Seminera
Fizarana 32:Andro 4, Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao


Fizarana 32: Andro 4

Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao

Fampidirana

Ny 23 Septambra 1995, tao amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanolotra ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” Io Fanambarana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manambara amin’izao tontolo izao ny fitsipiky ny Fotopampianarana mikasika ny fianakaviana. Ilay fanambarana dia manome torohevitra ihany koa ho fampatanjahana ny fianakaviana sy fampitandremana iray momba ireo voka-dratsin’ny faharavan’ny fianakaviana. (Misy tahadikan’ity fanambarana ho an’ny fianakaviana ity any amin’ny faran’ny lesona.)

Mamoaka fanambarana ho an’izao tontolo izao mikasika ny fianakaviana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Efa nanana fanontaniana ve ianao na mahafantatra olona manana fanontaniana mifandray amin’ny iray amin’ireto olana manaraka ireto?

  • Ny maha-manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana

  • Fisaraham-panambadiana

  • Fanambadian’ny samy lahy na samy vavy

  • Maha-lahy na maha-vavy

  • Ray aman-dreny tsy vita mariazy

  • Fananana zanaka

  • Firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana

  • Ireo anjara asan’ny reny

  • Ireo anjara asan’ny ray

  • Fanalan-jaza

Fanontaniana maro mikasika ireo olana ireo sy olana maro hafa eo amin’ny fianakaviana no azo valiana amin’ny fampiasana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”.

Mialoha indrindra ny namakian’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity fanambarana ity dia nilaza ny sasany amin’ireo antony ilàn’izao tontolo izao ireo fahamarinana ao anatin’izany izy. Eo am-pamakianao ny teny nataony dia tadiavo sy asio tsipika ireo antony ireo.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina sy hilaza mialoha manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakampanahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao . Mifanalavitra amin’izany, izahay Fiadidiana Voalohany sy ny filakevitry ny Kôlejin’ny Apôstôly roambinifolo dia mamoaka fanambarana ho an’ny Fiangonana sy izao tontolo izao ho fanambarana sy fanamafisana ireo fitsipika, Fotopampianarana, ary ireo fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa naverimberin’ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara ao amin’ity Fiangonana ity nolazaina nandritra ny tantarany” (“Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, nôv. 1995, 100).

  1. Mba hanampiana anao hamantatra ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay mamaly ireo fanontaniana momba ireo olana voatanisa ao amin’ny fiandohan’ny lesona dia adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao tabilao manaraka izao, ka mamelà toerana mba hanoratana ny valinteninao. (Azonao atao ny manisy tarehimarika amin’ireo andinin-tsoratra ao amin’ilay tahadikan’ny fanambarana any amin’ny fiafaran’ity lesona ity.)

    Ireo olana mikasika ny fianakaviana

    Ireo Fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny Fanambarana ho an’ny Fianakaviana

    Nampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra fahafiry ao amin’ilay Fanambarana?

    Ny maha-manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana

    Fisaraham-panambadiana

    Ny fanambadian’olona roa mitovy fanananahana

    Karazany

    Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.

    andiam-pehezan-teny 2

    Fananana zanaka

    Anjara asan’ny ray

    Anjara asan’ny reny

    Firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana

    Fanalan-jaza

    Ny famoronana ny fiainana eto an-tany dia masina ary ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

    andiam-pehezan-teny 3 sy 5

    Vakio ny andiam-pehezan-teny 1–5 ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ka tadiavo ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay mifandray amin’ireo olana mikasika ny fianakaviana ireo. Fantaro avy amin’ny zavatra hitanao tao amin’ilay fanambarana ho an’ny fianakaviana ny Fotopampianarana na fitsipika izay mifandray amin’ny olana tsirairay ao amin’ilay tabilao. Soraty izany ao amin’ny tsanganana mifandraika amin’izany, eo akaikin’ilay olana mifandraika amin’izany ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny diarinao. Soraty ihany koa ny laharan’ny andiam-pehezan-teny na ireo andiam-pehezan-teny ao amin’ilay fanambarana ho an’ny fianakaviana izay nampiasainao mba hanampiana anao hamantatra ny Fotopampianarana na fitsipika tsirairay. (Ny fampahalalana ho an’ny andalana roa ao amin’ilay tabilao dia nofenoina ho ohatra ho anao.)

  1. Misafidiana Fotopampianarana na fitsipika roa izay hitanao tao amin’ny tabilaonao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny Fotopampianarana na fitsipika tsirairay izay nosafidianao:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahatakatra ity Fotopampianarana na fitsipika ity?

    2. Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana sy ny finoana io Fotopampianarana na fitsipika io eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao?

Manampy antsika hanangana fianakaviana mahomby ny Fanambarana ho an’ny fianakaviana

Sary
fianakaviana mitsikitsiky

Vakio ny andiam-pehezan-teny 6–7 ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ka tadiavo ireo zavatra izay afaka manampy anao hahazo fahasambarana ao anatin’ny fianakavianao.

Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ny hoe ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitsipika hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izay manampy ny fianakaviana hahita fahasambarana. (Azonao atao ny manisy marika ireo fitsipika ao amin’ny tahadikan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izay anananao.) Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo ohatra izay hitanao momba ireo fianakaviana izay manaraka ireo fampianarana ireo?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no ho sambatra bebe kokoa ireo fianakaviana izay manaraka ireo fampianarana ireo?

  2. Eritrereto ny fomba hitondran’ireo fampianarana ireo fahasambarana fanampiny ho an’ny fianakaviana iray. Saintsaino hoe iza amin’ireo fampianarana ireo no azonao hiainana tsaratsara kokoa mba hitondrana fahasambarana lehibe kokoa eo aminao sy fianakavianao. Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hanampy anao hiaina bebe kokoa ny iray na ny maromaro amin’ireo fampianarana ireo ao amin’ny fianakavianao.

Araka ny voalaza ao amin’ny tapany farany amin’ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana, dia inona avy ireo andraikitry ny raim-pianakaviana?

Eritrereto ireo fomba nahitanao ny rainao na ireo ray hafa nanatanteraka ireo andraikitra ireo.

Araka ny voalaza ao amin’ny tapany farany amin’ny andiam-pehezan-teny faha-7, dia inona no andraikitra ny renim-pianakaviana voalohany indrindra?

Eritrereto ireo fomba nahitanao ny reninao na ireo reny hafa nanatanteraka izany andraikitra izany.

Araka ny andiam-pehezan-teny 7, ireo andraikitra na anjara asan’ny renim-pianakaviana na ny raim-pianakaviana dia “araka ny drafitr’ Andriamanitra.” Midika izany fa napetraky ny Raintsika any An-danitra izy ireny. Araka ny eritreritrao, nahoana no manan-danja ny mahatakatra izany?

Mianatra ihany koa isika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 fa ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo amin’ireo andraikitra ananany ao amin’ny fianakaviany. Mieritrereta fotoana izay nahitanao ireo reny sy ray niara-niasa mba hifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo ao amin’ireo andraikitra masina ireo.

Hita any akaikin’ny fiafaran’ny andiam-pehezan-teny 7 izao fehezan-teny manaraka izao: “Ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana hafa.” Fantatry ny Tompo ireny toe-javatra misy ireny ary mitahy ireo ray aman-dreny sy fianakaviana Izy rehefa miezaka manatanteraka ny adidiny araka ny tsara indrindra vitany izy ireo.

Avereno vakiana ny fehezan-teny farany ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 ao amin’ilay fanambarana ho an’ny fianakaviana ka tadiavo ireo olona hafa izay afaka manampy ny reny sy ny ray amin’ny andraikitr’izy ireo. Afaka manampy ny ray aman-dreniny hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo ihany koa ny ankizy.

Samy manana ny olany manokana sy toe-javatra misy azy manokana ny fianakaviana tsirairay kanefa afaka miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ka hahita fahasambarana ny fianakaviana tsirairay.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ankasitrahanao indrindra momba ny reninao, ny rainao, na ny mpiandraikitra anao.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8–9 ao amin’ilay fanambarana ho an’ny fianakaviana ka tadiavo izay hitranga raha toa ka tsy manatanteraka ireo andraikitsika ao amin’ny fianakaviantsika isika.

Fitsipika iray izay ampianarin’ireo andiam-pehezan-teny ireo ny hoe hijoro ho tompon’andraikitra eo anoloan’ny Tompo isika raha toa ka tsy manatanteraka ireo andraikitsika ao amin’ny fianakaviantsika. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eo amin’ny tahadikan’ilay fanambarana izay anananao.

Saintsaino ny fanatanterahanao ireo andraikitrao ao amin’ny fianakavianao. Aza adino ny mikatsaka ny fanampian’ny Tompo rehefa manao asa ianao izay mitodika amin’ny tanjonao mba hiaina tsara kokoa ny iray amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny fianakavianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona momba ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ary nahavita izany ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Sary
Ny Fianakaviana

Hamoaka printy