Seminera
Fizarana 19: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–141


Fizarana 19: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–141

Fampidirana

Ny ampahany amin’ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 izay ifantohan’ity lesona ity dia ahitana ny torolalan’ny Tompo ho an’ny vondrona iray misy ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hiarahany mianatra amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana sy hanehoany fitiavana ary finamanana amin’ny tsirairairay avy aminy. Ny Tompo ihany koa dia nanambara mialoha ny amin’ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany, sy ny lamin’ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ireo tranga manodidina ilay ady lehibe sady farany amin’i Satana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–117

Ny Tompo dia nandidy ireo loholony ao amin’ny Fiangonana mba hanomana ny tenany amin’ny asa fanompoan’izy ireo ary nanambara koa ny amin’ireo tranga manodidina ny Fiaviany Fanindroany

Sary
efitrano ambony

Ny sekolin’ny Mpaminany dia natao tao amin’ny efitrano ambonin’ny tranombarotra Newel K. Whitney mandra-pahavitan’ny Tempolin’i Kirtland.

Tao Kirtland, Ohio, tamin’ny ririnin’ny 1832–33, no nandidian’ny Tompo ny vondron’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana iray ny mba hivorian’izy ireo miaraka tao amin’ny toerana izay nantsoina taloha hoe ny Sekolin’ny Mpaminany mba hanomanan’izy ireo ny tenany hitory ny filazantsara eo anivon’ny firenena rehetra eto an-tany. Ny Tompo dia nandidy ity vondrona ity mba hitoetra ao Kirtland sy hifampianatra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80, ka tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo rehefa mivory izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81–115, ny Tompo dia nanambara ny ankamaroan’ireo tranga izay hialoha sy hanaraka ny Fiaviany Fanindroany. Izy koa dia nanambara ny amin’ireo tranga izay hiseho amin’ny faran’ny Arivotaona.

Ny Tompo dia nanambara fa ireo izay efa maty dia hitsangana amin’ny maty arakaraka ny fahamarinany avy. Ireo izay mitsangana amin’ny maty voalohany no ireo izay handova ny fanjakana selestialy (jereo ny F&F 88:97–98, 107). Ireo izay mitsangana amin’ny maty faharoa no ireo izay handova ny fanjakana terestrialy (jereo ny F&F 88:99). Ireo izay handova ny fanjakana telestialy kosa no hitsangana amin’ny maty aorian’ny Arivotaona (jereo ny F&F 88:100–101). Farany, ireo izay “mbola hitoetra ho maloto”—ireo teraka teto an-tany ka lasa zanaky ny fahaverezana—dia hitsangana amin’ny maty ka hatsipy any amin’ny haizina ivelany (jereo ny F&F 88:102, 114).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26

Manoritsoritra ny toromariky ny fianarana ny Tompo

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra nianaranao vao haingana tany an-tsekoly sy tany am-piangonana. Avy eo dia valio izao fanontaniana manaraka izao: Inona no maha-samy hafa ny fianaranao ireo taranja any an-tsekoly toy ny matematika sy ny siansa amin’ny fianaranao ireo taranja momba ny filazantsara? Inona no mampitovy azy? (Jereo ny F&F 88:78–79.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118, ka tadiavo ny fomba nikatsahan’ireo izay nanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany fianarana. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Aminao inona no dikan’izany hoe mianatra “amin’ny alalan’ny finoana” izany?

Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia mariho ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Amin’ny maha-mpianatra antsika, dia natao hihetsika ka ho mpanatanteraka ny teny fa tsy mpihaino fotsiny ihany izay miandry hetsehina fotsiny izaho sy ianao. Mpiasa izay mihetsika ka mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny finoana va izaho sy ianao sa miandry ny hampianarina sy izay hanetsehana antsika isika? …

“… Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. Ao anatin’ny fahamarinana sy ny tsy fahatapahan’ny asa avy amin’ny fitaoman’ny finoana izay ataontsika no hanehoantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina. …

“… Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia mitaky ‘ny fo sy ny saina marisika’ (F&F 64:34). Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia vokatry ny fitondran’ny Fanahy Masina ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ho any amin’ny fo sy miditra ao anatin’ny fo. Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy afaka miampita avy any amin’ny mpampianatra iray mankany amin’ny mpianatra iray … ; raha ny marina dia ny mpianatra no tsy maintsy mampihatra finoana sy manao asa mba hahazoany fahalalana ho an’ny tenany” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 64).

Afaka mianatra amin’ny alalan’ny finoana isika rehefa mandray anjara amim-pahavitrihana sy arahim-bavaka amin’ny fianarana ny filazantsara ka mampihatra izay ianarantsika.

Mariho fa any amin’ny fiandohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 ny Tompo dia nilaza fa nisy sasany tsy nanana finoana. Araka ny zavatra nianaranao tao amin’io andininy io, ahoana no hamenoanao ity fitsipika manaraka momba ny fomba hampitomboantsika ny finoantsika ity? Raha toa isika , dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  1. Hanampiana anao hahatakatra ny fomba mety hampiharana io fitsipika io eo amin’ny fiainanao dia Vakio ny tsirairay avy amin’ireto toe-javatra manaraka ireto. Avy eo dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny fomba ahafahan’ilay olona isaky ny toe-javatra iray miova mba hianarany amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana. Soraty ao ihany koa ny fomba mety hanampian’ny asa nataon’ilay olona azy eo amin’ny fampitomboany ny finoany.

    1. Misy zatovovavy iray mamaky tsy tapaka ny soratra masina saingy mahalana izy vao miato mieritreritra ny zavatra izay novakiany. Tsy tsapany hoe mahasoa azy anie ny famakiana soratra masina.

    2. Misy zatovolahy iray manatrika foana ireo fivorian’ny Fiangonana tokony hatrehany ary tia mandray anjara amin’ireo resadresaka atao mandritra ny fotoam-pianarana. Indraindray izy dia mahatsapa fa misy zavatra izay manosika azy hanova ny fiainany araka ny zavatra ianarany, kanefa matetika izy no tsy manaraka ireo fitaomana ireo.

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa fa nitombo ny finoanao noho ny fikatsahanao tamim-pahavitrihana ny hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana?

    2. Ahoana no nanampian’ny asa nataonao anao hampitombo ny finoanao?

    3. Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao amin’ny ho avy mba hikatsahana ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana?

Mba hahafantaranao bebe kokoa momba ny Sekolin’ny Mpaminany dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–20, ka tadiavo ny fomba namaritan’ny Tompo ny toeram-pivorian’ny Sekolin’ny Mpaminany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ho valin’ny didin’ny Tompo momba ny hananganana ilay trano voalaza ao amin’ny andininy faha 119, dia nanangana ny Tempolin’i Kirtland ihany ny olomasina nony farany. Mandra-pitsangan’ny tempoly dia tao amin’ny efitrano ambonin’ny tranombarotra Newel K. Whitney tao Kirtland no natao ny fivorian’ny Sekolin’ny Mpaminany.

Diniho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121–26, ary tadiavo hoe inona no nandrasan’ny Tompo tamin’ireo rahalahy tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany teo amin’ny lafin’ny fitondrantenan’izy ireo. Diniho tsara ny mety hanampian’ireo fitondrantena ireo anao amin’ny fandalinanao manokana sy miaraka amin’olon-kafa ny filazantsara. Azonao atao ny misaintsaina ny mety hampiharana eo amin’ny fiainanao manokana ireo fitondrantena hitanao.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Aminao, inona no dikan’ny hoe “atsaharo ny resaka kitoatoanareo rehetra, ny tsikanikaninareo rehetra, … sy ny hamaivanan-dohanareo” (F&F 88:121)?

Ireo torolalana mahakasika ny tsikanikany sy ny hamaivanan-doha tamin’ny teny nomena ireo izay nandray anjara tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany dia nidika fa ireo izay nandray anjara tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany dia nila naneho fanajana ireo toerana masina. Ao amin’ny tempoly mantsy no fanaovana ireny fivoriana ireny.

Nahoana no mety hanampy anao amin’ireo ezaka ataonao ianarana ireo zavatra izay masina ny fankatoavanao io torohevitra io.

Na dia izany aza io torohevitra io dia tsy midika velively hoe fahotana avokoa ny tsikanikany rehetra. Mahakasika ny tsikanikany, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia niteny toy izao tamin’ny tanoran’ny Fiangonana:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Afaka mahazo fahafinaretana ianao. Mazava ho azy fa azonao atao izany! Tianay ianao hiala voly. Tianay ianao hankafy ny fiainana. … Tianay ianao hientanentana sy hiravoravo, hihira sy handihy, hihomehy sy ho faly.

“Saingy rehefa manao izany ianao dia meteza hanetry tena sy hahery hivavaka, dia hirotsaka aminao ny fahasoavan’ny lanitra” (“A Prophet’s Counsel and Prayer for Youth,” Ensign, jan. 2001, 11).

Jereo tsara ny fiverimberenan’ny teny hoe rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122. Eritrereto hoe inona no mety ho fiantraikan’izany ao amin’ny kilasy iray raha toa ka miara-miteny mandritra ny lesona sy miezaka ny mifampianatra ny mpianatra rehetra

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124 dia mirakitra torolalana avy amin’ny Tompo momba ny torimaso. Hevero ny mety ho fiantraikan’ny fatoriana mihoatra noho izay ilaina amin’ny fahafahanao mianatra na mahatsapa ny Fanahy. (Andinin-tsoratra masina fehezina ny F&F 88:124. Azonao atao ny manisy marika miavaka izany mba hanampy anao hahita izany amin’ny manaraka.)

Aminao, amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny torimaso ampy tsara sy ny fifohazana maraina antsika hianatra tsaratsara kokoa? Fitsipika iray hita ao amin’ireo torolalana omen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118–26 ny hoe ny fanaovana ireo asan’ny fahamarinana sy ny fitsaharana amin’ny ireo asa ratsy dia hanampy antsika hianatra sy hampiorina antsika. Soraty eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao izany fitsipika izany.

  1. Avereno dinihina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121–26, ka farito mazava tsara hoe inona amin’ireo torohevitra ao no ilainao ampiharina misimisy kokoa eo amin’ny fiainanao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiheveranao fa manan-danja ka manampy anao hianatra ny filazantsara sy mampiorina anao ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo sy ny fanatanterahana ireo torohevitra ireo.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124

  1. Hanampiana anao hahatadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124 dia ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitondrantena enina notenenin’ny Tompo fa tokony hatsahatra na tsy harahina. Averimbereno ilay lisitr’ireo asa atao mandra-pahavitanao manao tsianjery azy ireo. Ho fanampiana anao hitadidy sy hampihatra ny torohevitra ao anatin’io andinin-tsoratra masina fehezina io dia azonao atao ny manao tsianjery azy io ao an-tsainao isaky ny manatrika seminera na fotoam-pianarana ao am-piangonana na takarivan’ny mpianakavy amin’ny volana ambony.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:127–41

Nampahafantatra ny lamin’ny Sekolin’ny Mpaminany ny Tompo

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Saintsaino ireo toerana iarahanao mandalina ny filazantsara amin’olon-kafa. Eritrereto hoe misy olona amin’ireny toerana ireny izay tsy fantatrao tsara na mananosarotra anao ny mifandray aminy. Mieritrereta iray amin’ireo olona ireo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:127–41 ianao. Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Inona no fiantraikan’ny fifandraisanao amin’ireo mpiara-mianatra ny filazantsara aminao eo amin’ny fahafahanao mianatra sy mahazo hery amin’ny alalan’ny Fanahy?

Fifandraisana tsara eo amin’izy samy izy rehefa miara-mianatra izy ireo no nandrasan’ny Tompo mba haorin’ireo olona tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:128–34, ka tadiavo ny anjara asan’ny mpampianatra amin’ny fanorenana tontolom-pianarana zavatra ara-panahy ao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ny mpampianatra miarahaba ny mpianatra dia midika fa niarahaba azy ireo izy rehefa niditra izy ireo. Fomba fiarahabana manokana tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany izany. Inona no zavatra tsikaritrao amin’ilay fomba fiarahabana ao amin’ny andininy faha 133?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:135–37, ka tadiavo ny anjara andraikitry ny mpianatra amin’ny fanorenana tontolo iray ahafahana mianatra tsara.

Karazana fifandraisana manao ahoana no tian’ny Tompo hisy teo amin’ireo olona tao amin’ny sekolin’ny mpaminany? Araka ny voalazan’ny andininy faha 137, inona no nampanantenain’ny Tompo raha toa manaraka ny torolalany ireo olona tao amin’ny sekolin’ny mpaminany?

Izao manaraka izao no fitsipika iray azontsika ianarana ao amin’ireo andin-tsoratra masina ireo: Raha toa isika ka minamana sy mifankatia, dia afaka manasa ny Fanahy rehefa miaraka mandalina ny filazantsara.

  1. Avereno dinihina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:133. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Aminao, ahoana no ahafahantsika maneho “finiavana izay mitoetra, tsy miova ary tsy mety lefy, ny mba ho namana” amin’ny mpiara-mianatra na amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana izay mety tsy fantatsika tsara na mety hananosarotra anao ny hitia azy?

    2. Oviana ianao no niaina ny fianarana ny filazantsara tao anatin’ny tontolo iray izay nahitana fa nanana finiavana ny ho mpinamana avokoa ny rehetra. Nanao ahoana ilay izy, na koa mety ho ohatra ny ahoana izany aminao?

    Eritrereto ny fomba ahafahanao mampitombo ny finiavanao hitia ireo miaraka mianatra ny filazantsara aminao. Azonao atao ny mirakitra izay mety ho bitsika tsapanao mba hanehoanao hatsaram-panahy sy fitiavana lehibe kokoa amin’ny mpiara-mianatra na ny olona ao amin’ny fianakaviana.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–141 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy