Seminera
Fizarana 18: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87


Fizarana 18: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Fampidirana

Nandritra ny taona 1832 dia naharay tatitra tamin’ny alalan’ny gazety mikasika ny fahasahirana izay manjo an’izao tontolo izao ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny faramparan’izany taona izany no nitenenan’ny Mpaminany toy izao, “ny fikorontanana misy eo amin’ireo firenena samihafa dia lasa miharihary bebe kokoa tamin’ity vanimpotoana ity noho ny taloha hatramin’izay niantombohan’ny dian’ny Fiangonana niala ny tany foana izay” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 249). Ny 25 Desambra 1832, no nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87, izay ahitana ihany koa ireo faminaniana momba ireo ady sy fitsarana izay hatobaka eo amin’ny firenen-drehetra amin’ny andro farany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87

Naminany i Joseph Smith fa hatobaka eo amin’ny firenen-drehetra ny ady.

Ny faminaniana dia fanambarana iray ataon’ny mpaminany iray mikasika ny fambara na trangan-javatra iray izay mbola ho avy araka izay nanambaran’ny Fanahy Masina izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4, ka mitadiava faminaniana iray nomen’i Joseph Smith. Mety hanampy anao eo am-padalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mahafantatra fa i South Carolina dia faritany iray any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia.

sarintany, Amerika Avaratra

Iray amin’ireo fitsipika azontsika ianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4 ny hoe amin’izao androntsika izao, tahaka ny tamin’ny andro fahiny, ny Tompo dia afaka manambara ny hoavy amintsika amin’ny alalan’ireo Mpaminaniny.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no mahatonga ny fahafantarana fa ny Tompo dia manambara ny zavatra izay ho avy amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ho fitahiana ho an’ny Fiangonana?

    2. Ahoana no mahatonga ny fahalalana izany ho fitahiana ho anao sy ny fianakavianao?

Vakio ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanan fizarana 87. Tadiavo ny daty nanomezana ity fanambarana ity sy ny zavatra nampisaintsaina lalina an’i Joseph Smith tamin’io fotoana io.

Nahare momba ny disadisa ara-pôlitika nisy teo amin’ny faritanin’i South Carolina sy ny governemanta federalin’i Etazonia momba ny fadintseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany i Joseph Smith. (Ny habantseranana dia haba alaina amin’ny fanafaran’entana.) Satria niankin-doha bebe kokoa tamin’ireo fanafaran’entana novokarina tany ivelany ny mponina tao South Carolina raha oharina amin’ny olona tao amin’ny faritany tavaratra dia nihevitra izy ireo fa tsy rariny ny habantseranana avy amin’ny fanjakana foibe ary natao fanahy iniana ny fametrahana izany mba hanimbana ny Faritany tatsimo. Namorona lalàna tsy mampanan-kery na manafoana ireo lalàna federaly ireo mpitondra fanjakana tao South Carolina, ary maro tamin’ireo mponina tao South Carolina no nanomboka nanomana ady hanoherana ny governemanta federaly. Nanamafy ny filohan’i Etazonia fa hampanaja ny lalàn’i Etazonia amin’ny alalan’ny hery izy.

Ny volana Desambra 1832, ny gazety rehetra nanerana an’i Etazonia dia niresaka momba io disadisa io avokoa. Tamin’izany fotoana izany indrindra no nandraisan’i Joseph Smith ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 izay maminany fa “hitranga tsy ho ela ireo ady izay manomboka amin’ny fikomian’i South Carolina” (F&F 87:1). Tamin’ny fiantombohan’ny taona 1833, tsy ela akory taorian’ny nanomezana io fanambarana io dia voalamin’i Etazonia tsy nisy romoromo ilay olana tamin’ny faritanin’i South Carolina. Nisy sasany mety ho nino fa efa lasa ny andro sarotra ary tsy ho tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4 saingy niato nandritra ny fotoana fohy fotsiny ny andro sarotra, ary i South Carolina dia mbola nanohy nikomy.

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no mety ho fihetsikao raha toa ka tsy tanteraka tamin’ny fomba na nandritra ny fotoana niandrandranao izany ny tenin’ny mpaminany

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:12–13. Inona ny zavatra nohamafisin’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 130, ka tadiavo ny taona nanomezan’i Joseph Smith ity fanamafisana ny faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87ity.

Inona no mety ampianarin’ny fanamafisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny faminaniana izay noraisiny 10 taona mialoha anao momba ny finoany?

Ny disadisa nisy teo amin’ny governemanta Amerikana sy i South Carolina dia nilamina 10 taona mialoha, tamin’ny 1833. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nitohy nihazona ny finoana ny amin’ny faminaniana nambaran’ny Tompo tamin’ny alalany, na dia nisy olona maro aza tsy nety nino fa hisy ady an-trano ao Etazonia.

Ny Mpaminany Joseph Smith

Tamin’ny 1861, ny sambo mpiadin’ny faritany tatsimo dia nanomboka nitifitra ireo miaramila federalin’i Etazonia izay niantsona tao Fort Sumter, tao Charleston Harbor, South Carolina. Nisy faritany tatsimo hafa nanampy an’i South Carolina tamin’ny ady an-trano nifanandrinany tamin’ireo faritany tavaratra. Nony farany dia nangataka ny fanampian’ny Firenena Britanika ireo faritany Tatsimo. Ankoatra izany dia maro tamin’ireo olona nandevozina tany atsimo no nitambatra tamin’ny tafika tavaratra ary niady tamin’ireo tompony taloha. Naharitra ka hatramin’ny taona 1865 ny ady an-tranon’ny Amerikana ka niafara tamin’ny fahafatesana miaramila niisa 620.000 teo ho eo.

Fort Sumter

Fort Sumter, ao Charleston Harbor, South Carolina

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy amin’ireo zava-nitranga ireo no manampy antsika hahafantatra fa Joseph Smith dia mpaminany marina?

    2. Nahoana no zava-dehibe aminao ny fahafantarana fa i Joseph Smith dia mpaminany marina?

Ny faminaniana rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 dia efa tanteraka sy mbola ho tanteraka avokoa.

Ankoatra ireo zava-nitranga nambara tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:1–4, i Joseph Smith dia naminany zavatra hafa izay mbola hitranga. Ny andininy faha 5 dia milaza fa “ny ambiny izay tavela eo amin’ny tany … dia hampijaly ny Jentilisa.”

“Ny teny hoe ny ambiny izay tavela dia matetika ampiasaina ao amin’ny soratra masina entina ilazana ny sampana iray amin’ny mpianakavin’i Isiraely. Satria nanao fampanantenana manokana momba ireo izay sisa tavela amin’ny Nefita sy ny Lamanita ny Tompo (jereo ny 3 Nefia 20:10, 16; 21:2, 4), dia maro no nihevitra fa io andininy io dia manondro ireo Lamanita izay hitroatra indray andro any ka ‘hampijaly ny Jentilisa’ (F&F 87:5).

“Nanoratra toy izao ny Filoha Joseph Fielding Smith: ‘Ny tantaran’ity kaontinanta amerikana ity … dia manaporofo fa ny Lamanita dia nitroatra tamin’ny hatezerany tokoa ka nampijaly ny Jentilisa. Mety tsy ho tapitra izany ady izany. Diso hatramin’izay ny olona eto Etazonia raha nieritreritra foana fa ity teny faminaniana ity dia manondro ireo Indianina Amerikana mponina voalohany teto Etazonia, saingy mila tadidiantsika fa misy aman-tapitrisany amin’ireo “izay sisa tavela” any Mexique, Amerika Afovoany, ary Amerika Atsimo. Nandritra ny ady an-trano tany Etazonia no nitraotra ireo Indianina tany Mexique ka nahazo ny fahafahany tamin’ny fitondrana jadona izay niezahan’i Napoleon mafy nampiharina tamin’izy ireo izay mifanohitra amin’ny faminaniana nataon’i Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa tsy tokony hisy mpanjaka eo anivon’ny Jentilisa honina eto amin’ity tany ity. Ny fahaleovantenan’i Mexique sy ireo firenena hafa tany amin’ny faritra atsimo dia tanteraka noho ny fitroatran’ireo “izay sisa tavela” teto amin’ilay tany. Na dia izany aza dia aoka isika tsy hihevitra fa ity faminaniana ity dia tanteraka iray manontolo.’ (Church History and Modern Revelation, 1:363.)” (Doctrine and Covenants Student Manual, boky natonta faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2001], 195).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:6–7, ka tadiavo ireo tranga hafa izay naminanian’i Joseph Smith fa hitranga tokoa amin’ny andro farany.

Ny “tanam-pamaizan’ ” Andriamanitra dia entina ilazana fa ny Tompo dia mampiasa ny fitsarany hanairana ny zanany hibebaka amin’ny fahotany. Ankoatra izay dia hitranga ny sasany amin’ireo fitsarana voasoritsoritra ao amin’ireto andininy ireto rehefa manafay ny ratsy fanahy ny Tompo noho ny tsy rariny nataon’izy ireo tamin’ny marina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8 hianaranao fa ny Tompo dia mitarika antsika hanao toy izany mba hivononantsika hiatrika ireo ady sy loza rehetra hitranga eto an-tany amin’ny andro farany. Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity ny hoe mila mitsangana amin’ny toerana masina isika ary tsy tokony hoesorina amin’izany mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo.

Ny atao hoe toerana masina dia ireo toerana rehetra izay ahafahantsika mahatsapa ny fanatrehan’ny Fanahy Masina, izay manampy antsika hanakaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ianarana momba Azy ireo. Matetika ny hoe mitsangana eo amin’ny toerana masina dia miompana bebe kokoa amin’ny fombafiainantsika noho ny amin’ny toeranaiainantsika. Raha toa ianao ka miaina mandrakariva mba ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava, dia mitsangana amin’ny toerana masina ianao izay. Mikiriza mba hahatonga ny fonao ho toerana masina heniky ny Fanahin’ny Tompo.

  1. journal iconMitanisà ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina toerana vitsivitsy izay heverinao ho masina. Avy eo dia misafidiana iray amin’ireo toerana izay hitanao ka lazalazao ny fomba nanampian’ny naha-tao amin’io toerana masina io anao hanakaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Inona no ezaka azonao atao mba hahatonga ny tokantranonao ho toerana masina? Raha toa ka mitsidika ny toerana ipetrahanao ny mpaminany, ny efitranonao, ny toerana fampirimanao ny entanao manokana na toerana hafa misy anao matetika, dia ho toerana masina ve no hahitany izany?

  2. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mitsangana amin’ny toerana masina ka “tsy hoesorina” (F&F 87:8)?

    2. Ahoana no mety hampiala ny olona iray eo amin’ireo toerana masina?

    3. Inona no zavatra hataonao mba hitsangananao amim-pahatokiana bebe kokoa eo amin’ny toerana masina ka tsy hampiala anao eo amin’izy ireny?

  3. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: