Seminera
Fizarana 21: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100


Fizarana 21: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100

Fampidirana

Nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 29 aogositra 1832. Ao amin’io fanambarana io dia miantso an’i John Murdock ny Tompo mba hanohy ny asa fitoriany sy handeha any amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100 i Joseph Smith tamin’ny 12 ôktôbra 1833 raha nanompo tamin’ny naha-misiônera tany New York izy sy i Sidney Rigdon. Nanome toky an’i Joseph sy i Sidney ny Tompo ao amin’io fanambarana io fa milamina tsara ny fianakavian’izy ireo any Ohio. Nampionona an’i Joseph mikasika ny Olomasina tany Missouri izay niaritra fanenjehana ihany koa ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99

Niantso an’i John Murdock mba hitory ny filazantsara ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe manontany anao ny antony mahatonga ny zatovolahy sy zatovovavy maro mazoto hanokana ny 2 taona na 18 volana amin’ny fiainany mba hanaovana asa fitoriana ny namanao iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Ahoana no hanazavanao ny antony mampazoto ny olona iray hanao izany fahafoizan-tena izany mba hanaovana aza fitoriana?

Sary
misiônera vehivavy
Sary
John Murdock

John Murdock

Mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany i John Murdock. Rehefa mamaky ity fampahalalana manaraka ity ianao, dia jereo ireo fahafoizan-tena nataony mba hanompoana ny Tompo:

Nanadihady fiangonana maro i John Murdock ary tonga tamin’ny tsao-kevitra fa diso lalana daholo ny fivavahana rehetra. Tamin’ny faraparan’ny taona 1830 anefa dia namaky ny Bokin’i Môrmôna izy ka nahatsapa ny Fanahy Masina izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Resy lahatra izy fa nahita ny Fiangonan’i Kristy tena marina. Fotoana fohy taorian’ny batisany ny 5 nôvambra 1830 dia nanao asa fitoriana izy, ka nanao batisa olona niisa 70 teo ho eo tao anatin’ny efa-bolana tany Orange sy Warrenville, Ohio.

Ny 30 aprily 1831, fotoana fohy taorian’ny niverenan’i John tamin’ny asa fitoriana dia nodimandry i Julia vadiny, rehefa avy niteraka kambana. Niantso azy handeha ho any Missouri ny Tompo tamin’ny volana jona 1831 sady hitory ny filazantsara teny an-dalana nandritra ny diany (jereo ny F&F 52:8–9). Talohan’ny nahafahan’i John nandeha, dia nila naka toky aloha izy fa voakarakara tsara ny zanany dimy, izay latsaky ny fito taona avokoa. Nitady olona maromaro izy hikarakara ireo zanany lehibe ary natsangan’i Joseph sy i Emma Smith ireo zaza kambana. Nitory tany amin’ny Faritr’i Michigan Indiana, Missouri, ary Ohio i John Murdock nanomboka teo ka hatramin’ny faran’ny taona 1831 sy ny tapa-taona voalohany tamin’ny taona 1832. Rehefa niverina tany Hiram, Ohio izy ny volana jona 1832, dia nijaly noho ny vokatry ny aretina nitaiza. Nampahafantarina azy koa fa nodimandry ny volana martsa ny iray tamin’ireo kambana ary ireo izay nikarakara ny zanany telo dia nangataka fanonerana noho ny fanampiany.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99 teo amin’ny roa volana teo ho eo taorian’ny niverenan’i John Murdock tamin’ny asa fitoriana faharoa nataony. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:1, ary jereo ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i John Murdock mba hataony.

Ankoatra io antso hitory ny filazantsara io, dia ahitana fampanantenana maro mikasika ny fanompoan’i John io fanambarana io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:2–3, ary tadiavo ny fomba nitahiana an’i John Murdock sy ny olona nampianariny tamin’ny alalan’ny fanompoana nataony.

Ianarantsika avy amin’ny andininy 2–3 ireto fahamarinana manaraka ireto: Misolo tena ny Tompo isika rehefa manao asa fitoriana, ary ireo izay mandray ny filazantsara tahaka ny ankizy madinika dia hahazo famindram-po.

Talohan’ny nanaovan’i John Murdock ny asa fitoriana tany atsinanan’i Etazonia, dia nanana traikefa tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany izy izay nanamarika azy betsaka tokoa. “Tamin’ny [fivoriam-bavaka iray nataonay], dia nilaza ny Mpaminany fa raha manetry ny tenanay eo anatrehan’ Andriamanitra sy mampihatra finoana mahery izahay, dia tokony hahita ny tavan’ny Tompo. Ary tokony teo amin’ny mitataovovonana teo ho eo, dia nisokatra ny saiko ary nahita fahitana aho, nihiratra ny mason’ny fahatakarako, ary nahita endrik’olona iray aho, izay tsara indrindra, ny tarehiny dia nahery sy nahafinaritra tahaka ny masoandro. … Ny tarehiny dia tena nanamarika ahy, ary kanto indrindra izany. Ary raha niezaka ny handinika io olona io avy any amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony aho dia lasa ilay izy, nikatona ny fahitana. Izany anefa dia namela tato an-tsaiko ny fahatsapana fitiavana, nandritra ny volana maro, izay mbola tsy tsapako tamin’izany halaliny izany mihitsy hatramin’izay” (John Murdock, autobiography and diary, 13, L. Tom Perry Special Collections, Harold B. Lee Library, Brigham Young University, Provo, Utah).

  1. Mitadiava olona farafahakeliny telo ao amin’ny soratra masina na eo amin’ny fiainanao izay nanao fahafoizan-tena mba hanompoana ny Tompo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’izy ireo. Avy eo dia soraty ny fitahiana noraisin’ireo olona ireo noho ny fahafoizan-tenany sy ny fanompoany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:4–5, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ireo izay mitsipaka ny hafatra hampianarin’i John Murdock azy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99:6–8, ary tadiavo ny porofo milaza fa ny Tompo dia nahafantatra ny zavatra nilain’i John Murdock sy ny fahafoizan-tena nataony.

I John Murdock dia nanaraka ny torohevitry ny Tompo ary nanao fanomanana mba handefasana ny zanany zokiny indrindra telo ho any amin’ny Eveka Partridge any Missouri, izay nitoeran’izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviana hafa. Nandeha nanao ny asa fitoriany i John ny septambra 1832, teo ho eo amin’iray volana taorian’ny nandraisany ny antsony. Mbola nanao asa fitoriana fanampiny vitsivitsy izy, ary avy eo namonjy ny zanany zokiny indrindra tany Missouri. Nandritra ny androm-piainany sisa dia nanompo ny Tompo tamim-pahatokiana i John Murdock tamin’ireo antsony mba ho misiônera, eveka, ary patriarika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1–12

Nanome teny fampaherezana sy fananarana ho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo

Inona avy ireo ahiahy ananan’ny misiônera rehefa manomboka ny asa fitoriany izy ireo? Eritrereto ireo ahiahy ireo rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100 ianao.

Ny volana aprily 1833, dia lasa mpikamban’ny Fiangonana tany New York ny lehilahy iray nantsoina hoe Freeman Nickerson ary nandeha tany Kirtland, Ohio izy. Rehefa nihaona tamin’i Joseph Smith i Freeman dia nangataka ny Mpaminany izy mba hitsidika ny fianakaviana Nickerson tany New York sy Kanada. Nanaiky ny fangatahany i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ka nandao an’i Kirtland niaraka taminy izy ireo tamin’ny 5 ôktôbra 1833. Nitory ny filazantsara teny an-dalana izy ireo. Ny 12 ôktôbra 1833 no nahatongavan’izy ireo tany an-tranon’ny fianakaviana Nickerson tany Perrysburg, New York, ary nandraisan’i Joseph ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100.

Vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100, ary tadiavo ny zavatra nampanahy an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon rehefa tonga tany New York izy ireo.

Ao amin’io fanambarana io dia manome valinteny mikasika ny ahiahin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon momba ny fianakavian’izy ireo ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1–2, ary tadiavo ny fomba namalian’ny Tompo ny fanahian’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny izay mety nitondra fampiononana ho an’i Joseph sy i Sidney.

  1. Lazalazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mety hanampiana ny misiônera ankehitriny amin’ny fanahian’izy ireo ny amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:1–2.

Ankoatra ny fanomezana toky azy ireo momba ny fianakaviany, dia nanome toky an’i Joseph sy i Sidney koa ny Tompo fa hotahiana ao amin’ny asa fitoriana sahaniny izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:3–4, ary fantaro ny sasantsasany amin’ireo fanomezan-toky ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8, ary tadiavo ny fampanantenana fanampiny nomen’ny Tompo.

Sary
zatovolahy roa

Raha manandratra ny feontsika mba hizarana ny filazantsara isika, dia hanampy antsika hahafantatra ny tokony hotenenintsika ny Tompo.

Ny andininy 5–6 dia mirakitra fampanantenana fa raha manandratra ny feontsika mba hizara ny filazantsara isika, dia hanampy antsika hahafantatra ny tokony hotenenintsika ny Tompo. (Tsarovy fa mba hahazoana ity fanampiana nampanantenana ity, dia tsy maintsy miaina amim-pahamarinana sy miomana ny hanompo isika.)

Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:7, fa ny misiônera dia tokony hizara ny filazantsara “amin’ny fahononam-po, amin’ny fanahin’ny fahamorana.” Milaza io torohevitra io fa tokony hizara ny filazantsara amim-pahamatorana sy amim-panetrentena isika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:8, ary tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo antsika raha mitory ny filazantsara arak’izany fomba izany isika. Rehefa izany dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Raha mizara ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fahononam-po sy amin’ny fanahin’ny fahamorana isika, ny Fanahy Masina dia .

  1. Saintsaino ny fotoana iray izay nahatsapanao ny fanamafisan’ny Fanahy fa ny zavatra iray nampianarinao na nolazainao dia marina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny firesahana momba ny filazantsara amin’ny namanao na ny fianakavianao, ny fijoroana ho vavolombelona na ny fanaovana lahateny mandritra ny fivoriam-bavaka ao amin’ny Fiangonana, na ny filazana hevitra mikasika ny zavatra iray mandritra ny fotoam-pampianarana. Lazalazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny traikefanao. Mety hamariparitra koa ianao ny traikefa hafa izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa marina ny zavatra nolazain’ny olona iray hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:9–12, ary tadiavo ireo torolalana sy fampianarana nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mety hidika inona aminao ny fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:12 raha toa ianao ka manao asa fitoriana?

Ny ezaka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon amin’ny fitoriana ny filazantsara dia nitondra fiantraikany maharitra ho an’ny Fiangonana. I Sidney Rigdon dia nitory tamin’ny vondron’olona marobe izay niangona tao amin’ny tranon’ny fianakaviana Nickerson tany New York, ary avy eo ireo rahalahy telo dia nianavaratra nankany Ontario, Kanadà, izay toerana nitorian’izy ireo tamin’ny vondron’olona hafa fanampiny. Nanakaiky ny 20 ny olona vitan’ireo misiônera batisa tany, ary nanangana sampan’ny Fiangonana iray izy ireo tany. Fotoana vitsivitsy taty aoriana dia namangy io sampana io i Parley P. Pratt raha nanao asa fitoriana tany Kanadà. I Moses Nickerson, izay niova fo nandritra ny asa fitoriana tamin’ny 1833, dia nampahafantatra ny Loholona Pratt tamin’i John Taylor, izay lasa misiônera nahomby sy Filohan’ny Fiangonana taty aoriana. Ireo zava-nitranga ireo dia ampahany amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo fa “varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina, amin’ity tany atsinanana ity” (F&F 100:3).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:13–17

Nankahery an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny Tompo mikasika ireo fisedrana niainan’ny Olomasina tany Missouri

Ny volana aogositra 1833, fotoana fohy talohan’ny nanombohan’ny Mpaminany Joseph Smith ny asa fitoriany, dia nitondra vaovao avy tany Missouri i Oliver Cowdery, izay nilazany fa lasa nahery setra tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany tany ny fahavalon’ny Fiangonana. Nandefa an’i Orson Hyde sy i John Gould i Joseph mba hitondra ny torohevitra avy aminy ho an’ny Olomasin’i Missouri. Io dia io dia mety hampidi-doza satria hanao ny dia amin’ny faritra manakaikin’ny mpihetraketraka tsy tia Môrmôna izy ireo. Nandritra ny asa fitoriany niaraka tamin’i Sidney Rigdon sy i Freeman Nickerson, dia nanahy ny amin’i Orson sy i John ary ny Olomasina rehetra izay nenjehina tany Missouri ny Mpaminany.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:13–17, dia tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa nampanaovina manaraka ireto:

    1. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 15 ity fitsipika manaraka ity: Hiara-hiasa ho soa ho antsika ny zava-drehetra raha toa …

    2. Ny “mandeha araka ny hitsiny” eo anatrehan’ny Tompo dia midika ny hoe tokony ho marina sy hitandrina ireo didy. Eritrereto ny zavatra mazava tsara izay azonao atao amin’ny fiainana mba “handehanana araka ny hitsiny” bebe kokoa eo anatrehan’ny Tompo. Mametraha ary manoràta tanjona iray mba hanatanterahana ny iray amin’ireo zavatra ireo ary mba hanasana misimisy kokoa io fitahiana io ho eo amin’ny fiainanao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy