Seminera
Fizarana 25: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–16


Fizarana 25: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–16

Fampidirana

Tamin’ny 26 aprily 1838, dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115 ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Tompo ao anatin’izany dia nanambara ny anaran’ny Fiangonana sy nandidy ny Olomasina “[hitsangana sy hamirapiratra]” (F&F 115:5), ary nanambara ny sitrapony mikasika ny tempoly tao Far West. Tamin’ny 19 mey 1838, dia naharay ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116 ny Mpaminany Joseph Smith, izay milaza fa ny ao Spring Hill, Missouri no Adama-Ondia-Amàna.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:1–6

Nandidy ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba “[hitsangana sy hamirapiratra]”

Inona avy ny anaran’ireo orinasa na fikambanana izay fantatrao tsara? Inona no hevitra ampitain’ny anaran’ireo fikambanana ireo? Iza no mitarika ireo fikambanana ireo? Inona no ataon’ireo fikambanana ireo?

Eritrereto ny anarana sy ny sary famantarana ny Fiangonana. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115 ianao dia tadiavo ny hevitra ampitain’ny anaran’ny Fiangonana mikasika ny hoe iza no mitarika ny Fiangonana ary inona ny Fiangonana.

Sary
Sary famantarana ny Fiangonana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:1–3 dia milaza amintsika fa io fanambarana io dia nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4, mba hitadiavana ny anarana nomen’ny Tompo ny Fiangonana.

Jereo tsara ny teny tsirairay ao amin’ny anaran’ny Fiangonana ary eritrereto ny antony maha-manan-danja ny teny tsirairay.

Vakio ity fanazavana manaraka nomen’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Nieritreritra lalina ny antony nanomezan’ ny Mpamonjy ity anarana lava ity hiantsoana ny Fiangonany naverina tamin’ ny laoniny aho. Toa lava tokoa izany, fa raha raisintsika ho famaritana amin’ ny ambangovangony ny Fiangonana izany, dia lasa fohy sy mahafinaritra, ary mahitsy. Moa ve misy famaritana hafa mivantana kokoa sy mazava kokoa ary afaka maneho izany tsara kokoa kanefa voalaza ao anatin’ ny teny vitsy mihoatra noho io?

“Ny teny rehetra dia mazava tsara ary manana ny lanjany manokana avokoa. Ny teny hoe Ny dia maneho ny toerana manokan’ ny Fiangonana naverina tamin’ ny laoniny eo anatrehan’ ireo finoana hafa manerana an’ izao tontolo izao.

“Ny teny hoe Fiangonan’ i Jesoa Kristy dia manambara fa ity no Fiangonany. …

“Ny hoe ny Andro Farany dia manazava fa ity dia ilay Fiangonana nitovy tamin’ ilay Fiangonana naorin’ i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany saingy naverina tamin’ ny laoniny amin’ izao andro farany izao.

“Ny hoe Olomasina dia midika fa ny mpikambana ao aminy dia manaraka Azy sy miezaka manao ny sitrapony, mitandrina ny didiny, ary miomana indray ny hiaina eo Anatrehany sy eo anatrehan’ ny Raintsika any An-danitra amin’ ny fotoana hoavy. Ny Olomasina dia maneho tsotra fotsiny ireo izay mikatsaka ny hanao ny fiainan’izy ireo ho masina amin’ny fanaovana fanekempihavanana hanaraka an’i Kristy” (“Ny maha-zava-dehibe ny anarana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 80).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fahamarinana manan-danja vitsivitsy ampitain’ny anaran’ny Fiangonana?

    2. Iza no lohan’ny Fiangonana? Iza no ampianariny sy omeny fahazavan-tsaina amam-panahy eto an-tany mba hitarika ny Fiangonana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5, mba hitadiavana ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay ao anatin’ny Fiangonany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[mitsangana sy mamirapiratra]” (F&F 115:5) amin’ny maha-mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Inona no fitahiana ho tonga rehefa manaraka ny torohevitry ny Tompo mba hitsangana sy hamirapiratra ireo mpikamban’ny Fiangonana? Mba hamaliana io fanontaniana io dia ampiasao ny andininy 5 mba hanampy anao hameno ity fehezan-teny manaraka ity: Raha mitsangana sy mamirapiratra isika dia ho . Asio marika ao amin’ny andininy 5 io fitsipika io.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe afaka ny ho “faneva ho an’ireo firenena” (F&F 115:5) ny fahazavantsika na ny ohatra asehontsika? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ianao dia mety hanampy ny fahafantaranao fa ny faneva dia saina izay ampiasaina ho toy ny toerana famoriana olona na marika famantarana izay mifono hevitra hitaomana ny hafa.)

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahana misarika ny hafa ho ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ny fanarahana ny didin’ny Mpamonjy mba hitsangana sy hamirapiratra?

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ity tantara manaraka mikasika ny olona iray mpikamban’ny Fiangonana ity, izay nanaraka io fitsipika io:

Sary
Filoha James E. Faust

“Taona maro lasa izay i Constance, izay mpianatra ho mpitsabo mpanampy, dia notendrena hanao andrana sy hanampy vehivavy iray izay naratra teo amin’ny tongony vokatry ny loza iray. Nandà ny fanampiana ara-pahasalamana ilay vehivavy satria niaina zavatra ratsy tamin’ny olona iray tao amin’ilay hôpitaly izy. Natahotra izy ka nisafidy ny hitoka-monina. Fony vao nandalo tao voalohany i Constance dia noroahan’ilay vehivavy izay naratra. Tamin’ny fanandramana fanindroany dia navelany hiditra i Constance. Tamin’io fotoana io dia feno ratra lehibe teo amin’ny tongotr’ilay vehivavy ka nihalò ny nofo sasantsasany. Saingy mbola tsy nety notsaboina ihany izy.

“Nivavaka momba an’io raharaha io i Constance, ka tonga ny valim-bavaka afaka iray na roa andro taorian’izay. Nandritra ny famangiany manaraka dia nitondra rano nisy ôksizena izy. Satria tsy mampanaintaina izany dia navelan’ilay vehivavy beantitra hampiasa izany teo amin’ny tongony izy. Avy eo dia niresaka momba ny fitsaboana lalindalina kokoa any amin’ny hôpitaly izy ireo. Nanome toky azy i Constance fa hanao izay hahatonga ny fijanonany any ho mahafinaritra araka izay azo atao ny hôpitaly. Afaka iray na roa andro dia nanana risi-po hiditra tany amin’ny hôpitaly ilay vehivavy. Rehefa namangy azy i Constance dia nitsiky ilay vehivavy teo am-pilazana hoe: ‘Nandresy lahatra ahy ianao.’ Avy eo dia tsy nampoizina ny nanontaniany an’i Constance hoe: ‘Inona no fiangonanao?’ Nilaza taminy i Constance fa mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Hoy ilay vehivavy: ‘Fantatro mihitsy fa mpikambana ao ianao. Fantatro fa nalefa taty amiko ianao ny andro voalohany nahitako anao. Nisy fahazavana teny amin’ny endrikao izay tsikaritro teny amin’ireo mpiara-mivavaka aminao. Voatery nametraka ny fitokiako taminao aho.’

“Telo volana taorian’izay dia sitrana tanteraka ilay tongotra feno ratra nanonitra be. Namerina nanamboatra ny tao anatin’ny tranon’ilay vehivavy beantitra ireo mpikambana tao amin’ny faritry ny paroasy nipetrahany ary nanamboatra ny tokotaniny. Nihaona taminy ireo misiônera ka natao batisa izy taoriana kelin’izay. [Jereo ny Constance Polve, “A Battle Won,” New Era, apr. 1980, 44–45.] Nitranga izany rehetra izany satria nahatsikaritra ny fahazavana teny amin’ny endrik’izany mpianatra mpitsabo mpanampy tanora izany izy” (“The Light in Their Eyes,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 22).

Inona no nataon’i Constance mba hitsanganana sy hamirapiratana? Tamin’ny fomba ahoana no naha-faneva ho an’ilay vehivavy ilay fahazavana teo amin’ny endriny? Inona no fitahiana azon’ilay vehivavy noho ny fahazavana izay hitany?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fitsanganana sy ny famirampiratana?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ho anao ny ohatra nasehony?

Ohatra tsara ny amin’ny hevitra fonosin’ny hoe mitsangana sy mamirapiratra ny Mpaminany Joseph Smith. Fotoana fohy taorian’ny nandraisana io fanambarana io dia nanomboka nanoratra ny tantarany i Joseph, izay voarakitra ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao.

Sary
tahirin-kevitra nosoratana tamin’ny tanana

Pejy iray nalaina avy ao amin’ny tantaran’ny Mpaminany Joseph Smith

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no maha-faneva ho an’ireo firenena ny tantaran’i Joseph Smith, ka anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba ny Fahitana Voalohany?

    2. Amin’ny fomba ahoana no maha-faneva izany ho anao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6, mba hitadiavana ireo fitahiana izay ampanantenaina amin’ireo izay miara-mivory amin’ny Fiangonana ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona.

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’io andininy io ity manaraka ity: Mivory ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona isika mba hahazo tanjaka sy fialofana. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanomezan’ny fiaraha-mivory amin’ny maha-Olomasina antsika fiarovana amin’ny loza na toeram-pialofana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:7–19

Nandidy ny Olomasina hanorina ny tanànan’i Far West sy hanangana tempoly ny Tompo

Iray amin’ireo fomba ahafahantsika mahazo ny fiarovan’ny Tompo sy mba tsy ho azon-doza ny fanompoana sy ny fiderana Azy ao amin’ny tempoly. Taorian’ny nanombohan’ny Olomasina nifindra tany Far West, Missouri, tamin’ny taona 1836, dia nanao drafitra ny hanorina tempoly mitovy amin’ilay iray tao Kirtland, Ohio ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Na dia teo aza ny fihadiana tany izay efa natao mba hanomanana ny fanorenana dia naato ny asa fanorenana ankoatra izay mandra-pahazoan’i Joseph Smith torolalana fanampiny avy amin’ny Tompo. Nampahafantarin’ny Tompo tao anatin’ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115 ny sitrapony mikasika ny tempoly.

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:7–16 dia nanambara fa tokony hatsangana ao Far West araka ny lamina homeny ny Fiadidiana Voalohany ny tempoly iray. Nanoro hevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ihany koa ny Tompo mba tsy hanao trosa amin’ny fananganana ilay tempoly.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:17–19, mba hitadiavana ny zavatra tian’ny Tompo nataon’ireo Olomasina teo ambany fitarihan’i Joseph Smith tao Far West sy tao amin’ireo faritra manodidina.

Iray amin’ireo fitsipika ianarantsika avy amin’ny andininy 19 ny hoe Ny Filohan’ny Fiangonana no mihazona ireo fanalahidy hitarihana ny asan’ny Tompo eto ambonin’ny tany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116

Nanendry ny toerana hisy an’i Adama-Ondia-Amàna ny Tompo

Nanaraka ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:18 ny Mpaminany Joseph Smith ka nizaha ireo faritra manodidina an’i Far West. Vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116, mba hitadiavana ny anaran’ny toerana nozahan’ny Mpaminany.

Sary
Adama-Ondia-Amàna

Adama-Ondia-Amàna

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116:1, mba hitadiavana ny zavatra nampahafantarin’ny Tompo mikasika an’i Spring Hill. Azonao atao ny mamadika ny boky any amin’ilay sarintany sy sarin’i Adama-Ondia-Amàna ao amin’ny faran’ny soratra masinao (jereo ny sarintany 5 ao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana, “Ny faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia,” sy ny sary 10 ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana, an’i Adama-Ondia-Amàna).

Ity fanambarana ity dia milaza mazava ny toerana hahatanterahan’ny faminaniana iray izay nataon’ny mpaminany Daniela fahiny amin’ny ho avy (jereo ny Daniela 7:9–10, 13–14). Izany faminaniana izany dia mamariparitra ny zavatra iray hitranga amin’ny andro farany izay hitsidihan’ny Mpamonjy sy i Adama ny tany sy hiahian’izy ireo fivoriana iray mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany eo amin’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao (jereo ny F&F 27:5–14)

.

Ity tany ity dia efa toerana iray toy ny saha,

Izay nanana ny voninahiny rehetra niombonan’ny rehetra,

Ary tao anatin’ny taranaka masina ny olombelona,

Ka nidera an’i Jesoa nifanatrika taminy,

Tao Adama-Ondia-Amàna.

Hitantsika ao amin’ny soratra masina fa niara-nandeha tamin’ Andriamanitra i Enôka,

Mihoatra ny herin’i mamôna,

Raha niely patrana manerana ny tany i Ziona,

Ary nihira mafy ny Olomasina sy ny anjely,

Tao Adama-Ondia-Amàna.

Ny taniny dia tsara sy tena voatahy,

Mihoatra an’i Kanana an’i Isiraely;

Re nanerana ny tany ny lazany,

Lehibe ny fiadanana tao aminy, ary madio tsy misy pentina ny fitsaharana

Ao Adama-Ondia-Amàna.

Hosana, ho an’ireo fotoana ho avy,

Ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,

Rehefa mamelana voninahitra ny tany manontolo

Ka manome fonenana masina ho an’ny Olomasina,

Tahaka an’i Adama-Ondia-Amàna.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–16 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy