Seminera
Fizarana 4: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16


Fizarana 4: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny volana Mey 1829, dia nianjadian’ny fampitahorana avy tamin’ny mpisotasota i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery raha teo am-pananatontosana ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Mba hanampiana azy ireo handositra ny fanenjehana dia nanampy azy ireo i David Whitmer hiala tao Harmony, Pennsylvanie, ka hifindra ho any amin’ny tranon-dry Whitmer any Fayette, New York. Liana be tamin’ireo zava-niseho nitranga momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny fianakaviana Whitmer. I Joseph Smith dia namariparitra an’i David sy i John Whitmer ary i Peter Whitmer zanany ho toy ny “namana sy mpanampy mazoto tamin’ny asa; ary … tsindrindaona hahafantatra ny adidin’izy ireo tsirairay avy” (ao amin’ny History of the Church, 1:49). Nivavaka ny Mpaminany ary nandray ny tenin’ny Tompo izay niantefa tamin’ny tsirairay amin’ireo rahalahy telo ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14

Niantso an’i David Whitmer mba hanampy amin’ny asan’ny andro farany ny Tompo

Ity fitantarana manaraka ity dia mamariparitra ireo zava-nitranga mahagaga izay nahafahan’i David Whitmer nanampy an’i Oliver sy i Joseph Smith handositra an’ireo mpampijaly azy:

Teo am-pambolena varimbazaha i David Whitmer, teo amin’ny sahan’ny fianakaviana tao Waterloo, New York, teo akaikin’i Fayette, raha nasaina handeha ho any Harmony, Pennsylvanie, mba hanampy an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery. Nanapa-kevitra ny hanao izany izy rehefa avy nahavita ireo asa tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiany. Vitany tao anatin’ny iray andro ny niasa ny saha manontolo, manomboka ny maraina ka hatramin’ny hariva. Ny ampitso izy dia saika hanisy zezika ny saha, ary nolazain’ny anabaviny taminy ny mikasika ny lehilahy telo izay hitany namafy sokay ny “maraina” ny omalin’io. Ity manaraka ity ny fitantaran’i Lucy Mack Smith an’io trangan-javatra mahagaga io:

Sary
Lucy Mack Smith

“Nandeha tany an-tsaha i David, ary nahita fa nisy asa mavesatra mandritra ny roa andro izay miandry azy. … Dia nafatony tamin’ny fitaovana famakiana bainga ireo soavaliny, ka nitondra izany manodidina ilay tany manontolo izy raha toa ka tokony nizara ny saha ho amin’ilay filazan’ny mpamboly azy hoe tany, dia nanohy izany mandra-pahatongan’ny mitataovovonana izy, ka rehefa nitsahatra hisakafo antoandro dia nijery ny manodidina izy ary nahita tamim-pahagagana fa nahavita namadika bainga tanteraka ny antsasany mahery tamin’ilay saham-barimbazaha izy. Nanohy toy ny teo aloha izy taorian’ny sakafo antoandro, ary tontosa ny asa rehetra tokony hatao tao anatin’ny roa andro tamin’iny alina iny.

“Nahita ny zava-bita ny rainy raha nandeha tany an-tsaha tamin’iny alina iny ihany, ka nihiaka hoe: ‘Tsy maintsy hery ambony kokoa nahatonga izao zavatra izao hitranga, ary mieritreritra aho fa tsy maintsy midina any Pennsylvanie ianao raha vantany vao voafafy ny zezikao.’

“Naka fandrefesana vita amin’ny hazo i David ny ampitso maraina ka nivoaka hamafy ilay zezika izay najanony nivangongo teo akaikin’ny tranon’ny anabaviny roa andro mialoha izany, saingy tsy hitany raha nandeha teo amin’ilay toerana izy! Nihazakazaka tany amin’ny anabaviny izy ary nanontany azy raha toa ka fantany ny toerana nalehan’izany. Niteny ny anabaviny sady gaga nanao hoe: ‘Nahoana ianao no manontany ahy? Angaha tsy efa voafafy omaly daholo ilay izy?’

“‘Tsia, raha ny fahalalako azy,’ hoy David namaly.

“‘Gaga amin’izany aho,’ hoy ny anabaviny, ‘satria tonga teto amiko ny ankizy tamin’ny maraina ary niangavy ahy mba hivoaka sy hijery ireo lehilahy namafy zezika tany an-tsaha, sady niteny fa tsy mbola nahita na oviana na oviana olona namafy zezika haingana be toy izany teo amin’ny fiainany. Nandeha tany aho noho izany ka nahita lehilahy telo niasa teny an-tsaha, araka ny nolazain’ny ankizy, saingy, nihevitra aho fa nitady fanampiana ianao, noho ny fahamehanao, ka dia nody tany an-trano avy hatrany aho, ary tsy nieritreritra momba izany intsony.’

“Nanadihady lalina momba io raharaha io i David, na teo anivon’ny havany izany na ny mpifanolobodirindrina, saingy tsy afaka nahafantatra hoe iza no nanao izany” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 148–49).

Alaivo sary antsaina hoe ianao no teo amin’ny toeran’i David Whitmer. Inona no mety ho fiantraikan’ireo fahagagana ireo taminao?

Rehefa avy nitondra ny Mpaminany sy i Oliver Cowdery ho any Fayette, New York i David Whitmer dia nambaran’ny Tompo fa hanomboka ny asany amin’ny andro farany ary nampanantena fitahiana ho an’ireo rehetra izay mandray anjara amin’izany (jereo ny F&F 14:1–5). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:6–7, ka tadiavo izay nasain’ny Tompo hataon’i David sy ny fanomezana izay ho azony ho valin’izany. Inona no fanomezana nampanantenain’ny Tompo taminy? Inona no tsy maintsy hataon’i David mba hahazoana izany fitahiana izany?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ny fiainana mandrakizay dia midika hoe miara-miaina mandrakizay amin’ny fianakaviana, eo anatrehan’ Andriamanitra ary lasa tahaka Azy. Ahoana no ahafahan’io famaritana io hanampy anao hahatakatra ny antony mahatonga ny fiainana mandrakizay hoe “lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra”?

    2. Ahoana no ahafahan’ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay hanentana anao hitandrina ireo didin’ Andriamanitra sy haharitra hatramin’ny farany?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7 ny Tompo dia mampianatra fitsipika iray manan-danja izay mihatra amintsika tsirairay: Raha toa isika ka mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika ka maharitra hatramin’ny farany dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina io fitsipika io.

Mba hahatakarana tsara kokoa io fitsipika io dia diniho hoe inona no mety ho dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany eo amin’ireto tranga manaraka ireto:

  • Mahatsapa ho tsy manana namana ao amin’ny paroasiny ny zatovolahy iray izay vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

  • Tratry ny aretina izay mitaky fanaraha-maso ara-pahasalamana sy fikarakarana manokana ataon’ny hafa ny zatovovavy iray.

  • Nisara-panambadiana vao haingana ny ray aman-drenin’ny zatovovavy iray na ny zatovolahy iray, ary tsy mazoto ao am-piangonana ny iray amin’irey ray aman-dreny ireo.

  • Nanana olana foana tamin’ny fakam-panahy iray izay mety hitarika amin’ny fiankinan-doha ny zatovolahy na zatovovavy iray.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:8 mba hahafantarana ny fitahiana iray hafa izay nolazain’ny Tompo fa ho azon’i David Whitmer arakaraka ny fankatoavany.

Fotoana fohy taorian’ny nandraisana io fanambarana io dia lasa iray tamin’ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna i David Whitmer. Nahita ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena izy, ary nandre ny feon’ Andriamanitra nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-marina ireo rakitsoratra ireo.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:11, izay nanomezan’ny Tompo fampanantenana iray hafa ho an’i David Whitmer arakaraka ny fahatokiany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, amin’ny teninao ihany, ny fitsipika iray hoe “raha–dia” izay hitanao ao amin’io andininy io. (Azo jerena any amin’ny faran’ity lesona ity ny fomba iray azo hanoratana izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16

Nampianarin’i Jesoa Kristy an’i John sy i Peter Whitmer ny zavatra izay manan-danja indrindra ho azy ireo

Mba handalinana ireo fanambarana nomena an’i John sy Peter Whitmer dia manasà olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray hiara-hamaky aminao andininy vitsivitsy raha azo atao. Vakio aloha ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:1, ary avy eo dia asaivo vakian’ilay olona ao amin’ny fianakaviana na ilay namana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 16:1. Torak’izany koa dia vakio ny andininy 2–6 amin’ireo fizarana roa ireo ka ifandimbiaso mamaky araka izany fomba izany ireo andininy ireo. Lazao izay tsy mahazatra mikasika ireo fanambarana roa ireo.

Inona no hany maha samy hafa an’ireo teny ao amin’ireo fanambarana roa ireo?

Koa satria mitovy tsisy hafa ny andininy 2–6 ao amin’ireo fanambarana ireo, dia mety ho azo heverina fa azon’ny Tompo natao ny nanome fanambarana iray ihany izay ho niantefa tamin’ireo lehilahy roa ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny hoe nanokana fotoana Izy hiresahana mitokana avy tamin’i John sy tamin’i Peter?

Indraindray ny Tompo dia mety hanambara hafatra mitovy ho an’olona samihafa satria mety mitovitovy ny zavatra ilain’izy ireo na ny toe-javatra iainany na ny faniriany. Mba hahafantarana izay faniriana niraisan’i John sy i Peter Whitmer dia avereno vakiana indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:3–4 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 16:3–4. Inona no faniriana niraisan’i John sy i Peter Whitmer?

Ao amin’ireo fanambarana ireo ny Tompo dia nampianatra fa ho manan-danja lehibe amintsika ireo ezaka ataontsika hitondrana ny hafa ho eo amin’i Jesoa Kristy. Rehefa manampy amin’ny fitondrana olona ho any amin’i Jesoa Kristy ianao dia ho takatr’izy ireo koa fa mahafantatra sy tia azy ireo Andriamanitra.

Ireo fanambarana ireo dia mampianatra ihany koa fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra. Fantany izay tsara indrindra ho antsika.

Sary
zatovovavy hametrahan-tanana
  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay eritreritrao mikasika ny fomba ahafahan’ny tsodrano iray an’ny fisoronana na ny antso amin’ny asa fitoriana maneho fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ohatra iray momba ilay fahamarinana hoe mahafantatra antsika manokana Andriamanitra:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Niresaka tamina mpitarika iray ao amin’ny fisoronana aho fotoana maro lasa izay, nentanim-panahy hitadidy tsianjery ny anaran’ireo tanora 13 ka hatramin’ny 21 tao amin’ny tsatòkany izy. Nanamboatra karatra hitadidiana ny anarana izy ka sarin’ny zatovolahy sy zatovovavy no nampiasainy, izay nojerijereny matetika rehefa manao dia mikasika ny asa izy na koa tamin’ny fotoana hafa. Nianatra haingana ny anaran’ny tanora rehetra ity mpitarika ao amin’ny fisoronana ity.

“Nanofy momba ny zatovolahy iray izay hitany tamin’ny sary fotsiny ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana indray alina. Nahita ilay zatovolahy nanao lobaka fotsy sy nitondra takelaka kely misy ny anaran’ny misiônera izy tao anatin’ilay nofy. Nampianatra fianakaviana iray ilay zatovolahy, niaraka tamin’ny mpiara-mitory aminy izay nipetraka teo akaikiny. Nitazona Bokin’i Môrmôna teny an-tanany ilay zatovolahy ary toa ireny nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ilay boky ireny izy. Dia nifoha ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana.

“Nanatona ilay zatovolahy hitany tao anaty nofiny ilay mpitarika tamin’ny fivorian’ny mpihazona ny fisoronana taty aoriana ka nangataka mba hiresaka aminy mandritra ny minitra vitsy. Rehefa avy nampahafantatra ny tenany ilay mpitarika dia niantso ilay zatovolahy tamin’ny anarany ka niteny hoe : ‘Tsy mpanonofy aho. Tsy mbola nanofy momba ny mpikambana iray tato amin’ity tsatòka ity na oviana na oviana aho, ankoatra anao. Horesahiko aminao ny momba ny nofiko, dia tiako ianao hanampy ahy hahatakatra ny dikan’izany avy eo.’

“Nitantara ilay nofy ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana ary nanontany ny dikan’izany tamin’ilay zatovolahy. Heniky ny fihetseham-po ilay zatovolahy sady namaly hoe : ‘Midika izany fa fantatr’ Andriamanitra hoe iza aho.’ Nanan-danja tokoa ny tohin’ny resaka nifanaovan’ity zatovolahy ity sy ilay mpitarika azy ao amin’ny fisoronana, ary nifanaiky ny hihaona matetika sy hifanolotra hevitra izy ireo nandritra ny volana maromaro taorian’izay” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign or Liahona, May 2005, 100).

Saintsaino (na mifanakaloza hevitra amin’ilay olona izay niara-namaky taminao) hoe nahoana no mety hanampy antsika ny fahafantarana fa mahafantatra antsika manokana Andriamanitra.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny toe-javatra iray izay ahitana fa manampy anao amin’ny fomba maro ny fahatakarana fa mahafantatra anao manokana Andriamanitra, na manorata mikasika ny fomba ahafahan’ny fahatakarana fa mahafantatra anao manokana Andriamanitra hisy fiantraikany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao isan’andro.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 14–16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Fanamarihana mikasika ny asa ampanaovina 2: Fomba iray azonao ilazana fitsipika iray hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:11 ny hoe: Raha manampy ny Tompo amim-pahatokiana isika eo amin’ny asany, dia ho tahiany isika na ara-panahy na ara-batana.

Hamoaka printy