Seminera
Tongasoa ato amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana


Tongasoa ato amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana

Inona no atao hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia soratra masina ary ahitana andiana fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy filazana azo avy amin’ ny fitaoman’ny Fanahy izay manome torolalana ho an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ny mpikamban’ny Fiangonana ary ny mponin’izao tontolo izao amin’izao androntsika izao. Fanambarana maoderina izy io ary iray amin’ireo soratra masina efatra ankatoavin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany miaraka amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny Voahangy Lafo Vidy.

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nanazava ny antony maha-sarobidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amintsika ny filoha Joseph Fielding Smith: “Mirakitra ny tenin’ Andriamanitra ho an’ny olona rehetra mitoetra ety an-tany ankehitriny ity Fotopampianarana sy Fanekampihavanana ity. Bokintsika izy io. Fananan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Sarobidy noho ny volamena izany ka nilaza ny Mpaminany [Joseph Smith] fa tokony hankamamiantsika mihoatra noho ny haren’izao tontolo izao izany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 3:199).

Nahoana no manan-danja amiko ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana?

I Jesoa Kristy Tompo mihitsy no nanome andraikitra an’ireo izay manana fahafahana hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

“Diniho ireto didy ireto, fa marina ireo sady mahatoky, ary ny faminaniana sy ny fampanantenana izay ao anatiny dia ho tanteraka avokoa.

“Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (F&F 1:37–38).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Miavaka amin’ireo bokin’ny soratra masina ananantsika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Lalàm-panorenan’ny Fiangonana izany. Na dia ahitana rakitsoratra sy fanambarana avy amin’ny toerana samihafa aza ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia fanambarana nomena avy tamin’ny alalan’ny Mpaminan’ity fotoampitatanana ity aloha izany voalohany indrindra.

Manomboka amin’ny filazana amin’ny fomba mahery vaika ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny ankapobeny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny asany lehibe amin’ny andro farany ireo fanambarana ireo:

“‘Mihainoa ianareo ry olon’ ny fiangonako, hoy ny feon’ Ilay mipetraka any amin’ ny avo, izay mitsinjo ny olon-drehetra ny masony; eny lazaiko marina tokoa: Mihainoa ianareo ry olona lavitra; ary ianareo izay any amin’ ny nosin-dranomasina, miaraha mihaino.

“‘Fa miantefa amin’ ny olon-drehetra marina tokoa ny feon’ ny Tompo, ary tsy misy afa-miala; ary tsy misy maso izay tsy hahita, na sofina izay tsy handre, na fo izay tsy hotohina.’ (F&F 1:1–2.)

“ Fotopampianarana mahatalanjona indray mijery izay avy amin’ny loharanon’ny fahamarinana mandrakizay no nipoitra avy tao anatin’izany teny fanokafana tena miavaka izany. Fanambarana mivantana ny sasany izay ahitana ny Tompo manonona izany amin’ny Mpaminaniny. Tenin’i Joseph Smith kosa ny sasany, izay nosoratany na nolazainy teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ao ihany koa ny fitantarany ireo zava-nitranga izay niseho tao anatin’ny toe-javatra samihafa. Ireo rehetra ireo mitambatra no tena mandrafitra ny Fotopampianarana sy ireo fomba fanao ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. …

“Mahatalanjona ny hamaroan’ireo karazan-javatra resahina ao anatin’io boky io. Ahitana ireo fitsipika sy fomba arahina momba ny fitantanana ny Fiangonana izany. Lalàn’ny fahasalamana miavaka miaraka amin’ny fampanantenana zavatra ara-batana sy ara-panahy no atolotra ao. Voafaritra amin’ny fomba izay tsy hita any amin’ny soratra masina hafa ny fanekempihavanan’ny fisoronana mandrakizay. Ambara ao ireo tombontsoa sy ireo fitahiana—miaraka amin’ireo fetra sy ireo zava-mahasoa—mikasika ireo fanjakam-boninahitra telo, izay manamafy ny filazana fohy nataon’i Paoly momba ny voninahitry ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Ambarany amin’ny fiteny mazava sy amin’ny fomba mahery vaika ny fibebahana. Omena ao ny fomba marina fanaovana batisa. Ny toetoetry Ny Andriamanitra izay nanahirana ny teôlôjianina nandritra ny taonjato maro dia faritany amin’ny fiteny azon’ny rehetra. Ambara ao ny lalàna ara-bolan’ny Tompo, izay manome didy mikasika ny fomba hahazoana sy hitsinjarana ny vola hampandrosoana ny Fiangonana. Nambara ao ny asa atao ho an’ny maty hitahiana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra avy amin’ny taranaka rehetra” (“The Order and Will of God,” Ensign, jan. 1989, 2, 4).

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao dia ho fantatrao bebe kokoa ny feon’i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 18:33–36) sy ny fifandraisana avy amin’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 8:2–3).

Mikasika ny Fotopapianarana sy Fanekempihavanana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana fizarana miisa 138 sy filazana ôfisialy roa. Navoaka ho boky izay nitondra ny lohateny hoe “Book of Commandments” (Bokin’ny Didy) tamin’ny voalohany ny maro tamin’ireo fanambarana ireo tamin’ny taona 1833. Teo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany dia nisy fanambarana fanampiny na rakitsoratra hafa nampidirina tao amin’ireo fanontana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nifanesy rehefa natolotra sy neken’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana natonta tamin’ny taona 1876, izay nomanin’i Loholona Orson Pratt teo ambany fitarihan’ny Filoha Brigham Young dia ahitana ny fandaharana ireo fanambarana araka ny vanim-potoana nisehoany ary ahitana sasin-teny vaovao misy fampahalalana ara-tantara.

Tao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana natonta tamin’ny taona 1981 no nampidirana zavatra telo voalohany. Ny fizarana 137 sy 138, izay milaza ireo fitsipika fototra momba ny famonjena ny maty izany ary ny Filazana Ôfisialy 2.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana natonta tamin’ny taona 2013 dia ahitana fanavaozana ny fanampiana amin’ny fandalinana, sary vaovao sy sarintany nohavaozina ary fanovana ireo fampidirana ny fizarana. Ny fanovana madinidinika tao amin’ireo fampidirana dia natao mba hanomezana fanazavana mazava sy marina kokoa momba ilay soratra masina.

Joseph Smith Papers Project (Tetik’asa mikasika ny asa soratr’i Joseph Smith)

Nalaina avy tao amin’ny “History of the Church” (Tantaran’ny Fiangonana) sy ny Joseph Smith Papers Project (Tetik’asa mikasika ny asa soratr’i Joseph Smith) ny ankamaroan’ireo fampahalalana ara-tantara ato amin’ity boky ity. Nanampy manokana tamin’izany ny Boky 1 sy 2 tamin’ny The Joseph Smith Papers”, navoakan’ny “Church Historian’s Press” (sampana iray ao amin’ny Departemanta misahana ny Tantaran’ny Fiangonana an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany). Raha te hijery ireo sary amin’ny endrika elektrônika sy raha te hamaky ny tahadikan’ny lahatsoratra niandohan’ny Joseph Smith Papers Project, dia tsidiho ny josephsmithpapers.org.

Hamoaka printy