Seminera
Fizarana 8: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35


Fizarana 8: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35

Fampidirana

Tanatin’ny enim-bolana taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, dia nisy misiônera efatra, anisan’izany i Parley P. Pratt, nandeha niankandrefana mba hitory amin’ireo Tera-tany Amerikana. Teny an-dalana ho any amin’ny sisin-tany andrefan’i Missouri, dia nijanona teo amin’ny faritra manodidina an’i Kirtland, Ohio izy ireo, izay toerana nipetrahan’i Parley nandritra ny fotoana nandalo. Nozarain’izy ireo tamin’ny naman’ny Loholona Pratt, izay mpitondra fivavahana manana ny maha-izy azy nantsoina hoe Sidney Rigdon ny hafatra nentiny. Tanatin’ny fotoana fohy, dia olona 100 mahery, anisan’izany i Sidney Rigdon sy ny mpikambana maro tao amin’ny vondrom-pivavahany, no natao batisa, mihoatra ny indroan’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Fantatr’i Sidney sy i Phoebe vadiny fa ho fahafoizan-tena lehibe ho azy ireo ny miditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Fantany fa hisy vokany amin’ny fidiram-bolany amin’ny maha-mpitondra fivavahana azy sy ny lazany eo amin’ny fiarahamonina izany, saingy tapa-kevitra ny hanaraka ny fahamarinana izy.

Rehefa nandao an’i Kirtland ireo loholona mba hanohy ny dian’izy ireo, dia nankany New York i Sidney Rigdon sy ny namany iray Edward Partridge mba hihaona amin’ny Mpaminany Joseph Smith. Fotoana fohy atorian’ny fahatongavan’izy ireo, dia naharay ny fanambarana voarakitrao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 ny Mpaminany. Tao no nanomezan’ny Tompo an’i Sidney Rigdon andraikitra manokana ao amin’ilay Fiangonana vao naverina amin’ny laoniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1–12

Nilaza tamin’i Sidney Rigdon ny Tompo fa nomanina ho amin’ny asa lehibe kokoa izy

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra niainanao ka manampy anao hahafantatra fa mahalala ny momba anao Andriamanitra?

Ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 dia maneho fa ny Tompo dia mahafantatra an’i Sidney Rigdon, ary niresaka tamin’i Sidney mikasika ny anjara asany amin’ny fanampiana ny Mpaminany Joseph Smith Izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:1–3, ka tadiavo ny porofo maneho fa mahafantatra ny momba an’i Sidney Rigdon ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:3 ary soloy amin’ny anaranao ny anaran’i Sidney Rigdon. Inona no ampianarin’ireo teny nambaran’ny Tompo mikasika ny fahafantarany antsika?

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny fahafantaran’ Andriamanitra antsika tsirairay: “Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa efa nahafantatra anareo tsirairay Andriamanitra … efa hatry ny ela dia ela (jereo ny F&F 93:23). Efa nitia anareo nandritra ny fotoana ela dia ela Izy. … Fantany ny anaranareo sy ny ratram-ponareo ary ireo fifalianareo!” (“Remember How Merciful the Lord Hath Been,” Ensign, May 2004, 46).

Fitsipika iray azontsika ianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:3 ny hoe mahafantatra antsika ny Tompo ary manana asa hampanaovina antsika tsirairay Izy. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no asa manokana tian’ny Tompo hataonao mandritra ny fiainanao?

Talohan’ny nahafantarany ny momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny, dia nanao asa tsara i Sidney Rigdon amin’ny maha-mpitondra fivavahana azy tany amin’ny fiangonana hafa. Taorian’ny nidirany ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, dia afaka nanatanteraka “asa lehibe kokoa” (F&F 35:3) ho an’ny fanjakan’ny Tompo izy. Ireo olona any amin’ny fivavahana hafa dia afaka manao zavatra tsara maro. Andraikitsika ny mizara amin’izy ireo ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba ahafahan’izy ireo manao “asa lehibe kokoa.” Mitovitovy amin’izany, afaka manana antoka isika fa mahafantatra antsika ny Tompo ary rehefa miezaka ny manaraka Azy isika, dia hanampy antsika hanatanteraka ny asa izay tokony hataontsika Izy.

Sary
Fitorian’i Jaona Mpanao Batisa

Amin’ny maha mpialoha lalana an’i Jesoa Kristy azy, dia nanomana fon’olona maro i Jaona Mpanao Batisa amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:4–6, ka tadiavo ny fomba hitovian’i Sidney Rigdon amin’ny Jaona Mpanao Batisa. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Na dia misy itovizana amin’i Jaona Mpanao Batisa aza i Sidney Rigdon amin’ny zavatra sasantsasany, dia tsy mitovy amin’i Jaona Mpanao Batisa izy satria rehefa nanao batisa olona tao amin’ilay fiangonany taloha izy, dia tsy nanana ny fahefana avy amin’ Andriamanitra hanao izany (jereo ny F&F 35:5–6).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:7–11, ka tadiavo ny zavatra afaka hitranga eo amin’ny fiainan’ireo izay mino sy mampihatra finoana an’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:7–11 momba ny zavatra nampanantenain’ny Tompo fa hasehony an’ireo izay manaraka Azy am-pinoana? (Ny teny hoe Jentilisa ao amin’ny andininy 7 dia miresaka ireo izay tsy manana ny fahafenoan’ny filazantsara. Ny teny hoe Babylona ao amin’ny andininy 11 dia milaza izao tontolo izao.)

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no misy fifandraisany akaiky amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahagagana? (Diniho fa ny fahagagana dia mety ho tsy hita mibaribary fa zavatra madinika toy ny fiovam-po na famelana ny fahotana ary tonga arakaraky ny sitrapon’ny Tompo izy ireny.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13–19

Mampanantena ny Tompo fa hanampy ny olona manetry tena izy hanao ny asany.

Alao sary an-tsaina hoe manangana ekipa mpilalao fanatanjahan-tena iray ianao (mieritrereta fanatanjahan-tena mahazatra anao). Lazalazao eo amin’ny toerana malalaka natao ho amin’izany, ireo tanjaka sy talenta tianao hananan’ireo mpilalaonao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13, ka tadiavo hoe iza no safidian’ny Tompo mba hanatanteraka ny Asany. Jereo ireo toetoetran’ireo olona fidian’ny Tompo mba hanampy Azy izay tsy mahazatra raha oharina amin’ny fenitr’izao tontolo izao. Ny hoe “ireo malemy amin’izao tontolo izao” dia milaza ireo mpanompon’ny Tompo. Ny teny hoe hively na mively ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity dia milaza ny fivelezana, izay fomba fanao hanasarahana ny voa amin’ny tahony sy ny fonony. Ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity izany dia milaza ny fanasarahana sy fanangonana ny olona izay vonona ny handray ny filazantsara amin’ireo izay tsy vonona. Ny fomba iray hanatanterahana izany dia ireo misiônera mitady olona sy manomana azy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

Sary
varim-bazaha mitsimoka

Avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:13, dia mianatra isika fa Miantso ireo malemy Andriamanitra hanatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao ny Tompo no miantso ireo mpanompony hoe “malemy,” “tsy mahay,” ary “hamavoina”?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:14–15, ka tadiavo ireo fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay manampy amin’ny Asany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Azonao atao koa ny manova endrika ireo andinin-tsoratra masina ho lasa anao manokana amin’ny famakiana azy ireo indray ka mampiditra ao ny anaranao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Nahoana no hanampy tanora iray izay mitaintaina momba ny fandehanany mitory ny filazantsara ny fahafantarana fa mampiasa ny malemy amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hanatanterahany ny Asany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny?

    2. Nahoana izany fahalalana izany no hanampy zatovovavy iray izay nasaina nampianatra kilasy ao am-piangonana ka nahatsapa fa mety tsy hahavita izany?

    3. Nahoana izany fahalalana izany no hanampy antsika rehetra rehefa mahatsapa fitarihana isika hizara ny filazantsara amin’ny olona iray?

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny Filoha Thomas S. Monson dia namporisika ireo izay mety mahatsiaro tena ho malemy na kely loatra ka tsy afaka hanampy amin’ny asan’ny Tompo: “Mety misy sasany aminareo izay efa saro-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenany ho tsy sahaza ny antso iray ka tsy afaka manaiky izany. Tsarovy fa ity asa ity dia tsy anao sy ahy irery. Asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa irahin’ny Tompo isika, dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa ny Tompo no hanefy ilay soroka mba hahazakany ny entana apetraka eo aminy” (“Mianara, manaova, meteza,” Liahona, nôv. 2008, 62).

Ny Mpaminany Joseph Smith dia hoheverin’ny sasany ho malemy amin’ny fianarana mahazatra sy amin’ny fahaizana hafa. Raha oharina aminy i Sidney Rigdon dia nahita fianarana tsara sy manan-talenta amin’ny lafiny maro. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:17–19 ary tadiavo ny torohevitry ny Tompo ho an’i Sidney Rigdon mikasika ny Mpaminany Joseph.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ilay torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:17–19 no ho manan-danja ho an’ny mpitondra fivavahana nahita fianarana toa an’i Sidney Rigdon ny fahatakarana azy?

    2. Nahoana no hanampy antsika ny fahatsiarovana io torohevitra io amin’ny fanajantsika ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:20–27

Nodidiana i Sidney Rigdon mba hanoratra ho an’i Joseph Smith, sy hitory ny filazantsara ary hitandrina ny fanekempihavanana nataony

Manana antso na andraikitra manokana ve ianao ao amin’ny Fiangonana? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:20–24 ka tadiavo ireo andraikitra manokana niantsoana an’i Sidney Rigdon mba hotanterahiny.

Nantsoin’ny Tompo i Sidney hanatanteraka ny andraikitry ny mpitan-tsoratra raha nanohy ny fandikana ny Baiboly ny Mpaminany Joseph Smith. Tsy fandikan-teny avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa izany. Nanao fanitsiana sy fanamboarana nentanim-panahy tao amin’ny Baiboly ny Mpaminany nandritra ny 16 taona. Ireo fanitsiana ireo dia antsointsika hoe Dikantenin’i Joseph Smith. Maro amin’ireo fanitsiana ireo no azo jerena ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy tovana ao amin’ny Baiboly Masina avoakan’ny OAF. Ny Bokin’i Mosesy sy Joseph Smith—Matio ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy koa dia tafiditra ao anatin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:23 fa nilaza tamin’i Sidney Rigdon ny Tompo hoe ankoatra ny fanoratany ho an’i Joseph Smith, dia tokony hitory ny filazantsara koa izy, ary mampiasa ny fahalalany ny soratra masina mba hanohanana ny tenin’ny Mpaminany.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24, inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Sidney Rigdon raha toa izy mitandrina ny fanekempihavanana nataony? Ny fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io dia ny hoe Rehefa mitandrina ireo didy sy manaja ny fanekempihavanana nataontsika isika, dia hanampy antsika hanatanteraka ny asany ny Tompo

  1. Avereno jerena ireo fitsipika telo izay nofantarina tao amin’ity lesona ity. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no ifandraisan’ireo fitsipika telo izay nofantarina tao amin’ity lesona ity?

    2. Oviana ianao no nahatsapa na nahita maso ny fanampian’ny Tompo izay nomena anao na nomena olona iray fantatrao teo ampanaovana ny asan’ny Tompo?

Ho famintinana dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:26–27. Avy amin’ny zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 androany, nahoana araka ny eritreritrao no manana antony hanandratana ny fony sy hifaliana i Sidney Rigdon? Inona ireo antony hanandratanao ny fonao sy hifalianao?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy