Seminera
Fizarana 12: Andro 2,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50


Fizarana 12: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50

Fampidirana

Rehefa tonga tany Kirtland, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith dia nahatsikaritra fa nisy “fanahy hafahafa sy fanahy sandoka izay niely patrana teo anivon’ny” sasany tamin’ireo Olomasina. Nanomboka nampianatra “tamim-pitandremana sy … fahendrena” izy mba handresena ireo zavatra ireo (jereo ny History of the Church, 1:146). Niverina avy nanao asa fitoriana iray ny Loholona Parley P. Pratt dia nahatsikaritra fihetsika toy izany koa tao amin’ireo sampana tao amin’ny Fiangonana tany ivelan’i Kirtland. Nandeha tany amin’i Joseph handray toromarika izy sy ireo loholona hafa (jereo ny History of the Church, 1:170). Tamin’ny volana mey 1831 dia nanontany ny Tompo ny Mpaminany ka nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50. Nananatra ny Olomasina ny Tompo tao anatin’ity fanambarana ity mba hampianatra sy handray ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–9

Mampitandrina ireo loholon’ny Fiangonana momba ireo fanahy sandoka ny Tompo

Fantatrao ve ny dikan’ny hoe mampatanjaka ny olona iray? Izany dia midika hoe mampahery olona iray—indrindra mampahery ara-panahy sy ara-pihetsehampo na mananatra sy manome fahalalana olona iray. Afaka mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao fa nampaherezina ianao rehefa nampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara anao ny olona iray? Oviana no nahatsapanao fa nanampy tamin’ny fampaherezana ny olona iray ianao?

Tadidio ny fampidirana ity lesona ity. Nampiditra fomba amam-panao hafahafa sy feno tabataba ary nampikorontan-tsaina tao anatin’ny fotoam-pivavahan’izy ireo ny mpikambana vaovao tao amin’ny faritr’i Kirtland. Nampientanentana ny fihetseham-pon’ny olona ireo fomba amam-panao ireo, saingy tsy nanome hery azy ireo.

Sary
Joseph Smith

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanoratra momba ny sasany tamin’ny voka-dratsin’ny fanarahana ireo fanahy sandoka ireo: “Fotoana fohy taorian’ny niorenan’ny Filazantsara tany Kirtland sy nandritra ny tsy naha-teo ireo manampahefan’ny Fiangonana dia nisy fanahy sandoka maro nampahafantarina, fahitana hafahafa hita, ary fotopisainana tsy mitombina nefa manintona ny maro naely. Nihazakazaka nivoaka ny varavarana ny olona teo ambany fitarihan’izany fanahy izany, ny sasany tamin’izy ireo nihanika teny ambonin’ny foto-kazo ary nihikiaka, ary nisy karazana fihetsika mahery na tsy mahazatra niditra tao amin’izy ireo. Nisy lehilahy iray nanenjika baolina iray izay nolazainy fa hitany nanidina teny amin’ny rivotra, mandra-pahatongany teo ny hantsana iray, ka rehefa nitsambikina izy dia notatazan’ny hazo iray izay nanavotra ny ainy. Nisy koa zavatra mahazendana niditra sy nanao kajikajy ny hanala baraka ny Fiangonan’ Andriamanitra, mba hahatonga ny Fanahin’ Andriamanitra hisitaka ary haningotra sy hanimba ireo fitsipika manan-kaja izay nokolokoloina ho an’ny famonjena ny fianakavian’ny olombelona” (ao amin’ny History of the Church, 4:580).

Tsy nahatakatra ny zava-nitranga ny sasany tamin’ireo loholon’ny Fiangonana koa nangataka torohevitra tamin’i Joseph Smith. Nanontany ny Tompo izy dia nahazo fanambarana iray izay hanampy ny Olomasina hifampahery rehefa mampianatra sy mianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:1–3 ka tadiavo ny hery hafahafa izay nitarika ny Olomasina hanao asa amin’ny fomba izay tsy nampahery. Araka ny voalazan’ny andininy 3 dia nahoana i Satana no naniry ny hamitaka ireo Olomasina?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:4–9 ka tadiavo ny fampitandreman’ny Tompo momba ny sasany amin’ireo olona teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana tany Ohio. Ny atao hoe mpihatsaravelatsihy dia olona iray izay manao asa tsy mifanaraka amin’ilay lazainy fa inoany na milaza ho tsara toetra kanefa tsy izany akory (jereo ny Matio 6:2, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 2a). Asio marika ny nambaran’ny Tompo fa hitranga amin’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:6, 8

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:10–36

Manambara ny Tompo fa tsy maintsy mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no takiana mba hahatongavana ho mpampianatra mahomby ny filazantsara?

    2. Inona no takiana mba hahatongavana ho mpianatra mahomby amin’ny filazantsara?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–20 ka tadiavo ny valin’ireo fanontaniana ireo. Asio marika ao amin’ny soratra masinao izay hitanao ary ampio eo amin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany. Diniho hoe impiry no hanantitranteran’ny Tompo ny filana ny Fanahy Masina amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo anjara asan’ny Fanahy Masina izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampianatra ny filazantsara “amin’ny alalan’ny Fanahy” (F&F 50:14)? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampianatra izany amin’ny “fomba hafa” (F&F 50:17)?

    3. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mandray ny tenin’ny fahamarinana amin’ny Fanahin’ny fahamarinana” (F&F 50:19)? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mandray izany amin’ny “fomba hafa” (F&F 50:19)?

Jereo ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny Lisitr’ireo lohahevitra nalahatra araka ny abidia ho an’ny “Fanahy Masina, Asa nanirahana ny.” Tadiavo ireo andinin-tsoratra masina izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe mampianatra sy mandray (ampianarina) ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana.

Asio faribolana izay toe-javatra misy izay nanananao fahafahana hampianatra na hijoro ho vavolombelona momba ny filazantsara:

Takarivan’ny mpianakavy

Niaraka tamin’ny namana

Seminera

Fivoriam-piangonana

Fampianarana Isan-tokantrano

Rehefa manoloana fahafahana iray mampianatra ny filazantsara ianao, inona no fiantraikany nentin’ny fahatakaranao ny Fanahy Masina teo amin’ny fomba niomananao sy nampianaranao?

Asio faribolana izay toe-javatra misy izay naha-mpianatra anao tao anatin’izany:

Takarivan’ny mpianakavy

Niaraka tamin’ny namana

Seminera

Fivoriam-piangonana

Fitsidihan’ny mpampianatra isan-tokantrano

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano

  1. Misafidiana iray amin’ireo toe-javatra misy izay nasianao faribolana tao amin’ireo lisitra tetsy aloha na izay nampianaranao na izay nianaranao tamin’ny alalan’ny Fanahy. Manorata momba izany zavatra niainanao izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ary zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny zavatra nianaranao.

Saintsaino izay azonao atao mba hampivoarana ny ezaka ataonao hianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ao anatin’ireo toe-javatra misy ireo.

Ny Loholona Jack H. Goaslind ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ny zavatra niainan’ny zatovolahy iray izay nahita fa ny zavatra nataony sy ny fihetsiny dia nisy fiantraikany teo amin’ny fahafahany mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy:

Sary
Loholona Jack H. Goaslind

“Firy taminareo no efa nanao ilay ‘fomba fipetraky ny olona monamonaina’ nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo? Hainareo ilay fomba fipetraka: miondrika, mitan-takolaka, kiho mitehaka amin’ny lohalika, ary lasa saina mandinika ny tany. Efa nitranga taminao ve ny hoe anao ny safidy raha ho mahaliana na tsia aminao ilay fivoriana? …

“Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball fa ny fitsaohana dia ‘andraikitry ny tena manokana ary na inona na inona lazaina eo amin’ny polipitra, raha toa ka maniry hitsaoka ny Tompo amin’ny fanahy sy amin’ny fahamarinana ny olona iray dia afaka manao izany izy. … Raha toa ka tsy mahomby aminao ny fotoam-bavaka, dia tsy nahomby mihintsy ianao. Tsy misy afaka mitsaoka eo amin’ny toeranao. Tsy maintsy mametraka ny fanantenantsika amin’ny Tompo izay antsika manokana isika.’ (Ensign, Jan. 1978, p. 5.)

“Namaritra ny fomba niainany voalohany ny fanahin’ny fitsaohana ny zatovo iray. Tsy dia tena nazoto firy izay nandritra ireo taona nanatrehany tao amin’ny Fisoronana Aharôna. Rehefa nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy dia matetika no nipetraka tany aoriana niaraka tamin’ny andiana namany, ary tsy tena ohatra tsara tamin’ny fanajana lalina izy. Indray andro anefa dia tonga somary tara kely izy ary tsy nisy seza teo akaikin’ny namany. Nipetraka irery izy ary voalohany teo amin’ny fiainany no nanakimpiany ny masony nandritra ireo vavaka, nihirany ireo fihirana, nihainoany ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ary nifantohany tamin’ireo mpandahateny. Teo amin’ny antsasaky ny lahateny voalohany teo dia nanganohano ny masony. Somary menatra ihany izy nanopy maso tamim-pitandremana ny manodidina. Toa tsy nisy fientanam-po tamin’ny olon-kafa. Tsy fantany mazava tsara izay nitranga taminy fa nanova ny fiainany ilay zavatra niainany. Nandritra io fivoriana io izy no tena nanomboka ny fiomanany ara-panahy hanao asa fitoriana. Nahatsapa zavatra izy, ary soa ihany fa navadiny ho asa ka dia notohanany ireo fahatsapana nananany ireo” (“Yagottawanna,” Ensign, May 1991, 46).

  1. Manorata fomba iray miavaka ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ahafahanao mampivoatra ny ezaka ataonao mba hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Ahoana no ahafahanao miteny fa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:21–22 ka tadiavo ny toromariky ny Tompo momba ny fomba ahafantarana raha toa ka mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao.

Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Tompo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Diniho ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25 ny maha-samy hafa ny zavatra mitranga rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny olona sy ny zavatra mitranga rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny “fomba hafa” ny olona (F&F 50:17).

Ahoana no namaritan’ny Tompo ny fampianarana izay tsy mampahery? Ahoana no namaritany ny fampianarana izay “avy amin’ Andriamanitra” (F&F 50:24)?

Afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Izay avy amin’ Andriamanitra dia manome fahalalana sy mampahery, fa izay tsy avy amin’ Andriamanitra kosa dia mitondra fikorontanana sy haizina.

Oviana no nahitanao na nahatsapanao fa tsy avy amin’ Andriamanitra ny zavatra iray? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy anareo hahafantatra izany?

Misy fotoana hahenoanao sy hahitanao hafatra izay natao hanimbana ny finoanao. Ireo fitsipika izay ianaranao anio dia afaka mampatanjaka anao hanohitra ireny hafatra ireny. Angataho ny Fanahy amin’ny fianaranao rehetra, ary mifantoha tsara amin’izay taomin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22 fa rehefa mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly. Izany dia tsy mitovy amin’ny fikorontanana sy ny haizina rehefa ampianarina “amin’ny fomba hafa” ny zavatra iray.

Vakio ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:26–36 ho an’ireo mpihazona ny fisoronana mikasika ny hery sy andraikitra izay miaraka amin’ny fanendrena azy ireo. Nilaza izy fa ireo mpihazona ny fisoronana dia tokony hanompo ny hafa sy hihazona ny tenany ho madio. Rehefa manao izany izy ireo dia hanome hery ho azy ireo mba handresena ireo fanahy sandoka tahaka izay hita teo anivon’ny Olomasina sasany ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:37–46

Mamporisika ny mpanompony mba hanohy hitombo ao amin’ny fahasoavana sy fahamarinana ny Tompo ary manome toky azy ireo fa miaraka aminy Izy

Sary
fiaraha-mivavaky ny mpianakavy

Alaivo sary an-tsaina hoe hanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno ireo ankizy madinika ao amin’ny paroasinao rehefa lehibe. Inona no ilain’izy ireo mba ho vonona hanompo? Ahoana no fomba itoviantsika amin’ireo ankizy madinika ireo?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:37–46 dia niresaka manokana tamin’ny sasany tamin’ireo loholona izay nanompo tamin’ny taona 1831 ny Tompo. Na izany aza dia mihatra amintsika ihany koa ny teniny. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 ka tadiavo ireo teny na andian-teny mampionona sy manome toky. Asio marika izay hitanao.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40 dia niteny ny Tompo hoe “tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana ianareo.” Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “mitombo ao amin’ny fahasoavana”?

Eo am-pieritreretanareo izany fanontaniana izany dia azonao atao ny mamaky ny famaritana ny fahasoavana ao amin’ny Bible Dictionary na ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:37–46 dia manampy antsika hahafantatra fa ny Mpamonjy dia maniry antsika hitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny fahamarinana ary hanana fahatokiana Azy. Tahaka ny nampanantenainy an’ireo loholona ireo mihitsy no hiahiany antsika rehefa mahatoky Azy sy mikatsaka ny hanao ny sitrapony isika.

Aminao, inona no dikan’ny hoe “Ahy ianareo” rehefa niteny izany ny Tompo? Ahoana hanampian’izany toky izany antsika mba “tsy hatahotra” (F&F 50:41)?

Inona ireo fampanantenana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 izay manan-danja aminao?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy