Seminera
Fizarana 16: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–49


Fizarana 16: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–49

Fampidirana

Tamin’ny 16 Febroary 1832, ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nanao fanitsiana nentanim-panahy tamin’ny Baiboly. Rehefa nisaintsaina ny dikan’ny Jaona 5:29 izy ireo, dia nahita fahitana. Io fahitana io, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia milaza fa tena misy sy avy amin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy, mampianatra momba ny fahalavoan’i Satana sy ireo zanaky ny fahaverezana ary milazalaza ireo fanjakam-boninahitra telo sy ireo izay handova ny fanjakana tsirairay.

Hozaraina lesona telo ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 Ato amin’ity lesona voalohany ity dia hianatra ianao momba ny finiavan’ny Tompo hitahy antsika sy momba ny asa nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izay nahatonga azy ireo hahazo ilay fahitana. Hianatra momba ny fahalavoan’i Satana ihany koa ianao sy ny anjara natao ho an’ireo izay manaraka azy.

Sary
sary maneho ny fahitana voarakitra ao amin’ny F&F 76

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–10

Mampanantena fitahiana ho an’ireo izay mahatoky Aminy ny Tompo.

Raha afaka misafidy olona iray mba hanome voninahitra anao ianao, dia iza izany ary nahoana?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–5 dia mampianatra fa ny Tompo dia hendry, mahery, mandrakizay, be famindrampo ary feno fiantrana. Ny andininy 5 koa dia mampianatra fa hanome voninahitra antsika Izy raha mendrika isika. Vakio ny andininy 5 ka tadiavo ny zavatra tokony hataontsika mba hanomezan’i Jesoa Kristy voninahitra antsika.

Ao amin’ity toe-javatra ity, ny matahotra ny Tompo dia midika hoe manaja, mankalaza, manome voninahitra ary mitia Azy. Raha miainga avy amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 5 dia mianatra isika fa raha manaja ny Tompo isika dia hankalaza antsika Izy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:6–9 ka tadiavo ireo fomba hankalazan’ny Tompo ireo izay manaja sy manompo Azy. Rehefa mamaky ianao, dia mety manampy ny mahafantatra fa ao amin’ny soratra masina ny teny hoe mistery dia milaza amin’ny ankapobeny ireo fahamarinana ara-panahy izay tsy azo fantarina raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana.

Araka ny zavatra novakianao tao amin’ny andininy 6–9 dia ampio ilay fitsipika teo aloha teo hoe: Raha manaja sy manompo ny Tompo isika dia hankalaza antsika Izy amin’ny .

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:10 ka tadiavo ny fitsipika iray mikasika ny fomba hanambaran’ny Tompo ny fahamarinana amintsika.

  1. Saintsaino ilay fitsipika hoe manome fahazavan-tsaina antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo. Mba hanampiana anao hahatsiaro ireo fotoana nanomezan’ny Tompo fahazavan-tsaina anao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity: Vao haingana aho no nahatsapa fa nahazo fahazavan-tsaina avy amin’ Andriamanitra rehefa …

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–19

Nilazalaza ny toe-javatra nahatonga azy ireo hahazo ilay fahitana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Sary
toeram-pambolena sy fiompian’i John Johnson

Tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i John Johnson, any Hiram, Ohio no nandraisana ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Ilay fahitana naseho ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia fahatanterahan’ilay fampanantenanan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–14 ary jereo ny fomba nankalazan’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’ny nanambarany ny fahamarinana tamin’izy ireo.

Efa naka fotoana hamakiana ny soratra masina ve ianao kanefa tsy nahatakatra izay zavatra novakianao? Inona no nataonao mba hahatakarana tsara kokoa ny soratra masina?

Ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon talohan’ny nahitany io fahitana io dia afaka mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mahatakatra bebe kokoa ny soratra masina sy manasa ny Fanahy Masina hanambara ny fahamarinana amintsika. Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ary vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19. Rehefa mamaky ianao, dia tadiavo ny zavatra nataon’i Joseph sy i Sidney ka nahafahan’izy ireo nahazo fahatakarana ny soratra masina tamin’ny alalan’ny fanambarana.

Jereo fa nandritra ny fotoana nandalinany sy nisaintsainany ny soratra masina no nanome fahazavan-tsaina azy ireo ny Fanahy Masina. Ny misaintsaina ny soratra masina dia midika hoe mandinika na mieritreritra momba ny zavatra vakianao. Ny ohatra nasehon’i Joseph sy i Sidney dia mampiseho amintsika fa raha mandalina sy misaintsaina ny soratra masina amim-bavaka isika, dia afaka hampitombo ny fahatakarantsika ny Tompo.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba handalinana sy hisaintsainana ny soratra masina amim-bavaka. “Rehefa miteny aho hoe ‘mandalina,’ dia zavatra mihoatra ny mamaky no tiako holazaina. … Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toa izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, kanefa hanisy toerana ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy”(When Thou Art Converted,” Ensign or Liahona, May 2004, 11).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:

    1. Inona no vokatra azonao tamin’ny fandalinana sy fisaintsainana ny soratra masina amim-bavaka?

    2. Manorata zavatra iray hatao izay voalazan’ny Loholona Christofferson ka hampiharinao amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24

Mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Rehefa nipoitra ilay fahitana, dia nahita an’i Jesoa Kristy tao amin’ny hajany sy ny voninahiny ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon.

  1. Manaova tabilao ahitana ireto lohateny telo ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    Ny zavatra hitan’izy ireo:

    Ny zavatra ren’izy ireo:

    Ny zavatra nianaran’izy ireo:

    1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–24 ary soraty eo ambanin’ny lohateny mifanandrify aminy, ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

    2. Miainga avy amin’ny zavatra hita sy re ary nianaran’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, dia milazà farafahakeliny fahamarinana roa momba an’i Jesoa Kristy izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Avy eo soraty ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny iray amin’ireo fahamarinana ireo sy ny fomba ahafantaranao na ny antony inoanao fa marina izany.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—F&F 76:22–24

Soratra Masina Fehezina ny Doctrine and Covenants 76:22–24. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.

  1. Nijoro ho vavolombelona i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon fa velona i Jesoa Kristy ary feno voninahitra Izy. Tadiavo ao anatin’ny soratra masina rehetra ny ohatra miisa roa hafa izay nahitan’ny olona an’ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty. Ampiasao ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hanampiana anao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny laharan’ny andinin-tsoratra masina mifanaraka amin’ireo ohatra hitanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–29

Mahita ny fahalavoan’i Satana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Vitao ity fitsapam-pahaizana fohy manaraka ity ka mariho (M) raha marina ary (D) raha diso ny fehezan-teny tsirairay.

  1. I Satana no Losifera.

  2. Fanahy nanam-pahefana teo anatrehan’ Andriamanitra i Satana, fahiny.

  3. Tsy nanam-paniriana ny tsy hankatò ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy i Satana.

  4. Nisy firavoravoana tany an-danitra rehefa voaroaka i Satana.

  5. Miady amin’ny Olomasin’ Andriamanitra i Satana.

Rehefa tapitra izany dia manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:25–29, izay mamariparitra ny fahitan’i Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fahalavoan’i Satana. Azonao ovaina ny valinteninao noho ny zavatra izay novakianao ary, rehefa izany, dia hamarino amin’ny alalan’ny valinteny efa nomena any amin’ny faran’ity lesona ity ny valinteninao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–49

Mahita ny fijalian’ny zanaky ny fahaverezana ao anatin’ny fahitana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Inona no atao hoe mpamadika mandritra ny ady iray? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–49 dia momba an’ireo izay nisafidy ny hamadika ny Mpamonjy. Izy ireo no antsoina hoe zanaky ny fahaverezana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–35 ary jereo ireo safidy izay nitondra azy ireo ho lasa zanaky ny fahaverezana.

Samy hafa ny zanaky ny fahaverezana sy ny mpikamban’ny Fiangonana izay nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana fa lavo avy eo ary tsy nanaraka ny fitsipiky ny filazantsara intsony. Ny zanaky ny fahaverezana dia mahavita ny fandavana ny Fanahy Masina, izay fahotana tsy azo ivalozana.

Sary
Joseph Smith

Nampianatra ny toy izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ny fahotana mahafaty: “Inona no zavatra ataon’ny olona iray vao azo lazaina fa nanao fahotana mahafaty izy? Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina izy, nisokatra taminy ny lanitra ary mahafantatra an’ Andriamanitra izy, ary avy eo dia nanota Taminy taty aoriana. Tsy misy fibebahana ho an’ny olona iray rehefa avy nanota tamin’ny Fanahy Masina izy. Mila milaza izy fa tsy mamiratra ny masoandro kanefa mahita izany izy, mila mandà an’i Jesoa Kristy izy rehefa avy nosokafana taminy ny lanitra ary mandà ny drafitry ny famonjena kanefa mahita ny fahamarinan’izany ny masony” (ao amin’ny History of the Church, 6:314).

Ny fanaovana ny fahotana mahafaty dia mitaky fahalalana manokana momba ny Mpamonjy izay azo avy amin’ny zavatra iray niainana niaraka Taminy. Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanampy antsika hahatakatra ny dikan’izany ho an’ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana: “Ny mandà ny Fanahy Masina dia mitaky fahalalana tena hafa mihitsy izay hahatonga ny ankamaroan’ny olon-drehetra tsy afaka hanao io fahotana io mihitsy” (The Miracle of Forgiveness [1969], 123).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:36–38, 44–49 ary jereo ny mombamomba ny zanaky ny fahaverezana.

Tsy havotana amin’ny fahafatesana ara-panahy, na ny fahafatesana faharoa ny zanaky ny fahaverezana ary tsy handova fanjakam-boninahitra izy ireo rehefa mitsangana amin’ny maty. Fa ho solon’izay dia hijaly maharitra mandrakizay izy ireo.

Nandritra ilay fahitana ny zanaky ny fahaverezana dia nianatra momba ny fitsipiky ny fanantenana ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–43 ary jereo ny teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ankoatran’ny zanaky ny fahaverezana dia afaka ho voavonjy avy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, amin’ny alalan’ny Sorompanavaotan’i Jesoa Kristy.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41. Satria soratra masina fehezina io andininy io, dia azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita izany moramora any aoriana. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe vaovao mahafaly.

  1. Manorata teny kely iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny vaovao mahafaly voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–41. Rehefa izany dia manorata fehezan-teny vitsivitsy izay milaza ny maha-vaovao mahafaly izany ho anao. Azonao atao ny manoratra ilay andininy sy manisy izany eny amin’ny toerana izay hahafahanao miofana amin’ny fanononana izany tsianjery mandritra ny andro maromaro.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:1–49 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy