Seminera
Fizarana 2: Andro 3, Joseph Smith—Tantara 1:27–54;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2


Fizarana 2: Andro 3

Joseph Smith—Tantara 1:27–54;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Fampidirana

Nanohy nanamafy ny zatovolahy Joseph Smith fa nahita fahitana izy, ary nitohy ny fanenjehana azy noho izany. Rehefa feno 17 taona i Joseph, indray hariva raha nivavaka izy, dia niseho taminy ny anjely iray antsoina hoe Môrônia ka nanambara fa manana asa hampanaovina an’i Joseph Andriamanitra, anisan’izany ny fandikana rakitsoratra fahiny iray izay voasoratra amin’ny takela-bolamena. Rehefa nanazava ny anjara asan’i Joseph ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara i Môrônia dia nitanisa faminaniana maro avy tao amin’ny Baiboly izy, anisan’izany ny faminanian’i Malakia momba ny fiverenan’i Elia. Nandeha tany amin’ilay havoana izay nambaran’i Môrônia fa nandevenana ireo takela-bolamena i Joseph Smith ny ampitson’izany. Teo no nahazoany torolalana bebe kokoa avy tamin’i Môrônia.

Joseph Smith—Tantara 1:27–29

Nivavaka i Joseph Smith mba ho voavela ny fahotany

Mandritra ny lesona anio ianao dia hianatra misimisy kokoa mikasika ny tovolahy Joseph. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:27–29, ary ampiharo amin’ny tenanao ireo andininy ireo.

Diniho ireo toe-javatra sy fahatsapana niainan’i Joseph Smith amin’ny maha-tanora azy. Inona no mampitovy azy ireny amin’izay hatrehanao?

Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:28 dia nanoratra i Joseph fa na dia meloka amin’ny fahotana lehibe aza izy, dia tsy nanana hatrany ny fitondrantena tokony hananan’ny olona izay voantson’ Andriamanitra. Afaka mianatra lesona manan-danja isika avy amin’izay nataon’i Joseph Smith nanoloana ny zavatra tsy mety vitany.

  1. Avereno jerena ny fiafaran’ny Joseph Smith—Tantara 1:28, ary avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nataon’i Joseph Smith nanoloana ny tsy mety vitany. Ankoatr’izany dia mitanisà fitsipika iray na roa izay nianaranao avy amin’ny ohatr’i Joseph.

Ny sasany amin’ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:28 dia hoe: Rehefa manaiky ny fahotantsika isika ka mahatsapa alahelo ny amin’izy ireny dia afaka mangataka famelan-keloka amin’ny Ray any An-danitra. Afaka mangataka ny mba hahafantatra ny toerantsika eo anoloan’ Andriamanitra isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fivavahana mba hahafantarana ny toerana misy anao eo imason’ Andriamanitra?

Vakio ity torolalana avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hahatakarana kokoa ny fomba hanampian’ny vavaka antsika hahafantatra ny toerana misy antsika eo imason’ Andriamanitra sy hahafantarana ireo fiovana izay asainy ataontsika:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Ahoana no fomba hanapahantsika hevitra hoe tokony hifantoka amin’ny inona ny fibebahana ataontsika? … [Afaka] mitalaho amim-panetrentena amin’ny Tompo [isika] hoe: –Ray ô, inona no tianao hataoko?– Tonga ireo valiny. Mahatsapa ireo fiovana izay tokony ataontsika isika. Miteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny Tompo.

“Dia avela hisafidy isika avy eo: moa ve isika hibebaka sa hanakona ilay varavarankelintsika izay misokatra mankany an-danitra?” (“Mibebaha … Mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 41).

Tsarovy fa ny Ray any An-danitra dia vonona ny hamela antsika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ary manao izay tokony hatao mba hibebahana amin’ny fahotantsika.

Joseph Smith—Tantara 1:30–35

Niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia

Raha mbola nivavaka nangata-pamelana i Joseph Smith, dia niseho taminy ny anjely Môrônia. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:30–32, ary miezaha maka sary an-tsaina ny mety ho fitrangan’io traikefa io.

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:33, ary tadiavo ny hafatr’i Môrônia ho an’i Joseph Smith. Azonao atao ny manisy marika ny teny na andian-teny izay milaza fa nanana asa ampanaovina an’i Joseph Smith Andriamanitra. Diniho izay mety ho tsapan’i Joseph rehefa nahafantatra izay zavatra ho ataon’ny Tompo amin’ny alalany.

  1. Naminany i Môrônia fa ny anaran’i Joseph Smith dia “ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny olon-drehetra” (Joseph Smith—Tantara 1:33). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay porofo hitanao fa maneho fa eo andalam-pahatanterahana io faminaniana io.

Nampianatra an’i Joseph Smith mikasika ny asa izay ho tanterahiny ihany koa i Môrônia. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35, ary jereo hoe inona izany asa izany.

Joseph Smith—Tantara 1:36–49;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Nampianatra sy nampitandrina an’i Joseph Smith i Môrônia

Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:36–42 dia hitantsika fa nitanisa faminaniana maro avy ao amin’ny Baiboly i Môrônia izay manazava fa efa manomboka ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia azonao marihina ireo andinin-tsoratra masina mifandray izay voalaza ao.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:38–39. Tamin’ny 1876 i Brigham Young dia nanome torolalana ny mba hampidirana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho toy ny fizarana 2 ireo tenin’i Môrônia ao amin’ireo andininy ireo. Io faminaniana mikasika ny fiverenan’i Elia io dia anisan’ireo fanambarana voalohany indrindra nomena tamin’izao fotoam-pitantanana izao, ary tena manan-danja tokoa izany ka hita ao amin’ny Testamenta Taloha ihany koa (Malakia 3:23–24) sy ao amin’ny Testamenta Vaovao (Lioka 1:17) ary ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (3 Nefia 25:5–6). Azonao soratana eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:38–39 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 ireo soratra masina mifandray ireo.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Ny Filoha B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza izao manaraka izao mikasika an’i Elia sy ny fahefan’ny fisoronana izay ho averiny: “Zava-dehibe ny mahafantatra ny antony nahatonga ny Tompo nampanantena fa haniraka an’i Elia. I Elia dia mpaminany lehibe iray izay nomen’ Andriamanitra fahefana lehibe. Nihazona ilay fahefana lehibe indrindra izay omen’ Andriamanitra ny zanany izy: nihazona ny fahefan’ny famehezana izy, dia ilay fahefana hamehy eto an-tany ka hahatonga izany ho voafehy any an-danitra” (“Hearts Bound Together,” Ensign, May 2005, 78).

Ampiasao ny fanazavana nomen’ny Filoha Eyring mba hanampiana anao, ka fintino amin’ny teninao manokana ny tiana holazaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1:

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2 dia milaza mikasika ireo fampanantenana natao tamin’ireo ray. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe iza ireo ray ireo, ary inona no fampanantenana natao tamin’izy ireo: “Iza ireo ray ireo? Tsy iza fa i Abrahama sy Isaka ary i Jakôba, izay nanaovana ny fampanantenana. Inona avy ireo fampanantenana? Izy ireo dia fampanantenan’ny fitohizan’ny vondron’ny fianakaviana any amin’ny mandrakizay” (The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 267).

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ankoatra ireo Mpaminanin’ny Testamenta Taloha ireo izay i Abrahama sy Isaka ary i Jakôba, ny hoe “ireo ray” dia entina hilazana olon-kafa ihany koa, tahaka izay nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Ireo ray dia ireo razambentsika efa maty, izay maty tsy nanana fahafahana nandray ny filazantsara, kanefa nahazo ilay fampanantenana fa ho avy ny fotoana izay ahafahan’izy ireo hahazo izany. Ireo zanaka dia ireo izay velona ankehitriny ka manomana ireo fampahalalana momba ny tetiarana ary manatanteraka ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ireo tempoly” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:127).

Ampiasao io fanazavana nomena etsy ambony io hamintinana ny hevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2 amin’izay fahazoanao azy:

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:3 dia milaza fa hofongorana tanteraka ny tany manontolo raha tsy tonga i Elia. Nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ny antony mahatonga izany: “Nahoana no hofongorana ny tany? Tsotra fotsiny, satria raha tsy misy ny fifamatoran’ny rohy eo amin’ireo ray sy ny zanaka—dia ny asa atao ho an’ny maty izany—dia holavina isika rehetra. Tsy hahomby ny asan’ Andriamanitra iray manontolo ka ho ringana tanteraka” (Doctrines of Salvation, 2:122; jereo koa ny F&F 128:17–18).

Ampiasao io fanazavana io hamintinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:3 amin’izay fahatakaranao azy:

Ireto manaraka ireto no ohatra sasany amin’ireo fahamarinana izay mety ho hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1–3. Ampifandraiso ilay fahamarinana sy ny andininy izay ampianarana azy.

  1. Handefa an’i Elia Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny eto ambonin’ny tany ny fahefan’ny famehezana mialoha ny Fahatongavan’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  1. F&F 2:1

  1. Afaka mitodika any amin’ireo fianakaviantsika ny fontsika ary afaka manatanteraka ôrdônansy isika izay mampifandray antsika amin’izy ireo mandrakizay.

  1. F&F 2:2

  1. Raha toa ka tsy mifandray amin’ny alalan’ny fahefan’ny famehezana ny fianakaviana dia hofongorana ny tany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  1. F&F 2:3

  1. Miainga amin’izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2, dia manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina manazava ny fahatsapanao mikasika ny maha-zava-dehibe ny fiverenan’i Elia.

Rehefa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 ianao ao aoriana kely amin’ity taona ity dia hianatra ny fomba nahatanteraka an’io faminaniana io raha niverina i Elia ka nanolotra ny fahefan’ny famehezana tamin’i Joseph Smith.

Rehefa avy nampianatra an’i Joseph Smith mikasika ny fiverenan’i Elia i Môrônia ka nilaza faminaniana maro hafa mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny, ary nanome torolalana misimisy kokoa mikasika ireo takela-bolamena, dia lasa nandeha (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:42–43). Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:44–45, ary tadiavo ny zava-nitranga taorian’ny nandehanan’i Môrônia.

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:46–49, ary jereo hoe impiry i Môrônia no namerimberina ny hafatra nomeny an’i Joseph Smith. Raha atambatra, dia impiry i Môrônia no nitondra hafatra ho an’i Joseph Smith?

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’izany dia hoe matetika ny Tompo sy ny mpanompony no mamerimberina ireo fampianarana manan-danja.

Eritrereto ny vavaka ho an’ny fanasan’ny Tompo. Nahoana ny teny tsirairay ao no averina vakiana isan-kerinandro? Eritrereto ireo fampianarana izay henonao fa naverimberina ao amin’ny soratra masina sy mandritry ny fihaonamben’ny Fiangonana.

  1. Mitanisà ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina karazana fampianarana izay henonao fa miverimberina, ary avy eo dia hazavao hoe nahoana ny Tompo sy ny mpanompony, araka ny eritreritrao, no matetika mamerimberina fampianarana. Makà antoka mba hamaritanao izay fomba ahafahanao mampihatra io fahamarinana io amin’ity taona ity.

Joseph Smith—Tantara 1:50–54

Nandeha nankany amin’ilay havoana i Joseph dia nahita ilay rakitsoratra, ny Orima sy Tomima ary ny saron-tratra

Ny Joseph Smith—Tantara 1:50–51 dia manazava fa rehefa avy nitantara tamin-drainy mikasika ny famangian’i Môrônia i Joseph dia nandeha nankany amin’ilay havoana izay nandevenana ireo takela-bolamena.

  1. Alaivo sary an-tsaina izay mety ho fahatsapanao raha toa ka teo amin’ny toeran’i Môrônia ianao sy nitsidika an’i Joseph Smith rehefa avy niandry 1.400 taona mahery mandrapahitana sy handikana an’ireo takelaka. Eo am-pandinihanao izany dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:52–54 ary avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika izay mety ho fahatsapanao nandritra io traikefa io.

Ho hitanao amin’ny lesona manaraka ny zava-nitranga tamin’ny fiafaran’ireo efa-taona niandrasana.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:27–54 sy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy