Seminera
Fizarana 23: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100; 108


Fizarana 23: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100108

Fampidirana

Ny ampahany voalohany amin’ity lesona ity dia miompana amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100. Na dia noraketina an-tsoratra tamin’ny volana Aprily 1835 aza ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 dia tamin’ny 11 nôvambra 1831 no nanomezana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana ny ankamaroan’izay voalaza ao amin’ny andininy 60–100. Ireo andinin-tsoratra masina resahina ato anatin’ity lesona ity dia ahitana ny tenin’ny Tompo momba ireo fomba fanao fahiny amin’ny fanolorana ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’ny ray ho an’ny zanany lahy. Izy ireo koa dia ahitana torolalana mikasika ny andraikitry ny mpitarika isan-karazany ao amin’ny fisoronana. Resahina ao amin’ity lesona ity koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108, izay nanomezan’ny Tompo torohevitra sy fampananantenana ho an’i Lyman Sherman.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 39–100

Manambara ny Tompo fa ny Fisoronana Melkizedeka dia napetraka hiampita avy tamin’ny ray ho an’ny zanany lahy fahiny

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra izay misy anao ankehitriny na hisy anao, izay ahafahanao manana tombontsoa handray fitarihana na fankaherezana avy amin’ny Rainao any An-danitra.

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handray fitarihana sy fankaherezana avy amin’ny Ray any An-danitra.

Tao amin’ny lesona talohan’ity ianao dia nianatra ny sasany amin’ireo andraikitry ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Fitopololahy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39, ka mitadiava iray amin’ireo andraikitry ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny hoe “mpanompo ara-pilazantsara” dia entina milaza ireo olona izay mihazona ny anjara fanompoan’ny patriarika ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Evanjelistra,” scriptures.lds.org).

Fenoy ity manaraka ity avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 39: Ny Patriarika dia antsoin’ny ary atokana eo ambany fitantanan’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
zatovovavy mandray tsodranon’ny patriarika

Ireo izay mihazona ny anjara fanompoan’ny patriarika dia manome tsodrano miavaka, antsoina hoe tsodranon’ny patriarika ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika. Ny tsodranon’ny patriarika dia ahitana ny torohevitry ny Tompo ho an’ny olona tsirairay sy manambara ny firazanan’ilay olona ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely (jereo ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], “Tsodranon’ny patriarika,”).

Rehefa mandalina ny tsodranon’ny patriarika nomena azy ny olona tsirairay dia afaka mahazo torolalana sy fankaherezana avy amin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Raha mbola tsy nahazo tsodranon’ny patriarika ianao, dia azonao atao ny miresaka amin’ireo ray aman-dreninao sy ny eveka na filohan’ny sampana misy anao momba ny fotoana mety indrindra handraisanao izany sy ny zavatra mila ataonao mba hiomanana hiaina izany.

Ny teny hoe patriarika dia entina milaza ny ray ihany koa. Mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:41–57 fa i Adama dia ray marin-toetra sy patriarika. Vakio tsara ny andininy 41–50, ary mitadiava lamina arahina—zavatra roa izay naverimberin’i Adama natao rehefa hiahy ny fianakaviany izy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53. Hitantsika ao amin’io andinin-tsoratra masina io fa nitsodrano ny taranany marin-toetra rehetra i Adama.

  1. Valio avy amin’ny zavatra ianaranao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:41–57 ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo zavatra roa naverimberin’i Adama natao rehefa niahy ny fianakaviany izy?

    2. Ahoana no ahafahana mampiasa ny ny ohatra nasehon’i Adama mba ho lamina arahin’ny ray rehetra?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53 ny hoe ireo ray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia manana fahefana hitsodrano ireo zanany. Ankoatra ny fanendrena ny zanakalahy ho amin’ny fisoronana, dia afaka manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny zanany lahy na ny zanany vavy ny raim-pianakaviana amin’ny fotoana mamparary azy ireo na mba hanomezana torolalana sy fankaherezana azy ireo.

Ankoatra ny fanomezana tsodrano ho an’ireo zanany, dia afaka manome tsodrano ho an’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviany sy ho an’ny hafa izay mangataka izany aminy ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ireo tokantrano tsy ahitana fisoronana dia natao ho tandrovana sy karakarain’ireo kôlejy ao amin’ny fisoronana. Amin’izany fomba izany dia tsy hisy fitahiana tsy ho voarain’ny fianakaviana rehetra ato am-piangonana” (“Ny herin’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 9).

  1. Lazalazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nahazoanao na nahazoan’ny olona fantatrao tombontsoa noho ny fandraisana fitahiana avy amin’ny fisoronana tamin’ny rainao na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka hafa. Raha tsy mbola nanana fahafahana handray tsodranon’ny fisoronana ianao dia soraty ny fomba mety ahazoanao tombontsoa amin’ny fikatsahana ny hahazo tsodrano toy izany.

Eritrereto indray ireo toe-javatra nosoratanao tao amin’ny asa nampanaovina 1 ao amin’ity lesona ity. Tsarovy fa afaka mikatsaka fitarihana sy fankaherezana avy amin’ny Ray any An-danitra ianao amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika sy amin’ny alalan’ny tsodranon’ny fisoronana izay omen’ny rainao na omen’ny mpihazona fisoronana hafa.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:58–98 ny andraikitr’ireo mpitarika isan-karazany ao amin’ny fisoronana. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao, dia diniho ny fomba ahafahan’ireo olona izay manatanteraka ireo andraikitra ireo mitondra ny fitahiana avy amin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99–100, ka tadiavo ireo torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo izay mihazona ny fisoronana.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny fisoronana dia tsy tena hoe fanomezana fa fahafahana manompo, fahafahana mampitraka, fahafahana mitahy ny fiainan’ny hafa” (“Our Sacred Priesthood Trust,” Ensign na Liahona, mey 2006, 57).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108

Nanome torohevitra sy fitahiana ho an’i Lyman Sherman ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nibitsika taminao mba hanao zavatra iray ary nanarahanao izany bitsika izany. Inona ireo fitahiana azonareo rehefa nankatò ireo bitsiky ny Fanahy ianareo?

I Lyman Sherman dia mpikamban’ny Fiangonana mahatoky izay nanompo tao amin’ny Tobin’i Ziona ary nantsoina ho iray amin’ireo Filohan’ny Kôlejin’ny Fitopololahy fito. Nanoratra tao anaty diariny ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 26 Desambra 1835 hoe: “Niditra ny Rahalahy Lyman ary nangataka ny hahazo ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalako izy; ‘satria’ hoy izy, ‘nentanina aho hampahafantatra anao ny fahatsapako sy faniriako, ary nampanantenaina aho fa tokony hanana fanambarana izay hampahafantatra ahy ny andraikitro’” (ao amin’ny History of the Church, 2:345).

Rehefa nilaza i Lyman hoe “nentanina” mba hiresaka tamin’i Joseph Smith izy, dia midika izany hoe nobitsihan’ny Fanahy Masina izy.

Ho valin’ny fangatahan’i Lyman, dia nandray ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 i Joseph Smith. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1, ka tadiavo ilay fitahiana nomen’ny Tompo an’i Lyman noho izy nankato ilay fitaomana mba hiresaka amin’ny Mpaminany.

Fenoy miainga avy amin’ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’i Lyman Sherman ity fitsipika manaraka ity: Isika rehefa ny feon’ny Tompo, dia mampandroso ny famelany ny helotsika.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no manasa ny Tompo hamela ny helotsika ny fanarahantsika ny bitsika ataony?

Sary
zatovolahy sy zatovovavy mamaky soratra masina

Azo renesina amin’ny alalan’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminaniny ary amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina ny feon’ny Tompo. Tafiditra ao anatin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra ny famenoana ny fiainanao amin’ny fanaovana zavatra feno fahamarinana izay mitondra hery ara-panahy. Ny fankatoavana feno dia mitondra hery tsy misy tomika an’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao. Izany fankatoavana izany dia ahitana ireo fihetsika izay mety tsy noeritreretinao tany am-boalohany fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana, toy ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, fandoavana ny fahafolonkarena, fanaovana asa fanompoana ary famelana ny heloky ny hafa. Nampanantena ny Tompo fa “izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka” (F&F 1:32).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:2, ka tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Lyman Sherman rehefa avy notenenina izy hoe voavela ny helony.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “aoka hitony ny fanahinao raha ny amin’ny toeranao eo imason’ Andriamanitra” (F&F 108:2)?

Ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–2 fa mitondra fitsaharana ho an’ny fanahintsika ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo.

Indraindray manontany tena ny olona mibebaka hoe voavela ve ny fahotany. Asio marika ao amin’ity fanambarana manaraka ity ny torohevitra omena ireo izay mety ho sahirana amin’ny fikatsahana fiadanana ho an’ny fanahiny.

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Mety tsy ho tonga eo no eo ilay maraina lehiben’ny famelàna. Aza milavo lefona raha toa ka tsy mahomby ianao amin’ny voalohany. Matetika ny famelana ny tenanao no ampahany sarotra indrindra amin’ny fibebahana. Ampahany amin’izany fitsapana izany ny fahakiviana. Aza milavo lefona. Ho tonga izany maraina mamirapiratra izany.

“Dia ho tonga eo amin’ny fiainanao indray ‘ilay fiadanan’ Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. [Filipiana 4:7.] Dia tsy hahatsiaro ireo fahotanao intsony ianao, tahaka Azy. Ahoana no hahafantaranao izany? Ho fantatrao izany! [Jereo ny Môsià 4:1–3.]” (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, nôv. 1995, 20).

Sary
Filoha Harold B. Lee

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Raha tonga ny fotoana efa nanaovanao izay rehetra azonao natao mba hibebahana amin’ny fahotanao, na iza na iza ianao, na aiza na aiza misy anao, ary efa nanova sy namerina tamin’ny laoniny araka izay tsara indrindra vitan’ny herinao ianao … ,dia haniry ny hahazo ilay valinteny manamafy ianao avy eo hoe neken’ny Tompo ianao sa tsia. Mandritra ny fandinihanao ny feon’ny fieritreretanao, raha toa ianao ka mikatsaka ary mahita izany fiadanan-tsaina izany, dia amin’ny alalan’izany no ahafahanao mahafantatra fa nanaiky ny fibebahanao ny Tompo” (Stand Ye in Holy Places [1974], 185).

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3, ka tadiavo ny torohevitra hafa nomen’ny Tompo an’i Lyman Sherman. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fanefana ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity dia midika hoe manaraka na mankatò. Ny voady dia fampanantenana na fanekempihavanana iray.)

Nahoana no hanampy olona iray izay voavela ny helony ilay torohevitra hoe tandremo bebe kokoa ny fanefana ny voady?

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:1–3 mamporisika namana iray na havana iray hankatò ny feon’ny Tompo sy hahazo famelan-keloka.

Efa renao ve ilay fiteny hoe “fivoriana masina”? Ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Ny fivoriana masina, araka izay voalazan’io anarana io, dia entina milaza fotoana iray masina, mirindra sy feno fanajana izay hivorian’ireo Olomasina eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Tanjona telo no ampiasana ny fivoriana masina: ny fanokanana ny tempoly, torolalana manokana omena ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ary fanohanana Filohan’ny Fiangonana vaovao” (“Solemn Assemblies,” Ensign, nôv. 1994, 14).

Tamin’ny volana desambra 1832, dia nampanantena ireo Olomasina ny Tompo fa raha manorina tempoly izy ireo sy manao fivoriana masina, dia handrotsaka fitahiana lehibe amin’izy ireo Izy (jereo ny F&F 88:70–75, 117–19). Ny volana desambra 1835, rehefa nomena an’i Lyman Sherman ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108 dia telo volana monja taorian’izay no fotoana nanokanana ny tempolin’i Kirtland.

Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:4–6, dia tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Lyman fa ho azony any amin’ilay fivoriana masina.

Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8, ary tadiavo ireo torolalana nomen’ny Tompo an’i Lyman. Ahoana no ahafahanao mampahery ny hafa “amin’ny resakao rehetra” (F&F 108:7)? Mety hanampy ny mahafantatra fa ny fanentanana dia torohevitra na famporisihana mba hanao ny tsara.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana araka ny eritreritrao no fomba ahafahan’ireo torolalana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7–8 nanampy an’i Lyman Sherman rehefa nitory ny filazantsara tamin’ny hafa izy?

    2. Ahoana no ahafahanao mampihatra ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 7 eo amin’ny fiainanao?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39–100; 108 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy