Seminera
Fizarana 27: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–83


Fizarana 27: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–83

Fampidirana

Nandritra ny ririnina 1838–39 ireo Olomasina dia nitsoaka niala an’i Missouri ka nipetraka tao Illinois teo amin’ny Reniranon’i Mississippi. Tao no nanombohan’ireo Olomasina nanangana tanàna iray tao amin’ny faritry ny toeram-ponenana kely iray nantsoina hoe Commerce. Taorian’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra niainan’izy ireo dia nanana toerana iray izay nahafahan’izy ireo niangona sy nanangana tanàna iray tamim-pilaminana amin’izay ny Olomasina. Nampivoatra ny fiaraha-monin’izy ireo izy ireo ka dia nanome anarana vaovao hoe Nauvoo ho an’izany. Rehefa naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 tamin’ny 19 janoary 1841 ny Mpaminany Joseph Smith dia efa nitoetra tao Nauvoo, Illinois nandritra ny roa taona teo ho eo ny Olomasina. Tao anatin’io fanambarana io ny Tompo dia nandidy ny Olomasina mba hanangana tempoly ary nanazava ireo fitahiana izay ho azon’izy ireo raha toa izy ireo ka mazoto amin’ny fananganana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–41, 56–83

Nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hanorina tempoly iray sy trano iray ho an’ireo mpitsidika an’i Nauvoo

Inona no zavatra tontosanao ka nitaky fotoana, na ezaka, na fahafoizan-tena be dia be avy aminao? Nahoana izany no mendrika ilay fotoana, na ezaka, na fahafoizan-tena notakin’izany?

Ny Tompo dia nanomboka ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 tamin’ny alalan’ny fanomezana didy mba hanoratana fanambarana mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ho an’ireo mpitondra eto an-tany (jereo ny F&F 124:1–14). Mba hanatanterahana io didy io dia namoaka fanambarana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 6 aprily 1845, izay nanomboka tamin’ny hoe:

Sary
toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

“Fantatrareo ve:—

“Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tonga: araka izay nambaran’ireo mpaminany fahiny mialoha, sy nangatahan’ny olona tamin’ny alalan’ny vavaka nandritra ny tantaran’izao tontolo izao; dia ilay fanjakana izay hameno ny tany manontolo, ary hijoro mandrakizay” (ao amin’ny James R. Clark, comp., Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 6 vols. [1965–75], 1:253).

Telopolo amby zato taona taty aoriana dia nanao lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny Filoha Ezra Taft Benson, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, izay namerenany nilaza ilay hafatra tao amin’izany fanambarana izany (jereo ny “A Message to the World,” Ensign, nôv. 1975, 33–34).

Ankoatra ny nanomezana didy mba hanoratana izany fanambarana izany dia nanome didy izay hitaky fahafoizan-tena lehibe avy amin’ny Olomasina ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–27, mba hitadiavana ny zavatra nandidian’ny Tompo an’ireo Olomasina tao Nauvoo mba ho ataon’izy ireo.

Inona no tian’ny Tompo ho ampiasain’ireo Olomasina mba hananganana ilay tempoly?

Tamin’ny fotoana izay nifindran’ireo Olomasina tany Nauvoo, Illinois, dia maro ireo izay namoy ny fananany rehetra. Saintsaino ny fomba mety nitakina finoana sy fahafoizan-tena avy amin’ireo Olomasina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ilay didy hanangana tempoly iray hafa.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28, mba hitadiavana ny antony nitenenan’ny Tompo tamin’ireo Olomasina fa mila manangana tempoly izy ireo. Asio marika ny zavatra hitanao.

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Joseph Fielding Smith mikasika “ny fahafenoan’ny fisoronana”: “Ny lehilahy tsirairay izay mahatoky sy handray ireo ôrdônansy sy fitahiana ireo no mahazo ny fahafenoan’ny fisoronana, ary ny Tompo dia nilaza hoe ‘ataony mitovy izy ireo amin-kery sy amin’ ny tanjaka ary amin’ ny fanapahana.’ [F&F 76:95; jereo koa ny F&F 88:107.] … Nataon’ny Tompo izay nahatonga ny lehilahy tsirairay ao amin’ity Fiangonana ity, amin’ny alalan’ny fankatoavany, hahazo ny fahafenoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempolin’ny Tompo. Tsy azo raisina any amin’ny toeran-kafa izany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 3:132–33).

Ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana—ny lehilahy sy ny vehivavy—dia afaka mahazo ny fahafenoan’ny fitahian’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra any amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’ireny ôrdônansy ireny dia afaka mahazo ireo fitahiana rehetra izay irian’ny Ray any An-danitra homena ny zanany isika. Nanomboka tao amin’ny tempolin’i Kirtland ny famerenana tamin’ny laoniny ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana, saingy tsy feno tanteraka izany tao. Ny fanorenana ny tempoly tao Nauvoo dia nahafahana nanohy ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly (jereo ny F&F 124:28, 40–41).

  1. Vakio ireo andiam-pehezan-teny roa voalohany eo ambanin’ny lohahevitra hoe “Ôrdônansy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.lds.org) na ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara ([2004]). Dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ity fanontaniana manaraka ity: Inona no atao hoe ôrdônansy?

Ny ôrdônansy sasany dia ilaina amin’ny fisandratana, ary maro amin’ireo ôrdônansy ireo no tsy azo tanterahina raha tsy any amin’ny tempoly. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29, mba hitadiavana ny iray amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly tena ilaina ireo, izay nolazain’ny Tompo fa tokony haverina amin’ny laoniny.

Tamin’ny 15 aogôsitra 1840 no nampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith voalohany fa ny Olomasina dia afaka manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena toy ny batisa ho an’ireo naman’izy ireo nodimandry sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany izay tsy nanana fahafahana handray ny filazantsara (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 403; jereo koa ny 1 Korintiana 15:29). Taorian’io filazana io dia maro ireo batisa ho an’ny maty notanterahina tao amin’ny Reniranon’i Mississippi River na teo akaikin’ireo riandrano.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–34, ary tadiavo ny didy nomen’ny Tompo mikasika ny toerana tokony hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty mba hanekeny izany.

Na dia nilaza aza ny Tompo fa ilaina tanterahina ao amin’ny tempoly ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty, dia nahoana izy no namela ny Olomasina hanatanteraka batisa tany ivelan’ny tempoly nandritra ny fotoana fohy?

Sary
Tempolin’i Nauvoo eo andalam-panamboarana

Taorian’ny nahazoan’i Joseph Smith ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124, dia nandroso haingankaingana ny asa fanamboarana ny tempolin’i Nauvoo. Tamin’ny 3 ôktôbra 1841, taorian’ny nandavahana ny efitrano farany ambany tao amin’ny tempoly, dia nilaza tamin’ny Olomasina i Joseph Smith hoe: “Tsy hisy intsony ny batisa ho an’ny maty, mandra-pahafahana manao izany ôrdônansy izany any amin’ny tranon’ny Tompo. … Fa izany tokoa no lazain’ny Tompo!” (Teachings: Joseph Smith, 469). Tamin’ny 21 nôvambra 1841, taorian’ny fanamboarana sy fanokanana ny toerana fanaovana batisa tao amin’ny rihana ambanin’ny Tempolin’i Nauvoo dia naverina notohizana ny batisa ho an’ny maty. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha-2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 251–52; jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 469–70.)

Sary
Tempolin’i Nauvoo Illinois

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124 dia mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Ny tempoly no hany toerana ahafahana mahazo ny fahafenoan’ny ôrdônansin’ny fisoronana mba ho fanavotana ny velona sy ny maty.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba izay heverinao fa mety nandrisihan’io fahamarinana io an’ireo Olomasina mba hanao ny fahafoizan-tena ilaina mba hanangana tempoly tao Nauvoo.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Asio marika ireo teny na andian-teny izay manaitra anao ato amin’ity fampianarana manaraka nomen’ny Filoha Thomas S. Monson ity mikasika ny maha-zava-dehibe an’io fahamarinana mikasika ny tempoly io: “Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. Tsy misy halavirana be loatra handehana, na sakana betsaka loatra ho resena na fahoriana be loatra ho zakaina. Takatr’izy ireo fa ireo ôrdônansin’ny famonjena izay raisina any amin’ny tempoly no hanome antsika fahafahana indray andro any hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra ao amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay ary ho tafiana amin’ireo fitahiana sy hery avy any ambony izay mendrika hanaovana ny fahafoizana sy ny ezaka rehetra” (Ny Tempoly Masina—Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 92).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fehezan-teny vitsivitsy mamariparitra ny antony maha-manan-danja aminao ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Saintsaino ny zavatra ataonao eo amin’ny fiainanao mba hiomanana amim-pahamendrehana hiditra ny tempoly sy handray ny fahafenoan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ny tenanao. Soraty ao anatin’ny diarinao manokana na amin’ny taratasy kely iray ny zavatra tsapanao fa tsy maintsy ataonao amin’izao fotoana izao mba ho mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:38–41, mba hitadiavana ny antony nandidian’ny Tompo an’i Mosesy hanangana tabernakely tany an-tany foana sy hampianatra ny vahoakany hanangana tempoly tao amin’ny tany nampanantenaina.

Jereo ny faharetan’ny fotoana nisian’ireo ôrdônansin’ny famonjena tao amin’ny tempoly araka ny voalazan’ireo andininy ireo.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao, izay mametraka aminao ireto fanontaniana manaraka ireto, dia valio amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany avy eo:

    1. Maninona ny Fiangonana no manangana tempoly?

    2. Maninona ny tempoly no manan-danja ho anao?

Nampianatra ny Olomasina ihany koa ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 56–83, mba hanangana fotodrafitrasa iray hafa nantsoina hoe ny Tranon’i Nauvoo, izay toerana azon’ireo olona izay nitsidika tao Nauvoo nipetrahana.

Sary
trano misy rihana telo

Ity trano ity dia anisan’ny namboarina tamin’ny fanorenana an’ilay toerana nisy ny Tranon’i Nauvoo, izay tsy vita tanteraka.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:42–55

Nanazava ny zavatra hitranga ny Tompo raha nankatò ny didy hanangana tempoly ny Olomasina

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:42–45, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga raha nanaiky nanangana tempoly tao Nauvoo, Illinois ny Olomasina ary nihaino ny feony sy ny feon’ireo mpanompony.

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:46–54, dia manazava ny zavatra hitranga raha nanangana ilay tempoly ny Olomasina kanefa tsy nihaino ny feony na ny feon’ireo mpanompony. Nanazava ihany koa izy fa hanaiky ny ezaka ataon’ireo Olomasina mba hanatanteraka ny asan’ny Tompo (ao anatin’izany ny fananganana tempoly) na dia nosakanana tsy hanao izany aza izy ireo noho ny fanenjehana niainan’izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:55, mba hitadiavana ny zavatra nambaran’ny Tompo fa tokony hoporofoin’ireo Olomasina Taminy tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny mba hanangana ny Tempolin’i Nauvoo.

Araka ny voalazan’ny andininy 55, dia manaporofo inona amin’ny Tompo isika rehefa mankatò ny didiny?

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 55: Manaporofo ny fahatokiantsika isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo.

  1. Saintsaino ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nankatoavanao didy iray avy amin’ny faniriana mba ho mahatoky sy tsy hivadika amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny iray amin’ireo zavatra niainana ireo sy ireo fahatsapana anananao mikasika ny fampisehoana amin’ny Tompo ny fahatokianao sy ny tsy fivadihanao Aminy.

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:55, dia inona ireo fitahiana fanampiny izay nampanantenain’ny Tompo an’ireo Olomasina raha nanangana tempoly tao Nauvoo izy ireo?

  1. Ireo fanomezana haja sy tsy fahafatesana ary fiainana mandrakizay nampanantenaina ao amin’ny andininy 55 dia manana toetra mandrakizay. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiheveranao fa zava-dehibe ny mahatakatra fa mety tsy ho azo eo no ho eo ny sasany amin’ireo fitahiana izay raisintsika noho ny fahatokiantsika amin’ny Tompo.

Manaova fanamby amin’ny tenanao mba hampiseho ny fahatokianao amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pahatokiana ny didiny.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:1–83 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy