Seminera
Fizarana 10: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41


Fizarana 10: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41

Fampidirana

Tamin’ny desambra 1830 dia nandidy ny Olomasina tany New York ny Tompo mba hifindra tany Ohio, izay toerana hahazoan’izy ireo ny lalàn’ny Tompo (jereo ny F&F 37:3; 38:32). Nahazo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41 ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 4 febroary 1831—izay andro nahatongavany tao Ohio. Tato anatin’ity fanambarana ity, ny Tompo dia nanome torolalana fanampiny izay hanampy ny Olomasina handray ny lalàny. Ankoatr’izany dia nantsoina ho eveka voalohan’ny Fiangonana i Edward Partridge.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1–8

Namaritra ny fomba ahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy ny Tompo

Inona no mahafinaritra anao na tena tianao ny manao azy? Inona araka ny eritretreritrao no mahafinaritra ny Tompo ny manao azy? Eritrereto ny dikan’ny hoe mahafinaitra, na mahita fifaliana amin’ny fanaovana zavatra iray.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1 ka tadiavo ny zavatra mahafinaritra ny Tompo ny manao azy. Diniho izay zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana “ny lehibe indrindra amin’ny fitahiana rehetra” izay iriany omena antsika.

Araka ny nolazain’ny Tompo ao amin’ny andininy 1 dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Mahafinaritra ny Tompo ny rehefa .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana no nahatsapanao fa finaritra nitahy anao ny Tompo satria nihaino Azy ianao?

    2. Aminao, inona no dikan’ny hoe mahafantatra fa mitondra fifaliana ho an’ny Tompo ny mitahy anao noho ny fihainoanao Azy?

Nankatò ny torohevitry ny Tompo mba hiangona any Ohio i Joseph Smith. Efa nifindra impito i Joseph sy i Emma tao anatin’ny efa-taona nifanambadiany, ary vao avy sitrana tamin’ny aretina naharitra iray volana sy bevohoka enim-bolana i Emma tamin’ny faran’ny volana janoary 1831, fotoana nandaozan’izy ireo an’i New York mba hanao dia efa ho 483 kilaometatra tamin’ny kalesy nankany Kirtland, Ohio.

Rehefa tonga tao Kirtland i Joseph sy i Emma dia nijanona nanoloana ny tranombarotra Gilbert sy Whitney izy ireo. “Niditra tampoka avy any tao amin’ilay tranombarotra [i Joseph] ka nandeha teny amin’ny toerana nitsanganan’ireo mpiara-miasa zanaky ny tompon’ny tranombarotra. ‘Newel K. Whitney! Ianao ilay olona!’ hoy izy nihiaka, nanolotra ny tanany tamim-panajana toy ireny efa olona nifankahafantatra sy nifankazatra ela ireny. ‘Manana tombony ianao raha mihoatra ahy’ hoy [i Newel K. Whitney] namaly, raha nandray ho azy ilay tanana natolotra azy izy, ‘Tsy afaka niantso anao amin’ny anaranao tahaka ny nataonao tamiko aho.’ ‘Izaho no Joseph ilay Mpaminany,’ hoy ilay vahiny sady nitsiky. ‘Nivavaka ianao mba hahatongavako eto, ankehitriny, inona no tianao hataoko?’” (ao amin’ny History of the Church, 1:146).

Nanazava i Joseph fa nahita an’i Newel nivavaka mba hahatongavany tany Kirtland, tao anatin’ny fahitana iray. Nandray an’i Joseph sy i Emma Smith tamin-katsaram-panahy ry Whitney ary niara-nipetraka tamin’izy ireo nandritra ny herinandro maro i Joseph sy i Emma (jereo ny History of the Church, 1:145–46).

Nifindra tany Ohio tao anatin’ny dimy volana taorian’ny nandidian’ny Tompo mba hiangonana tao ny ankamaroan’ireo Olomasina tany New York. Nanao izany tamin’ny sorona lehibe ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Namarotra ny fananany tamin’ny fatiantoka izy ireo na nandao fotsiny ny trano sy fananana tsy lafo ka nandeha nanaraka ny Mpaminany tany Ohio. Vakio izao fitantarana manaraka izao ary mitadiava ohatra iray ny amin’ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Olomasina ireo tamin’ny fihainoany ny didiny mba hifindra tany Ohio tamin’izany fotoana izany:

Sary
Lucy Mack Smith

Nitarika andiana mpikamban’ny Fiangonana miisa 80 avy any Fayette, New York nankany Ohio i Lucy Mack Smith, renin’ny Mpaminany Joseph Smith. Rehefa nandeha sambo teo amin’ny lakandranon’i Cayuga sy Seneca nankany Buffalo, New York izy ireo dia nampahatsiahivin’i Lucy ireo Olomasina fa “nanao dia araka ny didin’ny Tompo izy ireo, tahaka an’i Lehia Ray izay nandao an’i Jerosalema ka raha mahatoky izy ireo dia afaka miandrandra ireo fitahian’ Andriamanitra koa” (History of Joseph Smith by His Mother, navoakan’i Preston Nibley [1958], 196).

Rehefa tonga tany Buffalo, New York izy ireo dia nihaona tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana avy tany Colesville izay teo an-dalana ho any Ohio koa ary efa niantsona tao Buffalo nandritra ny herinandro. Voasakan’ny vongan-dranomandry “nifanaingina hatramin’ny enina metatra ny haavony” ny lakandrano ary nolazaina tamin’izy ireo fa mila “mijanona eo amin’ny fitodian-tsambo mandritra ny roa herinandro izy ireo farafahakeliny.” Nanjary kivy ny Olomasina maro tao amin’ny andiany niaraka tamin’i Lucy. Noana izy ireo, ary narary ny ankizy sasany. Niakatra sy niangona teo an-dalantsaran’ny sambo iray hafa izy ireo, nampiakatra ny entany, ary nahita fialofana vonjimaika ho an’ireo vehivavy sy ankizy marary hatramin’ny maraina vao mangiran-dratsy i Lucy Smith. (Jereo ny History of Joseph Smith by His Mother, 199–202.)

Rehefa tafakatra ny sambo indray izy ireo dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny andiany niaraka taminy i Lucy hoe: “Ankehitriny ranadahy sy rahavavy isany, raha toa ianareo rehetra milaza ny fanirianareo any an-danitra, mba ho vaky ny ranomandry ka ho afaka isika dia ho tanteraka tokoa izany raha mbola velona ny Tompo.” Dia nilazalaza ny zava-nitranga taorian’izany izy: “Tamin’izay fotoana izay dia nisy feo re, toy ny kotro-baratra. Nihiaka ilay kapiteny hoe: ‘Samia mamonjy ny andraikiny daholo ny lehilahy rehetra.’ Nizara roa ilay vongan-dranomandry ka namela lalana hany antonona ilay sambo, ary tena tery izany ka rehefa nandalo teo ilay sambo dia simba tamin’ny fifandonana ireo sinin’ilay sofinkodia. … Raha vao tafavoaka ilay lalan-kely izahay dia niverina nikatona indray ilay vongan-dranomandry ary tavela tany Buffalo ireo rahalahy avy any Colesville, tsy afaka nanaraka anay” (History of Joseph Smith by His Mother, 204–5).

  1. Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampisehoan’ireo Olomasina ireo ny finoany ny Tompo, avy tamin’ilay tantara novakianao momba ilay andian’Olomasina notarihin’i Lucy Mack Smith. Manorata ihany koa momba ny hoe: amin’ny fomba ahoana no ilazana fa ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ity toe-java-miseho sarotra ity dia mampiseho fa mahalala antsika ny Tompo ary hanampy antsika handresy ireo olana Izy rehefa mihaino Azy isika?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2–4 ary tadiavo ilay didy sy ireo torolalana nomen’ny Tompo ny vahoakany. Asio tsipika eo ambonin’ireo torolalana ato anatin’ity lisitra manaraka ity izay tsy nandidiana ny Olomasina mba harahiny:

  • Miara-mivory mba hanekena ny tenin’ Andriamanitra.

  • Mandray ny lalàna amin’ny fivavaky ny finoana.

  • Manao izay hitandremana ny lalàna.

  • Miangona any amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri.

Asio marika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:3 ny tanjon’ny lalàna izay horaisin’ny vahoaka “amin’ny fivavaky ny finoa[ny].” Ity lalàna tian’ny Tompo ambara eto ity dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42. Handalina amin’ny antsipiriany izany lalàna izany ianao ao anatin’ireo lesona vitsivitsy manaraka.

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny maha-fitahiana ny fandraisana ny lalàna sy didin’ Andriamanitra araka ny eritreritrao. Ankoatr’izay, hazavao ny fomba hanampian’ny lalàn’ Andriamanitra antsika mba “hananana ny zavatra rehetra araka ny hitsiny eo anoloany” (F&F 41:3).

Mieritrereta momba ny fomba itovian’ireto tranga roa ireto sy ny fomba mety hahasamy hafa izany :

Mpino

Mpianatra

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5 ary fenoy izao fitsipika manaraka izao: Tonga mpianatr’i Jesoa Kristy isika rehefa .

Misy fahasamihafana ve eo amin’ny hoe mino ny lalàn’i Jesoa Kristy sy ny mandray izany? Na dia ampahany manan-danja amin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy aza ny finoana ny lalàn’ Andriamanitra, ny fandraisantsika ny lalàny—fanekena sy fankatoavana izany— dia manorina ny finoantsika ny Mpamonjy.

  1. Mba hanampiana anao hampihatra ilay fitsipika fa tonga mpianatr’i Jesoa Kristy isika rehefa mandray sy miaina ny lalàny dia misafidiana ary mamakia momba ny iray amin’ireo fitsipika avy ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts. Avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tianao hatao mba handraisana sy hiainana bebe kokoa izany fitsipika izany.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:7 dia nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanolotra trano ho an’i Joseph Smith sy ny fianakaviany mba hitoeran’izy ireo ka hahafahany manohy ny fandikana ny Baiboly. Nanaraka izany torolalana izany ireo Olomasina ka natsangana ny trano kely iray izay nonenan’i Joseph sy i Emma nandritra ny volana vitsivitsy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:9–12

Niantso an’i Edward Partridge mba ho eveka voalohany tao amin’ny Fiangonana ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe mila eveka vaovao ny paroasinao. Hadihadio nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:9, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Antsoin’ Andriamanitra ny eveka, tohanana amin’ny alalan’ny feon’ny mpikambana ary hatokana amin’ny alalan’ny fahefana mifanentana amin’izany.

Ny andian-teny hoe “atokan’ny feon’ny fiangonana” dia midika fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hanohana ilay olona izay nantsoin’ Andriamanitra. Ny andian-teny hoe “handany ny fotoany rehetra amin’ny asan’ny fiangonana” dia nambara manokana ho an’i Edward Partridge ary mihatra ihany koa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Episkòpà Mpiahy amin’izao fotoana izao. Tsy mihatra amin’ny evekan’ny paroasy izany, izay manohy ny asany mahazatra sady manompo ao amin’ny Fiangonana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra fa ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao dia nantsoin’ Andriamanitra sy natokana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana araka ny tokony ho izy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:11 ka tadiavo ireo toetra izay nolazain’ny Tompo fa nananan’i Edward Partridge ka mety nanampy azy tamin’ny antso tamin’ny naha-eveka azy. Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny soratra masinao fa ny teny hoe fitaka dia entina hilazana ny fihatsarambelatsihy. Noho izany dia lehilahy marin-toetra feno fahatsaran-toetra i Edward.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:12 ka tadiavo ny fampitandreman’ny Tompo. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mitandrina ny fomba “hiheverantsika” ny tenin’ny Tompo?

    2. Ahoana no mety ifandraisan’ny fitandremana ny zavatra ataonao amin’ny tenin’ny Tompo amin’ny zavatra izay nianaranao momba ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy?

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Eo am-pamakianao izao fanambarana manaraka izao, avy tamin’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia saintsaino ny fomba ifandraisan’izany amin’ny zavatra izay nianaranao momba ny maha-mpianatra tato anatin’ity lesona ity: “Isan’andro isika dia manapa-kevitra hoe hatraiza ny fetran’ny maha-mpianatra harahintsika. Isan’andro isika dia mamaly ilay fanontaniana hoe: ‘Iza no eo amin’ny faritry ny Tompo? Iza?’” (“My Servant Joseph,” Ensign, May 1992, 39).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dianandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy