Seminera
Fizarana 2: Andro 2, Joseph Smith—Tantara 1:21–26


Fizarana 2: Andro 2

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

Fampidirana

Taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany tamin’ny 1820 dia nizara ny zavatra niainany tamina mpitandrina iray izay nandà ny fijoroany ho vavolombelona izy. Olona maro hafa teo amin’ny fiarahamonina ihany koa no nandà an’i Joseph kely sy nanenjika azy. Olomanan-kaja maro no nanao izay faraheriny hitsikerana azy am-pahibemaso. Na dia teo aza ny fanoherana dia nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany i Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1:21–23

Nitombo ny fanenjehana an’i Joseph Smith

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nizara traikefa iray niainany tamin’izy zatovo misiônera nanompo tany Londres, Angletera. Eo am-pamakianao ny tantarany ianao dia diniho izay mety ho nataonao raha toa ianao teo amin’ny toeran’ity tovolahy ity.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Nisy [zatovolahy iray tonga] tao amin’ny trano fonenanay indray alina avy orana. Nandondòna tao am-baravarana izy dia nampandrosoiko.

“Hoy izy hoe: ‘Mila miresaka amin’olona aho. Irery tanteraka aho. …’

“Dia hoy aho hoe: ‘Inona no olana?’

“Dia niteny izy hoe: ‘Rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho herintaona lasa latsaka kely izay dia notenenin’ny raiko aho mba hiala ny tranony ka tsy hiverina intsony. Dia tsy niverina intsony aho.’

“Notohizany hoe: ‘Volana vitsivitsy taty aoriana dia nesorin’ny fikambanana mpanao cricket izay nisy ahy tsy ho ao anatin’ny lisitry ny mpikambany aho, izay nanala ahy tsy hikambana intsony tamin’ireo zazalahy niara-lehibe tamiko sy tena akaiky ahy sy tena namako.’

“Dia hoy izy avy eo: ‘Tamin’ny volana lasa teo dia noroahin’ny mpampiasa ahy aho satria mpikamban’ity fiangonana ity, ary tsy mbola nahita asa hafa aho izao. …

“‘Ary omaly alina dia nilaza tamiko ilay tovovavy niaraka tamiko efa ho herintaona sy tapany fa tsy hanambady ahy na oviana na oviana izy satria Môrmôna aho’” (“The Loneliness of Leadership” [Nov. 4 1969], 3, speeches.byu.edu).

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ho tsy noraharahian’ny olona na nokianina noho ny zavatra inoanao? Nanao ahoana ny fahatsapanao tamin’izany fotoana izany?

Sary
Ny Fahitana Voalohany

Na dia notahiana fatratra aza i Joseph Smith satria nijoro ho mahatoky tamin’ny tenivavolombelona momba ny Fahitana Voalohany, dia nosedraina mafy ihany koa izy. Rehefa mandalina ianao androany, dia diniho izay azonao ianarana avy amin’ny fomba niatrehan’i Joseph Smith ireo nanohitra ny fijoroany ho vavolombelona, ka afaka hanampy anao amin’ny fanoherana izay mety hatrehanao ankehitriny na indray andro any.

Ao amin’ny Joseph Smith—Tantara, dia nofariparitan’ny Mpaminany ny sasany tamin’ny fanoherana izay natrehany noho ny fijoroany ho vavolombelona. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:21–23 sady tadiavo ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny zavatra niainany. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 22, dia iza no tena fositra voalohany teo amin’ny fanenjehana an’i Joseph Smith? Rehefa mandinika ny taona sy ny toe-javatra teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith ianao, nahoana araka ny hevitrao no mety ho tena sarotra taminy ny fanenjehana avy amin’ireo olona ireo?

Jereo ilay andian-teny any amin’ny faramparan’ny Joseph Smith—Tantara 1:20 izay manomboka amin’ireo teny hoe “Toy ireny. …” Vakio manomboka eo amin’ireo teny ireo ny sisa tavela amin’ilay andininy mba hitadiavana ny antony niainan’i Joseph Smith an’io fanenjehana io. Araka ny voalazan’i Joseph, dia nahoana izy no niaina fanenjehana lehibe tamin’ny taonan’ny fahazazany tahaka izany?

Joseph Smith—Tantara 1:24–26

Na dia nankahalain’ny olona sy nenjehina aza i Joseph Smith dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany

Eritrereto ireo tantaram-pinoana sy fijoroana ho vavolombelona samihafa maro ao amin’ny soratra masina. Misy olon-kafa ve ao amin’ny soratra masina izay tianao fatratra ny toetrany sy ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

  1. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:24, ary mitadiava olona iray ao amin’ny soratra masina izay tian’i Joseph Smith sy tsaroany hoe nitovy taminy noho ny fanenjehana izay natrehany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no mety ho nanampy an’i Joseph Smith ny fahitany ireo zavatra nitovizany tamin’i Paoly Apôstôly?

    2. Inona no lesona azontsika hianarana mikasika ny famahana ny olan-tsarotra avy amin’ ny ohatr’i Joseph Smith izay nandalina sy nianatra ny zavatra niainan’i Paoly?

Ny lesona iray azontsika ianarana dia hoe afaka manovo tanjaka avy amin’ny ohatr’ireo olona mahatoky ao amin’ny soratra masina isika mandritra ireo fotoan-tsarotra. (Azonao soratana eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:24 io fitsipika io.)

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nampatanjaka anao noho ny fandalinanao ny zavatra niainan’ny olona mahatoky iray tao amin’ny soratra masina.

Hahita olona maromaro ianao mandritra ny fianaranao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity, izay azonao alaina tahaka ary ny ohatr’izy ireo dia azonao hanovozana ny hery izay ilainao.

Diniho ity teny ity, izay avy amin’ny fijoroan’ny Mpaminany ho vavolombelona ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:25: “Fa efa nahita fahitana aho, nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Inona no ampianarin’ilay andian-teny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:25 anao mikasika ny tenivavolombelon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany?

    2. Ahoana no fomba ahafahanao manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fahitana Voalohany?

  2. Avereno jerena ny Joseph Smith—Tantara 1:24, ary avy eo alalino ny andininy 25, ka tadiavo ireo fitsipika sy Fotopampianarana fanampiny izay afaka manampy anao rehefa miatrika fanoherana ianao na mahatsapa ho alaim-panahy hihozongozona amin’ny fijoroanao ho vavolombelona. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fahamarinana fanampiny izay hitanao ireo.

  1. Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana izay hitanao tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto raha miainga avy amin’ilay fahamarinana izay nosafidianao teo.

    1. Ahoana no fomba nanehoan’ny Mpaminany Joseph Smith an’io fahamarinana io teo amin’ny fiainany?

    2. Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io hanampy anao?

    3. Inona no ho fiantraikan’ny fiainanao io fahamarinana io eo amin’ny safidy ataonao, na inona no efa fiantraikan’ny fiainanao io fahamarinana io teo amin’ny fiainanao?

Ny sasany amin’ireo fitsipika na Fotopampianarana fanampiny izay mety efa hitanao tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25 dia ny hoe: Marina ny fahalalana noraisintsika avy amin’ Andriamanitra na mandà izany aza izao tontolo izao. Tokony hasiantsika lanjany kokoa izay fihevitr’ Andriamanitra mikasika antsika fa tsy izay eritreretin’ny olona momba antsika. Na dia ankahalain’ny olona sy enjehina aza isika noho ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin’izany isika.

Tadidio indray ilay tantara notantarain’ny Filoha Hinckley mikasika ilay zatovolahy tany Londres, Angletera, izay niatrika fanoherana lehibe noho ny zavatra inoany. Notohizan’ny Filoha Hinckley ny fitantarany:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Hoy aho hoe: ‘Raha toa ka nanaovana sorona be tahaka izany ny maha-pikambana anao ato amin’ny Fiangonana, nahoana ianao no tsy miala amin’ny Fiangonana ka miverina any amin’ny tranon-drainao sy ny fikambanan’ny mpilalao cricket nisy anao sy ilay asa izay tena nanan-danja be taminao ary ilay zatovovavy izay eritreretinao fa tianao?’

“Tsy nahaloa-peo izy nandritra ny fotoana izay toa lava be. Avy eo dia naondriny tao amin’ny tanany ny lohany dia nitomany nigogogogo izy. Farany dia nitraka izy ary niteny tamiko tao anatin’ny ranomaso hoe: ‘Tsy afaka ny hanao izany aho. Fantatro fa marina ity, ary raha toa ka ny aiko no ho sandan’izany dia tsy hilavo lefona na oviana na oviana aho.’

“Noraisiny ny aro orany izay efa lena ka namonjy ny varavarana izy, ary nivoaka tao anatin’ny orana, irery sy nangovitra ary feno tahotra saingy tapa-kevitra. Rehefa nandinika azy aho dia nahatsapa ny maha-manirery antsika rehefa miezaka miaina araka ny feon’ny fieritreretantsika sy araka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary araka ny finoantsika, kanefa mahazo hery sy fampiononana avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (“The Loneliness of Leadership,” 3–4).

Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana notanisainao ary mametraha tanjona ny hampihatra io fahamarinana io eo amin’ny fiainanao. (Azonao atao ny manoratra io tanjona io ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.)

Hamaranana ny lesona dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:26 ary tadiavo ity fitsipika manaraka ity izay nasehon’i Joseph Smith: Rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika izay ampianarina ao amin’ny soratra masina isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izy ireny. Rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ny fitsipika na ny Fotopampianarana izay nosoratanao ianao dia ho mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary ho afaka handresy ny fanoherana na ny olana izay mety hatrehanao ianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy