Seminera
Fizarana 26: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123; Ny fanorenana ny tanàn’i Nauvoo


Fizarana 26: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123; Ny fanorenana ny tanàn’i Nauvoo

Fampidirana

Raha mbola nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty tao Liberty, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith, nanomboka tamin’ny volana desambra 1838 ka hatramin’ny aprily 1839, dia nanoratra taratasy izy mba hampaherezana sy hanoroana hevitra ireo Olomasina. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123 dia ampahany nalaina avy amin’ny taratasy iray nosoratana tamin’ny 20 martsa 1839, izay nosoratany ho an’ireo Olomasina. Ao amin’io ampahany io i Joseph dia nanome torohevitra an’ireo Olomasina izay noterena hiala tao Missouri. Rehefa nomena fahafahana hivoaka ny fonja i Joseph Smith dia namonjy ny toerana nisy ny Olomasina izy ary niara-niasa tamin’izy ireo mba hanangana ny tanànan’i Nauvoo, Illinois.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1–6

Nanoro hevitra ny Olomasina i Joseph Smith mba hanangona sy hamoaka ireo tantara mikasika ny fanenjehana azy ireo sy ny fijaliany

Tamin’ny volana martsa 1839 dia niaritra fanenjehana mafy tao Missouri ny Olomasina. Nogadraina tao amin’ny fonja tao Liberty, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith sy ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, ary noterena hiala ny fanjakan’i Missouri ny Olomasina nandritra ireo volana tena mazan’ny ririnina noho ilay didy fandringanana navoakan’ny Governora Lilburn W. Boggs.

Vakio ity teny nambara manaraka ity, izay mamariparitra ny sasany amin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo Olomasina: “Izaho, Delia Reed dia manamarina fa nifindra tao Missouri tamin’ny taona 1836. Ny vadiko dia maty tsy ela taorian’ny nahatongavanay ka namela ahy niaraka tamin’ny zazakely fito. Dia nifindra tany amin’ny faritr’i Caldwell aho taorian’izay, nanangana toerana fambolena sy fiompiana mba hanatsarana ilay toerana, [ary] nanohy nonina teo amin’io toerana fiompiana sy fambolena io mandra-pahatongan’ny fararanon’ny taona 1838. Rehefa tonga ny olana teo amin’ireo mponina sy ireo Môrmôna dia voatery nandao an’ilay faritany izaho sy ny sisa ambiny tamin’ny vondrona nisy anay. … Voatery namoy ny ankamaroan’ny fananako aho ary ny fianakaviako dia lasa niely patrana ka tsy maintsy nitady vola kely isan’andro teo anivon’ireo olon-tsy fantatra aho” (Delia Reed, ao amin’ny Mormon Redress Petitions: Documents of the 1833–1838 Missouri Conflict, natontan’i Clark V. Johnson 1992, 523; ny mari-piatoana sy ny renintsoratra ary ny fanononana dia nampanarahana ny fenitry ny tsipelina).

Nomen-drahavavy Reed ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny fitsarana ity fanambarana ôfisialy ity. Saintsaino ny antony mety nanomezany izany fanambarana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1–5, mba hitadiavana ny zavatra nasain’ny Mpaminany Joseph Smith nataon’ireo Olomasina voahenjika. Mety hanampy ny mahafantatra fa ilay andian-teny hoe “asan-devoly mamohehatra mahatsiravina” ao amin’ny andininy 5 dia entina ilazana ny fitambaran’ireo lainga feno faharatsiana, ary ilay andian-teny hoe “fanerena mamono” dia entina ilazana ireo zavatra feno faharatsiana sy herisetra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:6, mba hitadiavana ireo antony nitenenana ireo Olomasina hanangona ireo tantaran’ny fanenjehana azy ireo sy ny fijaliany. (Eo am-pamakianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny andian-teny hoe “[andidiana] antsika” dia midika hoe “takiana amintsika.”)

Maro tamin’ireo Olomasina no nankatò ny torohevitry ny Mpaminany ka nanangona tantara maro mikasika ny fanenjehana azy ireo, izay nahitana ny fahasimbana sy ny famoizana ny tranon’izy ireo sy ny biby fiompin’izy ireo ary ireo fananana hafa; herisetra ara-batana; hatramin’ny famoizana aina aza. Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ireo Olomasina ny nanangona ireo tantara ireo sy nanatitra izany tany amin’ireo mpitondra ao amin’ny governemanta fa tsy niandry na nanantena fotsiny an’ Andriamanitra mba hamaha ny olan’izy ireo ho azy ireo? Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:6 ny hoe hanatanteraka ny fampanantenany ny Tompo rehefa avy manao ny anjarantsika isika. Saintsaino hoe nahoana, araka ny eritreritrao, no miandry antsika hanao ny anjarantsika ny Tompo mialoha ny hanatanterahany ny fampanantenany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahita ny fahatanterahan’io fahamarinana io teo amin’ny fiainanao manokana na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:7–17

Nanoro hevitra an’ireo Olomasina i Joseph Smith mba hanampy ireo izay voafitaky ny lainga

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena andraikitra ianao hanoratra tatitra mikasika ny Fiangonana ho an’ny iray amin’ireo mpiara-mianatra aminao. Anisan’ny zavatra takina amin’izany ny hampidiranao boky na tahirin-kevitra telo farafahakeliny ao anatin’izany. Eritrereto ny fomba hamalianao an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no boky mety ho ampiasainao mba hanoratra ny taratasinao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny misafidy ny boky ampiasainao mba hanoratanao zavatra mikasika ny Fiangonana?

  • Ahoana no hahafantaranao hoe iza no boky mamaritra tsara araka ny tena izy ny Fiangonana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:7–10. Rehefa nanoratra io taratasy io ny Mpaminany Joseph Smith dia marobe ireo lainga naparitaka mikasika ny Fiangonana. Ireo olomasina dia nilazana hoe “andraiki[tr’izy ireo] tsy azo ihodivirana” (F&F 123:7, 9) ny manangona sy mamoaka ireo tantara mikasika ireo fanenjehana sy fahoriana mba ho setrin’ireo lainga ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:11–12, mba hitadiavana ireo antony fanampiny nanomezana didy ho an’ireo mpikambana mba hanangona sy hamoaka ireo tantara ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12, dia amin’ny fomba ahoana no hanajambana ny maro amin’ireo madio am-po mba tsy hahita ny fahamarinana?

    2. Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanampiana ny olona hafa hahita ny fahamarinan’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny famoahana ny fahamarinana mikasika ireo fanenjehana sy ny fijalian’ireo Olomasina tamin’izany fotoana izany?

    3. Araka ny andininy 12, dia nahoana no voasakana tsy hahalala ny fahamarinana ny olona maro eto ambonin’ny tany? Valio ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny famenoana ity fahamarinana manaraka ity: Maro ireo izay voasakana tsy hahita ny fahamarinana noho …

Mbola maro ireo olona amin’izao fotoana izao “no hajambain’ ny hafetsena misokon’ ny olona” ary voasakana tsy hahalala ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny (F&F 123:12).

Sary
Loholona M. Russell Ballard

Rehefa mamaky an’ity teny manaraka nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia tsipiho ny zavatra nolazainy fa manakana ny olona tsy hahalala ny fahamarinana mikasika ny Fiangonana amin’izao androntsika izao: “Maro loatra ireo olona izay tsy dia mahatakatra ny Fiangonana satria ny ankamaroan’ny fampahalalana izay reny mikasika antsika dia avy amin’ny tatitry ny fampitam-baovao izay matetika mitady fifanjihirana. Ny fifantohana be loatra amin’ny fifanjihirana dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fomba fijerin’ny olona momba ny hoe inona marina Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Sharing the Gospel Using the Internet,” Ensign, jolay 2008, 62).

Mitovy amin’ireo Olomasina tamin’ny taona 1839, isika dia omena torolalana hanampy ny hafa hanana fahatakarana marina mikasika ny Fiangonana—ireo mpikambana ao aminy, ireo mpitarika, ireo zavatra inoany, ny tantarany, ireo fampianarany, ary ireo zavatra ataony.

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny hafa hahazo fahatakarana marina mikasika ny Fiangonana sy hanampiana azy ireo hahafantatra ny toerana ahafahan’izy ireo mahita ny fahamarinana.

Rehefa mamaky an’ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Ballard ity ianao dia tadiavo ny fomba iray izay nolazainy fa afaka hanampiantsika ny hafa hahazo fahatakarana marina mikasika ny Fiangonana:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Misy resaka mandeha tsy an-kijanona mikasika ny Fiangonana. Hitohy hatrany ireny resadresaka ireny na misafidy ny handray anjara amin’izany isika na tsia. Saingy tsy afaka mitazam-potsiny isika manoloana ny hafa, anisan’izany ireo mpitsikera antsika, izay miezaka ny mamaritra ny zavatra ampianarin’ny Fiangonana. Ny sasantsasany amin’ireny resadresaka ireny dia misy mpihaino an’arivony eny an-tapitrisany mihitsy aza, kanefa ny ankamaroany dia kelikely kokoa noho izany. Kanefa misy fiantraikany amin’ireo mandray anjara amin’izany ny resadresaka rehetra. Resadresaka tsirairay no manorina ny fomba fijery mikasika ny Fiangonana. …

“Izao dia mangataka anareo aho ny hiditra amin’ilay resadresaka amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ao amin’ny Internet mba hizarana ny filazantsara sy hanazavana amin’ny teny tsotra sy mazava ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. … Mazava ho azy fa mitaky ny fahatakaranareo ireo fitsipika fototry ny filazantsara izany. Tena zava-dehibe ny ahafahanareo manolotra teny vavolombelona mazava sy marina momba ny fahamarinan’ny filazantsara” (“Sharing the Gospel Using the Internet,” 61–62).

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nanampianao na ny olona fantatrao olona hafa hahatakatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana.

    2. Fidio ny iray amin’ireo fomba nataonao lisitra ao amin’ny asa nampanaovina faha 3 ary soraty ny fomba hanaovanao izany mba hanampiana ny hafa hianatra sy hahita ireo fahamarinana mikasika ny Fiangonana sy ny filazantsara.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:13–16, mba hitadiavana ny zavatra nolazaina tamin’ireo mpikambana mikasika ny ezaka nataon’izy ireo mba hizara tantara marina mikasika ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny hafa. Araka ny andininy 15, dia nahoana izy ireo no notenenina mba tsy hihevitra ny ezaka nataon’izy ireo ho toy ny “zavatra madinika”?

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:15 ny hoe ny fanapahan-kevitsika ny hankatò ireo didin’ny Tompo izay toa madinika dia mety misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika ho avy.

Sary
familian-tsambo sy voaly

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:16, dia ahoana no ahafahan’ny zavatra madinika toy ny familian-tsambo hisy fiantraikany eny fa na dia amin’ny sambo lehibe aza? (Ilay andian-teny hoe “mihazona azy amin’ ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja” dia entina ilazana hoe afaka mamily ilay sambo mba hampitombina azy tsara sy tsy hivadihany mandritra ny tafiodrivotra.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hitovian’ireo fanapahan-kevitra kely raisintsika amin’ny familian-tsambo iray?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fanapahan-kevitra ireo anao hitombina tsara mandritra ireo tafiodrivotry ny fiainana?

    3. Inona avy ireo fanapahan-kevitra madinika raisinao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izay ka mety hanana fiantraikany lehibe eo amin’ny hoavinao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17, mba hitadiavana ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ilay fitsipika hita ao amin’ny andininy 6: Hanatanteraka ny fampanantenany hanampy antsika ny Tompo rehefa avy nanao ny anjarantsika isika.

Ianarantsika miainga avy amin’ny zavatra nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith fa raha manao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika isika mba ho mpankatò ny didin’ny Tompo dia afaka ny hahazo toky fa hampiasa ny heriny Andriamanitra mba hanampiana antsika araka ny sitrapony sy ny fotoany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana isika araka ny eritreritrao no mila “hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika” (F&F 123:17) mialoha ny hahazoantsika toky fa hanampy antsika Andriamanitra?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mazoto manao ny zava-drehetra araka izay tratry ny herintsika?

Afaka mahazo toky ianao fa rehefa nanao ny zava-drehetra azonao natao mba hanaraka amim-pankatoavana ny didin’ Andriamanitra ianao dia hanatanteraka ny fampanantenany Izy.

Ny fananganana an’i Nauvoo

Taorian’ny nandroahana azy ireo hiala tao Missouri dia nahita fialofana tao Quincy, Illinois sy tao amin’ireo fiaraha-monina kely tao Illinois sy Iowa ireo Olomasina. Tadiavo ao amin’ny sarintany momba ny tantaran’ny Fiangonana faha 5 “Ny faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia,” ao amin’ny soratra masinao i Quincy.

Tamin’ny aprily 1839, dia namela an’i Joseph Smith hitsoaka ireo mpiambina tao amin’ny fonja tao Liberty, Missouri ka dia nandeha namonjy ny fianakaviany tao Quincy, Illinois izy. Nividy tany teo amin’ny morony roa amin’ny Reniranon’i Mississipi tao avaratr’i Quincy teo ambany fitarihan’ny Mpaminany ny Fiangonana. Tao anatin’ny faritanin’i Iowa ny ilany andrefan’ilay renirano ary tao anatin’ny faritanin’i Illinois ny ilany atsinanana. Nanangana ny foiben’ny Fiangonana vaovao tao amin’ilay faritr’i Illinois tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Commerce ny Olomasina, izay nomen’izy ireo anarana vaovao hoe Nauvoo. Ny hoe Nauvoo dia teny Hebreo izay midika hoe “kanto.”

Sary
I Nauvoo eo ampitan’ny Reniranon’i Mississippi

Raha mbola notazonin’ireo Olomasina tao Nauvoo ny foibe dia nahazo fitaomam-panahy ny Mpaminany Joseph Smith hanangana ny Fikambanana Ifanampiana; nanambara ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty sy ny fanafiana masina ao amin’ny tempoly ary ny famehezana ny fanambadiana ny Tompo; ary nitarina manerana izao tontolo izao ny asa fitoriana ny filazantsara.

  1. Angataho ny olona iray mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (toy ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana) mba hilaza aminao mikasika ireo fomba sasantsasany izay nanomezan’ny Fikambanana Ifanampiana azy fahafahana handray anjara amin’ny asan’ny Tompo sy nitahian’izany ny fiainany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy aminy, ary miomana hizara ny zavatra nosoratanao amin’ireo mpianatra hafa manaraka ny fandaharam-pampianarana any an-trano.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123 sy “Ny fanorenana ny tanàn’i Nauvoo” ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy