Seminera
Fizarana 21: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42


Fizarana 21: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42

Fampidirana

Ny 16 sy 17 desambra 1833, dia nandray fanambarana mikasika ny Olomasina tany Missouri izay nandao ny toeram-ponenan’izy ireo mba handosirana fanenjehana mafy ny Mpaminany Joseph Smith. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no noterena handao ny fananan’izy ireo rehetra. Ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101, dia resahina ao anatin’ny lesona telo. Tafiditra ao amin’ity lesona faharoa ity ny famariparitan’ny Tompo ny toe-javatra hiainana mandritra ny Arivotaona. Tafiditra ao anatin’izany koa ny teny fampiononana sy torohevitra nomena ny Olomasina tany Missouri.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–34

Manazava ny sasany amin’ireo fepetra amin’ny Arivotaona ny Tompo

Eritrereto ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy izay hiomananao. Nahoana ianao no manao ezaka amin’ny fiomanana amin’ireo zavatra hitranga ireo?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 dia ahitana torolalana amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy amin’ny Arivotaona (ny vanim-potoam-piadanana izay hanomboka rehefa hiverina indray eto an-tany i Kristy ka hanjaka mivantana ny tenany). Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–21, fa ny fampanantenan’ny Tompo ny hanangonana ny Olomasina ao amin’ny tanànan’i Ziona ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia “miato mandritra ny fotoana voafetra, rehefa hoamasinina ho amin’ny fanomezana lehibe kokoa sy ho amin’ny andraikitra mifandray amin’izany ny vahoaka. Mandritra izany fotoana izany dia miangona ao amin’ny lemaky ny Rocky Mountains (tendrombohi-bato) [sy any amin’ireo tsatòka manerana izao tontolo izao] ireo izay mahitsy fo. … Hisy tempoly voatsangana. … Fa i Ziona dia tsy mbola hatsangana ao amin’ny toerana nofidiana” (James E. Talmage, Articles of Faith, ed. faha-12 [1924], 353).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22–23, ary tadiavo ny zavatra iray asain’ny Tompo ataon’ny Olomasina ho fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany. (Ao amin’ny andininy 23 ny andian-teny hoe “fanambarana izay ho avy” dia milaza ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ny firesahana momba ny fanesorana ny voaly dia mikasika ihany koa ny Fiaviana Fanindroany—ny fotoana izay hahitan’ny mponin’ny tany rehetra ny Mpamonjy.)

Sary
I Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny Maty

Fenoy avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22–23 ity teny nambara manaraka ity: Afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny amin’ny anarany, miaina araka ireo fitsipiky ny filazantsara, miaraka sy amin’ny fitoerana masina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahatsapa fa tao amin’ny fitoerana masina?

    2. Nahoana ny fiangonana amin’ny fitoerana masina miaraka amin’ny Olomasin’ny Andro Farany hafa no manampy amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34 dia milaza ny fandringanana ny ratsy fanahy amin’ny fotoan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary ny toe-javatra hisy eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Ohatra, hitantsika ao amin’ny andininy 32–34 fa hanambara ireo zavatra miafina rehetra mikasika ny tany ny Tompo, toy ny nahariana izany ary momba ny lanitra. (Ny teny hoe fifandrafiana ao amin’ny andininy 26 dia midika hoe lolom-po na fankahalana.)

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra roa na telo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34 izay tena hampientanentana anao manokana tokoa ny hitrangany. Hazavao ny antony hampanan-danja izany toe-javatra izany aminao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38

Nanome toky ny Olomasina tany Missouri ny Tompo fa rehefa miaritra ampinoana izy ireo dia handray anjara amin’ny voninahiny any aoriana any.

Tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34, dia niaina fahasarotana goavana ny Olomasina tany Missouri, tafiditra ao anatin’izany ny fampijaliana ara-batana, ny fahaverezan’ny toeram-ponenana sy ny fananana ary ny toetr’andro mangatsiaka.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38, ary fantaro ireo fitsipika sy torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina tany Missouri mba hampiononana sy hankaherezana azy ireo manoloana ny fitsapana niainany.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny torohevitra iray nomen’ny Tompo ny Olomasina ao amin’ny andininy 35–38. Rehefa izany dia hazavao hoe nahoana ity torohevitra ity no hitondra fampiononana ho an’ny Olomasina tao Missouri.

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35 ity fitsipika manaraka ity: Ireo izay noho ny anaran’ny Mpamonjy ary dia hanana anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra.

Ny mpanara-dia tena marina an’i Jesoa Kristy dia manaraka Azy foana, na dia amin’ny fotoana hanenjehana azy ireo noho ny finoanyaza. Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ity tantara manaraka ity momba ny Olomasin’ny Andro Farany roa izay niaina tany Meksika tany amin’ny fiandohan’ny 1900. Nosamborin’ny andiana miaramila nahery setra izy ireo ny taona 1915. Rehefa mamaky ny tantara ianao, dia jereo ny fomba maha-ohatra amin’ny faharetana amim-pinoana manoloana ny fanenjehana an’ireo Olomasin’ny Andro Farany roa ireo.

Sary
Filoha James E. Faust

“Filohan’ny sampana kely tao San Marcos Mexique i Rafael Monroy ary i Vicente Morales no mpanolotsaina azy voalohany. … Nolazaina tamin’izy ireo fa tsy hovonoina izy ireo raha toa ka hanary ny fitaovam-piadiany sy hiala amin’ny fivavahana hafahafan’izy ireo. Nolazain’ny Rahalahy Monroy tamin’ireo mpisambotra azy fa tsy nanana fitaovam-piadiana izy ary navoakany moramora avy tao am-paosiny ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Niteny izy hoe: ‘Andriamatoa isany, ireto no hany fitaovam-piadiana entiko manaraka ahy; izany no fitaovam-piadian’ny fahamarinana hanohitra ny fahadisoana.’

“Rehefa tsy nisy fitaovam-piadiana hita dia nampijaliana tamin-kerisetra ireo rahalahy ireo mba hampitenenana azy ireo ny toerana nanafenana fitaovam-piadiana. Kanefa tsy nisy fitaovam-piadiana mihitsy. Nentin’ny mpiambina teo amin’ny sisin’ny tanàna kely iray izy ireo ka natsangan’ireo mpisambotra azy ireo teo akaikin’ny hazo lehibe iray nanoloana ny miaramila vonon-kitifitra. Nanolotra fahafahana ho azy ireo ilay miaramila tompon’andraikitra raha toa ka hanadino ny fivavahany izy ireo dia hiditra ao amin’ny [tafika], saingy namaly anefa ny Rahalahy Monroy hoe: ‘Mamiko kokoa noho ny fiainako ny fivavahako ary tsy afaka hanadino izany aho.’

“Dia nolazaina tamin’izy ireo fa hotifirina izy ireo ka nanontaniana raha toa ka nanana fangatahana hatao izy. Nangataka ny hamelana azy hivavaka mialoha ny hamonoana azy Rahalahy Rafael. Teo anoloan’ireo mpitifitra teo no nandohalika izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra tamin’ny feo izay henon’ny rehetra mba hitahiana sy hiarovana ireo olon-tiany sy hikarakarana ilay sampana kely sahirana izay hanjary tsy hanana mpitarika. Raha tapitra ny vavaka nataony, dia nampiasa ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ny fotoana nihantonany teo amin’ny hazofijaliana sy nivavahany ho an’ny mpamono azy izy: ‘Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.’ [Lioka 23:34.] Dia nitifitra ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales izany andiana miaramila izany” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 21–22; araka an’i Rey L. Pratt, “A Latter-day Martyr,” Improvement Era, jona 1918, 720–26).

Eritrereto ny fotoana iray izay nanenjehana (nampijaliana na nesoesoana) anao noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azon’ny olona atao mba hanehoana finoana rehefa henjehina noho ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana?

Sary
sira madio

Eritrereto ny fampiasa ny sira sasantsasany. Ohatra, azo ampiasaina hanomezana tsiro sy hitahirizana sakafo ary hanasitranana fery izany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39, ary fantaro ny olona izay ampitahain’ny Tompo amin’ny sira.

Saintsaino ny antony mety hiantsoana ny olona izay manaraka ny filazantsara sy manao fanekempihavanana amin’ny Tompo ho “siran’ny tany.”

Jereo fa ao amin’ny andininy 39 ny Tompo dia miantso ihany koa ny mpikamban’ny Fiangonana hoe “tsiron’ny olona”. Ny teny hoe tsiro dia milaza hanitra manokana na kalitao manokana. Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe tsiron’ny olona?

Sary
Loholona Carlos E. Asay

Ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Carlos E. Asay tao amin’ny Fitopololahy ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe tsiron’ny olona: “Rehefa mampiasa ny fomba fiteny hoe ‘tsiron’ny tany’ ny Tompo dia miresaka momba ireo izay misolo tena azy. Ireo izay nibebaka no tiany hambara, ireo izay nodiovina tao amin’ny ranon’ny batisa ary ireo izay nanao fanekempihavanana hitondra eo amin’izy ireo ny anarany sy ny foto-keviny. Fa ny tena noresahany dia ireo izay hizara ny herin’ny fisoronany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Niresaka momba ahy sy ianao Izy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).

Ny andian-teny “siran’ny tany” sy “tsiron’ny olona” dia mampianatra fa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika, dia andraikitsika ny manampy ny olon’ny tany rehetra handray ireo fitahian’ Andriamanitra (jereo ny Abrahama 2:8–11).

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42, ary jereo ny fampitandremana sy fampanantenana nomen’ny Tompo.

Sary
sira sy loto

Marihina fa tafiditra ao amin’ny andininy 40 ny andian-teny manao hoe “raha ny fanasin’ny tany no manary ny tsirony.” Tsy manary ny tsirony ny sira rehefa mandeha ny fotoana. Manary ny tsirony izany rehefa mifangaro amin’ny singa hafa sy lotoin’izany. Nampianatra ny Loholona Asay hoe: “Ny tsiro sy ny kalitao dia miala amin’ny olona iray rehefa mandoto ny sainy amin’ny eritreritra maloto, manimbazimba ny vavany amin’ny firesahana ankoatra ny fahamarinana, ary mandany fotsiny ny heriny amin’ny fanaovana asa ratsy izy” (“Salt of the Earth,” 42).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42 dia manampy antsika hianatra fa mba hanampiana ny olon’ny tany handray ireo fitahian’ Andriamanitra, dia tsy maintsy mibebaka amin’ny helotsika isika ary manetry tena. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io fahamarinana io.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–42 anao hahatakatra ny zavatra andrasany aminao?

    2. Inona ireo ohatry ny fahotana sasantsany izay manakana antsika hitahy ny olon’ny tany?

    3. Inona no hataonao mba tsy ho voaloton’ny heloka?

Diniho raha toa misy fahotana mandoto ny fiainanao. Mibebaha amin’ireo fahotana ireo mba hahafahanao ho lasa madio eo anatrehan’ Andriamanitra ary mba hahafahanao ho lasa mahomby amin’ny fanampiana ny hafa handray ireo fitahiany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy