Seminera
Fizarana 19: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69


Fizarana 19: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69.

Fampidirana

Ity no lesona faharoa amin’ireo lesona telo izay mamelabelatra ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88. Ny ampahany amin’ny fanambarana resahina ato amin’ity lesona ity dia nomena nandritra ny fihaonambe iray nataon’ireo mpisorona avo tao Kirtland, Ohio, ny 27 sy ny 28 Desambra 1832. Tafiditra ao anatin’izany ny fanazavan’i Jesoa Kristy mikasika ny fomba fitondran’ Andriamanitra ny zava-boariny sy ny fanasana antsika hanakaiky Azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–50

Ny Mpamonjy dia manambara fa ny zava-drehetra dia fehezin’ny lalàna avy any an-danitra

Sary
kintana

Efa mba nandinika ny kintana ve ianao ka nieritreritra momba an’ Andriamanitra sy ireo zavatra nohariany? Inona no fanontanianana na eritreritra nosaintsaininao tamin’ny ianao nibanjina ny lanitra?

Rehefa mandinika ny fidadasik’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra ny olona dia indraindray izy ireo mahatsapa tena ho kely sy ho tsinontsinona. Mety hanontany tena izy ireo raha toa ka mahalala ny fisian’izy ireo Andriamanitra. Maro amin’ireo andininy halalininao ato amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 no maneho ny fahalalan’ Andriamanitra anao sy ny faniriany hanatona anao akaiky.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41. Eritrereto ny fomba anehoan’io andininy io fa Andriamanitra dia manana ny fahefana hahalalana anao sy ny zavatra ilainao. Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:42–45, ka fantaro ny fomba ifehezan’ Andriamanitra ireo zavatra nohariany, ao anatin’izany ny masoandro, ny volana, sy ireo kintana, ary ireo planeta. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Eritrereto ny sasany amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra eny amin’ny lanitra sy ety an-tany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra izay mahagaga anao. Inona no ampianarin’izany zavatra nohariana izany anao momba ny Mpahary?

  2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:46–47, ka tadiavo ny zavatra notenenin’ny Tompo izay hitantsika rehefa mijery ireo zavatra noharian’ Andriamanitra isika. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no hitantsika rehefa mijery na dia ny kely indrindra amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra aza isika?

    2. Ahoana no fomba hanampian’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra hitanao eny amin’ny lanitra lanitra sy ety an-tany anao hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’ Andriamanitra?

  3. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:48–50. Fintino amin’ny teninao manokana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo andininy ireo. Inona no ampianarin’ireo andiny ireo momba an’i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–61

Nitantara fanoharana iray momba ny lehilahy maromaro niasa tao amin’ny saha iray izay nisy nitsidika tsirairay ny Tompo

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–60 dia ahitana fanoharana iray izay manampy antsika hahatakatra ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo fanjakana nohariany. Ny fanoharana dia tantara iray izay mampiasa sariohatra hampianarana fahamarinana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:51–55, ka tadiavo ny zavatra nandidian’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana mba hataon’ny tsirairay avy amin’ ireo mpanompony ary inona no nampanantenainy ny tsirairay avy tamin’ireo mpanompony.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:56–60 fa ny tompon’ny saha dia namangy ny tsirairay avy tamin’ny mpanompony rehefa isaky ny anjarany avy: “Ary dia toy izany no nandraisan’izy rehetra ny hazavan’ny tavan’ny tompony, ny olona tsirairay tamin’ny orany” (F&F 88:58).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:61, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’io fanoharana io antsika momba ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo fanjakana nohariany.

Iray amin’ireo fanjakana nampanantenain’ny Tompo fa hovangiany ity tany onenantsika ity. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ity fanoharana ity ny hoe ny Tompo dia hamangy ny tsirairay avy amin’ireo fanjakana nohariany sy ny mponina ao aminy amin’ny fotoany. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io fahamarinana io.

Sary
Jesoa Kristy

Hiaina ny fanatrehan’ny Tompo eto an-tany isika mandritra ny Arivotaona, aorian’ny Fiaviany Fanindroany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–69

Nampanantena Andriamanitra fa hanakaiky antsika Izy rehefa manakaiky Azy isika

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Hatraiza ny fahatsapanao ny fanakaikezanao ny Tompo? Moa ve ianao te hahatsapa ho akaiky Azy bebe kokoa?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–63, ka tadiavo ireo zavatra azontsika atao mba hanasana ny Tompo hanakaiky bebe kokoa antsika. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    1. Manorata fitsipika iray ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63 momba ny fanakaikezana ny Tompo.

    2. Manorata teny telo avy amin’ny andininy faha 63 izay manome hevi-baovao momba ny fomba hanakaikezanao bebe kokoa ny Tompo.

    3. Valio izao fanontaniana manaraka izao: Inona no zavatra efa nataonao hikatsahana, hangatahana, ary handondonana mba hanakaikezana bebe kokoa ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64, ka tadiavo ny zavatra ampanantenain’ny Tompo ireo izay mivavaka amin’ny Ray amin’ny anarany.

Inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomba amalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataontsika? Ny andian-teny hoe “ilainareo” ao amin’io andininy io dia azo tenenina amin’ny teny hafa hoe “ny mety indrindra aminao.” Noho izany, fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io andininy io ny hoe ny Ray any An-danitra dia mamaly ireo vavaka ataontsika amin’ny fomba izay fantany fa mety indrindra amintsika.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny antony tokony hanehoanao fankasitrahana foana na dia tsy araka ny nanantenanao na nanampoizanao azy aza ny avalin’ny Ray ny vavaka iray nataonao: “Mafy tokoa rehefa tsy mivaly araka ny eritreretintsika ny vavaka amin-kitsipo izay ataontsika mahakasika zavatra iray. Sarotra ny mahatakatra hoe nahoana no tsy manome ny valiny nandrasana ny fampiharanao finoana lalina sy marina tao anatin’ny fiainana feno fankatoavana. … Indraindray dia sarotra ny mahafantatra izay mety indrindra na tsara ho anao mandritra ny fotoana maharitra. Ho mora kokoa ny fiainanao raha manaiky ianao fa ny zavatra izay ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao dia natao hitondrana soa mandrakizay ho anao” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign na Liahona, mey 2007, 9).

  1. Inona no tokony hataonao rehefa tsy araka ny nanampoizanao azy ny valin’ny vavaka nataonao? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray niainanao tamin’ny namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao tamin’ny fomba iray izay nety indrindra taminao.

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66, fa ny fomba iray ifandraisan’ Andriamanitra amintsika dia “tahaka ny feon’ilay miantso any an’efitra.” Vakio io andininy io ka tadiavo ny fomba ahatongavan’ny feon’ Andriamanitra amintsika. Eritrereto ny fotoana nahatsapanao fa teo akaikinao Andriamanitra na dia tsy nahita Azy aza ianao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–69, ka mitadiava fomba hafa ahafahanao manakaiky bebe kokoa ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ampiasao ireo andininy ireo mba hamenoana ity teny nambara manaraka ity: Raha toa ka tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masoko dia .

Ao amin’ny andininy faha 67, ny andian-teny hoe “maso … tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro” dia midika hoe manolo-tena tanteraka amin’ny asa sy ny tanjon’Andrimanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza no olona fantatrao fa toa fenon’ny fahazavan’ny Tompo?

    2. Ahoana no fomba ahitanao ny fahazavan’ny Tompo ao amin’izany olona izany?

Ao amin’ny andininy faha 68, dia marihana fa mba hanananao maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra dia mila manamasina ny tenanao ianao. Ny andian-teny hoe “manamasina ny tenanareo” dia entina ilazana fa ilaina ny voadio amin’ny fahotana. Afaka ny hohamasinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao rehefa mibebaka amin’ny fahotanao, sy mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana, ary mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao.

  1. Avereno dinihina ireo Fotopampianarana sy ireo fitsipika hitanao tao anatin’ity lesona ity. Avy eo dia alaivo sary an-tsaina hoe mibanjina ireo kintana miaraka amin’ny namanao iray ianao izay manana fahatsapana hoe toy ny tsy mahalala azy izany Andriamanitra. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mety hoteneninao amin’ny namanao.

Farano amin’ny famakiana sy fisaintsainana ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity lesona ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ry rahalahy sy ranabavy, mety ho marina tokoa hoe tsinontsinona ny olona raha oharina amin’ ny halehiben’ izao tontolo izao. Mety misy fotoana aza hahatsapa ho tsy manan-danja, na tsy hitan’ ny olona, na irery na adino isika. Kanefa tsarovy mandrakariva—manan-danja Aminy ianao! …

“Raisin’ Andriamanitra tsy amin’ ny maha-olona izay mety miaina ao anatin’ ny planeta kely mandritra ny fotoana fohy fotsiny ianareo—fa raisiny amin’ ny maha-Zanany anareo. Raisiny hoy toy ilay olona izay vitanareo ny hiafara tahaka izany ary efa nomanina mba hiafaranareo rahatrizay. Tiany ho fantatrareo fa manan-danja Aminy ianareo” (Manan-danja Aminy ianao,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 22).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy