra ny ankamaroan’ireo Filohan’ny Fiangonana ary izy ireo kosa, ireo mpivadika, no “ilay mahery sy matanjaka” nantsoin’ Andriamanitra handamina araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. Mifanohitra amin’ny tenenin’ny soratra masina ny filazana toy izany. Tao anatin’ny fanambarana iray navoaka tamin’ny 1905, ny Fiadidiana Voalohany (Joseph F. Smith, John R. Winder, ary Anthon H. Lund) dia niara-nandinika ny toe-javatra izay nahatonga ity fanambarana ity sy ireo izay niantefan’ireo andian-teny roa ireo:

“Mialoha ny zava-drehetra dia aoka homarihina fa ny matoan-dresak’ity taratasy manontolo ity [ny taratasin’ny Mpaminany ho an’i William W. Phelps], izay nankatoavina ho fanambarana ihany koa ny ampahany tamin’izany taty aoriana [F&F 85] dia mifandray amin’ny raharahan’ny Fiangonana ao Missouri, ny fivondronan’ny Olomasina mankany amin’izany tany izany, ary ny fahazoany lova eo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana sy ny fitantanan-draharaha ary ny Mpaminany dia misahana manokana ny zavatra hanjo ireo izay tsy afaka mandray ny lovany amin’ny alalan’ny fanomezan-dalana na ny taratasy fanamarinana ny fananan-tany avy amin’ny eveka. …

“Nandritra ny fotoana nanjakan’ireny fikomiana, fialonana, avonavona, tsy finoana ary fahamafisan’ny fo ireny teo anivon’ireo rahalahy tao Ziona—Jackson county, Missouri—izay nandraisan’ny Eveka Partridge anjara avokoa, no nanoratana ireo teny fanambarana nalaina tamin’ny taratasy ho an’i William W. Phelps, tamin’ny faha-27 nôvambra 1832. Ilay ‘lehilahy izay nantsoin’ Andriamanitra sy voatendry’ mba ‘hizara amin’ ny Olomasina ny lovany’—i Edward Partridge—dia tsy nitondra tena araka ny tokony ho izy sy nanadino ny andraikiny ary naninjitra ‘ny tanany mba hanohanana ny fiara’; noho izany, nampitandremana izy fa efa mby ny fitsaran’ Andriamanitra ka natao ny vinavina fa hirahin’ Andriamanitra haka ny toerany sy ny episkôpany ‘ilay mahery sy matanjaka’—ilay mitoetra ao aminy ny fanahy sy ny herin’izany toerana ambony izany, ka amin’ny alalan’izany no hananany hery ‘handaminana ny tranon’ Andriamanitra sy handaminana amin’ny atsapaka ny lovan’ny Olomasina’; izany hoe ilay hanao ny asa nampanaovina an’ny Eveka Edward Partridge izay tsy nahatontosa izany. …

“Koa tsy isalasalana fa tamin’ny alalan’ny fibebahany sy ny fahafoizan-tenany ary ny fijaliany no nahazoan’i Eveka Edward Partridge fanalefahana ny sazy izay nanambana ny fahalavoany amin’ny ‘zanatsipikàn’ny fahafatesana, tahaka ny hazo izay asian’ny zana-tsipikàn’ny varatra mahajambena,’ noho izany ny fotoan’ny fandefasana iray hafa ho eo amin’ny toerany—’ilay mahery sy matanjaka izay handamina ny tranon’ Andriamanitra sy handamina amin’ny atsapaka ny lovan’ny olomasina’—dia azo heverina ho toy ny efa nitranga ka mikatona avokoa ny voka-java-niseho avy amin’ilay faminaniana” (ao amin’ny James R. Clark, comp., Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, boky miisa 6. [1965–75], 4:112, 115, 117.)

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fikasana ny hanatrika fotoan-dehibe iray ianao (ohatra hoe ny fanambadiana olo-malaza iray na lanonana fiaraha-misakafo miaraka amin’ny olona iray izay tena nirinao hatramin’izay ny hihaona aminy). Inona no mety tsapanao raha toa ka tonga any amin’ilay lanonana ianao saingy tsy navela niditra ianao noho ny anaranao tsy misoratra eo amin’ny lisitry ny vahiny nasaina?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:9–11, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hanjo ireo olomasina taloha izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahatsiarovana na ny bokin’ny lalàn’ Andriamanitra ny anarany. (Tsarovy fa ireo anarana iantsoana izany ireo dia entina ilazana ny tantara voarakitra an-tsoratra momba ny finoana sy ny asan’ireo olomasina taloha.)

Ny rakitsoratra rehetra dia tanana ety an-tany sy any an-danitra koa. Hampamoahina ny amin’ny asantsika sy ny finoantsika ireo lalàna velon’ Andriamanitra isika rehetra. Saintsaino ny fihetsikao manoloana ireo lalàn’ Andriamanitra sy ny fankatoavanao ireo lalàn’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86

Manazava bebe kokoa momba ny fanoharana ny vary sy ny tsimparifary ny Tompo

Sary
vary sy tsimparifary

Ny fanoharana dia tantara iray izay mampiasa fampitahana entina ampianarana fahamarinana iray. Vakio ny fanoharana momba ny vary ary ny tsimparifary (Matio 13:24–30)

Maneho inona eto ny vary?

Maneho inona eto ny tsimparifary?

Azonao hamarinina ny valinteninao tamin’ireo fanontaniana tetsy ambony amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 13:38.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Fa maninona ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana no nampiandry kely mialoha ny hanongotana ny tsimparifary?

Ny tsimparifary dia karazana ahi-dratsy iray misy poizina. Saika mitovy ny vary sy ny ahi-dratsy raha vao mitsiry, saingy azo avahana izy roa rehefa feno ny fitombony. Raha toa ka mikasa ny hanongotra ny ahi-dratsy mialoha ny fotoana hahatongavan’ny vary sy ny tsimparifary ho matoy ny mpijinja iray, dia ho betsaka amin’ny vary no mety ho simba ihany koa.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–6, ka tadiavo ny dikan’ny tanimbary, ny mpamafy ny voa, ary ny fahavalo. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Araka ny fanazavan’ny Tompo ireo sariohatra dia ahoana no mety hamintinanao ilay fanoharana?

Nanatanteraka ny famerenana ny fandinihana sy ny fitondrana fanitsiana tao anatin’ilay asa fanitsiana mazava tsara ny Baiboly ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandray ity fanambarana ity. Araka ny voalaza ao amin’ny Matio 13:30 ny Tompo dia nilaza fa hangonina mialoha ny tsimparifary ary hofehezina miaraka ary avy eo hangonina ho any an-tsompitra ny vary (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:29 [ao amin’ny Matio 13:30 fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b ao amin’ny Baiboly King James].

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:7, ka tadiavo ao ny hevi-baovao entin’ity fanambarana ity momba ny fanangonana. Aminao ahoana no fomba hanangonana ny marina amin’ny andro farany?

Sary
misiônera vavy mampianatra

Diniho ny fifandraisan’ny fomba fampianaran’ny misiônera ny olona ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary.

Isika koa dia afaka manampy amin’ny fanangonana ny marina amin’ny alalan’ny fizarantsika ny filazantsara amin’ny hafa. Voangona ao amin’ny valan’ Andriamanitra ny olona rehefa manaiky an’i Kristy ka atao batisa izy ireo. Ny fahatsiarovana ireo fomba maro itahiana antsika noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonanan’ny Tompo antsika dia afaka mampitombo ny faniriantsika hizara ireny fitahiana ireny amin’ny hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:8–10, ka tadiavo ireo fomba maro nitahiana antsika noho isika mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ny andian-teny hoe “ianareo dia mpandova ara-dalàna” ao amin’ny andininy faha 9 dia midika fa ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro Farany dia anisan’ny ao anatin’ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama, izay tamin’ny alalan’izany no nampanantenana an’i Abrahama fa ny taranany dia higoka ireo fitahian’ny fisoronana ary hizara ireny fitahiana ireny amin’ny hafa (jereo ny Abrahama 2:9–11).

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Inona no fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fisoronana?

Eo am-pisaintsainana io fanontaniana eo ambony io dia mety ho nieritreritra momba ireo ôrdônansy noraisinao tamin’ny alalan’ny fisoronana ianao, anisan’izany ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:11, ka tadiavo ireo fomba hanampiantsika ny hafa.

Ny andian-teny hoe “ho fahazavana ho an’ny Jentilisa” dia midika hoe fanehoana ohatra tsara ho an’ireo izay tsy manana ny fitahian’ny filazantsara. Ny andininy faha 11 dia mampianatra fa afaka mitondra famonjena ho an’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ireo fitahian’ny fisoronana. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao.

Mieritrereta toe-javatra niainana izay nanehoanao na olona iray fantatrao ohatra tsara tamin’ny olon-kafa iray na nanampianao na ny olona iray fantatrao olon-kafa handray ireo fitahian’ny fisoronana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hataonao mba ho “fahazavana” ho an’ny hafa mba hahazoan’izy ireo mandray ireo ôrdônansy sy ireo fitahian’ny fisoronana.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–86 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy