Seminera
Fizarana 1: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1


Fizarana 1: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Fampidirana

Hatramin’ny volana Nôvambra 1831 dia naharay fanambarana mihoatra ny 60 i Joseph Smith. Na dia teo aza izany dia tsy nanana ny tahadikan’ireo fanambarana ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nampanao fihaonambe tao Hiram, Ohio ny Mpaminany mba hifampiresahana momba ny famoahana ireo fanambarana ho toy ny boky izay ho antsoina hoe ny Bokin’ny Didy. Nanoratra sasin-teny ho an’ilay boky ny komity iray ahitana loholona. Rehefa tsy afa-po tamin’io drafitra io ireo izay nanatrika ny fihaonambe dia nangataka an’i Joseph Smith mba hanontany ny Tompo ny amin’izay ho sasin-teny. Nahazo sasin-teny tamin’ny alalan’ny fanambarana i Joseph rehefa avy nitalaho tamin’ny Tompo tao anatin’ny vavaka. Ny sasin-tenin’ny Tompo momba ny Bokin’ny Didy izao no lasa fizarana 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–16

Mampitandrina ny amin’ireo fitsarana izay ho avy amin’ireo mpikomy amin’ny Fiaviana Fanindroany ny Tompo.

Sary
ankizilahy 3 any an’ala

Eritrereto ity traikefan’ankizy telo mirahalahy ity izay voaro tamin’ny loza satria nihaino ny fampitandremana avy tamin’ny rainy izy ireo:

“Tia mandeha mihanika tendrombohitra miaraka amin-drainy i Mike sy ireo zandriny lahy Eric sy Tom. Niteny foana i Dada fa tena fantany ohatra ny vohon-tanany ireo tendrombohitra. Lehibe tamin’ny fanarahana ny dian-drainy izay mpiandry ondry izy. …

“… Indray fahavaratra izay dia falifaly tokoa [ireo zazalahy] fa tonga teny an-tampon’ilay lalana, dia saha iray ambony toerana firaofana feno ahimaintso mavana sy voninkazo samihafa maroloko. Koa dia nanainga izy ireo nihazakazaka mafy dia mafy teny anelanelan’ireo hazo na dia vizana aza izy ireo noho ny fihanihana tendrombohitra ny marainan’io. Nirian’izy ireo ny hitsambikimbikina eo amin’io ahimaintso io toy ireny bitrodia ireny.

“‘Mijanòna rehefa tonga eo amin’ilay sahan’ahimaitso ianareo,’ hoy ny rain’izy ireo. ‘Eo aho no hihaona aminareo.’ Nihazakazaka nandroso ihany ry zareo, niezaka nifampisongona. …

“[Hadinon’izy ireo] ny toromarik’i Dada. Nihazakazaka nanao boribory izy ireo tao anatin’ny ahitra matevina, sady mitsambikina no mivily tampoka, mihiaka sy mifampiantsoantso. …

“Kanjo nahita hevitra i Eric. Andao hifaninana hihazakazaka mitety ity sahan’ahimaitso ity!’ Nisalasala i Tom. Tsy tazan’izy ireo ny sisin’ilay faritra mazava tsy misy hazo any aloha any satria takon’ny havoana iray rakotry ny ahitra izy ireo. Saingy tsy niahiahy i Mike. ‘Mino aho fa ilay sahan’ahimaitso nandehanantsika tamin’ny fahavaratra lasa teo ihany ity,’ hoy izy nanome toky an’ireo rahalahiny.

“Nihemotra nihangona taty amin’ireo hazo izy ireo. ‘Iray maka bahana!’ Hoy i Eric nihiaka. ‘Roa fiomanana!’ Telo dia LASA!’ Tsapan’i Mike ho nangatsiaka ny tso-drivotra teo amin’ny takolany sy tao amin’ny volony, ary arakaraky ny nihazakazahany mafy no nahazoany rivotra betsaka. Vetivety dia izy no nitarika ny hazakazaka. Nahatsiaro ho toy ireny hoe afaka hihazakazaka mandrakizay ireny izy.

“‘MIJANÒNA!’ hoy ny feo iray nidoboka toy ny varatra avy tao aorianan’izy ireo. Tonga dia nijanona avy hatrany izy telo lahy. Nitodika izy ireo ary nahatazana an’i Dada nihazakazaka ho any amin’izy ireo avy any amoron’ilay sahan’ahimaitso. ‘Miverena ety anilako,’ hoy i Dada niantso, fa malefaka kokoa tamin’ity indray mitoraka ity. Nankatò ireo zazalahy. … [Avy teo] dia niara-nandeha an-tongotra namakivaky ilay sahan’ahimaitso izy ireo. Raha tonga teo an-tampon’ilay havoana iny izy ireo, dia nijanona tampoka i Dada.

“Indro, mandingana vitsivitsy monja teo alohan’izy ireo, nisy hantsana nitsotsorika teo amin’ny 6 na 10 metatra teo ny halaliny. Raha nihazakazaka izy ireo dia tsy ho nisy fomba nahafahan’izy ireo nahita an’io ara-potoana ka hoe nahafahana nijanona. …

“… ‘Mety ho faty teo izahay,’ hoy i Mike niteny moramora.

“Eny, angamba. Tena faly tokoa aho hoe nijanona tsy nihazakazaka ianareo na dia tsy nanana fotoana nanazavana aza aho. Indraindray isika dia tsy maintsy mankatò aloha dia aty aoriana vao mametraka fanontaniana!’

“‘Indrindra indrindra rehefa misy olon-kafa mahafantatra ny zava-mitranga kanefa ianao tsy mahafantatra,’ hoy i Mike” (Ana Nelson Shaw, “Stop!” Friend, June 2005, 47–48).

Sary
ny rainy sy ireo zananilahy teny an-tampon’ilay hantsana

Eritrereto ny fotoana iray izay nisian’ny olona iray niezaka nisarika ny sainao sy nampitandrina anao amin’ny zavatra iray. Ahoana no fihetsikao namalianao izany? Moa ve ianao nahatsapa fankasitrahana noho ny ezak’ilay olona nampitandrina anao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Manome fampitandremana sy didy ary torolàlana ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay tena ilaina ho an’ny fahasambarana sy ny famonjena antsika. Araka ny voalaza tany aloha, dia nanambara ny fizarana 1 ny Tompo ho toy ny sasin-tenin’ireo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny sasin-teny dia manomana ny mpamaky ho amin’ny votoatin’ny boky iray amin’ny alalan’ny famintinana ny hafatra sy ny tanjon’ny mpanoratra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–3, ary tadiavo ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo mba hisarihana ny sain’ny mpamaky. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe mihaino dia midika hoe manongilan-tsofina tsara sy mankatò.) Valio eo amin’ny toerana natokana ho an’izany ity fanontaniana ity:

  • Iza no iantefan’ny resaky ny Tompo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitr’ilay andian-teny hoe “hodradraina eo an-tampon-trano ny helony, ary hambara ny asany miafina” (F&F 1:3)?

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony mahatonga anao mihevitra fa zava-dehibe ny mampitandrina ny olona fa ny heloka izay atao mangingina dia tsy maintsy hatao fantatra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–7, ary jereo ny fomba hanomezan’ny Tompo ny fampitandremany ho amin’ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’ny mpianatra nofinidiny no ampitan’ny Tompo ny fampitandremany amin’ny olona rehetra. Manome fampitandremana ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony sy ny soratra masina. Ivereno jerena ny sasantsasany amin’ireo lahatenin’ny fihaonambe vao haingana izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Inona no torohevitra na fampitandremana henonao vao haingana nomen’ireo apôstôly sy mpaminanin’ny Tompo?

Iray amin’ireo fampitandremana izay nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampinarana sy Fanekempihavanana 1:8–10 ny hoe hitsara ny olona Izy araka ny asan’izy ireo sy ny fomba fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:11–14, ary mitadiava fampitandremana fanampiny izay nomen’ny Tompo. Rehefa mijery ilay soratra masina mifandray ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina ao amin’ny fanamarihana 12b ianao dia diniho hoe tranga-javatra inona no tian’ny Tompo ho lazaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Inona no tian’ny Tompo holazaina araka ny hevitrao raha nampitandrina izy fa ireo izay tsy hampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminaniny dia “hosarahina hiala eo anivon’ny olona” (F&F 1:14)?

Tena ilaina ireo fampitandreman’ny Tompo noho ny faharatsiana sy ny apôstazia manerana izao tontolo izao. Ireo izay tsy te handre ny tenin’ireo mpaminaniny dia hosarahina hiala avy eo anivon’ny olo-marina ka tsy hahazo ireo fitahiana izay tokony ho azo amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:15–16. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lisitr’ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny faharatsiana na ny apôstazia izay nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany. Ary avy eo dia valio ity fanontaniana ity: amin’ny fomba ahoana no handehanan’ny olona amin’izao androntsika izao “amin’ny lala[’izy ireo], sy ny fanarahana ny endriky ny andriamani[ny]”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–33

Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsara mialoha ny fahatongavan’ny antambo

Tadiavo ny teny izay nampiasain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17 hilazana ny vokatry ny faharatsiana sy ny apôstazia ary ny faharavana izay hitranga eo anivon’ny mponin’ny tany amin’ireo andro farany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–33 no ahitana ireo vahaolana nomen’ny Tompo mba hanampiana antsika hamakivaky ireo antambo amin’ny andro farany. Fenoy ity tabilao manaraka ity amin’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny tsanganana ankavia sy ny famantarana izay vahaolana omen’ny Tompo hanampiana antsika hamakivaky ireo antambo amin’ny andro farany. Eo amin’ny tsanganana afovoany, manorata famaritana na manaova sarin’izay zavatra hitanao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Azonao atao ihany koa ny manao ny sarin’ireo famaritana ireo eo amin’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Eo amin’ny tsanganana havanana, manorata fanazavana fohy momba ny fomba ahafahan’ireo vahaolana nomen’ny Tompo hanampy antsika manoloana ny antambo amin’ny andro farany.

Soratra Masina

Inona no vahaolana nomen’ny Tompo ho an’ny antambo izay ho tonga eto an-tany?

Ahoana no fomba ahafahan’io vahaolana io manampy antsika hiatrika ny antambon’ny andro farany?

F&F 1:17

F&F 1:18–23

F&F 1:29

F&F 1:30

Mba hanampiana anao handalina misimisy kokoa ny fanambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 dia asio marika ireo teny ao amin’io andininy io amin’ny fandokoana ilay fahamarinana hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Eo am-pitadidiana ny zavatra nianaranao tamin’ny lesona tany aloha mikasika ny apôstazia lehibe, ahoana no fomba hanazavanao amin’ny olona iray ny antony mahatonga Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany?

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’izany hoe anisan’ny ao amin’ilay fiangonana “velona,” hoy izy: “Ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia marina satria Fiangonan’ny Mpamonjy. Izy no ‘lalana sy fahamarinana ary fiainana’ (Jaona 14:6). Ary dia Fiangonana velona izy noho ny asa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Tena voatahy isika miaina amin’ny fotoana hisian’ny fisoronana eto an-tany ary afaka mandray ny Fanahy Masina” (“Raiso ny Fanahy Masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 97).

Amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina no ahafahan’ny Tompo mitarika ny Fiangonany miaraka amin’ny fanambarana tsy tapaka. Io fanambarana mitohy io no ohatra iray amin’ny maha-fiangonana velona an’ity Fiangonana ity.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa ianao dia anisan’ny mpikambana ao amin’ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany?

    2. Inona araka ny hevitrao no tiana holazaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30 raha nilaza ny Tompo fa ankasitrahany ny Fiangonany “manontolo fa tsy … ny mpikambana tsirairay”?

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31–33, ary ampifandraiso amin’ny fanontaniana mifanaraka aminy ao amin’ity tabilao manaraka ity ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika ny fahotana sy ny fibebahana.

  1. Ahoana no fomba fiheveran’ny Tompo ny fahotana?

  1. Hoesorina ny Fahazavana sy ny Fanahiny

  1. Ahoana no fomba ahafahanao ho voavela heloka?

  1. Tsy afaka hijery izany amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra

  1. Inona no manjo an’ireo izay tsy mibebaka?

  1. Mibebaka sy mitandrina ny didy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–39

Mitaona antsika ny Tompo mba handinika ireo fanambarana sy didy izay nomeny

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–36, ary mariho ny fampitandreman’ny Tompo ny olona rehetra mba hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–39, ary tadiavo ireo fahamarinana izay antitranterin’ny Tompo ao amin’ny famaranana ny sasin-teniny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 dia andinin-tsoratra masina fehezina.)

Raha toa ka tsy nanao izany ianao dia azonao atao ny mandoko ireo teny na andian-teny izay mampianatra ireto fahamarinana ireto: Mila mandinika ireo didy nomen’ny Tompo isika. Ho tanteraka avokoa ny tenin’ny Tompo. Marina ireo tenin’ny Tompo na nolazainy izany na nolazain’ny mpanompony.

  1. Raha mifototra amin’izay nianaranao androany, dia ahoana no fomba ahafahanao ho voatahy raha toa ianao mandalina ny didy sy ny fanambarana izay nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao.

  2. Manorata tanjona ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mba handalina isan’andro ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ity taom-pianarana ity. Eritrereto ho atao ao anatin’izany tanjonao izany ny hoe rahoviana sy aiza ary hafiriana na firy pejy no hohalalininao isan’andro.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38

Ho fanampiana anao hitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37, dia soraty amin’ny taratasy kely ny litera voalohany ao amin’ny teny tsirairay. Avereno tononina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37 (mampiasà ny boky soratra masinao raha ilaina) mandra-pahavitanao mamerina ny andininy manontolo amin’ny fampiasana ireo litera voalohany fotsiny. Avy eo dia fafao na takony ny litera sasantsasany dia avereno tononina indray ilay soratra masina. Tohizo hatrany io fomba io mandra-pahavoafafa ny litera rehetra sy mandra-pahavitanao tsianjery ny andininy iray manontolo. Avereno atao izany dingana izany ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy